Ny Fiainana Fahiny: Ny Zavamaneno
Ny Fiainana Fahiny: Ny Zavamaneno
“Derao [Andriamanitra] amin’ny fitsofana anjombona. Derao amin’ny lokanga sy ny harpa izy. Derao amin’ny ampongatapaka sy ny dihy faribolana izy. Derao amin’ny lokanga sy ny sodina izy. Derao amin’ny kipantsona tsara feo izy, ary derao amin’ny kipantsona avo feo.”—SALAMO 150:3-5.
EFA hatramin’izay ny mpanompon’Andriamanitra no nidera azy tamin’ny hira. Indray mandeha, ohatra, dia nanao hira fiderana sy nandihy i Miriama, anabavin’i Mosesy, sy ny vehivavy namany. Namonjy ny Israelita mantsy i Jehovah tamin’izay, ka afaka namakivaky ny Ranomasina Mena izy ireo. Hita hoe tia hira ny Israelita, satria vao avy nandositra ny tafika ejipsianina ry zareo, dia efa nively ampongatapaka sy nandihy sahady. (Eksodosy 15:20) Nanangona olona an’arivony koa i Davida mba ho mpitendry zavamaneno tao amin’ny tranolay masina. Mbola nisy mpitendry koa tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona.—1 Tantara 23:5.
Vita tamin’inona ireny zavamaneno fahiny ireny? Hoatran’ny ahoana ny feony sy ny paoziny? Ary isaky ny inona no nampiasaina izy ireny?
Inona avy ny zavamaneno nisy fahiny?
Isan-karazany ny akora nanaovana ny zavamaneno resahin’ny Baiboly. Ohatra hoe hazo sarobidy, hodi-biby nohenjanina, vy, ary taolana. Tsinaim-biby na kofehy avy amin’ny zavamaniry no nanaovana ny tady fitendrena azy. Noravahana vangin’elefanta koa ny zavamaneno sasany. Tsy tena ahitana azy ireny intsony amin’izao, nefa mbola misy sariny ihany azo jerena.
1 Samoela 18:6, 7) Mba hanompoana an’Andriamanitra anefa no tena nampiasana azy ireny. Raha tsy i Jehovah mantsy, dia tsy ho afaka nankafy mozika izy ireo. (1 Tantara 15:16) Andeha hojerentsika tsirairay ireo karazana zavamaneno ireo.
Misy karazany telo ny zavamaneno fahiny. Eo ny zavamaneno tendrena, toy ny harpa (1) sy mandôlinina (2). Eo koa ny zavamaneno tsofina. Anisan’izany ny anjombona (3) sy trompetra (4) ary sodina (5). Ary farany, ny zavamaneno velezina, toy ny ampongatapaka (6), korintsana (7), kipantsona (8), ary lakolosy (9). Mampiasa azy ireny ny olona rehefa manao hira misy rima sy rehefa mandihy. (Zavamaneno Tendrena Maivana sy mora entina ny harpa. Vita amin’ny hazo izy io, ary misy tady fitendrena azy. Io ilay zavamaneno notendren’i Davida mba hampitonena an’i Saoly Mpanjaka. (1 Samoela 16:23) Nampiasaina koa ny zavamaneno tendrena rehefa nisy fety, ohatra hoe tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona.—2 Tantara 5:12; 9:11.
Tsy tena mitovy amin’ny harpa ny mandôlinina, satria vitsivitsy ny tady fitendrena azy. Misy tahony sy vatany poakaty mitovitovy amin’ny an’ny gitara tsotra fahitantsika amin’izao izy io, ary mitovitovy amin’ireny koa ny feony. Kofehy avy amin’ny zavamaniry na tsinaim-biby naolanolana no nanaovana ny tady fitendrena azy.
Zavamaneno Tsofina Miresaka matetika momba ny zavamaneno tsofina ny Baiboly. Anisan’ny tena tranainy amin’izy ireny ny anjombona jiosy. Vita amin’ny tandrok’ondry izy io ary poakaty sy somary miforitra, ka mamoaka feo avo sady maranitra. Io anjombona io no nampiasain’ny Israelita rehefa hanangona ny tafika sy handeha hiady.—Mpitsara 3:27; 7:22.
Anisan’ny zavamaneno tsofina koa ny trompetra, ary metaly no nanamboarana azy. Nasain’i Jehovah nanao trompetra volafotsy roa, ohatra, i Mosesy mba hampiasaina tao amin’ny tranolay masina. (Nomery 10:2-7) Nisy mpitsoka trompetra 120 koa tatỳ aoriana, tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona. (2 Tantara 5:12, 13) Mahavita mamoaka feo samihafa ny trompetra, araka ny fanazavana tao amin’ny antontan-taratasy hita niaraka tamin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Samihafa ny halavan’ny trompetra, ary misy aza mahatratra 91 santimetatra mahery.
Ahoana kosa ny sodina? Tena tian’ny Israelita izy io, ary nampiasainy rehefa nisy fivoriam-pianakaviana na fety na mariazy, satria mahafinaritra ny feony. (1 Mpanjaka 1:40; Isaia 30:29) Fanaon’ny olona koa anefa ny nampiasa azy io rehefa nanao hira fisaonana tamin’ny fandevenana (jereo ny pejy 14).—Matio 9:23.
Zavamaneno Velezina Isan-karazany ny zavamaneno velezina nampiasain’ny Israelita rehefa nanao fety izy ireo. Tsara ny gadona avoakan’izy ireny ka nampientanentana ny olona. Anisan’izany ny ampongatapaka. Vita amin’ny hazo fonosina hodi-biby nohenjanina izy io, ka midobodoboka tsara rehefa velezina. Feno lakolosy koa mikirazorazo aminy, ka rehefa ahetsiketsika dia mikorintsana.
Zavamaneno velezina koa ny korintsana. Vy somary boribory lavalava misy tahony izy io ary misy hazo maromaro mitsivalana eo aminy. Misy diska kely maromaro kosa mihantona amin’ireny hazo ireny, ka rehefa ahetsiketsika dia mikorintsana.
Inona indray ny kipantsona varahina? Diska roa mifanarona izy io ary maranitra kokoa noho ny an’ny korintsana ny feony. Misy lehibe sy kely io kipantsona io. Tanana roa no ampiasaina amin’ilay lehibe, ka atao mifandona mafy ireo diska roa. Rantsantanana roa fotsiny kosa no miasa amin’ilay kely. Samy maranitra ny feon’izy roa, fa ny hamafiny fotsiny no tsy mitovy.—Salamo 150:5.
Ahoana ny amin’izao androntsika izao?
Atomboka sy faranana amin’ny hira sy mozika ny fivoriana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy feon-kira noraisim-peo nataon’ny orkesitr’izy ireo koa alefa rehefa manao fivoriambe izy ireo. Mampiasa zavamaneno maoderina izay tendrena sy tsofina ary velezina io orkesitra io.
Manahaka ny Israelita fahiny sy ny Kristianina voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. Midera sy manompo an’Andriamanitra amin’ny mozika arahina hira misy rima izy ireo.—Efesianina 5:19.
[Sary, pejy 23]
(Tsy tena habeny ireo)
(Jereo ny gazety)