Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitantara ny Zava-drehetra Momba An’i Jesosy ve ny Baiboly?

Mitantara ny Zava-drehetra Momba An’i Jesosy ve ny Baiboly?

Mitantara ny Zava-drehetra Momba An’i Jesosy ve ny Baiboly?

Maty tao Golgota araka ny lazain’ny Baiboly ve i Jesosy? Sa tsy maty akory izy? Nanambady an’i Maria Magdalena ve izy, ary niteraka? Olona hafahafa ve izy, ary nampihafy tena be, ka tsy nety nankafy ny zavatra mahafinaritra rehetra tetỳ an-tany? Tsy ireo tantaraina ao amin’ny Baiboly akory ve no zavatra nampianarin’i Jesosy fa zavatra hafa mihitsy?

NIHABETSAKA ny tombantombana toy izany tato ho ato, vokatry ny filma sy boky be mpitia. Maro koa ny lahatsoratra mamerina ny voalazan’ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina.” Boky tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo izy ireo, ary lazaina hoe mirakitra ny tsipiriany momba an’i Jesosy tsy voalazan’ny Filazantsara. Marina ve anefa ny voalazan’izy ireo? Ary ahoana ny Baiboly? Afaka matoky ve isika hoe milaza ny marina rehetra momba an’i Jesosy izy io?

Mila mandinika an’ireto isika mba hamaliana izany: Iza no nanoratra ny Soratra Grika Kristianina ary oviana no nanoratany azy? Iza no nifidy an’ireo boky anisan’ny Soratra Masina, ary ahoana no nanaovany izany? Inona ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina”, ary inona no tsy mampitovy azy ireo amin’ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly? *

Oviana no nosoratana ny Soratra Grika Kristianina, ary iza no nanoratra azy?

Milaza ny boky sasany hoe valo taona monja taorian’ny nahafatesan’i Kristy no nosoratana ny Filazantsaran’i Matio, izany hoe tamin’ny 41 T.K. tany ho any. Manam-pahaizana maro kosa no milaza fa mbola taoriana kokoa an’izany. Eken’ny ankamaroan’ny olona anefa fa nosoratana nandritra ny taonjato voalohany ny boky rehetra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao.

Mbola velona ny olona sasany nahita an’i Jesosy, tamin’ny fotoana nanoratana ny Filazantsara. Nahita ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty ireo olona ireo. Afaka nanamarina izay voalazan’ny Filazantsara izy ireo, ka tsy maintsy ho niteny raha nisy diso tao. Nahafantatra tsara momba an’i Jesosy izy ireo. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe F. Bruce: ‘Natoky ireo apostoly fa nahafantatra ny momba an’i Jesosy ny olona nitoriany. Rehefa nitory àry izy ireo dia nilaza hoe: “Fantatrareo tsara izany” fa tsy nilaza fotsiny hoe: “Vavolombelon’izany izahay.” (Asan’ny Apostoly 2:22) Anisan’ny nampiavaka ny fomba fitorian’ny apostoly izany.’

Maromaro ny olona nanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Apostolin’i Jesosy ny sasany. Nahita ny niandohan’ny fiangonana kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33 ireo apostoly ireo sy ny mpanoratra Baiboly sasany toa an’i Jakoba sy Joda ary Marka. Nifandray akaiky tamin’ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana koa ny olona rehetra nanoratra ny Soratra Grika Kristianina, anisan’izany i Paoly. Ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema no filan-kevi-pitantanana tamin’izany.—Asan’ny Apostoly 15:2, 6, 12-14, 22; Galatianina 2:7-10.

Naniraka ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hanohy ny asa fitoriana sy fampianarana natombony. (Matio 28:19, 20) Nilaza mihitsy izy hoe: “Izay mihaino anareo dia mihaino ahy.” (Lioka 10:16) Nampanantena koa izy fa hahazo ny fanahy masina, na ny hery ampiasain’Andriamanitra, izy ireo mba hahavitana izany. Nahazo ny fanahy masina tokoa ny apostoly sy ny namany, ary maro ny porofo mampiseho izany. Natoky ny boky nosoratan’izy ireo ny Kristianina voalohany vokatr’izany.

Nasehon’ny mpanoratra Baiboly sasany fa azo itokisana sy avy amin’Andriamanitra ny zavatra nosoratan’ny mpanoratra Baiboly hafa. Niresaka momba ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly, ohatra, ny apostoly Petera, ary nasehony fa mitovy amin’ny “andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina” izy ireny. (2 Petera 3:15, 16) I Paoly koa nanaiky hoe notarihin’ny fanahin’Andriamanitra ireo apostoly sy mpaminany kristianina hafa.—Efesianina 3:5.

