Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
“Hataoko tafaray izy ireo, toy ny andian’ondry ao am-bala.”—MIKA 2:12.
1. Ahoana no ahitana hoe hendry Andriamanitra, rehefa dinihina ny zavatra noforoniny?
HOY ny mpanao salamo: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.” (Sal. 104:24) Mahavariana tokoa ny mahita hoe nataon’Andriamanitra mifampiankina ny zavamaniry sy ny bibikely, sy ny biby, ary ny bakteria eto an-tany, izay misy karazany an-tapitrisany. Miara-miasa daholo koa ireo taova lehibe sy molekiola bitika ao anaty vatantsika, ka mahatonga antsika ho salama tsara. Hita amin’izany fa hendry tokoa Andriamanitra!
2. Araka ny asehon’ny sary eo amin’ny pejy 13, nahoana no mahagaga ny hoe niray saina ny Kristianina voalohany?
2 Nataon’i Jehovah hifampiankina na hifanohana koa ny olona. Marina fa samy hafa ny endriky ny olona sy ny toetrany ary ny fahaizany. Noforonin’Andriamanitra mba hanana toetra mitovy amin’ny azy anefa isika olombelona, mba hahafahantsika hiara-miasa sy hifanohana. (Gen. 1:27; 2:18) Na izany aza, dia tafasaraka amin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Mbola tsy niray saina mihitsy koa ny olona maneran-tany hatramin’izay. (1 Jaona 5:19) Tena mahagaga àry hoe niray saina ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nefa samy hafa be ny olona teo anivony. Tao, ohatra, ny andevo efesianina, ny vehivavy grika nanana toerana ambony, ny lehilahy jiosy nahita fianarana, ary ireo olona nanompo sampy taloha.—Asa. 13:1; 17:4; 1 Tes. 1:9; 1 Tim. 6:1.
3. Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny Kristianina, ary inona no hodinihintsika ato?
3 Manampy ny olona hiray saina sy hiara-miasa tsara toy ny rantsambatana, ny fivavahana marina. (Vakio ny 1 Korintianina 12:12, 13.) Hodinihintsika ato hoe: Nahoana no mampiray saina ny fivavahana marina? Nahoana no hoe i Jehovah irery no afaka mampiray saina ny olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra? Inona avy ireo sakana tsy mampiray saina, resintsika noho ny fanampian’i Jehovah? Raha ny firaisan-tsaina no resahina, inona no tsy itovizan’ny tena Kristianina amin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?
Nahoana no mampiray saina ny fivavahana marina?
4. Nahoana no mampiray saina ny fivavahana marina?
4 Eken’ny olona manaraka ny fivavahana marina, hoe i Jehovah no manana zo ho Mpanjakan’izao rehetra izao, satria izy no Mpamorona. (Apok. 4:11) Noho izany, dia manaraka ny lalàny sy ny toro lalan’ny Baiboly ny tena Kristianina rehetra, na dia samy hafa aza ny fireneny sy ny toe-javatra iainany. Miantso an’i Jehovah hoe ‘Ray’ koa izy rehetra, ka lasa toy ny mpirahalahy ary miray saina, araka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!”—Isaia 64:8; Sal. 133:1; Mat. 6:9.
5. Inona no toetra manampy ny tena mpivavaka mba hiray saina?
5 Tsy lavorary ny tena Kristianina nefa manompo amim-piraisan-tsaina, satria nampianarin’i Jehovah hifankatia. Izy ihany no tena mahay mampianatra izany. (Vakio ny 1 Jaona 4:7, 8.) Hoy ny Teniny: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po ... Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kol. 3:12-14) Ny fitiavana, izay fatorana mampiray tonga lafatra, no tena ahafantarana ny tena Kristianina. Efa tsapanao teo amin’ny fiainanao ve fa anisan’ny mampiavaka ny fivavahana marina ny firaisan-tsaina?—Jaona 13:35.
