Mandehana Araka ny Fanahy, dia Hahazo Fiainana sy Fiadanana Ianao
Mandehana Araka ny Fanahy, dia Hahazo Fiainana sy Fiadanana Ianao
‘Mandehana araka ny fanahy, fa aza mandeha araka ny nofo.’ —ROM. 8:4.
1, 2. a) Inona no loza mety hitranga rehefa varimbariana ny mpamily? b) Inona no mety hitranga raha varimbariana isika eo amin’ny lafiny ara-panahy?
NILAZA ny minisitry ny fitaterana any Etazonia fa “mihabetsaka ny mpamily varimbariana rehefa mitondra fiara, ary hoatran’ny mbola mihabetsaka aza izany isan-taona.” Anisan’ny mahavariana ny mpamily ny fampiasana telefaonina. Nilaza ny ampahatelony mahery amin’ireo olona nadinadinina, fa mpamily nampiasa telefaonina no nandona azy na saika nandona azy tamin’ny fiara. Mieritreritra angamba ny mpamily hoe mitsitsy fotoana izy raha mitelefaonina sady mitondra fiara. Mety hampidi-doza anefa izany.
2 Mety tsy hahita an’ireo zavatra mampidi-doza ny mpamily, rehefa varimbariana. Toy izany koa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mety hidiran-doza isika, raha varimbariana ka lasa tsy manaraka tsara ny fomba fiaina kristianina sy tsy manao an’ireo zavatra ilaina ara-panahy. Mety ho vaky sambo amin’ny finoana isika. 1 Tim. 1:18, 19) Nampitandrina momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza tamin’ireo Kristianina tao Roma hoe: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana, ary ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa midika ho fiainana sy fiadanana.” (Rom. 8:6) Inona no tiany holazaina? Inona no hanampy antsika tsy hifantoka “amin’ny nofo” fa “amin’ny fanahy”?
(“Tsy mahazo fanamelohana” izy ireo
3, 4. a) Inona ny ady mafy nataon’i Paoly? b) Nahoana isika no tokony handinika izay nanjo an’i Paoly?
3 Nilaza i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, fa miady mafy izy satria mifanohitra ny ataon’ny sainy sy ny nofony. (Vakio ny Romanina 7:21-23.) Tsy hoe nitady fialan-tsiny na nitsetra tena i Paoly raha nilaza izany. Tsy te hilaza izy hoe efa mpanota be izy, ka tsy mahatohitra ny ratsy mihitsy. Kristianina voahosotra sady matotra izy, ary voafidy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena.” (Rom. 1:1; 11:13) Nahoana àry izy no niresaka momba an’io ady mafy nataony io?
4 Nitsotra izy hoe na dia tiany aza ny manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy ho vitany amin’ny heriny samirery izany. Nahoana? Hoy izy: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23) Noho izy taranak’i Adama, dia tsy lavorary izy ary nanana faniriana hanao ratsy. Tsapantsika izay nanjo azy satria tsy lavorary isika, ary miady mafy isan’andro mba tsy hanota. Maro koa ny zavatra mety hahavariana antsika, ka hahatonga antsika hiala amin’ilay ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’ (Mat. 7:14) Nahazo fanampiana anefa i Paoly, ary toy izany koa isika.
5. Inona no nanafaka an’i Paoly sy nanampy azy tamin’ilay ady nataony?
5 Hoy i Paoly: ‘Iza no hanafaka ahy? Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!’ (Rom. 7:24, 25) Niresaka momba an’ireo voahosotra namany izy avy eo, izany hoe ireo olona “tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (Vakio ny Romanina 8:1, 2.) Nanangana azy ireo ho zanany Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanahiny masina, ary nifidy azy ireo ho “mpiara-mandova amin’i Kristy.” (Rom. 8:14-17) Nandresy tamin’ilay ady noresahin’i Paoly izy ireo, noho io fanahy masina avy amin’i Jehovah io sy ny finoan’izy ireo ny soron’i Kristy. “Tsy mahazo fanamelohana” izy ireo, noho izany. Afaka ‘amin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana’ koa izy ireo.
6. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah rehetra no tokony handinika ny tenin’i Paoly?
6 Marina fa ny voahosotra no nanoratan’i Paoly. Mahasoa ny mpanompon’i Jehovah rehetra anefa ny zavatra nolazainy momba ny fanahy masina sy ny sorom-panavotan’i Kristy, na ho any an-danitra isika, na ho eto an-tany. Tena tokony hiezaka hahatakatra sy hampihatra ny toroheviny ny mpanompon’i Jehovah rehetra.
Ahoana no ‘nanamelohan’Andriamanitra ny ota ao amin’ny nofo’?
7, 8. a) Nahoana no lazaina hoe ‘nampahalemy ny Lalàna ny nofo’? b) Nahavita nanao inona Andriamanitra, noho ny fanahiny sy ny soron’i Jesosy?
7 Milaza i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-7 fa tena misy heriny eo amintsika ny ota, noho isika tsy lavorary. Miresaka momba ny herin’ny fanahy masina kosa izy ao amin’ny toko faha-8. Hazavainy ao fa afaka manampy antsika tsy ho resin’ny ota ny fanahin’Andriamanitra, mba hahafahantsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hahazo sitraka aminy. Nomarihin’i Paoly koa anefa fa nahavita zavatra tsy vitan’ny Lalàn’i Mosesy Andriamanitra, noho io fanahy io sy ny sorona nataon’ny Zanany.
8 Tsy nahavita nanafoana ny ota ny Lalàn’i Mosesy, izay nirakitra didy maro be. Manameloka ny mpanota mantsy izy io. Mpanota koa ny mpisoronabe teo ambany Lalàna, ary tsy nanala tanteraka ny ota ny sorona nataon’izy ireo. Izany no antony ilazana hoe ‘nampahalemy ny Lalàna ny nofo.’ Ahoana àry no nataon’i Jehovah mba ‘hanamelohana ny ota Romanina 8:3, 4.) Tokony hanao izany foana izy ireo mandra-pahatapitry ny fiainany eto an-tany, mba hahazoany “ny satroboninahitry ny fiainana.”—Apok. 2:10.
ao amin’ny nofo’, izany hoe mba hanafoanana azy io tanteraka? “Naniraka ny Zanany izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota” izy, ary nanome azy io ho sorona. Nahavita izay “tsy vitan’ny Lalàna” Andriamanitra vokatr’izany, satria mahavita manafaka ny olona amin’ny ota io sorona io. Noho izany, dia ambara ho marina ny Kristianina voahosotra, noho ny finoany ny soron’i Jesosy. Ampirisihina koa anefa izy ireo mba ‘handeha araka ny fanahy, fa tsy araka ny nofo.’ (Vakio ny9. Inona no dikan’ilay teny hoe ‘lalàna’ ao amin’ny Romanina 8:2?
9 Niresaka momba “ny lalàn’ny fanahy”, sy ny “lalàn’ny ota sy fahafatesana”, koa i Paoly. (Rom. 8:2) Inona ireo lalàna ireo? Tsy didy toy ny Lalàn’i Mosesy ilay ‘lalàna’ resahina eo. Milaza ny boky iray fa “ilay teny grika nadika hoe lalàna eo amin’io andininy io, dia manondro ny fomba fihevitry ny olona iray, izay mibaiko azy amin’ny zavatra ataony, na tsara izany na ratsy. Toy ny hoe lalàna ilay izy, satria izy io no mifehy ny zavatra rehetra ataon’ilay olona. Midika koa izy io hoe toro lalana arahin’ny olona iray eo amin’ny fiainany.”
