Marina ve ny Evolisiona Rehefa Jerena ny Baiboly?
Marina ve ny Evolisiona Rehefa Jerena ny Baiboly?
MARINA ve fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra? Novany miandalana ho olona ve ny biby? Naka bakteria ve izy, ka nanova izany miandalana ho trondro, avy eo ho biby mandady sy biby mampinono, ary farany ho rajako, ka iny no lasa olona? Misy mpahay siansa sy mpitondra fivavahana mino, fa toy izany no namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Milaza izy ireo fa fanoharana fotsiny ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy, boky ao amin’ny Baiboly. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Avy amin’ny biby tokoa ve ny olona, rehefa jerena ny Baiboly?’
Mila fantatsika hoe ahoana no nampisy antsika, mba hahalalana hoe iza marina isika, hanao ahoana ny hoavintsika, ary ahoana no tokony hitondrantsika ny fiainantsika. Tsy ho fantatsika mihitsy ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy sy ny fikasany momba antsika, raha tsy haintsika hoe ahoana no nampisy antsika. Tsy ho afaka hifandray tsara aminy isika, raha tsy azontsika antoka hoe izy tokoa no namorona antsika. Hojerentsika àry izao izay lazain’ny Baiboly momba ny niandohan’ny olona, ny fiainany ankehitriny, ary ny hoaviny. Ho hitantsika amin’izay, raha marina na tsia ny evolisiona.
Avy amin’ny olona iray isika
Milaza ny mpino ny evolisiona fa biby maromaro no niova miandalana ho olona maromaro. Tsy eken’izy ireo àry fa olona iray monja, araka ny lazain’ny Baiboly, no nisy tamin’ny voalohany. Voalaza ao fa avy amin’ny olona iray isika, dia i Adama. Resahin’ny Baiboly fa tena nisy i Adama. Hita ao ny anaran’ny vadiny sy ny an’ny zanany sasany. Voalaza amin’ny an-tsipiriany ao koa ny zavatra nataony sy nolazainy, ary ny fotoana nahavelomany sy nahafatesany. Tsy noheverin’i Jesosy ho angano natao ho an’ny olona tsy nahita fianarana io fitantarana io. Hoy kosa izy tamin’ny mpitondra fivavahana nanao fianarana ambony: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana?” (Matio 19:3-5) Naverin’i Jesosy avy eo ny tenin’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva, hita ao amin’ny Genesisy 2:24.
Nilaza koa i Lioka, mpanoratra Baiboly sy mpahay tantara azo itokisana, fa tena nisy toa an’i Jesosy i Adama. Rehefa nitanisa ny razamben’i Jesosy izy, dia niteny fa i Adama no razambeny voalohany. (Lioka 3:23-38) Hoy koa ny apostoly Paoly, tamin’ny filozofa nianatra tany amin’ny sekoly grika nalaza: ‘Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, dia nanao ny olona any amin’ny firenena rehetra avy tamin’ny olona anankiray, mba honina manerana ny tany manontolo.’ (Asan’ny Apostoly 17:24-26) Avy amin’ny “olona anankiray” àry isika. Hojerentsika indray raha marina ny evolisiona, rehefa jerena ny fiainan’ilay olona voalohany.
Nanjary tsy lavorary ny olona
Resahin’ny Baiboly fa nataon’i Jehovah lavorary i Adama. Tsy hamorona zavatra tsy lavorary mihitsy izy. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ... Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:27, 31) Manao ahoana izany olona lavorary izany?
Manana safidy ny olona lavorary, sady afaka manahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” (Mpitoriteny 7:29) Nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra i Adama. Lasa tsy lavorary àry izy sy ny taranany. Izany matetika no mahatonga antsika hanao fahadisoana, na dia te hanao ny tsara aza. Hoy i Paoly: “Tsy izay sitrako no ataoko fanao, fa izay halako no ataoko.”—Romanina 7:15.
Milaza koa ny Baiboly fa tsy marary mihitsy ny olona lavorary, ary afaka ny ho velona mandrakizay. Hita izany rehefa jerena ny tenin’Andriamanitra tamin’i Adama. Nilaza izy fa tsy ho faty mihitsy i Adama, raha nankatò azy. (Genesisy 2:16, 17; 3:22, 23) Raha olona mora marary sy mpikomy no noforonin’i Jehovah, dia tsy ho niteny mihitsy izy hoe “tsara indrindra” izy ireo. Mahatalanjona kosa ny nanaovany antsika, saingy isika no lasa tsy lavorary, ka izany no mahatonga antsika ho kilemaina na harary. Tsy marina àry ny evolisiona rehefa jerena ny Baiboly. Lazain’ny mpino ny evolisiona mantsy fa biby miova miandalana ho tsara kokoa ny olona. Ny Baiboly kosa milaza fa ny olona voalohany ihany no lavorary, fa isika taranany mihasimba hatrany.
