Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?

Manontany ny Mpamaky

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?

Tsia, tsy manao izany mihitsy izy, na taloha na ankehitriny na amin’ny hoavy. Nahoana? Satria “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny 1 Jaona 4:8.

Ny fitiavana foana no mahatonga an’Andriamanitra hanao zavatra. Izay manam-pitiavana dia tsy mampijaly ny tsy manan-tsiny, satria “ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.” (Romanina 13:10) Marina àry ny voalazan’ny Joba 34:12 hoe: “Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy.”

Efa voalazan’ny Baiboly mialoha ireo loza amin’ny androntsika, toy ny “horohoron-tany lehibe.” (Lioka 21:11) Tsy avy amin’i Jehovah anefa izy ireny. Rehefa misy rivo-doza, ohatra, dia tsy ny mpilaza toetrandro mihitsy no tompon’andraikitra amin’ny zavatra simba. Nahoana anefa no betsaka ny olona maty sy ny zavatra simba amin’ny loza voajanahary?

‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy [Satana Devoly] izao tontolo izao manontolo’, hoy ny Baiboly. (1 Jaona 5:19) Efa mpamono olona izy hatramin’izay ka hatramin’izao. (Jaona 8:44) Mihevitra izy fa tsy misy dikany ny ain’ny olona. Tia tena izy, ka tsy mahagaga raha manahaka azy ity tontolo ity. Maro, ohatra, no manararaotra ny hafa. Tsy mampaninona azy ny manakarama ny mahantra hiasa any amin’ny toerana misy loza voajanahary matetika, na loza vokatry ny ataon’ny olona. (Efesianina 2:2; 1 Jaona 2:16) Ireny olona tia tena ireny àry indraindray no mahatonga ny hafa hiharan-doza. (Mpitoriteny 8:9) Nahoana?

Ny ataon’ny olona ihany matetika no manampy trotraka an’ireo loza mitranga. Diniho, ohatra, ny vokatr’ilay rivo-doza sy tondra-drano tany Nouvelle-Orléans, any Etazonia. Maro koa ny trano potika tany amoron-tsirak’i Venezoelà, satria nisy tany nihotsaka avy any an-tendrombohitra. Tsy tokony hanimba zavatra be loatra ny rivotra sy orana tamin’ireo, nefa lasa loza nahatsiravina. Nahoana? Satria nosimban’ny olona ny tontolo iainana, tsy mafy tsara ireo zavatra naorina, tsy nisy fepetra noraisina mialoha, tsy narahina ny fampitandremana, ary tsy niasa tsara ny tompon’andraikitra.

Diniho koa ny loza iray tamin’ny andron’i Jesosy. Nisy tilikambo nianjera tampoka, ka nahafaty olona 18. (Lioka 13:4) Tsy fitandremana angamba no nahatonga an’ilay loza. Mety ho avy amin’ny “fotoana sy ny sampona” koa izany, fa tsy didim-pitsaran’Andriamanitra velively.—Mpitoriteny 9:11.

Efa nandefa loza teto an-tany ve anefa Andriamanitra? Eny, saingy tena vitsy izy ireny sady nisy antony ny nanaovany azy. Tsy niara-voa tamin’ny olon-dratsy koa ny olo-marina, toy ny amin’ny loza voajanahary na ny loza vokatry ny ataon’ny olona. Ohatra amin’izany ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, sy ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora tamin’ny andron’i Lota. (Genesisy 6:7-9, 13; 18:20-32; 19:24) Naringan’Andriamanitra ireo ratsy fanahy tsy nety niova, fa narovany kosa ireo nanao ny marina.

Maniry hanafoana ny fijaliana rehetra mahazo ny olona i Jehovah Andriamanitra. Afaka manao izany rahateo izy satria mahery. Tsy hisy intsony àry ireo loza voajanahary mampahory antsika. Hoy mantsy ny Salamo 72:12 momba an’i Jesosy Kristy, Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy.”