Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mihazakazaha mba Hahazoanao ny Loka’

‘Mihazakazaha mba Hahazoanao ny Loka’

‘Mihazakazaha mba Hahazoanao ny Loka’

“Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io.”—1 KOR. 9:24.

1, 2. a) Inona no nolazain’i Paoly mba hampaherezana an’ireo Kristianina hebreo? b) Inona no ampirisihina hataon’ny mpanompon’Andriamanitra?

NILAZA fanoharana momba ny hazakazaka ny apostoly Paoly, mba hampaherezana an’ireo Kristianina hebreo. Nampahatsiahiviny azy ireo fa tsy izy ireo irery no manao an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana. Misy “vavolombelona maro be toy ny rahona” efa nahavita azy io. Ho tapa-kevitra hamita an’ilay hazakazaka ireo Kristianina hebreo, raha mitadidy ny finoana nasehon’ireny olona ireny sy ny ezaka mafy nataony.

2 Noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny sasany tamin’izy ireny. Nanana finoana matanjaka izy ireo, ka izany no nanampy azy ireo tsy hivadika mihitsy sy hahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany. Afaka manahaka azy ireo koa isika. Amin’ny fomba ahoana? Nampirisika i Paoly hoe: ‘Aoka isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.’—Heb. 12:1.

3. Inona no lesona tian’i Paoly hampitaina, rehefa jerena ny nataon’ireo mpihazakazaka grika fahiny?

3 Be mpitia ny fifaninanana mihazakazaka tamin’ny andron’i Paoly, ary niresaka momba azy io ny boky Ny Zava-nisy Tamin’ny Fotoana Niforonan’ny Fivavahana Kristianina (anglisy). Hoy izy io: “Nitanjaka ny Grika rehefa nanao fanazaran-tena sy nifaninana.” * Tsy mety ny mihazakazaka miboridana ankehitriny. Nanao izany anefa ireo mpihazakazaka fahiny, mba tsy hisy zavatra hanavesatra azy, ka hahatonga azy tsy hahery mandeha. Tsy tiany hisy na inona na inona hisakana azy tsy hahazo ny loka. Rehefa nampirisika àry i Paoly hoe ‘esory izay rehetra manavesatra’, dia midika izany fa ilain’ny Kristianina ny manaisotra an’izay mety hanakana azy tsy hahazo ny lokan’ny fiainana. Torohevitra tsara tokoa izany, indrindra ho antsika ankehitriny. Inona no mety hanavesatra antsika, ka hisakana antsika tsy hahazo an’ilay loka?

‘Esory izay rehetra manavesatra’

4. Inona no nahavariana ny olona tamin’ny andron’i Noa?

4 Nampirisika i Paoly fa tokony hesorina “izay rehetra manavesatra”, izany hoe izay rehetra mety hisakana antsika tsy hifantoka na tsy hiezaka mafy amin’ilay hazakazaka. Mety ho inona avy izany? Manampy antsika hamaly izany ny tenin’i Jesosy. Hoy izy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona.” (Lioka 17:26) Marina fa nisy fandringanana tamin’ny andron’i Noa, ary mbola hisy amin’ny hoavy. Tsy izay anefa no tena tian’i Jesosy horesahina, fa ny fomba fiainan’ny olona. (Vakio ny Matio 24:37-39.) Tsy te hahafantatra an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Noa, ary tsy te hampifaly azy. Fa inona no nahavariana azy ireo? Variana nihinana sy nisotro ary nampaka-bady izy ireo. Zavatra ara-dalàna ireo, kanefa ireo indray no lasa zava-dehibe taminy, ka “tsy niraharaha” ny fampitandreman’Andriamanitra izy ireo.

5. Inona no hanampy antsika hamita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany?

5 Be atao isika isan’andro, toa an’i Noa sy ny fianakaviany. Mila miasa isika, sady mila mikarakara ny tenantsika sy ny fianakaviantsika. Atokantsika amin’izany ny ankabeazan’ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika. Mety hanahy be aza isika hoe ahoana no hahazoana izay ilaintsika, indrindra fa rehefa misy olana ara-bola. Manana andraikitra lehibe hafa koa anefa isika, satria nanokan-tena ho an’i Jehovah. Mila mitory isika, manomana fivoriana sy mandeha mivory. Mila mianatra samirery sy manao ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa isika mba hatanjaka ara-panahy foana. Maro koa ny zavatra tsy maintsy nataon’i Noa teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, nefa nataony daholo izany. (Gen. 6:22) Raha te hamita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany àry isika, dia tokony hataontsika kely araka izay azo atao ny zavatra manavesatra antsika, ary mila mitandrina isika mba tsy hanampy zavatra tsy ilaina.

6, 7. Inona no torohevitr’i Jesosy tokony hotadidintsika?

6 Mazava ho azy fa tsy azontsika esorina daholo ny andraikitsika. Tadidio anefa ity tenin’i Jesosy ity: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” (Mat. 6:31, 32) Te hilaza i Jesosy fa na ny zavatra ilaina, toy ny sakafo sy fitafiana, aza dia mety hanavesatra antsika, raha ireo no lasa zava-dehibe indrindra amintsika. Mety hanakana antsika tsy hanohy an’ilay hazakazaka izany.

7 Tadidio ilay hoe: “Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” Midika izany fa hanome izay ilaintsika i Jehovah Raintsika. Ilay hoe “izany rehetra izany” akory tsy hoe izay rehetra tiantsika, fa izay ilaintsika ihany. Tsy tokony hampanahy be antsika anefa na dia ny zavatra tena ilaintsika aza. Nilaza mantsy i Jesosy hoe izany no “katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra.” Nanome torohevitra toy izao kosa izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.”—Lioka 21:34, 35.

8. Nahoana no izao indrindra isika no tokony “hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika”?

8 Efa hifarana ilay hazakazaka ataontsika. Efa akaiky ny tsipika fahatongavana. Hampalahelo tokoa raha izao isika vao manavesatra ny tenantsika amin’ny zavatra tsy ilaina, ka tsy ho afaka hihazakazaka tsara intsony. Tena mety àry ny torohevitr’i Paoly hoe ilaina ny ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ sy miezaka ‘hianina amin’izay ananana.’ (1 Tim. 6:6) Ho mora kokoa amintsika ny hahazo an’ilay loka, raha mampihatra an’izany isika.

“Ny ota izay mora  mamatopatotra antsika”

9, 10. a) Inona ilay atao hoe “ota izay mora mamatopatotra antsika”? b) Ahoana no mety hahatonga antsika ho voafatopatotra?

9 Nasain’i Paoly nesorina koa ny “ota izay mora mamatopatotra antsika.” Inona io ota io? Ny tsy fahampiam-pinoana. Ary ahoana ilay hoe “mora mamatopatotra”? Eo amin’ny Hebreo 12:1 ihany no ahitana an’ilay teny grika nadika hoe “mora mamatopatotra”, ao amin’ny Baiboly. Nilaza toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe Albert Barnes: “Nitandrina ny mpihazakazaka fahiny mba tsy hanao akanjo mety hisaringotra amin’ny feny ka hanelingelina ny fihazakazahany. Toy izany koa no tokony hataon’ny Kristianina.” Tsy tokony hisy na inona na inona havelan’ny Kristianina hamatopatotra azy, ka hahatonga azy hanota, izany hoe halemy finoana na tsy hanam-pinoana. Fa inona no mety hahatonga antsika tsy hanam-pinoana?

10 Tsy misy mihitsy Kristianina lasa tsy manam-pinoana tampoka. Mitranga tsikelikely izany, ary mety tsy ho tsapa akory. Nilaza i Paoly fa mila mitandrina ny Kristianina mba tsy hiova tsikelikely ka ho “voatarika hiala” na “hanana fo ratsy sady tsy mino.” (Heb. 2:1; 3:12) Mahita olana ny mpihazakazaka rehefa manomboka tsy miraharaha izy hoe mety hampidi-doza ny akanjo sasany. Mety hamatopatotra ny feny mantsy ilay akanjo ary hianjera izy amin’ny farany. Fa inona no mety hahatonga azy tsy hiraharaha hoe mety hisy loza? Angamba izy matoky tena loatra, na varimbariana, na tsy mivaky loha. Inona àry ny lesona raisintsika avy amin’ny torohevitr’i Paoly?

11. Inona no mety hahatonga antsika tsy hanam-pinoana intsony?

11 Mila tadidintsika fa vokatry ny zavatra nataontsika ihany no mety hahatonga antsika tsy hanam-pinoana intsony. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa tena mora voan’io karazana ota io isika. Nilaza izy fa avy amin’ny toe-javatra misy antsika sy ny fahalementsika ary ny olona ifaneraserantsika izany. Ireo no mahatonga antsika halemy finoana, na tsy hanam-pinoana mihitsy.—Mat. 13:3-9.

12. Inona avy no fampitandremana mila arahintsika, mba tsy hahatonga antsika tsy hanam-pinoana intsony?

12 Mampahatsiahy antsika matetika ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina hoe ilaintsika ny mifidy tsara izay jerentsika sy henointsika, satria mamolavola ny fontsika sy ny saintsika izany. Ampitandremana koa isika mba tsy ho tia vola na te hanan-javatra loatra, satria mety hamatopatotra antsika izany. Mety ho variana be amin’ny fialam-boly atolotr’ity tontolo ity, ohatra, isika na te hanana an’izay fitaovana nivoaka farany rehetra. Tena diso isika raha mihevitra hoe hentitra loatra ireny torohevitra ireny, na hoe natao ho an’ny hafa fa isika efa matanjaka ara-panahy. Tsy mora hita mantsy ny zavatra mamatopatotra ataon’ny tontolon’i Satana. Nisy Kristianina lasa tsy nanam-pinoana intsony, satria natoky tena loatra, na varimbariana, na tsy nivaky loha. Raha izany no ataontsika, dia mety tsy hahazo ny lokan’ny fiainana isika.—1 Jaona 2:15-17.

13. Inona no tsy maintsy ataontsika mba tsy hahatonga antsika hanahaka ny olona eto amin’ity tontolo ity?

13 Mitaona antsika ny olona eto amin’ity tontolo ity isan’andro, mba hitovy tanjona sy toe-tsaina aminy, ary hihevitra fa tena zava-dehibe ny zava-dehibe aminy. (Vakio ny Efesianina 2:1, 2.) Afaka misafidy anefa isika, raha hanahaka azy ireo na tsia. Nilaza i Paoly fa toy ny “rivotra” ny toe-tsain’ity tontolo ity. Mahafaty izy io, ka mila mitandrina foana isika mba tsy ho sempotra, ka tsy hahavita an’ilay hazakazaka. Inona no hanampy antsika hanohy an’ilay hazakazaka? Ny ohatra navelan’i Jesosy. Izy no modely tonga lafatra ho an’izay rehetra manao ny hazakazaka kristianina. (Heb. 12:2) Eo koa ny ohatra navelan’i Paoly. Nanao an’ilay hazakazaka koa izy, ary nampirisika an’ireo mpiray finoana taminy mba hanahaka azy.—1 Kor. 11:1; Fil. 3:14.

Ahoana no ‘hahazoanao ny loka’?

14. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa zava-dehibe taminy ilay hazakazaka?

14 Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa zava-dehibe taminy ilay hazakazaka? Hoy izy, tamin’izy niresaka farany tamin’ireo anti-panahy tao Efesosy: ‘Tsy heveriko ho zava-dehibe ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo.’ (Asa. 20:24) Vonona hamoy ny zava-drehetra izy, anisan’izany ny ainy, mba hamitana an’ilay hazakazaka. Taminy, dia tsy nisy dikany ny asa mafy nataony mba hitoriana ny vaovao tsara, raha tsy vitany hatramin’ny farany ilay hazakazaka. Niezaka mafy foana izy, fa tsy natoky tena ka nieritreritra hoe efa azony ilay loka. (Vakio ny Filipianina 3:12, 13.) Talohan’ny hahafatesany izy vao sahy nilaza hoe: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.”—2 Tim. 4:7.

