Ahoana no Ikarakarana ny Zokiolona?
“Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.”—1 JAONA 3:18.
1, 2. a) Inona no olana atrehin’ny fianakaviana maro, ary inona no fanontaniana aterak’izany? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka atao mba hiatrehana an’ilay fiovana?
METY halahelo be ianao rehefa tsy mahavita mikarakara tena intsony ny ray aman-dreninao, nefa nahavita izany izy taloha sady natanjaka. Nianjera angamba i Dada na i Neny ka tapa-taolana, na very tadidy ka diso lalana, na marary mafy. Mafy amin’ny ray aman-dreny koa ny mieritreritra hoe voatery miantehitra amin’olona izy amin’ny zavatra sasany, satria miova ny toe-batany na ny fiainany. (Joba 14:1) Ahoana àry no azo ikarakarana azy ireo?
2 Hoy ny lahatsoratra iray momba ny fikarakarana be taona: ‘Marina fa sarotra ny miresaka ny olana vokatry ny fahanterana. Ho vonona kokoa hiatrika an’izay mety hitranga anefa ny fianakaviana, raha midinika mialoha hoe inona avy no azo atao raha marary ilay be taona, ary manapa-kevitra ny amin’izay hatao.’ Mila manaiky isika fa tsy maintsy misy ny olana rehefa mihantitra ny olona, ka tena ilaina ny miomana. Ahoana àry no ahafahan’ny mpianakavy mifanampy, ka hiomana sy hanapa-kevitra mialoha hoe inona no hatao?
MIOMÀNA HIATRIKA NY “ANDRO MAHORY”
3. Inona no azon’ny fianakaviana atao, raha lasa mila fanampiana bebe kokoa ny ray aman-dreny be taona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
3 Tsy mahakarakara tena tsara intsony ny ankamaroan’ny olona rehefa antitra, fa mila ampiana. (Vakio ny Mpitoriteny 12:1-7.) Tokony hojeren’izy sy ny zanany àry izay fomba tsara indrindra hikarakarana azy, nefa takatry ny volan’izy ireo. Matetika no tsara raha mivory ny mpianakavy ary mandinika an’izay ilaina sy ny fomba hikarakarana an’izany ary izay azon’ny rehetra atao. Tsy tokony hisalasala hilaza ny heviny ny rehetra, indrindra fa ny ray aman-dreny. Mila mijery ny zava-misy koa izy ireo rehefa mitady vahaolana. Azo dinihina, ohatra, hoe ahoana no azo anampiana ny ray aman-dreny mba hahafahany hijanona ao amin’ny tranony nefa tsy hiharan-doza. * Diniho koa izay azon’ny tsirairay atao mba hikarakarana an’ilay be taona. (Ohab. 24:6) Misy angamba afaka mikarakara azy isan’andro. Ny hafa indray afaka manome vola hikarakarana azy. Tokony hahatsapa ny rehetra fa samy manana andraikitra. Mety hiova anefa ilay andraikitra rehefa mandeha ny fotoana, ary mety hila hifandimbiasana ny andraikitra sasany.
4. Inona no azon’ny mpianakavy atao mba hahazoana fanampiana?
4 Manaova fikarohana momba ny aretin’ny ray aman-dreninao, raha vao manomboka mila fikarakarana izy ireo. Fantaro izay tokony hampoizinareo, raha tsy maintsy hiharatsy ny fahasalamany. (Ohab. 1:5) Any amin’ny tany sasany, dia azo atao ny manatona biraom-panjakana manampy ny zokiolona. Mitadiava fikambanana afaka manampy anao hikarakara tsara kokoa ny ray aman-dreninao ka hanamora ny asanao. Mety halahelo be ianao, na ho taitra, na ho very hevitra rehefa mieritreritra ny fiovana hitranga. Resaho amin’ny namana atokisanao izany. Aza hadinoina mihitsy anefa ny mamboraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hilamin-tsaina izy, ka ho afaka hiatrika an’izay rehetra mitranga ianao.—Sal. 55:22; Ohab. 24:10; Fil. 4:6, 7.
