Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Inona no fiteny nampiasain’i Jesosy tetỳ an-tany?
Tsy mitovy ny hevitry ny manam-pahaizana mahakasika izany. Nety ho nampiasa karazana teny hebreo iray sy tenim-paritra aramianina iray anefa i Jesosy. Namaky teny avy tao amin’ny faminanian’i Isaia izy tao amin’ny synagogan’i Nazareta any Galilia. Azo antoka fa tamin’ny teny hebreo izany. Tsy milaza ny Baiboly hoe nadikan’i Jesosy ho amin’ny teny aramianina io teny novakiny io.—Lioka 4:16-21.
Hoy ny Profesora Ernest Wright, momba ny fiteny nampiasaina tany Palestina tamin’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany: “Ny teny grika sy aramianina no tena fampiasan’ny olona ... Mety ho nandre ny miaramila romanina sy ny manam-pahefana niresaka tamin’ny teny latinina [koa] ianao. Ny Jiosy mpivavaka kosa angamba nifampiresaka tamin’ny teny hebreo fampiasa tamin’izany.” Tsy mahagaga àry raha tamin’ny fiteny telo ilay soratra napetak’i Pilato teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, dia ny teny hebreo sy latinina ary grika.—Jaona 19:20.
Hoy i Alan Millard ao amin’ilay bokiny hoe Zavatra Hita Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Azo antoka fa niteny grika ireo governora romanina rehefa nanao ny asany andavanandro, ary mety ho tamin’ny teny grika no namalian’i Jesosy ny fanontanian’i Pilato, tamin’izy notsaraina.” Na teny grika na tsia no nifampiresahan’i Jesosy sy Pilato, dia tsara homarihina fa tsy milaza ny Baiboly hoe nisy mpandika teny rehefa niresaka izy ireo.—Jaona 18:28-40.
Milaza ny Profesora Wright, fa “tsy tena azontsika antoka hoe niteny grika sa latinina i [Jesosy]. Matetika anefa izy, rehefa nampianatra, no nampiasa teny aramianina na ilay teny hebreo mifangaro aramianina, fampiasan’ny olona” tamin’izany.—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy), 1962, pejy 243.
Nanao ahoana ny haben’ny vato nanaovana ny tempoly tao Jerosalema?
Hoy ny mpianatr’i Jesosy rehefa niresaka taminy momba ny tempoly tao Jerosalema: “Mpampianatra ô, mba jereo ange ireto vato sy trano ireto e!” (Marka 13:1) Nanao ahoana ny haben’ny sasany tamin’ireo vato ireo?
Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia efa nampitomboin’i Heroda Mpanjaka ho avo roa heny noho ilay tamin’ny andron’i Solomona ny velaran’ny fototry ny Tempoly. Izy io no fototra lehibe indrindra nataon’ny olona, tamin’izany fotoana izany, satria nirefy 480 metatra ny lavany ary 280 metatra ny sakany. Voalaza fa ny vato sasany nanamboarana ny tempoly, dia nirefy 11 metatra ny lavany, 5 metatra ny sakany, ary 3 metatra ny haavony. Nisy vato vitsivitsy nilanja 50 taonina mahery ny iray. Nisy aza nilanja efa ho 400 taonina, ary “tsy nisy [vato] nitovy habe [taminy], tamin’ny andro fahiny”, araka ny nolazain’ny manam-pahaizana iray.
Ahoana no namalian’i Jesosy ny tenin’ny mpianany? Hoy izy: “Hitanao ve ireo trano be ireo? Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.” (Marka 13:2) Nesorin’ny miaramila romanina teo amin’ny toerany ireny vato ireny tamin’ny taona 70, ary mbola tazana eny amin’izay nanjeran’izy ireo azy.
[Sary, pejy 26]
Vato nesorina avy tamin’ny tempoly tao Jerosalema