Hira 144
Iankinan’ny Aina io Asa Io
-
Na dia mamindra fo
i Jehovah, misy fetra.
Dieny izao dia andao
itoriana ny rehetra.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iankinan’ny ainy, kanefa koa
Iankinan’ny aintsika izy io.
Iankinan’ny aina io asa io,
Koa ny rehetra no itorio,
Itorio.
-
’Zao no hafatra ambara
am’izao tontolo izao:
‘Mihavàna am’i Jehovah
dieny azo atao.’
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iankinan’ny ainy, kanefa koa
Iankinan’ny aintsika izy io.
Iankinan’ny aina io asa io,
Koa ny rehetra no itorio,
Itorio.
(TETEZANA)
Aina anie zava-dehibe,
Koa ampio izy hanao safidy.
Ambarao ary hazavao
’Lay fahamarinana tsy amidy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iankinan’ny ainy, kanefa koa
Iankinan’ny aintsika izy io.
Iankinan’ny aina io asa io,
Koa ny rehetra no itorio,
Itorio.
(Jereo koa 2 Tan. 36:15; Isaia 61:2; Ezek. 33:6; 2 Tes. 1:8.)