Hira 139
Ampianaro Izy Ireo mba Hiorina Tsara
-
Tombontsoa ny manao mpianatra.
Tsapanao ny fandrosoany.
Hitanao izy ’reo miezaka
Sy mampihatra izay inoany.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Jehovah ô, ’reo ondrinao
Arovy sy karakarao,
Hanohy handroso avokoa, an-tsitrapo,
Ho mafy orina tokoa.
-
Izy ’reo raha tojo fitsapana,
Tsy avelanay ho irery.
F’izahay mivavaka mazàna
Sady miahy sy mampahery.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Jehovah ô, ’reo ondrinao
Arovy sy karakarao,
Hanohy handroso avokoa, an-tsitrapo,
Ho mafy orina tokoa.
-
Enga anie hatoky anao hatrany
Izy ka hahery fo,
Hankatò na sarotra aza izany,
Mba handray ’lay valisoa.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Jehovah ô, ’reo ondrinao
Arovy sy karakarao,
Hanohy handroso avokoa, an-tsitrapo,
Ho mafy orina tokoa.
(Jereo koa ny Lioka 6:48; Asa. 5:42; Fil. 4:1.)