Fantatrao Ve?
Inona ny soa azon’ny apostoly Paoly noho izy nizaka ny zom-pirenena romanina?
Nisy tombontsoa sy zo nananan’ny olona nizaka ny zom-pirenena romanina, na taiza na taiza faritany nalehany tany amin’ny Fanjakana Romanina. Ny lalàna romanina no nifehy azy, fa tsy ny lalàna tany amin’ireny faritany ireny. Rehefa nampangaina, ohatra, izy dia afaka nanaiky hotsaraina araka ny lalàna tany amin’ilay faritany, nefa koa mbola nanan-jo hotsaraina tany amin’ny fitsarana romanina. Raha voaheloka ho faty indray izy, dia nanan-jo hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny mpanjaka.
Hoy i Cicéron, mpitondra fanjakana romanina tamin’ny taonjato voalohany Talohan’i Kristy (T.K.): “Meloka izay mamatotra olom-pirenena romanina, ratsy fanahy izay mikapoka azy, ary hoatran’ny hoe mamono ray aman-dreny na havana akaiky izay mamono azy ho faty.”
Nitory nanerana ny Fanjakana Romanina i Paoly. Intelo izy no nampiasa ny zony amin’ny maha Romanina azy. 1) Rehefa nokapohin’ny tompon’andraiki-panjakana izy tany Filipy, dia nilaza fa tsy nanaja ny zony izy ireo. 2) Nampahafantariny hoe Romanina izy, tany Jerosalema, mba tsy hikapohana azy. 3) Nangataka ny hotsarain’i Kaisara, mpanjaka romanina izy.—Asan’ny Apostoly 16:37-39; 22:25-28; 25:10-12.
Inona no karaman’ny mpiandry ondry fahiny?
Niandry ny ondrin’i Labana dadatoany nandritra ny 20 taona i Jakoba, ka ny 14 taona voalohany mba hanambadiana ny zanak’i Labana roa vavy. Biby fiompy kosa no karamany ny enin-taona ambiny. (Genesisy 30:25-33) Hoy ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy): “Toa efa nahazatra ny mpanoratra sy mpamaky Baiboly fahiny ny fifanekena toa an’io nataon’i Labana sy Jakoba io.”
Nisy fifanekena toy izany hita tany Nuzi sy Larsa ary tany an-toeran-kafa any Irak ankehitriny. Naharitra herintaona ny fifanekena iray, ka manomboka amin’ny fotoana fanetezana ondry hatramin’ny fanetezana ondry amin’ny taona manaraka. Efa voafaritra ny isan’ireo ondry, ary natao lisitra arakaraka ny taonany sy ny hoe lahy izy sa vavy. Nomena volonondry, zavatra vita amin’ny ronono, zanak’ondry, sy ny toy izany ny tompon’ondry rehefa afaka herintaona, ary efa voafaritra hoe hoatran’ny ahoana, fara fahakeliny, ny habetsahany. Lasan’ilay mpiandry ondry kosa izay nihoatra.
Mihabetsaka ny ondry arakaraka ny isan’ny ondrivavy. Zanak’ondry 80 matetika no antenaina ho azo avy amin’ny ondrivavy 100. Ny mpiandry ondry no nanolo an’izay tsy ampy na very. Tsy maintsy niezaka nikarakara tsara ny ondry nankinina taminy àry izy.