Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Inona ilay “toeram-pitsarana” nitondrana ny apostoly Paoly?
▪ Milaza ny Asan’ny Apostoly 18:12, 13 fa nampangain’ny Jiosy tany Korinto, tany Gresy, hoe nandika lalàna i Paoly rehefa nitory. Nentin’izy ireo tany amin’ny “toeram-pitsarana” àry izy. Avy amin’ny teny grika hoe bema, izay midika hoe “tohatra” ny hoe “toeram-pitsarana.” Lampihazo avoavo izy io ary tany akaikin’ny tsena tany Korinto fahiny no nisy azy, ka nety tsara mba hiresahana tamin’ny vahoaka. Tsy lavitra ny synagoga koa angamba izy io. Marbra manga sy fotsy no nanamboarana azy, ary nohaingoina sary sokitra tsara tarehy. Nisy efitra fiandrasana roa teo amin’izy io. Nisy seza vita tamin’ny marbra tao, ary voaravaka sarisary ny gorodona.
Mety ho io lampihazo io àry ilay toeram-pitsarana nitondrana an’i Paoly tamin’izy notsarain’i Galio, governora romanina. Teo ny manam-pahefana no nitsara sy namoaka didim-pitsarana.
Efa fanaon’ny vahoaka tany Gresy fahiny ny nankeny amin’ny toeram-pitsarana, satria teny no nitondrana an’izay raharaha rehetra nila nalamina. Raha jerena ny teny grika nanoratana ny Matio 27:19 sy ny Jaona 19:13, dia hita fa teny amin’ireny toerana ireny i Pontio Pilato no niresaka tamin’ny vahoaka, tamin’i Jesosy notsaraina.—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:21.
Nahoana no nanafintohina ny Jiosy sasany ilay hoe novonoina teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy?
▪ Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina voalohany: ‘Mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana isika. Amin’ny Jiosy izany dia zavatra mahatafintohina, ary amin’ny hafa firenena dia hadalana.’ (1 Korintianina 1:23) Nahoana no nanafintohina ny Jiosy sasany izany ka nanakana azy ireo tsy ho lasa Kristianina?
Niresaka momba ny nahafatesan’i Jesosy i Ben Witherington III, mpanazava teny ao amin’ny Baiboly. Nilaza izy fa tamin’ny olona tany Israely sy ny manodidina, dia ny fomba nahafatesan’i Jesosy no ‘nanala baraka indrindra. Tsy nisy nieritreritra mihitsy hoe mendri-kaja ny fomba nahafatesany. Nino ry zareo fa ny fomba ahafatesan’ny olona iray no tena ahitana ny toetrany. Toy ny mpamitaka olona sady mpamadika ny firenena i Jesosy, raha izany. Toy ny hoe olona nila nosazina toy ny andevo nikomy koa izy.’ Azo antoka fa tsy namoromporona ny tantara momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany ny Kristianina voalohany, satria ilay izy aza nanafintohina ny Jiosy sasany.