Dia An-tsambo Fahiny Niala teo Mediterane
Dia An-tsambo Fahiny Niala teo Mediterane
Efa mahazatra ny olona maro ankehitriny ny mandeha fiaramanidina mankany amin’ny kontinanta hafa. Asa anefa raha fantatrao fa efa nanao dia lavitra koa ny olona fahiny.
NANAMBOATRA sambo maro i Solomona Mpanjaka, 1000 taona teo ho eo Talohan’i Kristy (T.K.). Nitatitra zava-tsarobidy avy tany an-tany lavitra nankany Israely ireny sambo ireny sy ny an’ny mpanjakan’i Tyro. (1 Mpanjaka 9:26-28; 10:22) Nandray sambo tao Jopa, tanàna israelita amoron’i Mediterane, i Jona mpaminany, tamin’ny taonjato fahasivy T.K., ary nankany Tarsisy. * (Jona 1:3) Tamin’ny taonjato voalohany Aorian’i Kristy (A.K.), dia niainga tao Kaisaria, tany Israely, ny apostoly Paoly, mba ho any Potioly na Pouzzoles ankehitriny, tanàna eo amoron’ny Helodranomasin’i Naples, any Italia.—Asan’ny Apostoly 27:1; 28:13.
Milaza ny mpahay tantara fa talohan’ny andron’i Paoly, dia efa mpandeha sambo nankany Inde ny mpivarotra teo amin’ny manodidina an’i Mediterane. Tany amin’ny Ranomasina Mena no lalan’izy ireo. Nisy aza tonga hatrany Chine, tany antenatenan’ * Ahoana kosa ny amin’ny dia niankandrefana avy teo Mediterane? Tonga hatraiza ireo tantsambo fahiny?
ny taonjato faharoa.Dia nataon’ny Fenisianina fahiny
Taonjato maro talohan’ny niainan’i Paoly, dia efa nanana fivarotana tany andrefan’ny Mediterane ireo mpanao dia an-dranomasina. Voalaza fa efa nandehandeha tany amin’ny Oseana Atlantika ireo Fenisianina nipetraka tany amin’ny faritra misy an’i Liban ankehitriny, tamin’ny 1200 T.K. Nihoatra ny andilan-dranomasin’i Gibraltar izy ireo, tamin’ny 1100 T.K. tany ho any, ary nanorina ny tanànan’i Gadir (Cadix, any Espaina). Anisan’ny entana namidy tao ny volafotsy notrandrahana teo an-toerana sy ny firapotsy nentin’ireo mpivarotra nivezivezy teo amin’ny Atlantika.
Nilaza i Hérodote, mpahay tantara grika, fa nanangona sambo sy tantsambo fenisianina tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao Neko, tamin’ny taonjato fahafito T.K. Nasainy nihodidina an’i Afrika, avy any atsinanana niankandrefana, izy ireo.
Efa nitety ny morontsirak’i Afrika nandritra ny taonjato maro ny Fenisianina, tamin’izany. Nianatsimo nanaraka ny Atlantika izy ireo, nefa tsy dia lasa lavitra satria nahery be ny rivotra sy ny rano. Tamin’ilay dia nampanaovin’i Neko anefa, dia niainga teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo, ary nianatsimo nanaraka ny Oseana Indianina. Nanatona morontsiraka izy ireo rehefa nisasaka ny taona, namboly tao, ary niandry ny fiakaran’ny vokatra, vao niainga. Nilaza i Hérodote fa tafahodina an’i Afrika ireo tantsambo ireo tamin’ny taona fahatelo. Niditra teo amin’ny Mediterane izy ireo, ary niverina tany Ejipta.
Nilaza i Hérodote fa niresaka zavatra sarotra inoana ireo Fenisianina. Tazan’izy ireo avy teo ankavanany, hono, ny masoandro rehefa nihodina ny tendron’i Afrika izy ireo. Sarotra tamin’ny Grika fahiny tokoa ny nino an’izany. Zatra mahita ny masoandro any atsimo mantsy ireo mipetraka any avaratry ny ekoatera, rehefa mitataovovonana. Rehefa miankandrefana àry izy, dia avy eo ankaviany ny masoandro. Any atsimon’ny ekoatera anefa no misy ny cap de Bonne-Espérance, ka any avaratra ny masoandro amin’ny mitataovovonana, izany hoe avy eo ankavanan’ny olona miankandrefana.
Niady hevitra momba ny fitantaran’i Hérodote ny mpahay tantara, nandritra ny taonjato maro. Betsaka no tsy nino hoe nahavita nihodidina an’i Afrika ny tantsambo fahiny. Mino anefa ny manam-pahaizana fa tena naniraka an’ireo Fenisianina i Farao Neko, ary vitan’izy ireo tsara io dia io, rehefa jerena ny fahaizany sy ny fahalalany. Hoy i Lionel Casson, mpahay tantara: “Azo natao tsara mihitsy ilay dia. Tsy hitako izay antony mety tsy ho nahavitan’ny tantsambo fenisianina an’izany, tao anatin’ilay fe-potoana nolazain’i Hérodote. Mino koa aho fa marina izay voalazany mahakasika ny fomba nanatanterahan’izy ireo an’ilay dia.” Tsy voaporofo raha marina daholo izay notantarain’i Hérodote. Hita amin’ny asa sorany anefa fa niezaka be ny olona fahiny mba handeha sambo tany amin’ny toerana lavitra sy mbola tsy fantatra.
