MATOAN-DAHATSORATRA: INONA NO RESAHIN’NY BAIBOLY?
Vaovao Tsara ho An’ny Olombelona Rehetra
Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia lasa nazoto sy nanam-pinoana ny mpianany. Tonga hatrany Azia Minora sy ny faritr’i Mediterane ny apostoly Paoly mba hanorina fiangonana. Nampahery ny Kristianina koa izy mba tsy hivadika na teo aza ny fitaoman-dratsy sy ny fanenjehana nahery vaika. Niroborobo ny Fivavahana Kristianina tamin’izany sady niely patrana.
Nogadraina i Paoly, nefa mbola nanoratra taratasy nampahery ny fiangonana izy sady nanome torohevitra. Nampitandrina izy fa hisy fivadiham-pinoana. Nampahafantarin’ny fanahy masina azy mialoha fa hisy “amboadia masiaka” hiditra eo amin’izy ireo ary ‘hanolana hevi-teny’ mba “hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.”—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
Nanomboka ny fivadiham-pinoana tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Tamin’izany i Jesosy no nampanoratra ny apostoly Jaona ny bokin’ny Apokalypsy, izay miresaka momba ny hoavy. Tsy vitan’ny mpanohitra sy ny mpampianatra sandoka ny nisakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Nilaza i Jaona fa handre ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apokalypsy 14:6) Ho lasa Paradisa indray ny tany, ary ho afaka hiaina ao izay te hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
“Vaovao tsara” ve no fahitanao an’izany? Fantaro bebe kokoa àry ny hafatr’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly sy ny soa horaisinao avy amin’izany dieny izao sy amin’ny hoavy.
Afaka mamaky Baiboly ianao ao amin’ny Internet, ao amin’ny www.isa4310.com. Ho hitanao ao koa ilay bokikely hoe Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly? sy Vaovao Tsara Natao ho Anao! ary ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy boky hafa koa ao manazava hoe nahoana isika no afaka mitoky amin’ny Baiboly ary ahoana no azontsika ampiharana ny toroheviny ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiainantsika manokana. Na anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah raha mila fanazavana fanampiny.
—Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly, Efesianina, Filipianina, Kolosianina, Filemona, 1 Jaona, Apokalypsy.