10. Inona no vokatry ny lalàn’ny ota sy fahafatesana eo amintsika?
10 Hoy i Paoly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Rom. 5:12) Taranak’i Adama isika, ka ao anatintsika ao ny lalàn’ny ota sy fahafatesana. Mitaona antsika foana ny nofontsika mpanota mba hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra, izay mitarika ho amin’ny fahafatesana. Niresaka fanao sy fahazaran-dratsy tsy tian’Andriamanitra i Paoly ao amin’ny Galatianina, ary nantsoiny hoe “asan’ny nofo” izy ireny. Hoy izy avy eo: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Gal. 5:19-21) Mandeha araka ny nofo izay manao ny “asan’ny nofo.” (Rom. 8:4) Tsy mifantoka afa-tsy amin’ny nofo ny eritreriny, ary izay no mibaiko azy amin’ny zavatra ataony. Tsy ny olona manao fahotana lehibe, toy ny hoe mijangajanga, manompo sampy, na milalao ody ihany anefa no lazaina hoe mandeha araka ny nofo. Asan’ny nofo koa ny fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, ary fitsiriritana, na dia heverin’ny sasany ho fahalemena kely tsy dia mampaninona aza. Mety handeha araka ny nofo daholo àry isika rehetra, ka ilaina ny miady mafy.
11, 12. Inona no nataon’i Jehovah mba hanafahana antsika amin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana? Inona anefa no mbola tsy maintsy ataontsika mba hahazoana sitraka aminy?
Jaona 3:16-18) Noho izany, dia afaka milaza toa an’i Paoly isika hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!”
11 Tena faly isika hoe nanao zavatra i Jehovah, mba hanafahana antsika amin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Nahazo fanamelohana isika satria nandova ota. Azo afahana amin’izany anefa isika, raha mankasitraka ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamintsika sy maneho finoana ny soron’i Jesosy Kristy. (12 Mitovy amin’ny olona marary mafy anefa isika. Tsy maintsy manaraka izay rehetra lazain’ny dokotera isika, raha te ho sitrana tanteraka. Marina fa ho afaka amin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana isika raha mino ny soron’i Jesosy. Tsy ampy anefa izany satria mbola tsy lavorary sy mpanota isika izao. Misy zavatra hafa tokony hataontsika, raha tiantsika ny ho salama tsara ara-panahy sy hahazo sitraka amin’i Jehovah ary hotahiny. Mila mandeha araka ny fanahy isika. Nampifandraisin’i Paoly amin’ny hoe manatanteraka “ny zavatra ara-drariny takin’ny Lalàna” mantsy ny hoe mandeha araka ny fanahy.
Ny hoe mandeha araka ny fanahy
13. Inona no atao hoe mandeha araka ny fanahy?
13 Mandroso foana manatona tanjona iray no atao hoe mandeha. Toy izany koa fa mandroso foana eo amin’ny lafiny ara-panahy ny hoe mandeha araka ny fanahy. (1 Tim. 4:15) Tsy midika akory izany hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy isika. Mila manao izay fara herintsika kosa isika mba hanaraka ny tari-dalan’ny fanahy eo amin’ny fiainantsika. Mahazo sitraka amin’i Jehovah isika, raha ‘mandeha araka ny fanahy.’—Gal. 5:16.
14. Manao ahoana ny toetran’ny “olona araka ny nofo”?
14 Niresaka karazan’olona roa manana toe-tsaina mifanohitra i Paoly avy eo, dia ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny fanahy. (Vakio ny Romanina 8:5.) Tsy midika fotsiny hoe vatana ny hoe nofo eo. Mety hidika hoe tsy fahalavorariana koa mantsy ny teny hoe “nofo” ao amin’ny Baiboly. Io tsy fahalavorariana io no mahatonga an’ilay fifanoheran’ny saina sy ny nofo noresahin’i Paoly tetsy aloha. Tsy toa an’i Paoly anefa ny “olona araka ny nofo”, satria tsy miezaka hanohitra ny fanirian-dratsy izy ireo. Tsy miraharaha izay takin’Andriamanitra izy ireo sady tsy manaiky ny fanampiany, fa “mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny nofo.” Izay mahafinaritra azy sy ny fanirian-dratsin’ny nofony no tiany hotanterahina, ka izay no tena eritreretiny. Mifanohitra amin’izany anefa ny “olona araka ny fanahy.” Mampifantoka ny sainy amin’ny “zavatry ny fanahy” izy ireo, izany hoe mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy mazoto mandray sakafo ara-panahy.