Nandeha nianavaratra i Pythéas
Tsy ny Fenisianina ihany no Mediteraneanina nankany amin’ny Atlantika. Anisan’ireo tanàna naorin’ny tantsambo grika teny amoron’i Mediterane i Massalia (Marseilles, any Frantsa). Nandroso ilay tanàna noho ny varotra an-tanety sy an-dranomasina. Nanondrana divay sy menaka ary zavatra vita tamin’ny halimo nankany avaratra ny mpivarotra tao. Ny avy tany kosa nandefa vy sy ditin-kazo fanaovana firavaka. Mazava ho azy fa naniry hahalala ny tany niavian’ireo entana ny mponin’i Massalia. Nandeha nianavaratra àry i Pythéas, tamin’ny 320 T.K., mba hijery an’ireo tany ireo.
Nanoratra boky momba ny diany i Pythéas rehefa tafaverina. Dia An-dranomasina no
lohateniny, ary tamin’ny teny grika ilay izy. Efa tsy misy intsony izao io boky io, kanefa mpanoratra 18, fara fahakeliny, no naka teny avy tao. Hita avy amin’ireny teny ireny fa nohazavain’i Pythéas tsara ny toerana nalehany: Ny ranomasina sy ny fisondrotany ary ny fisintonany, ny endrikendrik’ilay toerana, ary ny mponina ao. Nampiasa hazokely mitsatoka koa izy, ary norefesiny ny alok’izy io amin’ny mitataovovonana. Fantany àry ny haavon’ny masoandro miala amin’ny faravodilanitra, ary izany no nahalalany ny halavitry ny dia vitany nianavaratra.Liana tamin’ny fikarohana ara-tsiansa i Pythéas. Tsy izany anefa no tena antony nanaovany an’ilay dia. Nilaza kosa ireo manam-pahaizana fa nokaramain’ireo mpanao raharaham-barotra tao Massalia izy, mba hitady ny lalana an-dranomasina mankany amin’ireo tany misy firapotsy sy ditin-kazo. Tonga taiza àry i Pythéas?
Tonga tany Bretagne sy Grande-Bretagne ary toeran-kafa
Toa nihodina an’i Iberia i Pythéas ary nianavaratra nanaraka ny morontsirak’i Gaule. Niantsona tao Bretagne izy avy eo. * Ahoana no hahalalantsika izany? Norefesiny ny haavon’ny masoandro teo amin’io toerana io, ka hita fa mifanitsy amin’ny toerana iray any amin’ny faritra avaratr’i Bretagne izany. *
Tantsambo sy mpanao sambo nahay ny mponin’i Bretagne, ary nanao raharaham-barotra tamin’i Grande-Bretagne. Any amin’ny tendrony atsimoandrefan’i Grande-Bretagne no misy an’i Cornouailles. Be firapotsy tany ary tena nilaina izy io mba hanamboarana halimo. Tany no nalehan’i Pythéas, tatỳ aoriana. Nolazainy ny haben’i Grande-Bretagne sy endrik’izy io, izay toy ny telozoro. Midika izany fa nandeha sambo nanodidina an’ilay nosy izy.
Tsy fantatra hoe taiza marina ny lalan’i Pythéas. Mety ho nandeha teo anelanelan’i Grande-Bretagne sy Irlandy izy, ary niantsona teo amin’ny Nosy Man. Ny laharam-pehintany eo amin’io nosy io mantsy no mifanitsy amin’ny refin’ny haavon’ny masoandro nalain’i Pythéas fanindroany. Tao Lewis, any amin’ny Nosy Hébrides, angamba izy no nandrefy fanintelony. Eo andrefan’i Ekosy izy io. Mety ho nianavaratra nankany amin’ireo Nosy Orcades any avaratr’i Ekosy izy, taorian’izay. Nitantara
mantsy i Pythéas, araka ny boky nosoratan’i Pline Zokiny, fa misy 40 ireo nosy ireo.Nandeha sambo enina andro indray i Pythéas, ary nilaza fa tonga tany Thulé any avaratr’i Grande-Bretagne. Nisy mpanoratra fahiny nilaza fa misy masoandro amin’ny misasakalina any. Nandeha sambo nandritra ny iray andro niala teo indray i Pythéas, ary nilaza fa tonga tany amin’ny faritra misy ranomasina “mivaingana.” Samy hafa ny hevitry ny olona momba ny toerana misy an’io Thulé io. Any amin’ireo Nosy Féroé ve? Sa any Norvezy? Sa any Islandy? Na taiza na taiza anefa nisy azy io, dia nino ireo mpanoratra fahiny fa izy io no “tany avaratra indrindra fantatra” tamin’izany.