Tena azo itokisana àry ny Filazantsara, fa tsy angano na tantara noforonina fotsiny. Nosoratana tamim-pitandremana ny tantara ao. Nisy vavolombelona nanatri-maso ny zavatra voalaza ao, ary notarihin’ny fanahy masina ireo olona nanoratra azy ireny.

Iza no nifidy ny boky anisan’ny Soratra Masina?

Misy milaza fa efa taonjato maro tatỳ aoriana vao nofidina hoe iza avy no boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina. Nanana fahefana lehibe ny Eglizy tamin’ny andron’ilay mpitondra romanina atao hoe Constantin, ka nolazaina fa ny Eglizy no nanao izany. Misy porofo anefa hoe tsy marina izany.

Hoy i Oskar Skarsaune, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny Eglizy: “Tsy olona iray na filan-kevitry ny Eglizy no nifidy hoe iza no boky anisan’ny Testamenta Vaovao ary iza no tsy anisany ... Fantatry ny besinimaro sady mitombina tsara ny fomba nanaovana izany: Nekena ho anisan’ny Testamenta Vaovao izay boky nosoratana tamin’ny taonjato voalohany fantatra hoe nosoratan’ny apostoly sy ny namany. Tsy nekena kosa izay nosoratana tatỳ aoriana, na taratasy io, na boky nolazaina fa ‘filazantsara’, na boky hafa ... Efa ela be talohan’i Constantin sy talohan’ny nahazoan’ny Egliziny fahefana no voafidy ireo boky anisan’ny Testamenta Vaovao. Kristianina nenjehina noho ny finoany no nanao izany, fa tsy ny eglizy nanana fahefana.”

Hoy koa i Ken Berding, manam-pahaizana momba ny Soratra Grika Kristianina: “Tsy ny Eglizy no nifidy izay boky tiany ho anisan’ny Soratra Grika Kristianina. Raha ny marina, dia neken’izy ireo fotsiny izay boky efa neken’ny Kristianina hatramin’izay hoe anisan’ny Tenin’Andriamanitra.”

Ireo olon-tsotra kristianina tany am-boalohany ihany ve no nifidy ny boky anisan’ny Soratra Masina? Tsia. Nisy hery lehibe nanampy azy ireo.

Milaza ny Baiboly fa nisy fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy nomena ny Kristianina voalohany. Anisan’izany ny “fahaiza-mamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy.” (1 Korintianina 12:4, 10) Nanampy ny Kristianina sasany izany hamantatra ny tena fanambarana avy amin’Andriamanitra. Afaka matoky àry isika fa avy amin’Andriamanitra ireo boky anisan’ny Baiboly.

Hitantsika teo fa efa ela be no nofidina ny boky anisan’ny Soratra Masina, ary nanampy tamin’izany ny fanahy masina. Nisy mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa nanao fanamarihana momba ireo boky ireo. Tsy izy ireo anefa no nifidy an’ireo boky anisan’ny Baiboly. Nohamafisin’izy ireo fotsiny izay efa neken’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo solontenany notarihin’ny fanahiny.

Ity koa misy porofo. Mbola misy ny Soratra Grika Kristianina sora-tanana, amin’ny fiteny nanoratana azy voalohany. Maherin’ny 5 000 izy ireo, ary tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo no nosoratana ny sasany. Ireny no neken’ny Kristianina voalohany, fa tsy ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina.” Ireny sora-tanana ireny no nadika sy naparitaka avy eo.

Ny porofo avy amin’ny Baiboly anefa no mavesa-danja indrindra. Mifanaraka amin’ny “modelin’ny teny mahasoa” ny boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina. (2 Timoty 1:13) Mampirisika antsika izy ireny mba ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy, ho tia olona, tsy hinohino foana na hifandray amin’ny demonia na hanompo ny zavaboary. Mifanaraka amin’ny tantara ny zavatra voalaza ao, ary marina ny faminaniana resahiny. Ireo no mampiavaka ny boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Toy izany koa ve ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina”?

Ny tsy itovizany amin’ny Baiboly

Efa tatỳ aoriana kokoa, tamin’ny taona 150 tany ho any, vao nosoratana ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina.” Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina koa ny zavatra lazain’izy ireny momba an’i Jesosy sy ny Fivavahana Kristianina.

Nilaza, ohatra, ilay boky lazaina hoe Filazantsaran’i Tomasy fa niteny i Jesosy hoe hovany ho lehilahy i Maria mba hahafahany hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Ny Filazantsara Vaovaon’i Tomasy indray mampiseho hoe ratsy fanahy i Jesosy tamin’ny mbola kely, ka nahafaty ankizy iray. Antitranterina ao amin’ireo boky hoe Asan’i Paoly sy Asan’i Petera koa fa tokony hofadina ny firaisana ara-nofo. Nampirisika ny vehivavy hisaraka amin’ny vadiny mihitsy aza, hono, ireo apostoly. Lazain’ny Filazantsaran’i Jodasy koa hoe nihomehy i Jesosy, rehefa nivavaka momba ny sakafo ny mpianany. Mifanohitra amin’izay voalazan’ireo boky ao amin’ny Soratra Masina izany.—Marka 14:22; 1 Korintianina 7:3-5; Galatianina 3:28; Hebreo 7:26.

Misy fivavahana fahiny nino hoe ratsy fanahy ilay Andriamanitra Mpamorona, an’ohatra ny fitsanganana amin’ny maty, ratsy daholo ny zavatra ara-nofo, ary avy amin’i Satana ny fanambadiana sy ny fiterahana. Ahitana taratra an’izany finoana izany ny maro amin’ireo “boky tsy ao amin’ny Baiboly lazaina fa avy amin’ny fanahy masina.”

Misy milaza fa ireo mpanoratra ny Baiboly ihany no nanoratra ny sasany amin’ireo boky ireo. Nisy nanao tetika maizina àry ve mba hanesorana azy ireo tao amin’ny Baiboly? ‘Tsy nisy nanao izany’, hoy i M. James, manam-pahaizana momba an’ireny boky ireny. ‘Ny zavatra voasoratra ao anatiny dia efa ahitana fa tsy anisan’ny Testamenta Vaovao izy ireny.’ Azo antsoina hoe boky tsy marina àry izy ireny.

Hisy fivadiham-pinoana

Imbetsaka ireo boky anisan’ny Soratra Masina no nilaza hoe hisy fivadiham-pinoana hanimba ny fiangonana kristianina. Efa nanomboka nisy izany tamin’ny taonjato voalohany, fa ny apostoly no nisakana izany tsy hiely. (Asan’ny Apostoly 20:30; 2 Tesalonianina 2:3, 6, 7; 1 Timoty 4:1-3; 2 Petera 2:1; 1 Jaona 2:18, 19; 4:1-3) Tsy gaga àry isika hoe nihabetsaka ny boky milaza zavatra mifanohitra amin’ny nampianarin’i Jesosy, rehefa maty ny apostoly.

Marina fa mihevitra ireo manam-pahaizana sy mpahay tantara hoe tranainy be ireny boky ireny ka mendrika ny hohajaina. Eritrereto anefa izao: Ahoana raha manangona lahatsoratra tsy azo antoka ny manam-pahaizana? Alainy avy amin’ny gazety milaza zavatra tsy marim-pototra ilay izy, na boky navoakan’ny fivavahana mafana fo tafahoatra. Apetrany ao anaty zohy mihidy tsara ireo lahatsoratra avy eo. Lasa marina sy azo itokisana ve ny lainga raketin’ireo lahatsoratra ireo, 1 700 taona any aoriana?

Diso àry ireo zavatra hafahafa, toy ny hoe nanambady an’i Maria Magdalena i Jesosy, lazaina ao amin’ireo boky tsy marina. Nahoana àry isika no hatoky boky tsy azo antoka, nefa manana boky azo antoka? Efa ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra tian’Andriamanitra ho fantatsika momba ny Zanany, ary afaka matoky izay voalaza ao isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy porofo mampiaiky ao amin’ireo boky 66 anisan’ny Baiboly hoe tena avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra tokoa izy ireo, ary tena anisan’ny Tenin’Andriamanitra.

[Kisary/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

FOTOANA NIAINAN’I JESOSY FOTOANA NANORATANA NY FOTOANA

SORATRA GRIKA KRISTIANINA NANORATANA IREO

BOKY TSY MARINA

2 Talohan’i 33 C.E. Aorian’i 41 98 130 300

Kristy Kristy

[Sary nahazoan-dalana]

Kenneth Garrett/National Geographic Image Collection

[Sary, pejy 28]

Nanao fahagagana, toy ny fananganana ny maty, ny apostoly Paoly. Porofo lehibe izany fa nanohana azy ny fanahy masina, ary nanampy azy hanoratra ireo boky ao amin’ny Baiboly