HIRA 143
Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa
-
1. Jehovah marim-potoana.
Tsy ho tara Hara-magedona!
Ny ratsy rehetra ho foana,
Andraso dia ho hitanao.
(FIVERENANA)
’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,
Satria Jehovah efa nikasa
Hanao tontolo vaovao.
-
2. Misy andro efa notondroiny.
Efa tsy mihemotra intsony!
Haringany ireo mpikomy,
Kristy efa handresy izao.
(FIVERENANA)
’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,
Satria Jehovah efa nikasa
Hanao tontolo vaovao.
-
3. Mijaly, mampahonena,
’Reo olona sesehena,
F’isika indray manantena.
Ny hoavy no andrandrao!
(FIVERENANA)
’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,
Satria Jehovah efa nikasa
Hanao tontolo vaovao.
(Jereo koa ny Mat. 25:13; Lioka 12:36.)