Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 138

Jehovah no Anaranao

Jehovah no Anaranao

(Salamo 83:18)

  1. Avy aminao ny aina,

    Mpamorona manan-tsaina.

    Ka ianao no ankalazaina,

    Jehovah ô, ianao.

    Izay no anaranao,

    Tsy miova mandrakizay.

    Tsy maintsy hotorinay

    Ny voninahitrao.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Jehovah, Jehovah,

    Tsy misy hoatr’anao;

    N’aiza n’aiza etỳ an-tany,

    Na any an-danitra any.

    Ianao ’rery no Avo Indrindra,

    Torinay foana izany.

    Jehovah, Jehovah,

    Ianao no tompoinay, ianao.

  2. Ianao “Mahatonga” anay

    Hanao ’zay nokasainao,

    Hahavita izay irinao;

    Jehovah ô, ianao.

    Vavolombelonao

    ’Zahay satria nantsoinao,

    Vahoaka nofidinao

    Ho an’ny anaranao.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Jehovah, Jehovah,

    Tsy misy hoatr’anao;

    N’aiza n’aiza etỳ an-tany,

    Na any an-danitra any.

    Ianao ’rery no Avo Indrindra,

    Torinay foana izany.

    Jehovah, Jehovah,

    Ianao no tompoinay, ianao.