Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Anaran’Andriamanitra?

Iza no Anaran’Andriamanitra?

Iza no Anaran’Andriamanitra?

Valiny fandre matetika:

▪ “Tompo no anarany.”

▪ “Fa angaha tsy Andriamanitra no anarany?”

Inona no nolazain’i Jesosy?

▪ “Mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!’ ” (Matio 6:9) Nino i Jesosy fa manana anarana Andriamanitra.

▪ “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.” (Jaona 17:26) Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy.

▪ “Tsy hahita ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: ‘Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’ ” (Lioka 13:35; Salamo 118:26) Nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy.

ANDRIAMANITRA mihitsy no milaza ny anarany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” * (Isaia 42:8) Tamin’ny teny hebreo io anarana io, ary ilay endriny hoe Jehovah no tena mahazatra amin’ny teny malagasy. Mety hahagaga anao angamba hoe miverina in’arivony ao amin’ireo Baiboly sora-tanana fahiny io anarana miavaka io. Izy io no anarana miverina imbetsaka indrindra ao amin’ny Baiboly.

Rehefa anontaniana ny olona hoe: “Iza no anaran’Andriamanitra?”, dia misy mamaly hoe: “Tompo.” Tsy valin’ilay fanontaniana anefa izany. Raha nisy fifidianana, ohatra, ka anontaniana ny olona hoe: “Iza no lany?”, dia tsy hamaly izy hoe: “Ny kandidà.” Samy tsy valiny mazava na ilay hoe “Tompo”, na ilay hoe “kandidà”, satria tsy anarana ireo.

Nahoana moa no nampahafantarin’Andriamanitra antsika ny anarany? Satria tiany hahafantatra azy tsara kokoa isika. Mety hantsoina hoe Ramose, Tale, Dada, na Dadabe, ohatra, ny olona iray, arakaraka ny toe-javatra. Milaza zavatra momba azy daholo ireo. Ny anarany anefa no tena milaza ny mombamomba azy rehetra. Toy izany koa Andriamanitra. Samy iantsoana azy daholo ny hoe Tompo, Mahery Indrindra, Ray, ary Mpamorona, ary misarika ny saintsika ho amin’ireo zavatra samy hafa ataony izany. Ilay anarany hoe Jehovah ihany anefa no tena milaza ny mombamomba azy rehetra. Tsy maintsy mahafantatra ny anaran’Andriamanitra àry ianao, raha te hahalala azy tsara.

Tena ilaina koa anefa ny mampiasa an’io anarana io. Nahoana? Satria hoy ny Baiboly: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Romanina 10:13; Joela 2:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Raha tianao ho fantatra ny dikan’ny anaran’Andriamanitra sy ny antony tsy ahitana azy io ao amin’ny Baiboly sasany, dia azonao jerena ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 195-197, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Mety hantsoina hoe Ramose, Tale, Dada, na Dadabe ny olona iray, arakaraka ny toe-javatra. Ny anarany anefa no tena milaza ny mombamomba azy rehetra