Vahaolana ho An’ny Olana Eran-tany
Vahaolana ho An’ny Olana Eran-tany
FENO olona mijaly eto an-tany. Maro no mangoraka ka manampy azy ireny. Miasa andro aman’alina mikarakara marary sy maratra, ohatra, ny mpiasan’ny hopitaly. Miezaka mafy miaro ny olona na manamaivana ny fahoriany koa ny mpamonjy voina sy ny polisy ary ny mpanao lalàna. Tena ilaina izany. Tsy misy olona na fikambanana mahavita manafoana ny fijaliana eran-tany anefa. Andriamanitra ihany no mahavita izany, sady tena hanao izany.
Manome toky ny Baiboly hoe: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ (Apokalypsy 21:4) Ny zava-drehetra mampijaly ny olombelona àry no hesorin’Andriamanitra. Hofoanany ny ady, mosary, aretina, tsy rariny, ary ny ratsy fanahy rehetra. Tsy misy olona mahavita izany.
Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
I Jesosy Kristy, ilay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, no hampiasainy hanatanteraka ny fikasany. Izy no ambony indrindra manarakaraka an’Andriamanitra. I Jesosy irery no hanjaka eran-tany, tsy ho ela. Tsy hisy intsony ny mpanjaka olombelona na filoham-pirenena na mpanao politika. Fanjakana tokana no hitondra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.
Handringana ny fitondran’olombelona rehetra io Fanjakana io. Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe: “Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Daniela 2:44) Ny Fanjakan’Andriamanitra irery àry no hitondra. Hanao ny rariny izy io.
Niresaka matetika momba an’io Fanjakana io i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao, ohatra, izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Amin’ny alalan’io Fanjakana io àry no hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, ary sitrapony ny hanafoanana ny fijaliana rehetra.
Hahavita zavatra tsy ho vitan’ny fitondran’olombelona mihitsy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tadidio fa nanome ny Zanany ho vidim-panavotana i Jehovah, mba hahafahan’ny olona ho velona mandrakizay. Ho lasa lavorary tsikelikely izy ireo, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. Inona no ho vokany? Hofoanan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ‘tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafany koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’—Isaia 25:8.
Mety hisy hanontany hoe: ‘Fa nahoana Andriamanitra no mbola tsy manao na inona na inona? Inona no andrasany?’ Efa ela izy no afaka nanafoana ny fijaliana na nisakana izany mihitsy aza. Misy antony anefa matoa mbola tsy esoriny izany. Izay hahasoa mandrakizay ny zanany eto an-tany mantsy no iriny. Hamela ny zanany hiaritra fahoriana ny ray aman-dreny be fitiavana, raha fantany fa hitondra soa maharitra ho an’ilay ankizy izany. Misy antony tsara koa àry matoa mbola avelan’i Jehovah hiaritra fahoriana ny olona. Hazavain’ny Baiboly fa misy ifandraisany amin’ny safidy sy ny ota ary ny zon’i Jehovah hitondra ilay izy. Voalaza ao koa fa misy anjely ratsy navela hanjaka vetivety etỳ an-tany. *
Tsy ho voazava eto daholo ireo antony ireo. Zavatra roa anefa no azo antoka ary tena mampahery antsika. Voalohany, hanome antsika fitahiana be dia be i Jehovah, ka tsy hampalahelo antsika intsony ny fahoriantsika ankehitriny. Manome toky izy hoe: “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.” (Isaia 65:17) Hofoanan’Andriamanitra tanteraka àry ny fahoriana sy ny fijaliana misy ankehitriny.
Faharoa, efa misy fotoana noeritreretin’Andriamanitra hamaranana ny fijaliana, ary tsy miova izy io. Tsaroanao angamba fa nanontany i Habakoka hoe mandra-pahoviana no avelan’i Jehovah hisy ny herisetra sy ny fifandirana. Hoy i Jehovah: ‘Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana. Tsy ho tara izany.’ (Habakoka 2:3) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa efa akaiky io “fotoana voatondro” io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Manazava tsara an’ireo antony ireo ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 7]
Andinin-teny Manaporofo fa ho Tsara ny Hoavy
TSY HISY ADY INTSONY:
“Avia ianareo hijery ny asan’i Jehovah. Manao zava-mahagaga eto an-tany izy. Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy.” —Salamo 46:8, 9.
HATSANGANA NY MATY:
“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.
HISY SAKAFO HO AN’NY REHETRA:
“Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.
TSY HISY HARARY INTSONY:
“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.
TSY HISY INTSONY NY RATSY FANAHY:
“Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”—Ohabolana 2:22.
HANJAKA NY RARINY:
“Hisy mpanjaka [Kristy Jesosy] hitondra mba hampanjaka ny fahamarinana, ary hisy andriana hitondra mba hampanjaka ny rariny.”—Isaia 32:1.
[Sary, pejy 7]
Hanala ny fijaliantsika rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra