Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...
Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
Fitondrana naorin’Andriamanitra izy io, ary hitondra ny tany manontolo. Hoy i Jesosy: ‘Mivavaha toy izao ianareo: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” ’—Matio 6:9, 10; Daniela 2:44.
Iza avy no mpitondra ao amin’izy io?
Vao teraka i Jesosy dia efa voalaza fa ho Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny anjely iray tamin’i Maria: ‘Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka izy.’ (Lioka 1:30-33) Nofidin’i Jesosy hiara-manjaka aminy koa ny mpanara-dia azy sasany. Hoy izy tamin’ny apostoliny: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:28, 29; Daniela 7:27) Olona 144 000 no hiara-manjaka aminy.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1.
Aiza no hisy an’ilay Fanjakana?
Hanjaka avy any an-danitra izy io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Handeha aho ka hanomana toerana [any an-danitra] ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo ho any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa. Hankany amin’ny Ray aho.’—Jaona 14:2, 3, 12; Daniela 7:13, 14.
Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ahoana ny olona ratsy?
Haringan’i Jesosy ny ratsy fanahy. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona [Jesosy] amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra Matio 25:31-34, 46.
izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy ... Ary ireo [ratsy fanahy] ho any amin’ny fandringanana mandrakizay, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Iza no hiaina eto an-tany rehefa hitondra ilay Fanjakana?
Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; Salamo 37:29; 72:8) Dieny izao dia efa mifankatia ireo olona hiaina eto an-tany amin’izany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.
Inona no hataon’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona?
Hanasitrana ny aretina rehetra i Jesosy. Nitory “momba ny fanjakan’Andriamanitra” izy tetỳ an-tany, “sady nanasitrana an’ireo nila fanasitranana.” (Lioka 9:11) Hoy ny apostoly Jaona rehefa avy nahazo fahitana momba an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: ‘Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.” ’—Apokalypsy 21:1-4.
Hanova ny tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ilay jiolahy niara-novonoina tamin’i Jesosy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:42, 43; Isaia 11:4-9.
Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8 *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.