Tia Anao Foana
Haka:
1. Mba nitady ianao,
Fo mba hiantra sy hiaro,
Toa fo vato indray no hitanao.
Nefa kosa atỳ
Misy namana maro
Vonona ny hampionona anao.
Dia ’zay fitiavana izay
Hitohy mandrakizay.
(FIVERENANA)
Tia, tia anao foana
Jehovah ka aza kivy,
Fitiavana izy.
Tia, tia anao foana
Izahay namanao,
Tsy hahafoy, tsy handao.
Izahay tia anao,
Tia anao foana.
2. Raha toa mafy loatra
Izay onjan’ny tany,
Ka toa mila tsy ho zaka intsony,
’Lay fanantenana
Mbola zarao hatrany,
Fa Jehovah eo hampitony.
Izay fitiavana izay
Hitohy mandrakizay.
(FIVERENANA)
Tia, tia anao foana
Jehovah ka aza kivy,
Fitiavana izy.
Tia, tia anao foana
Izahay namanao,
Tsy hahafoy, tsy handao.
Izahay tia anao.
(FIVERENANA)
Tia, tia anao foana
Jehovah ka aza kivy,
Fitiavana izy.
Tia, tia anao foana
Izahay namanao,
Tsy hahafoy, tsy handao.
Izahay tia anao,
Tia anao foana,
Tia anao foana,
Tia anao foana.