Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanetry Tena i Abrahama

Nanetry Tena i Abrahama

Nanetry Tena i Abrahama

Nigaingaina be ny andro tamin’izay, ka nipetraka naka alokaloka tao amin’ny tranolainy i Abrahama. Tazany teny lavitra teny hoe nisy lehilahy telo tonga hitsidika an’ilay faritra. * Tonga dia nihazakazaka nitsena azy ireo izy, ary niangavy azy ireo mba haka aina kely sy hivahiny tao aminy. Norosoany mofo izy ireo, ary nataony izay hikarakarana sakafo isan-karazany ho azy ireo. Nampanao mofo boribory izy, naka dibera sy ronono, ary nikarakara vantotr’omby tanora sady tsara. Hita avy amin’izany fa tena nahay nandray vahiny i Abrahama sady tena nanetry tena.—Genesisy 18:1-8.

INONA NO ATAO HOE FANETREN-TENA? Tsy mba mirehareha na mieboebo mihitsy ny olona manetry tena. Ekeny fa mahay kokoa noho izy ny hafa eo amin’ny lafiny sasany. (Filipianina 2:3) Mihaino ny soso-kevitry ny hafa izy, ary vonona hanao asa ambany mba hahasoa azy ireo.

AHOANA NO NANEHOAN’I ABRAHAMA FANETREN-TENA? Faly nanompo ny hafa i Abrahama. Araka ny voalaza terỳ aloha, dia nanao zavatra avy hatrany ho an’ireo vahiny izy, rehefa nahatazana azy ireo. Nikarakara sakafo haingana i Saraha, vadiny. Mariho anefa hoe iza no nanao ny ankamaroan’ilay asa: Nihazakazaka nitsena an’ireo vahiny i Abrahama, niangavy azy ireo izy mba hamela azy handroso sakafo ho azy ireo, nihazakazaka naka izay biby tsara indrindra izy mba hovonoina, ary narosony teo amin’ireo vahiny avy eo izany rehetra izany. Tsy nasainy nataon’ny mpanompony ireo asa ambany rehetra ireo, fa izy mihitsy no nanetry tena ka nanao an’ireo. Tsy noheveriny hoe nanambany azy ny nanompo ny hafa.

Nihaino ny soso-kevitr’ireo teo ambany fahefany koa i Abrahama. Vitsivitsy ihany ny resaka nifanaovan’i Abrahama sy Saraha, hita ao amin’ny Baiboly. Aseho ao anefa fa indroa i Abrahama no nihaino ny soso-kevitr’i Saraha ary nanaraka an’izany. (Genesisy 16:2; 21:8-14) “Tena nahasosotra an’i Abrahama” aza tamin’ny voalohany ny iray tamin’ny soso-kevitry ny vadiny. Hitan’i Jehovah anefa fa tsara ilay hevitra ka nasainy nanaiky an’izany i Abrahama. Nanetry tena àry i Abrahama ka nanaraka an’ilay soso-kevitra.

INONA AVY NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IZANY? Ho faly manompo ny hafa isika raha tena manetry tena. Hahafinaritra antsika koa ny hanao izay rehetra azontsika atao mba hahitan’izy ireo soa eo amin’ny fiainana.

Ny fomba andraisantsika ny soso-kevitry ny hafa koa no ahitana raha manetry tena isika. Aza tonga dia lavina izay soso-kevitra omen’ny hafa satria fotsiny hoe tsy hevitsika ilay izy. Hendry kosa isika raha mihaino tsara an’izany. (Ohabolana 15:22) Tena handray soa ireo manana fahefana raha malala-tsaina toy izany. Hoy i John, mpiandraikitra efa za-draharaha: “Raha mahay ny mpiandraikitra iray, dia ataony izay hahatonga ny olona tsy hisalasala haneho ny heviny. Mitaky fanetren-tena ny manaiky hoe mety hanana soso-kevitra tsara noho ianao ny olona eo ambany fahefanao. Tsy voatery ho tsara foana mantsy ny soso-kevitry ny olona iray, eny fa na dia ny an’ny mpiandraikitra aza.”

Hankasitraka antsika i Jehovah, raha manahaka an’i Abrahama isika ka mihaino ny soso-kevitry ny hafa sy manao asa ambany mba hahasoa azy ireo. Sady Andriamanitra rahateo “manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”—1 Petera 5:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tsy fantatr’i Abrahama angamba tamin’ny voalohany fa anjely mpitondra hafatr’Andriamanitra ireo vahiny ireo.—Hebreo 13:2.