15, 16. a) Nahoana no lazaina fa hisy vokany eo amin’ny saintsika izay zavatra ifantohantsika? b) Inona no tena ifantohan’ny sain’ny olona ankehitriny?
15 Vakio ny Romanina 8:6. Tsy maintsy efa noeritreretinao ka nifantohan’ny sainao ny zavatra iray, vao nataonao. Rehefa mifantoka amin’ny zavatry ny nofo foana àry ny olona iray, dia lasa zavatry ny nofo foana no tena mameno ny sainy sy tiany hatao. Matetika no zavatry ny nofo no tena eritreretiny sy mahaliana azy ary tiany.
16 Inona no tena mahaliana ny olona ankehitriny? Hoy ny apostoly Jaona: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:16) Tafiditra amin’ireo faniriana ireo ny faniriana haloto fitondran-tena, sy ny faniriana halaza sy hanan-karena. Miresaka an’ireo matetika ny boky, gazety, filma, fandaharana amin’ny tele, ary Internet, satria ireo no tena ifantohan’ny sain’ny olona sy tadiaviny. “Midika ho fahafatesana” anefa “ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo”, izany hoe manimba tanteraka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, sady hahatonga antsika ho ringana. Nahoana? “Satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo. Sady tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra mantsy ny nofo, no tsy mety ho toy izany. Koa tsy afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra àry ny olona araka ny nofo.”—Rom. 8:7, 8.
17, 18. Inona no tokony hataontsika mba hampifantohana ny saintsika amin’ny fanahy? Inona no ho vokany raha manao izany isika?
17 Inona kosa no vokatry ny “fampifantohana ny saina amin’ny fanahy”? “Fiainana sy fiadanana.” Hahazo fiainana mandrakizay isika raha mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy. Hiadan-tsaina sy hihavana amin’Andriamanitra koa isika dieny izao. Inona àry no tokony hataontsika mba ‘hampifantohana ny saintsika amin’ny fanahy’? Mila manaraka foana ny tari-dalan’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny fanahy masina isika. Ho vonona hanaraka ny “lalàn’Andriamanitra” ny saintsika amin’izay, ary hitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah isika. Hanampy antsika hahafantatra izay tokony hataontsika izany rehefa misy fakam-panahy. Handray fanapahan-kevitra tsara isika, mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny fanahy.
18 Tena ilaintsika àry ny mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatry ny fanahy, ka ‘manatanjaka ny saintsika’ hiatrika an’ireo asa ara-panahy isan-karazany. (1 Pet. 1:13) Tokony hataontsika loha laharana ireny asa ireny, anisan’izany ny mivavaka tsy tapaka, mamaky sy mianatra Baiboly, mamonjy fivoriana, ary manompo. Tsy tokony ho variana amin’ny zavatry ny nofo isika, fa hifantoka amin’ny zavatry ny fanahy. Handray fitahiana isika raha mandeha araka ny fanahy, satria midika ho fiainana sy fiadanana ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy.—Gal. 6:7, 8.
Hainao Hazavaina Ve?
• Inona no “zavatra tsy vitan’ny Lalàna”, ary inona no nataon’Andriamanitra mba hahavitana an’io zavatra tsy vitan’ny Lalàna io?
• Inona no vokatry ny “lalàn’ny ota sy fahafatesana” eo amintsika, ary inona no nataon’i Jehovah mba hanafahana antsika amin’izy io?
• Inona no tsy maintsy ataontsika, mba ‘hampifantohana ny saintsika amin’ny fanahy’?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 12]
Mandeha araka ny nofo ianao, sa mandeha araka ny fanahy?