5. Nahoana no hendry isika raha manadihady mialoha momba izay fomba azo ikarakarana ny be taona?
5 Manadihady mialoha an’izay azo atao ny zokiolona sasany sy ny fianakaviany. Jereny mialoha, ohatra, hoe mety ve raha mipetraka any amin’ny zanany ilay be taona, na misy fomba hafa azo ikarakarana azy. Eritreretiny mialoha ny “zava-tsarotra sy fijaliana” mety hitranga, ary miomana hiatrika izany izy ireo. (Sal. 90:10) Tsy manao izany ny fianakaviana sasany, ka voatery manapa-kevitra maimaika rehefa misy olana. Nilaza anefa ny manam-pahaizana iray fa ratsy foana matetika ny vokatr’izany. Mety ho efa sorena ny rehetra ka mety hiady rehefa mikoropaka toy izany. Tsy hampikorontan-tsaina loatra anefa ny fiovana, raha efa elaela ny rehetra no niomana.—Ohab. 20:18.
6. Nahoana no mahasoa ny miresaka mialoha momba ny trano ipetrahan’ny ray aman-dreny be taona?
6 Mety ho sadaikatra ianao hilaza amin’ny ray aman-dreninao fa mety hila hovana ny ao an-tranony na angamba mila mifindra trano izy, any aoriana any. Maro anefa no nilaza fa nitondra soa ny niresaka mialoha momba izany. Nahoana? Satria mora kokoa ny miresaka olana sy mihaino tsara ary manao fandaharana mialoha, raha mbola tsy misy zava-tsarotra. Mora kokoa ny manapa-kevitra atỳ aoriana, raha mifanakalo hevitra mialoha ny mpianakavy sady tsara fanahy sy be fitiavana rehefa manao izany. Marina fa mety ho te hipetraka irery ela araka izay azo atao ireo be taona. Tsara foana anefa raha resahiny mialoha amin’ny zanany ny fomba tiany hikarakarana azy any aoriana any.
7, 8. Inona avy no tokony hodinihin’ny fianakaviana, ary nahoana?
7 Tsara raha milaza ny faniriany, sy ny vola ananany, ary ny fomba tiany hikarakarana azy ny zokiolona, rehefa mifampidinika amin’ny zanany. Afaka manapa-kevitra araka izay efa nolazainy ny zanany amin’izay, raha tsy afaka manao izany ilay be taona. Azo inoana fa hanaja ny safidiny ny zanany, ary hamela azy hitondra ny fiainany raha mbola azo atao. (Efes. 6:2-4) Raha ray na reny be taona ianao, mety ho tianao ve, ohatra, ny hifindra any amin’ny zanakao? Sa misy zavatra hafa eritreretinao? Jereo ny zava-misy ary ekeo fa tsy voatery hitovy hevitra aminao ny rehetra. Elaela ny olona vao mahavita manova ny fomba fisainany, na ny ray aman-dreny izany na ny zanaka.
8 Tokony ho takatry ny tsirairay fa azo atao ny misoroka olana, rehefa miomana mialoha sy mifampiresaka. (Ohab. 15:22) Mila miresaka momba ny fitsaboana efa arahiny sy ny fitsaboana tiany, ohatra, ny zokiolona. Tena tokony horesahina ireo hevitra ao amin’ilay karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF), izay fampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana zo hahalala ny fitsaboana kasaina hatao aminy ny olona rehetra, ary manana zo hanaiky na handa izany. Azon’ilay be taona soratana ao amin’ilay karatra ny safidiny momba izany. Tsara ny manendry solontena, raha azo atao sy eken’ny lalàna izany. Ho azo antoka amin’izay hoe hisy olona azo itokisana hilaza ny fanapahan-kevitr’ilay be taona, raha tsy afaka miteny izy. Tokony hanana dika mitovy amin’ilay karatra FMF ilay be taona sy ireo mpikarakara azy ary ireo solontenany. Ampiarahin’ny zokiolona sasany amin’ny didim-pananany sy ny taratasy hafa tena ilaina ny dika mitovy amin’io karatra io.
AHOANA NO HIATREHANA NY FIOVANA?
9, 10. Inona no fiovana mety hitranga, ka mety hahatonga ny be taona hila fanampiana bebe kokoa?
9 Tian’ny fianakaviana matetika raha mahaleo tena ihany ny ray aman-dreniny be taona, ary izany koa no tian’ireo be taona. Mbola afaka mahandro sy manadio ary mihinana tsara ny fanafodiny angamba izy, ary mahavita miresaka tsara. Mety hiteny amin’ny zanany àry izy hoe tsy dia mila ampiana amin’ny zavatra fanaony isan’andro. Mety tsy hahavita zavatra firy intsony anefa izy rehefa mandeha ny fotoana, ohatra hoe tsy hahavita hiantsena, na ho very tadidy. Mila manao zavatra ny zanany rehefa mitranga izany.
