Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Izy Ireo no Misaraka?

Nahoana Izy Ireo no Misaraka?

Nahoana Izy Ireo no Misaraka?

“Nisy Fariseo nanatona [an’i Jesosy] mba hamandrika azy, ka nilaza hoe: ‘Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?’ ”—Matio 19:3.

NISY nanontany i Jesosy hoe ho afaka ny haharitra ve ny fanambadiana ary tokony ho izany ve no izy? Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” * (Matio 19:4-6) Tian’Andriamanitra haharitra àry ny fanambadiana.

Efa 40 isan-jato eo ho eo na maherin’izany ny mpivady misaraka, any amin’ny tany maro. Fa nahoana? Lany andro ve ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana, sa ny fomba nandaminan’Andriamanitra azy io no tsy nety?

Ity misy ohatra: Samy nividy fiara mitovy ny mpivady anankiroa. Nikojakoja tsara ny fiarany ilay mpivady iray sady nitandrintandrina rehefa nitondra, ka tsy simba ny azy. Tsy nikojakoja ny fiarany kosa ilay mpivady faharoa sady tsy nivaky loha rehefa nitondra. Simba àry ilay izy ka tsy nampiasainy intsony. Ilay fiara ve no misy tsy mety sa ny tompony no tokony homen-tsiny? Mazava ho azy fa ny tompony no tena diso.

Toy izany koa ny fanambadiana. Tsy hoe tsy nety akory ny fomba namoronana azy io matoa maro ny mpivady misaraka. An-tapitrisany koa mantsy no tsy misaraka mihitsy. Mahatonga ny mpianakaviny ho sambatra izy ireny, ary mampilamina ny fiaraha-monina misy azy. Mila kojakojaina tsy tapaka toy ny fiara àry ny fanambadiana, raha tiana hateza.

Tena mandaitra ny torohevitry ny Baiboly mba hampaharitra ny fanambadiana, na vao haingana ianao no nanambady na efa ela. Misy ohatra manaporofo izany ao amin’ny pejy manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Milaza ny Baiboly fa afaka misaraka amin’ny vadiny ny olona iray raha nijangajanga ilay vadiny, ohatra hoe nanitsakitsa-bady.—Matio 19:9.