Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra?
Mihaino ny vavaka ataon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra Andriamanitra. (Salamo 145:18, 19) Milaza ny Baiboly fa tokony horesahintsika amin’Andriamanitra izay rehetra manahiran-tsaina antsika. (Filipianina 4:6, 7) Misy vavaka tsy ankasitrahany anefa. Tsy tiany, ohatra, ny vavaka atao tsianjery.—Vakio ny Matio 6:7.
Tsy tian’i Jehovah koa ny vavaka ataon’ireo minia tsy mankatò ny lalàny. (Ohabolana 28:9) Tsy nihaino ny vavaka nataon’ireo Israelita fahiny, ohatra, izy satria namono olona izy ireo. Tsy maintsy manao izay takiny àry isika raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika.—Vakio ny Isaia 1:15.
Inona no takiny amin’izay mivavaka aminy?
Tsy maintsy manam-pinoana isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:5, 6) Tsy maintsy resy lahatra isika fa misy izy ary mikarakara antsika. Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa mianatra Baiboly isika. Manampy antsika hanana ny tena finoana mantsy ireo porofo sy fanomezan-toky ao.—Vakio ny Hebreo 11:1, 6.
Tokony hanao vavaka vokatry ny fo isika, ary hanetry tena rehefa manao izany. Na i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aza nanetry tena rehefa nivavaka. (Lioka 22:41, 42) Tsy tokony hibaikobaiko an’Andriamanitra àry isika, fa hiezaka hamantatra izay takiny ka hamaky Baiboly. Hifanaraka amin’ny sitrapony ny vavaka ataontsika amin’izay.—Vakio ny 1 Jaona 5:14.