10 Mety hikorontan-tsaina ny antitra, na ho ketraka lava, na tsy hahatana pipỳ sy kakà, na hanadinodino, na ho lalodalovana sy tsy hahita tsara. Mety ho azo tsaboina anefa izany. Ilaina ny manatona dokotera raha vao mitranga ireo, ary ny zanaka indraindray no mila mandamina an’izany. Mety ho ny zanaka koa no tsy maintsy hanao an’ireo zavatra fanaon’ilay be taona teo aloha, ohatra hoe hisolo vava azy, na hikarakara ny taratasiny, na hitondra azy any amin’izay alehany.—Ohab. 3:27.
11. Inona no azo atao mba tsy ho sahirana ny be taona rehefa misy fanovana ilaina hatao?
11 Mety hisy fanovana ilaina hatao eo amin’ny fikarakarana an’ilay be taona na ny trano ipetrahany, raha maharitra ny olana mahazo azy. Ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny fanovana, raha tsy dia lehibe loatra ilay izy. Raha mipetraka lavitra ianao, dia mety ho azo atao ny miangavy mpiara-manompo na mpiara-monina mba hitsidika matetitetika ny ray aman-dreninao sy hilaza aminao hoe manao ahoana izy ireo. Mila fanampiana hafa ve ry zareo, ankoatra ny mahandro sy manadio? Misy fanovana kely mila atao ve ao an-trano mba ho mora kokoa amin’izy ireo sy tsy hampidi-doza azy ny mivezivezy, na mandro, na manao zavatra hafa? Mila olona hanampy azy amin’ny zavatra sasany fotsiny angamba ilay be taona, mba hahafahany hipetra-drery ihany. Raha mety hampidi-doza azy anefa ny mipetra-drery, dia aleo mitady olona hiara-mipetraka aminy mihitsy, ohatra hoe havana. Eritrereto tsara foana izay safidy misy, alohan’ny hanapahana hevitra. *—Vakio ny Ohabolana 21:5.
AHOANA NO ATAON’NY SASANY?
12, 13. Inona no ataon’ny Kristianina sasany, ka ahitana fa manaja sy mikarakara ny ray aman-dreniny izy na dia lavitra aza?
12 Tiantsika ny ray aman-drenintsika, ka te hanao izay hahametimety ny fiainany isika. Milamin-tsaina isika rehefa voakarakara izy ireo. Maro anefa ny olona mipetraka lavitra ny ray aman-dreniny, noho ny andraikitra samihafa. Maka andro tsy iasana àry izy ireny ka mitsidika ny ray aman-dreniny sy mikarakara azy, ohatra hoe manao ny raharaha tsy vitany intsony. Miantso an-telefaonina matetika, na isan’andro mihitsy, koa izy ireny na mandefa taratasy na SMS. Manome toky an’ireo ray aman-dreny izany fa tiana izy.—Ohab. 23:24, 25.
13 Mila mamantatra foana ianao hoe manao ahoana ny fandehan’ny fikarakarana ny ray aman-dreninao. Afaka mangataka soso-kevitra amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonan’izy ireo ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ary mifanalavitra ny misy anareo. Tena ilaina koa ny mivavaka. (Vakio ny Ohabolana 11:14.) Mila ‘manaja ny rainao sy ny reninao’ foana ianao, na dia tsy Vavolombelona aza izy ireo. (Eks. 20:12; Ohab. 23:22) Marina fa tsy mitovy ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona. Misy, ohatra, manasa ny ray aman-dreniny hipetraka ao aminy na tsy lavitra azy. Mety tsy hety anefa izany indraindray. Tsy te hipetraka ao amin’ny zanany, ohatra, ny be taona sasany, satria te hahaleo tena sy tsy te hanahirana ny hafa. Mety hanam-bola koa izy, ka aleony mipetraka irery ary manakarama olona hikarakara azy.—Mpito. 7:12.
