Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona Hifankatia

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona Hifankatia

“IZAY tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny Baiboly. (1 Jaona 4:8, Kat.) Tsara àry ny fivavahana iray raha mahatonga ny olona hifankatia.

Mendri-piderana ny fivavahana maro, noho izy ireo mikarakara ny marary ary miahy ny zokiolona sy ny mahantra. Mampirisika ny mpivavaka ao aminy hanaraka izao torohevitry ny apostoly Jaona izao izy ireo: “Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny rahalahiny mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.”—1 Jaona 3:17, 18, Kat.

Inona anefa no mitranga rehefa miady ireo firenena? Rehefa milamina ihany ve ny tany vao tokony hankatoavina ilay didin’Andriamanitra hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”? Azo ampandeferina ve io didy io rehefa manapa-kevitra hiady amin’ny firenen-kafa ny mpanao politika na ny mpitondra?—Matio 22:39, Prot.

Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35, Prot.) Valio àry ireo fanontaniana eto ambany, ka eritrereto hoe: ‘Moa ve ny olona ao amin’ilay fivavahana tia ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra? Hita amin’ny ataony ve izany, sa an-tendro-molotra fotsiny?’

MOMBA NY: Ady.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.”—Matio 5:44, Prot.

Namoaka fitaovam-piadiana i Petera mba hiarovana an’i Jesosy, rehefa tonga hisambotra an’i Jesosy ny miaramila. Hoy anefa i Jesosy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.”—Matio 26:52, Prot.

Hoy ny apostoly Jaona: “Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny demony. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika, fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny.”—1 Jaona 3:10-12, Kat.

FANONTANIANA:

Mampirisika ny mpivavaka ao aminy handray anjara amin’ny ady ve ilay fivavahana?

MOMBA NY: Politika.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nirin’ny olona sasany hanao politika i Jesosy rehefa hitan’izy ireo hoe nahay nanao fahagagana. Ahoana no nataon’i Jesosy? “Fantatr’i Jeso fa ho avy haka azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray izy irery nankany an-tendrombohitra.”—Jaona 6:15, Kat.

Namaly toy izao i Jesosy rehefa nosamborina sy nendrikendrehina ho mpitaona vahoaka hikomy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.”—Jaona 18:36, Prot.

Izao no nolazain’i Jesosy tamin’izy nivavaka momba ny mpianany: “Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.”—Jaona 17:14, Kat.

FANONTANIANA:

Manao toa an’i Jesosy ve ilay fivavahana, ka tsy midikiditra amin’ny politika, na dia hisy mpanao politika hankahala azy aza?

MOMBA NY: Fanavakavahana.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hoy ny apostoly Petera, rehefa nisy hafa firenena tsy voafora lasa Kristianina: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra: fa izay matahotra azy sy manao ny marina, dia ankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35, Kat.

Hoy i Jakoba tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Ry rahalahy, aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’i Jeso-Kristy Tompontsika be voninahitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe: Mipetraha hianao eto amin’ny toerana aloha; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro; moa tsy miangatra va hianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?”—Jakoba 2:1-4, Kat. (Izy ireo no manao sora-mandry.)

FANONTANIANA:

Mampianatra ve ilay fivavahana hoe mitovy ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra, ary tsy mety ny manavakavaka olona, na inona na inona firazanany, ary na mahantra izy na manan-karena?