Ny lalana nandehanan’i Pythéas tamin’ny nandroso ihany angamba no niverenany tany Grande-Bretagne. Namita ny fihodinany an’io nosy io izy, taorian’izay. Tsy fantatsika raha mbola nitsidika ny morontsiraka hafa tany Eoropa avaratra izy, talohan’ny niverenany tany amin’ny Mediterane. Na izany aza, dia nilaza i Pline Zokiny fa i Pythéas no tena nahalala an’ireo faritra mpamokatra ditin-kazo. I Jutland, any Danemark, sy ny morontsiraka atsimon’ny Ranomasina Baltika no mpamokatra azy io fahiny. Azo antoka fa nahafantatra an’ireo toerana ireo i Pythéas, rehefa nandalo tamin’ireo seranana tany amin’ny faritra atsinanan’i Grande-Bretagne. Tsy nilaza mihitsy anefa izy hoe nitsidika an’ireo.
Tonga tany amin’ny faritra atsimon’i Grande-Bretagne i Jules César, mpanjaka romanina, tamin’ny 55 T.K. Izy no olona hafa fantatra fa niala tao Mediterane sy nanoratra momba ny dia nataony. Efa tonga hatrany amin’ny faritra avaratr’i Jutland mihitsy aza ny Romanina tamin’ny 6 A.K. na talohan’izay.
Nanjary fantatra kokoa ny tany
Nitombo be ny fahalalana momba an’izao tontolo izao, noho ny dia nataon’ny Fenisianina sy ny Grika. Tsy hoe ny Mediterane sy Atlantika ihany no fantatra, fa hatrany amin’ny faritra atsimo indrindran’i Afrika sy ny Tendrontany Avaratra. Tia nianatra zava-baovao, nivarotra, namantatra ny tany, ary nandeha lavitra be ny olona tamin’izany, ka nahita hevitra maro.
Vitsy ihany ny zavatra voasoratra momba ny dia nataon’ireo tantsambo be herim-po fahiny. Firifiry moa ny tantsambo tafaverina teo amin’ny toerana niaingany nefa tsy nanoratra momba ny toerana nalehany? Ary firy ireo lasa lavitra ny taniny nefa tsy tafaverina intsony? Tsy fantatsika izany. Fantatsika ihany anefa hoe tonga hatraiza ny Fivavahana Kristianina tany am-boalohany.—Jereo ny efajoro etsy ambony.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Heverina fa ilay tanàna any amin’ny faritra atsimon’i Espaina, nantsoin’ny mpanoratra grika sy romanina hoe Tartessos, no Tarsisy.
^ feh. 4 Miresaka momba ny dia niantsinanana ilay lahatsoratra hoe “Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2009.
^ feh. 16 I Iberia dia i Espaina sy Portogaly ankehitriny. Ny morontsiraka andrefan’i Frantsa no morontsirak’i Gaule. Ny morontsiraka avaratrandrefan’i Frantsa kosa no Bretagne.
^ feh. 16 Any amin’ny laharam-pehintany 48°42’ Avaratra izy io ankehitriny.
[Efajoro, pejy 29]
“Notorina Tamin’ny Zavaboary Rehetra” ny Vaovao Tsara
Nilaza ny apostoly Paoly tamin’ny taona 60-61 tany ho any fa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kolosianina 1:23) Te hilaza ve izy fa efa nitorian’ny Kristianina tany Inde, Azia Atsinanana, Afrika, Espaina, Gaule, Grande-Bretagne, faritra manodidina ny Ranomasina Baltika, ary ilay tany nantsoin’i Pythéas hoe Thulé? Tsy azo inoana loatra izany, nefa tsy fantatsika ny tena marina.
Azo antoka anefa fa niely be ny vaovao tsara. Nitory tany amin’ny faritra maro, ohatra, ireo Jiosy sy tsy Jiosy lasa Kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33. Nitorian’izy ireo hatrany Partia, Elama, Media, Mezopotamia, Arabia, Azia Minora, faritr’i Lybia akaikin’i Kyrena, ary Roma, izany hoe ireo tany fantatry ny olona tamin’izany.—Asan’ny Apostoly 2:5-11.
[Kisary/Sarintany, pejy 26, 27]
(Jereo ny gazety)
Nilaza i Hérodote fa nahita ny masoandro avy teo ankavanany ireo tantsambo rehefa nihodina ny tendron’i Afrika
[Sarintany]
AFRIKA
RANOMASINA MEDITERANE
OSEANA INDIANINA
OSEANA ATLANTIKA
[Kisary/Sarintany, pejy 28, 29]
(Jereo ny gazety)
Ny dia lavitra nataon’i Pythéas, tantsambo grika
[Sarintany]
Marseilles
SAIKINOSY IBERIKA
IRLANDY
ISLANDY
NORVEZY
Ranomasina Avaratra
GRANDE-BRETAGNE
BRETAGNE
SAIKINOSY IBERIKA
MORONTSIRAK’I AFRIKA AVARATRA
RANOMASINA MEDITERANE
Marseilles