Tsy marina koa ny hoe tamin’ny alalan’ny evolisiona no namoronan’Andriamanitra ny olona, rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly momba ny toetrany. Raha nampiasa ny evolisiona izy, dia izy izany no nahatonga ny olona harary sy hijaly toy izao. Hoy anefa ny Baiboly: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy. Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany ireny—tsininy izany.” (Deoteronomia 32:4, 5) Tsy avy amin’Andriamanitra àry ny fijaliana. Nikomy kosa i Adama, ka lasa tsy lavorary izy sy ny taranany. Raha izay ny aminy, ahoana kosa ny amin’i Jesosy? Marina ve ny evolisiona, rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly momba azy?
Sady afaka mino ny evolisiona ve ianao no mino an’i Jesosy Kristy?
“Maty noho ny fahotantsika i Kristy.” Anisan’ny fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Fivavahana Kristianina izany. (1 Korintianina 15:3; 1 Petera 3:18) Mba hahitana hoe tsy marina ny evolisiona, rehefa jerena io fampianarana io, dia aleo hofantarintsika hoe nahoana ny Baiboly no milaza fa mpanota isika, ary inona no vokatry ny ota eo amintsika.
Romanina 3:23) Resahina ao koa fa ny ota no mahatonga ny fahafatesana. Hoy ny 1 Korintianina 15:56: “Ny fanindronana mahatonga ny fahafatesana dia ny ota.” Ny ota nolovantsika koa no mahatonga antsika harary. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy, fa misy ifandraisany ny aretina sy ny ota. Sitrana avy hatrany, ohatra, ny lehilahy nalemy iray, rehefa nilazany hoe: “Voavela ny helokao.”—Matio 9:2-7.
Mpanota daholo isika, satria tsy afaka manahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra, toy ny fitiavana sy ny fanaovana ny rariny. Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Nahoana no mahasoa antsika ny nahafatesan’i Jesosy? Mampitaha an’i Adama sy Jesosy Kristy ny Baiboly, ka manao hoe: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:22) Nanao sorona ny ainy i Jesosy, mba hanavotana antsika tamin’ny ota nolovana tamin’i Adama. Hahazo ilay fiainana mandrakizay narian’i Adama àry, izay rehetra mino an’i Jesosy sy mankatò azy.—Jaona 3:16; Romanina 6:23.
Hitanao amin’izay ve fa tsy marina ny evolisiona, rehefa jerena ny fampianaran’ny Fivavahana Kristianina? Raha tsy mino isika hoe ‘maty tao amin’i Adama ny rehetra’, ahoana moa no hinoantsika fa ‘ho velona ao amin’i Kristy ny rehetra’?
Nahoana no inoan’ny olona maro?
Resahin’ny Baiboly hoe nahoana ny evolisiona no be mpitia. Izao no hitantsika ao: ‘Ho avy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily kosa ho amin’ny tantara tsy marina.’ (2 Timoty 4:3, 4) Fampianarana ara-pivavahana ny evolisiona, raha ny marina, na dia mampiasa voambolan’ny mpahay siansa aza matetika ny mpampianatra azy io. Hita avy amin’izy io ny fiheveran’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fiainana. Mahasarika antsika olombelona izy io, noho isika tia tena sy tsy te hiankina amin’Andriamanitra. Maro amin’ny mpino ny evolisiona no milaza fa mino an’Andriamanitra koa. Sahin’izy ireo anefa ny milaza fa tsy namorona ny zava-drehetra Andriamanitra, tsy miditra amin’ny fiainantsika, ary tsy hampamoaka antsika. Izany mantsy no fampianarana tian’ny olona ho re.
Tsy ny porofo hitany mazàna no mahatonga ny olona hampianatra fa marina ny evolisiona. Misy zavatra “iriny” kosa. Maniry hahazo sitraka amin’ireo mpahay siansa mino ny evolisiona angamba izy ireo. Nilaza i Michael Behe, mpahay simia, fa tsy manana porofo ny olona mampianatra fa miova miandalana ny sela. Efa an-taonany maro mantsy i Behe no nandinika ireo zava-mitranga isan-karazany ao anatin’ny sela. Nodinihiny koa ny molekiola, ilay zavatra bitika indrindra ao anatin’izy io. Hoy izy: ‘Mbola tsy nisy manam-pahaizana nahita porofo tsy azo lavina, fa miova miandalana ny molekiola ao amin’ireo taova be pitsiny ao anatin’ny zavamananaina. Mbola tsy nisy lahatsoratra momba ny siansa nanaporofo fa tena nitranga izany, na mety ho nitranga. Tsy ahitana izany, na ny gazety malaza, na gazety momba ny siansa, na boky. Te hiseho ho mahay fotsiny i Darwin.’
