Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

“Ao am-pon’ny olona mankatò ny Fanjakan’Andriamanitra”, hoy ny Papa Benoît Faha-16 tao amin’ny bokiny hoe Jesoa avy any Nazareta (anglisy). Misy tokoa mihevitra fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fiovana mitranga ao anatin’ny olona, rehefa manaiky sy mino an’i Jesosy Kristy izy. Marina ve izany? Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

TENA zava-dehibe tamin’i Jesosy ilay Fanjakana. Niaiky ny Papa Benoît fa izy io no “foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy.” Nandeha nanerana an’ilay faritra izy, saika nandritra ny fotoana fohy nanaovany ny fanompoany, mba ‘hitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ (Matio 4:23) Nampianatra sy nanao fahagagana i Jesosy, ka nasehony tamin’ireny fa tsy hoe rehefa manaiky sy mankatò an’Andriamanitra ny olona iray, dia izay ilay Fanjakana. Tena fitondram-panjakana izy io, ary hitsara sy hitondra fitahiana mandrakizay.

Fitondrana sy fitsarana

Efa hifarana ny fanompoan’i Jesosy tamin’izay. Nanatona azy ny renin’i Jakoba sy Jaona, anisan’ny mpianany, ka nilaza hoe: “Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.” (Matio 20:20, 21) Mazava ho azy fa zavatra tena nisy no noresahiny fa tsy zavatra tao am-pon’ny zanany fotsiny. Fantany fa i Jesosy no ho mpanjakan’ io Fanjakana io, ka tiany hiara-hitondra aminy ny zanany. Nampanantena an’ireo apostoliny 11 tsy nivadika mantsy i Jesosy fa hiara-manjaka aminy izy ireo, ary “hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana” sy “hitsara” hiaraka aminy. (Lioka 22:30) Tena fitondram-panjakana àry ny Fanjakan’i Jesosy, tamin’ireo mpanara-dia azy.

Ary ireo olon-kafa tamin’ny andron’i Jesosy? Fiovana tao am-po fotsiny ve ilay Fanjakana tamin’izy ireo, sa nanantena zavatra hafa mihitsy izy ireo? Niditra tao Jerosalema nitaingina boriky i Jesosy, taloha kelin’ny Paska taona 33. Nitsena azy ny vahoaka, ka niantsoantso hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!” (Matio 21:9) Nahoana izy ireo no nanao an’izany? Azo antoka fa fantatr’izy ireo hoe i Jesosy ilay Mesia nampanantenaina ary homen’Andriamanitra azy ny Fanjakana mandrakizay, dia ny “seza fiandrianan’i Davida rainy.” Nirin’izy ireo mafy ny hahatongavan’ilay Fanjakana ka hitondra famonjena sy fiadanana ary hanao ny rariny.—Lioka 1:32; Zakaria 9:9.

Fitahiana mandrakizay

Nahalala ny fampianaran’i Jesosy momba ilay Fanjakana, na dia ireo hoatran’ny tsy dia liana tamin’ny fitoriany aza. Niangavy toy izao, ohatra, ilay olon-dratsy nofantsihana teo akaikiny: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Nanome toky azy io izy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:42, 43.

Hita amin’izany fa nino ilay olon-dratsy hoe handray Fanjakana i Jesosy, any aoriana any, rehefa avy hatsangana amin’ny maty. Hahazo fahefana hanangana ny maty sy hanova ny toetran’io lehilahy io, miaraka amin’ny olon-kafa an-tapitrisany, i Jesosy. Tsy vitan’izay fa maniry hanao izany koa izy. Nomena fahefana ho Mpitondra any an-danitra i Jesosy, ka hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona eran-tany, amin’ny alalan’ilay Fanjakana.—Jaona 5:28, 29.

Eo afovoan’izy ireo ilay Fanjakana

Tsy efa nilaza ve i Jesosy hoe: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra”? Eny! Hita ao amin’ny Lioka 17:21 ireo teniny ireo. Misy Baiboly mandika azy io hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.” (Prot.) Inona àry no tian’i Jesosy holazaina?

Niresaka tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy atao hoe Fariseo, izay nanohitra azy, i Jesosy teo, raha jerena ny teny manodidina. Zavatra hafa mihitsy no nantenain’izy ireo momba ny Mesia sy ny Fanjakany. Nanantena izy ireo hoe ho avy toy ny Mpanjaka be voninahitra, “teny amin’ny rahon’ny lanitra”, ny Mesia, ka hanafaka ny Jiosy amin’ny Romanina ary hamerina ny fanjakan’Israely. (Daniela 7:13, 14) Nasehon’i Jesosy fa diso izy ireo, ka hoy izy: “Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.” Hoy koa izy avy eo: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 17:20, 21.

Nampianatra i Jesosy, ary nanao fahagagana izay nanaporofo fa izy tokoa no ho Mpanjakan’ilay Fanjakana. Tsy nanana fo tsara sy tena finoana anefa ny Fariseo, ka vao mainka nanohitra azy. Tsy nino izay nolazain’i Jesosy sy nataony izy ireo. Nolazain’i Jesosy azy ireo àry fa ‘teo afovoan’izy ireo’ ilay Fanjakana, izany hoe teo amin’izy ireo ilay Mpanjaka voatendry izay nisolo tena azy io. Teo anatrehan’izy ireo mantsy i Jesosy sy ny mpianany. Tsy niteny tamin’izy ireo akory izy hoe jereo ny ao anatinareo. * Nilaza kosa izy hoe: “Eo aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 17:21, Dikan-teny Anglisy Maoderina.

Tena zava-dehibe ilay Fanjakana

Tsy ao am-pon’ny olombelona mpanota ny Fanjakan’Andriamanitra. Tokony ho zava-dehibe amintsika anefa izy io. Nampianatra sy nanao fahagagana i Jesosy, mba hanampiana ny mpihaino azy hino mafy an’ilay Fanjakana hitondra fiadanana sy filaminana. Tiany hanana finoana izay hanatsara ny fiainany izy ireo. Nampianariny hivavaka mihitsy aza izy ireo hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Nanohina ny fon’ireo nihaino azy ny fampianaran’i Jesosy ka lasa nino izy ireo. Nandrisika azy ireo izany mba ho lasa mpanara-dia azy, ka hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakan’Andriamanitra.

Te hanam-pinoana toy izany ve ianao? Inona àry no tokony hataonao? Tadidio ny tenin’i Jesosy teo am-piandohan’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3) Nahoana àry raha mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nanome anao an’ity gazety ity? Tsy fiovana hitranga ao am-ponao fotsiny no hantenainao amin’izay, fa fitondram-panjakana hanjaka araka ny rariny sy ny hitsiny ka hitondra fiadanana sy filaminana ho an’ny rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Ireo Fariseo niresaka tamin’i Jesosy no nolazainy hoe ‘ianareo.’ Azo antoka àry fa tsy niresaka mahakasika ny fiovan’ireo Fariseo na ny toe-pon’izy ireo i Jesosy, tamin’izy niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Tao am-pon’ireo mpanohitra an’i Jesosy, izay mafy loha sy mpamono olona, ve ny Fanjakan’Andriamanitra?