Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: MBOLA HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Mangidy ny Fahafatesana

Mangidy ny Fahafatesana

Tsy tian’ny ankamaroan’ny olona ny miresaka momba ny fahafatesana. Mety hidonam-pahoriana anefa isika, na ho ela na ho haingana, ary tena mangidy izany.

Tsy ampoizina mihitsy ny fahafatesan’ny ray aman-dreny, na vady, na zanaka. Mety ho tampoka mantsy no hitrangan’ny loza, na hoatran’ny tsy mety tapitra. Na ahoana na ahoana dia mampahory foana ny fahafatesana.

Maty voadonan’ny fiara ny rain’i Antonio. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe nohidian’ny manam-pahefana ny tranonao ary nentiny ny lakile. Tsy afaka miverina ao ianao na dia vetivety fotsiny aza. Fahatsiarovana sisa tavela. Tsy rariny ilay izy ka tsy manaiky ny sainao. Tsy afa-manoatra anefa ianao satria izay no zava-misy.”

Maty vady i Dorothy tamin’izy 47 taona. Niezaka nitady ny valin’ireo fanontaniana nanitikitika ny sainy izy. Mpampianatra sekoly alahady izy ka nieritreritra hoe mbola ho velona indray ny maty. Tsy tena fantany anefa izay mitranga aorian’ny fahafatesana, ka nanontany mpitondra fivavahana anglikanina iray izy. Namaly izy io hoe: “Tsy misy tena mahafantatra an’izany fa aleo miandry dia ho hita eo.”

Tsy maintsy miandry tokoa ve isika, sa misy fomba hahalalantsika raha mbola ho velona indray ny maty?