14. Inona no olana mety hitranga amin’ilay zanaka tena mikarakara be an’ireo ray aman-dreny?
14 Izay zanaka mipetraka akaiky an’ireo ray aman-dreny matetika no tena mikarakara be azy ireo. Mila mahay mandanjalanja anefa izy ireny, ka tsy hanao tsirambina ny fianakaviany. Voafetra ny fotoana sy ny hery ananan’ny olona tsirairay. Mety hiova koa ny fiainan’ilay zanaka mikarakara, ka mila dinihina raha mbola mety ilay fandaharana efa misy. Eritrereto hoe: Sao dia be loatra ny andraikitry ny iray amin’ireo zanaka? Afaka manampy bebe kokoa ve ny zanaka hafa, ka angamba hifandimby amin’ny fikarakarana?
15. Inona no azo atao mba tsy ho trotraka tanteraka ilay zanaka mikarakara be taona?
15 Mety ho trotraka tanteraka ilay zanaka mikarakara, raha mila fanampiana mitohy ilay be taona. (Mpito. 4:6) Marina fa te hanao izay azony atao izy, nefa mety tsy haharaka intsony raha be loatra ny zavatra ilaina hatao. Mila mahay mandanjalanja izy, ary angamba hangataka fanampiana. Mety hila olona hanampy azy matetika fotsiny izy, mba hahafahany hikarakara foana ny ray aman-dreniny.
16, 17. Inona no mety hanjo ny zanaka mikarakara be taona, ary inona no mety ho azony atao? (Jereo ilay efajoro hoe “Zanaka Mahay Mankasitraka.”)
16 Mahakivy ny mahita ny voka-dratsin’ny fahanterana eo amin’ny ray aman-drenintsika. Mety halahelo, hitebiteby, ho sorena, hanamelo-tena, na ho tezitra mihitsy aza ny olona mikarakara be taona. Mety hilaza zavatra manafintohina na tsy hahay hankasitraka indraindray ny be taona. Aza tonga dia tezitra anefa. Hoy ny dokotera iray mpitsabo aretin-tsaina: “Izao no fomba tsara indrindra hizakana ny fihetseham-pontsika, indrindra raha tsy tiantsika ilay izy: Aza lavina hoe mahatsapa an’ilay izy ianao, fa ekeo hoe izay no ao am-ponao. Aza manamelo-tena be koa.” Resaho amin’ny vadinao, na ny fianakavianao, na ny namana atokisanao izay tsapanao. Hanampy anao izany hahalala tsara ny fihetseham-ponao sy hahay handanjalanja.
17 Manapa-kevitra ny hametraka ny ray aman-dreniny any amin’ny trano fitaizana be antitra ny Kristianina any amin’ny tany sasany, satria tsy ampy intsony ny vola, na tsy hain’izy ireo ny mikarakara azy ao an-trano. Saika isan’andro ny anabavy iray no nitsidika ny reniny tany amin’ny trano fitaizana be antitra. Hoy izy: “Nila fikarakarana andro aman’alina i Neny, nefa tsy arakay izany. Tsy mora ny nanapa-kevitra ny handefa azy tany amin’ny trano fitaizana be antitra. Tena mafy be taminay ilay izy. Izay anefa no vahaolana tsara indrindra nandritra ireo volana faramparany niainany, ary nanaiky izany koa izy.”
18. Inona no azo antoka raha mikarakara tsara ny ray aman-dreninao ianao?
18 Sarotra ny mikarakara ray aman-dreny zokiolona sady misy vokany be amin’ny fihetseham-po. Tsy misy lisitra milaza ny fomba tsy maintsy hikarakarana ny be taona. Hahavita ny adidinao anefa ianao, raha miomana mialoha, mahay miara-miasa amin’ny fianakaviana, mifampiresaka tsara, ary indrindra indrindra mivavaka amin’i Jehovah. Ho afa-po ianao raha manao an’ireo, satria ho voakarakara tsara ny ray aman-dreninao. (Vakio ny 1 Korintianina 13:4-8.) Matokia koa fa hiadan-tsaina ianao satria tahin’i Jehovah ny olona manaja ray aman-dreny.—Fil. 4:7.
^ feh. 3 Mety ho arakaraka ny kolontsaina ny zavatra tian’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Mifampitsidika matetika ny fianakaviana any amin’ny tany sasany, na miara-mipetraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary ny zafikely. Ara-dalàna amin’izy ireo izany ary izany mihitsy aza no tiany.
^ feh. 11 Raha mipetra-drery ny ray aman-dreninao ary misy olona azo itokisana mikarakara azy, dia omeo ny lakilen’ny trano izy mba hahafahany hiditra ao raha misy loza tampoka.