Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Nianatra Nankatò i Jesosy

Nianatra Nankatò i Jesosy

SAROTRA aminao ve indraindray ny mankatò?... * Tsy mahagaga izany. Toy izany koa ny olona rehetra. Fantatrao ve fa na i Jesosy aza nianatra nankatò?...

Iza avy no tokony hankatoavin’ny ankizy, araka ny hevitrao?... Ie, ny dadanao sy mamanao. Milaza ny Baiboly hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo.” (Efesianina 6:1) Ary iza no rain’i Jesosy?... I Jehovah Andriamanitra no rainy, ary Raintsika koa. (Matio 6:9, 10) Marina koa anefa raha namaly ianao hoe i Josefa no rainy ary i Maria no reniny. Fantatrao ve hoe ahoana no nahatonga azy ireo ho lasa ray aman-drenin’i Jesosy?...

Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela hoe ho bevohoka izy na dia tsy nanao firaisana aza. Hanao fahagagana lehibe i Jehovah hanatanterahana izany. Izao no nolazain’ilay anjely: “Ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”—Lioka 1:30-35.

Nalain’Andriamanitra ny ain’ilay Zanany tany an-danitra, ary nafindrany tao an-kibon’i Maria. Nitombo tao an-kibon’i Maria io zaza io avy eo, tahaka ny zazakely hafa rehetra mitombo ao an-kibon-dreniny. Teraka i Jesosy sivy volana tatỳ aoriana. Nanambady an’i Maria anefa i Josefa talohan’ny hahaterahan’i Jesosy, ka nihevitra ny ankamaroan’ny olona fa i Josefa no tena rainy. Ray nitaiza azy fotsiny anefa i Josefa raha ny marina. Azo atao àry ny milaza fa nanana Dada anankiroa i Jesosy.

Nisy zavatra nataon’i Jesosy tamin’izy vao 12 taona nampiseho hoe tena tia an’i Jehovah Rainy any an-danitra izy. Nanao dia lavitra ho any Jerosalema ny fianakaviany tamin’izay, mba hankalaza ny Paska. Efa fanaon’izy ireo izany. Tsy tafaraka tamin’ny fianakaviany i Jesosy rehefa hody tany Nazareta izy ireo. Tsy voamarik’i Josefa sy Maria anefa izany. Tsy lasa saina ve ianao hoe fa nahoana no hadinon’izy ireo i Jesosy?...

Efa nanan-janaka hafa i Josefa sy Maria tamin’izay. (Matio 13:55, 56) Mety ho nisy havany koa niara-dia tamin’izy ireo, ohatra hoe i Jakoba sy Jaona, ary Zebedio sy Salome ray aman-drenin’izy ireo. Angamba rahavavin’i Maria i Salome. Mety ho nieritreritra àry i Maria hoe tafaraka tamin’ny havany i Jesosy.—Matio 27:56; Marka 15:40; Jaona 19:25.

Rehefa tsy hitan’i Josefa sy Maria i Jesosy, dia niverina haingana tany Jerosalema izy ireo. Niezaka nitady an’i Jesosy izy ireo. Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly izy, telo andro tatỳ aoriana. Hoy àry i Maria tamin’i Jesosy: ‘Fa nahoana ianao no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.’ Hoy anefa i Jesosy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”—Lioka 2:45-50.

Mety ve izany fomba famalian’i Jesosy ny reniny izany?... Fantatry ny ray aman-drenin’i Jesosy hoe tia nivavaka tao an-tranon’Andriamanitra izy. (Salamo 122:1) Ara-dalàna àry raha nieritreritra i Jesosy hoe tokony ho tany amin’ny tempoly no nalehan’izy ireo voalohany rehefa nitady azy. Sa tsy izany?... Mbola tadidin’i Maria, tatỳ aoriana, ilay teny navalin’i Jesosy azy.

Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy an’i Josefa sy Maria?... Milaza ny Baiboly hoe: “Niara-nidina tamin’izy ireo nankany Nazareta izy, ka nankatò azy ireo foana.” (Lioka 2:51, 52) Inona no azontsika ianarana amin’i Jesosy?... Ie, tokony hankatò ny ray aman-drenintsika koa isika.

Tsy mora foana tamin’i Jesosy anefa ny nankatò, eny fa na dia ny nankatò an’ilay Rainy tany an-danitra aza.

Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia niangavy an’i Jehovah i Jesosy raha mba azony atao ny miova hevitra, ka tsy hampanao azy an’ilay zavatra nasainy natao. (Lioka 22:42) Nankatò an’Andriamanitra anefa izy, na dia sarotra aza ilay iraka. Milaza ny Baiboly fa “nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” izy. (Hebreo 5:8) Afaka mankatò toa an’i Jesosy koa ve isika, na dia sarotra aza ny zavatra asaina hataontsika?...

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.