15. Inona no nampirisihin’i Paoly hataon’ireo Kristianina namany?

15 Tena tian’i Paoly hahavita an’ilay hazakazaka koa ireo Kristianina namany, fa tsy hijanona eny antenatenany. Nampirisika an’ireo Kristianina tany Filipy, ohatra, izy mba hiezaka mafy hahazo ny famonjena. Nilaza izy fa mila “mitana mafy ny tenin’ny fiainana” izy ireo. Nahoana? Hoy ihany izy: “Mba hananako antom-pifaliana amin’ny andron’i Kristy, satria tsy ho very maina fotsiny ny hazakazaka na ny asa mafy nataoko.” (Fil. 2:16) Nampirisika an’ireo Kristianina tany Korinto koa izy hoe: ‘Mihazakazaha mba hahazoanareo ny loka.’—1 Kor. 9:24.

16. Nahoana isika no tokony hieritreritra foana an’ilay loka?

16 Tsy tonga dia mahita ny tsipika fahatongavana ny mpifaninana amin’ny hazakazaka lavitra ezaka. Mieritreritra an’ilay izy foana anefa izy ireo eo am-panaovana an’ilay hazakazaka. Vao mainka izy ireo tapa-kevitra ny hamita ilay hazakazaka, rehefa fantany fa efa akaiky ho tonga. Toy izany koa no tokony hataontsika. Tokony hitadidy isika fa tena misy ilay loka. Izany no hanampy antsika hamita an’ilay hazakazaka, ka hahazo ny fiainana.

17. Nahoana no manampy antsika hifantoka amin’ilay loka ny finoana?

17 Hoy i Paoly: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Heb. 11:1) Niadana i Abrahama sy Saraha tao amin’ny taniny. Niala tany anefa izy ireo, ka lasa niaina toy ny “vahiny sy mpivahiny” tany an-tany hafa. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Satria ‘tazany lavitra ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra.’ I Mosesy indray tsy nanaiky “hifaly vetivety tamin’ny fahotana”, ary nanda “ny zava-tsarobidin’i Ejipta.” Ahoana no nananany finoana sy herim-po hanaovana izany? “Nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa” izy. (Heb. 11:8-13, 24-26) Nilaza i Paoly fa nanao zavatra noho ny “finoana” ireo olona rehetra ireo. Ny finoana no nanampy azy ireo tsy hieritreritra be loatra ny zava-tsarotra nahazo azy. Nanampy azy ireo koa izy io hahatsapa fa mikarakara azy ireo foana Andriamanitra ary hanatanteraka ny fampanantenany.

18. Inona no hanampy antsika hanaisotra “ny ota izay mora mamatopatotra antsika”?

18 Mila misaintsaina ny ohatra navelan’ireo lehilahy sy vehivavy resahina ao amin’ny Hebreo toko faha-11 isika, ary manahaka azy ireo. Hanatanjaka ny finoantsika izany, ka hanampy antsika hanaisotra an’ilay “ota izay mora mamatopatotra antsika.” (Heb. 12:1) Mila miara-mivory amin’ireo olona miezaka hanana finoana matanjaka koa isika, ka hifampiahy “mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.”—Heb. 10:24.

19. Nahoana ianao no mila manohy foana an’ilay hazakazaka?

19 Efa hifarana ilay hazakazaka ataontsika, ary toy ny hoe efa tazantsika ny tsipika fahatongavana. Ho vitantsika ny hanaisotra an’izay “rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika”, raha manam-pinoana isika ary ampian’i Jehovah. Tohizo foana àry ilay hazakazaka, mba hahazoanao ny loka ampanantenain’i Jehovah Raintsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nanafintohina an’ireo Jiosy fahiny izany. Milaza ny boky faharoan’ny Makabeo fa Jiosy maro no tezitra, rehefa te hanaraka ny fanaon’ny Grika i Jasona, mpisoronabe mpivadi-pinoana, ka naniry hanorina trano fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema.—2 Makabeo 4:7-17.

Tadidinao Ve?

• Inona no tokony hataontsika mba hanesorana an’izay “rehetra manavesatra”?

• Inona no mety hahatonga ny Kristianina iray tsy hanam-pinoana intsony?

• Nahoana isika no tokony hieritreritra foana an’ilay loka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona ilay ‘ota mora mamatopatotra antsika’, ary ahoana no mety hahatonga antsika ho voafatopatotra?