Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanam-pinoana i Abrahama

Nanam-pinoana i Abrahama

Nanam-pinoana i Abrahama

Alina ny andro tamin’izay ary teo an-tokotany i Abrahama nandinika ny lanitra feno kintana. Rehefa nahita an’ireo kintana ireo izy, dia lasa nahatsiaro ny fampanantenan’Andriamanitra hoe ho lasa maro be toa an’ireo ny taranany. (Genesisy 15:5) Ireo koa no nanome toky azy, satria raha nahavita namorona an’izao rehetra izao i Jehovah, dia azo antoka fa hahavita hanome zanaka ho azy sy Saraha koa. Tena nanam-pinoana be toy izany i Abrahama.

INONA NO ATAO HOE FINOANA? Araka ny Baiboly, ny hoe “finoana” dia fatokisana tanteraka ny zavatra tsy hita maso nefa ananana porofo azo antoka. Mifantoka amin’ny fanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany ny olona manam-pinoana. Toy ny efa tanteraka sahady izy ireny aminy.

AHOANA NO NANEHOAN’I ABRAHAMA FINOANA? Nasehon’i Abrahama fa nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy. Noho ny finoany, ohatra, dia nandao ny tany nahaterahany izy. Natoky mantsy izy fa hitana ny teny nataony i Jehovah ka hitondra azy any amin’ilay tany nampanantenainy. Noho ny finoany koa no nahatonga azy hivezivezy tany Kanana, satria natoky izy fa ho azon’ny taranany io tany io amin’ny farany. Noho ny finoany koa no nahatonga azy hankatò ka hanao sorona an’i Isaka. Natoky mantsy izy fa hanangana an’i Isaka amin’ny maty i Jehovah, raha ilaina izany.—Hebreo 11:8, 9, 17-19.

Nifantoka tamin’ny hoavy foana i Abrahama fa tsy tamin’ny lasa. Niadana be izy sy Saraha tany Ora, raha oharina amin’ny tany Kanana. Tsy “nieritreritra foana ny toerana nilaozany anefa izy ireo.” (Hebreo 11:15) Ny fomba hitahian’Andriamanitra azy ireo sy ny taranany amin’ny hoavy kosa no nifantohany.—Hebreo 11:16.

Tsy very maina ny finoan’i Abrahama, satria notanterahin’i Jehovah daholo ny fampanantenany. Nihamaro be ny taranany tamin’ny farany, ka lasa firenena nantsoina hoe Israely. Lasa nipetraka tany amin’ilay tany nampanantenain’i Jehovah mihitsy koa izy ireo tatỳ aoriana, dia tany Kanana.—Josoa 11:23.

INONA AVY NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IZANY? Matoky isika fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Toa sarotra tanterahina ny sasany amin’izy ireny, raha amin’ny olombelona. Matoky anefa isika fa “hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—Matio 19:26.

Ianarantsika avy amin’i Abrahama koa fa tsy tokony hifantoka amin’ny lasa isika, fa hibanjina ny hoavy. Niezaka nanao izany, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Jason. Narary izy ka lasa nalemy tanteraka. Hoy izy: “Ekeko aloha fa mamisavisa ny lasa aho indraindray e! Ireo zavatra madinidinika tsy vitako intsony no tena mampalahelo ahy indrindra, anisan’izany, ohatra, ny mamihina an’i Amanda vadiko.”

Na izany aza, dia mino tanteraka i Jason fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Anisan’izany ilay hoe hovana ho paradisa ny tany tsy ho ela, ary hanana fahasalamana tonga lafatra ka hiaina mandrakizay izay tsy mivadika. * (Salamo 37:10, 11, 29; Isaia 35:5, 6; Apokalypsy 21:3, 4) Hoy i Jason: “Ataoko ao an-tsaina foana hoe kely sisa dia ho tonga izany fiainana faran’izay mahafinaritra izany. Tsy ho ela dia tsy hisy intsony mandrakizay ny adin-tsaina sy ny fanahiana ary ny alahelo. Tsy hahatsiaro tena ho meloka intsony mihitsy koa isika.” Tena ohatra tsara tokoa izy satria manam-pinoana toa an’i Abrahama.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Manazava bebe kokoa momba ny paradisa eto an-tany ny toko 3 sy 7 ary 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.