Raha tsy manana porofo akory ny mpino ny evolisiona, nahoana izy ireo no manizingizina fa marina izy io? Hoy i Behe: “Tsy te hanaiky fotsiny ny olona maro, anisan’izany ny mpahay siansa malaza sy hajain’ny olona, fa misy mpamorona mahery noho ny olombelona, nanao ny zava-drehetra.”
Mahasarika ny mpitondra fivavahana maro ny evolisiona, satria te hiseho ho mahay be izy ireo. Mitovy amin’ny olona noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma, izy ireo. Hoy izy: ‘Miharihary eo amin’izy ireo izay azo fantarina momba an’Romanina 1:19-22) Inona no azonao atao, mba tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka?
Andriamanitra. Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo, satria nahalala an’Andriamanitra, nefa tsy nanome voninahitra azy amin’ny maha Andriamanitra azy na nisaotra azy. Fa nanjary poakaty ny fomba fisainany, ary nanjary maizina ny fony feno hadalana. Na dia nanizingizina aza izy ireo fa hendry, dia nanjary adala.’ (Inona no hanampy anao hino fa tena misy ny Mpamorona?
Asongadin’ny Baiboly fa tena ilaina ny manana porofo, alohan’ny inoana zavatra iray. Izao no voalaza ao: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Tokony hanana porofo aloha isika fa tena misy ny Mpamorona, vao afaka ny hino azy. Atoron’ny Baiboly antsika hoe ahoana no hahitana izany.
Hoy i Davida, ao amin’ny Baiboly: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.” (Salamo 139:14) Raha maka fotoana isika mba handinihana ny fomba mahatalanjona nanaovana ny vatantsika sy ny zavamananaina hafa, dia hiaiky volana fa tena hendry ny Mpamorona. Tonga lafatra ny namoronany an’ireo taova an’arivony ao anatintsika, izay miara-miasa mba hahavelona antsika hatrany. Hita koa fa mirindra sy maty paika tsara ny fomba nanaovana izao rehetra izao. Hoy ihany i Davida: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.”—Salamo 19:1.
Ny Baiboly mihitsy koa dia efa ahitana porofo maro be, fa misy ny Mpamorona. Mifameno daholo ireo boky 66 ao. Tsy manan-tsahala ny fitsipi-pitondran-tena hita ao. Tanteraka tsy misy diso koa ireo faminaniana ao. Raha mandinika izany rehetra izany ianao, dia hino fa ny Mpamorona no nampanoratra ny Baiboly. Vao mainka ianao hiaiky fa tena Teniny izy io, rehefa takatrao ny fampianarana ao. Hahita porofo mazava, ohatra, ianao fa tena hendry Andriamanitra, rehefa azonao tsara izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakany, ny hoavintsika, ny antony mahatonga ny fijaliana, ary izay tokony hatao mba hahasambatra. Mety hiombon-kevitra amin’i Paoly ianao. Hoy izy: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!”—Romanina 11:33.
Hitombo ny finoanao arakaraka ny handinihanao ireny porofo ireny, ka toy ny hoe mihaino ny Mpamorona mihitsy ianao, isaky ny mamaky Baiboly. Hoy izy: “Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tànako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.” (Isaia 45:12) Miezaha àry hitady porofo fa i Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Tsy hanenina mihitsy ianao.
[Teny notsongaina, pejy 14]
Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Grika nahita fianarana: ‘Andriamanitra nanao ny olona any amin’ny firenena rehetra avy tamin’ny olona anankiray’
[Teny notsongaina, pejy 15]
Lazain’ny mpino ny evolisiona fa biby miova miandalana ho tsara kokoa ny olona. Ny Baiboly kosa milaza fa ny olona voalohany ihany no lavorary, fa isika taranany mihasimba hatrany
[Teny notsongaina, pejy 16]
‘Mbola tsy nisy manam-pahaizana nahita porofo tsy azo lavina, fa miova miandalana ny molekiola’
[Teny notsongaina, pejy 17]
Mahatalanjona ny nanaovan’ny Mpamorona ny zavamananaina, ka miaiky volana isika fa tena hendry izy