Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa i Abrahama?

Iza moa i Abrahama?

Iza moa i Abrahama?

LEHILAHY fanta-daza eo amin’ny fivavahana eran-tany i Abrahama, * ary vitsy no toa azy. Samy manaja be azy daholo na ny Jiosy na ny Silamo na ny Kristianina. Misy milaza fa “olona niavaka ao amin’ny Soratra Masina” izy ary “ohatra tsara satria tena nanam-pinoana.” Ny Baiboly kosa miantso azy hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana.”—Romanina 4:11.

Nahoana no manaja be an’i Abrahama ny olona? Tena niavaka izy satria izy irery no antsoin’ny Baiboly mivantana hoe naman’Andriamanitra.—Isaia 41:8; Jakoba 2:23.

Hoatr’antsika ihany anefa i Abrahama. Mba nanana olana mitovy amin’ny antsika ihany izy, saingy vitany tsara ny niatrika an’izany. Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no nataony? Andeha isika handinika izay lazain’ny Baiboly momba an’io lehilahy niavaka io.

Ny mombamomba azy

Teraka tamin’ny taona 2018 Talohan’i Kristy (T.K.) i Abrahama, ary tany Ora izy no nihalehibe. (Genesisy 11:27-31) Tanàna lehibe sy nanankarena izy io. Nanjaka tao koa ny fanompoan-tsampy. Mety ho anisan’ireo nivavaka tamin’ny karazana sampy maro i Tera, rain’i Abrahama. (Josoa 24:2) Tsy mba nivavaka tamin’ireny sampy tsy mananaina ireny anefa i Abrahama, fa tamin’i Jehovah * irery ihany.

Inona no nahatonga an’i Abrahama hanompo an’i Jehovah irery ihany? Mety ho nifanerasera tamin’i Sema, zanak’i Noa izy. Efa 150 taona mantsy i Abrahama vao maty i Sema. Mety ho i Sema mihitsy àry no nitantara taminy hoe hoatran’ny ahoana izany tafavoaka velona tamin’ny Safodrano izany. Mety ho nahafantatra koa izy fa tena zava-dehibe ny mivavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra namonjy an’i Sema sy ny fianakaviany tamin’ilay Safodrano.

Na tamin’i Sema anefa na tsia no nahalalan’i Abrahama momba an’ilay tena Andriamanitra, dia nino sy nankatò an’izay rehetra nampahafantarina azy izy. Nandinika an’i Abrahama i Jehovah, ilay “mpandinika ny fo”, ka nahita ny toetra tsarany. Nampiany mihitsy aza i Abrahama mba ho lasa tsara toetra kokoa.—Ohabolana 17:3; 2 Tantara 16:9.

Ny fiainany

Be atao i Abrahama ary nisy zavatra mahafinaritra maro nitranga teo amin’ny fiainany. Matetika no nitaky ezaka be izany, kanefa tsy very maina akory ny ezaka nataony. Ireto ny zavatra sasany niainany:

Nasain’Andriamanitra niala tao Ora, tany nahaterahany, i Abrahama, mba handeha ho any amin’ny tany hasehony azy. Nankatò i Abrahama sy Saraha na dia tsy fantatr’izy ireo aza hoe ho aiza izy ireo ary nahoana no nasaina niala tany amin’ny taniny. Tranolay no lasa nipetrahan’izy ireo, ary lasa toy ny mpivahiny tany Kanana mandra-pahafatiny izy ireo.—Asan’ny Apostoly 7:2, 3; Hebreo 11:8, 9, 13.

Mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama sy Saraha dia efa nampanantena i Jehovah fa ho lasa firenena lehibe ny taranany. Nilaza koa i Jehovah fa amin’ny alalan’i Abrahama no hitahiana ny olona rehetra eran-tany. (Genesisy 11:30; 12:1-3) Nohamafisin’i Jehovah izany fampanantenany izany tatỳ aoriana, ka nilaza tamin’i Abrahama izy fa ho maro be tahaka ny kintana ny taranany.—Genesisy 15:5, 6.

