Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Inona ilay vavahadin’ny tanàna resahin’ny Baiboly?
▪ Voahodidina manda ny ankamaroan’ny tanàna fahiny, sady nisy vavahady. Vao miditra eo ianao mazàna dia mahita toerana malalaka. Eo ny olona no mihaona, mivarotra, mifampitantara vaovao, mihaino ny fanambaran’ny mpaminany na filazana hafa. (Jeremia 17:19, 20) Hoy ny boky Ilay Tany sy Ilay Boky (anglisy): “Teo am-bavahady na teo akaikin’izy io matetika no nisy ny tsena.”
‘Teo imason’ny taranak’i Heta, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna’ no nividianan’i Abrahama tany hanaovana fasana. I Efrona no nivarotra izany taminy. (Genesisy 23:7-18) Teo am-bavahady koa i Boaza no nilaza fa hanavotra ny lova navelan’ny vadin’i Rota, sy haka an’i Rota ho vadiny mba hamelo-maso ny anaran’ny maty. Niantso anti-panahy folo tao Betlehema izy mba ho vavolombelona. (Rota 4:1, 2) Nipetraka teo am-bavahady koa ny anti-panahy rehefa hitsara sy hamoaka didim-pitsarana.—Deoteronomia 21:19.
Taiza no nisy an’i Ofira, ilay lazain’ny Baiboly fa misy volamena tsara?
▪ Milaza ny bokin’i Joba fa “volamena tsy misy fangarony” ny “volamena avy any Ofira.” (Joba 28:15, 16) Nanangona ‘volamena avy any Ofira’ i Davida Mpanjaka, 600 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Joba, mba hanorenana tempoly tao Jerosalema. Nanafatra volamena avy any Ofira koa i Solomona zanak’i Davida.—1 Tantara 29:3, 4; 1 Mpanjaka 9:28.
Nanao sambo tao Eziona-gebera, teo amoron’ny Ranomasina Mena, i Solomona. Nitondrana volamena avy any Ofira izy ireny. (1 Mpanjaka 9:26) Milaza ny manam-pahaizana fa teo amin’ny farany avaratra amin’io ranomasina io, eo akaikin’i Eilat sy Aqaba ankehitriny, no nisy an’i Eziona-gebera. Afaka namonjy ny faritra rehetra nanamorona ny Ranomasina Mena ny sambo avy tao. Tonga hatrany Afrika na Inde mihitsy aza izy ireo rehefa hividy entana, ary mety ho tany no nisy an’i Ofira. Misy kosa mino fa tany Arabia izy io. Nahitana toeram-pitrandrahana volamena mantsy tany, ary mbola misy hatramin’izao.
Misy milaza fa nanana toeram-pitrandrahana volamena i Solomona. Tsy fantatra raha marina izany, fa izao no tenin’ilay mpikaroka atao hoe Kenneth Kitchen, momba an’i Ofira: “Tena nisy i Ofira. Nisy vakin-tanimanga tamin’ny taonjato fahavalo [Talohan’i Kristy (T.K.)] tany ho any nahitana soratra hoe: ‘Volamena avy any Ofira ho an’i Beti-horona, milanja 30 sekely.’ Toerana nisy volamena tokoa àry i Ofira, tsy misy hafa amin’i Amau sy Pount ary Koush. Hita tao amin’ny lahatsoratra ejipsianina fahiny mantsy ny hoe ‘volamena avy any Amau’, ‘volamena avy any Pount’, ary ‘volamena avy any Koush.’ Avy ao amin’ilay toerana angamba ilay volamena, na mitovy amin’ny volamena avy ao ny hatsarany.”
[Sary, pejy 15]
Abrahama nividy tany, teo am-bavahadin’ny tanàna
[Sary, pejy 15]
Vakin-tanimanga ahitana an’ilay soratra hoe Ofira
[Sary nahazoan-dalana]
Collection of Israel Antiquities Authority, Photo © The Israel Museum, Jerusalem