Nampanantena i Jehovah fa hitera-dahy i Abrahama sy Saraha. Efa 99 taona anefa i Abrahama tamin’izay ary efa ho 90 taona i Saraha. Toa sarotra tanterahina izany raha amin’ny olombelona. Tsy ela anefa dia hitan’i Abrahama sy Saraha fa tsy “misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah.” (Genesisy 18:14) Nitera-dahy i Abrahama, herintaona tatỳ aoriana, tamin’izy 100 taona, ary nataony hoe Isaka ny anarany. (Genesisy 17:21; 21:1-5) Nilaza Andriamanitra fa amin’ny alalan’i Isaka no hahazoan’ny olombelona fitahiana be dia be.

Nasain’i Jehovah nanao zavatra tsy mahazatra i Abrahama, taona maromaro tatỳ aoriana. Nasainy natao sorona i Isaka, zanany malala, nefa mbola tsy nanambady na nanan-janaka akory. * Tsy maintsy ho nalahelo be mihitsy i Abrahama satria hamoy an’i Isaka, kanefa vonona hanao sorona azy izy. Nino tanteraka mantsy izy fa vitan’Andriamanitra ny hanangana an’i Isaka raha ilaina izany, mba hanatanterahany ny fampanantenany. (Hebreo 11:19) Efa handeha hamono an’i Isaka iny mihitsy i Abrahama no nosakanan’Andriamanitra tsy hanao izany indray. Nidera azy Andriamanitra noho izy tapa-kevitra ny hankatò. Naveriny tamin’i Abrahama indray àry ilay fampanantenany tamin’ny voalohany.—Genesisy 22:1-18.

Nodimandry i Abrahama tamin’izy 175 taona. Milaza ny Baiboly fa maty izy rehefa “tratrantitra, sady ela niainana sy afa-po.” (Genesisy 25:7, 8) Nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra hafa indray àry i Abrahama, dia ilay hoe ho tratrantitra izy vao hodimandry amim-piadanana.—Genesisy 15:15.

Ny lova navelany

Tsy olo-malaza fahiny eo amin’ny fivavahana na eo amin’ny tantara fotsiny i Abrahama. Mbola ilaina foana ny tantarany, satria namela ohatra tsara hotahafintsika rehetra ankehitriny izy. (Hebreo 11:8-10, 17-19) Andeha isika handinika toetra tsara efatra nananan’i Abrahama. Ny finoany, izay tena mampahalaza azy no hojerentsika voalohany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Abrama no anaran’i Abrahama tamin’ny voalohany, ary Saray kosa no anaran’ny vadiny. Novan’Andriamanitra hoe Abrahama, izay midika hoe “Rain’ny Maro”, anefa ny an’i Abrama tatỳ aoriana, ary novany hoe Saraha, izay midika hoe “Andriambavy”, kosa ny an’i Saray. (Genesisy 17:5, 15) Ny anaran-dry zareo hoe Abrahama sy Saraha àry no ampiasaina ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

^ feh. 6 Jehovah no anaran’Andriamanitra araka ny Baiboly.

^ feh. 14 Jereo ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Mpamaky: Nahoana i Abrahama no Nasain’Andriamanitra Hanao Sorona ny Zanany?”, ao amin’ny pejy 23 amin’ity gazety ity.

[Efajoro, pejy 4]

Lehilahy Manan-tantara ao Amin’ny Baiboly

Ny fiainan’ireo lehilahy maro nanam-pinoana, toa an-dry Abela sy Enoka ary Noa, no tantaraina ao amin’ireo toko folo voalohany ao amin’ny bokin’ny Genesisy. Ny fiainan’i Abrahama irery ihany anefa no tena resahin’ireo toko 15 manaraka.

Ny tantaran’i Abrahama koa no miresaka voalohany an’ireo hevi-dehibe sasany ao amin’ny Baiboly. Ny tantarany, ohatra, no miresaka voalohany momba ny...

▪ hoe toy ny Ampinga, na Mpiaro ny mpanompony Andriamanitra.—Genesisy 15:1; jereo ny Deoteronomia 33:29; Salamo 115:9; Ohabolana 30:5.

fanehoana finoana an’Andriamanitra.Genesisy 15:6.

mpaminany.Genesisy 20:7.

fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany.—Genesisy 22:2.