6. Nahoana no mahatonga antsika hiray saina ny fanantenana momba ilay Fanjakana?
6 Miray saina koa ny tena mpivavaka, satria mino fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Fantatr’izy ireo fa kely sisa dia hesorina ny fitondran’olombelona, ary hosoloana ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hitondra ny tena fiadanana maharitra ho an’ny olona mankatò. (Isaia 11:4-9; Dan. 2:44) Noho izany, dia manaraka an’ireto tenin’i Jesosy ireto ny tena Kristianina: “Tsy anisan’izao tontolo izao [ny mpanara-dia ahy], tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Tsy mandray anjara amin’ny ady izy ireo, ka miray saina na dia miady aza ny manodidina azy.
Loharano iray ihany no manome ny toromarika
7, 8. Nahoana no mahatonga antsika hiray saina ny toromarika ara-baiboly raisintsika?
7 Niray saina ny Kristianina voalohany, satria loharano iray ihany no nanome toromarika azy ireo. Nanaiky izy ireo hoe mampianatra sy mitari-dalana ny fiangonana, amin’ny alalan’ny filan-kevi-pitantanana, i Jesosy. Ireo apostoly sy anti-panahy tany Jerosalema no filan-kevi-pitantanana tamin’izany. Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra ireo lehilahy be fandavan-tena ireo rehefa nanapa-kevitra. Nandefa mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo avy eo, mba hampita toromarika tamin’ireo fiangonana tany amin’ny tany maro samihafa. “Nandeha nitety tanàna” ireny mpiandraikitra ireny, “ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona.”—Asa. 15:6, 19-22; 16:4.
8 Manampy an’ireo fiangonana eran-tany mba hiray saina koa ankehitriny ny Filan-kevi-pitantanana, izay tsy iza fa Kristianina maromaro voahosotry ny fanahy. Mamoaka boky sy gazety mampahery amin’ny fiteny maro be ny Filan-kevi-pitantanana. Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny sakafo ara-panahy ireny. Noho izany, dia avy amin’i Jehovah ny zavatra ampianarina ao, fa tsy avy amin’olona.—Isaia 54:13.
9. Nahoana ny asa fitoriana no mahatonga antsika hiray saina?
9 Manampy antsika hiray saina koa ny mpiandraikitra kristianina satria izy ireo no mitarika eo amin’ny asa fitoriana. Mifandray akaiky kokoa mantsy ny olona miara-manao an’io asa io, raha oharina amin’ireo miara-miala voly fotsiny. Tsy hoe fikambanana natao hiarahana anefa ny fiangonana. Natao kosa izy io mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, hamitana ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, ary hampaherezana ny fiangonana. (Rom. 1:11, 12; 1 Tes. 5:11; Heb. 10:24, 25) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza toy izao momba ny Kristianina: “Mafy orina sady miray saina ianareo, ka miara-miezaka toy ny olona iray hampandroso ny finoana ny vaovao tsara.”—Fil. 1:27.
10. Inona avy no manampy antsika hiray saina?
10 Araka izany, dia miray saina isika mpanompon’i Jehovah, satria manaiky ny zon’i Jehovah hitondra, tia an’ireo rahalahy sy anabavy, manantena ny Fanjakan’Andriamanitra, ary manaja an’ireo asain’Andriamanitra mitarika antsika. Ampian’i Jehovah koa anefa isika mba hiala amin’ireo toetra ratsy vokatry ny tsy fahalavorariana, izay mandrava ny firaisan-tsaina.—Rom. 12:2.
Reseo ny fireharehana sy ny fialonana
11. Nahoana no mampisara-bazana ny fireharehana, ary ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba tsy hirehareha?
11 Mampisara-bazana ny fireharehana. Tia manambony tena ny olona mirehareha, ary faly erỳ izy manao izany. Misakana ny olona tsy hiray saina izany matetika. Rehefa mandre olona mirehareha isika, dia mety hanjary hialona an’ilay olona. “Ratsy [àry] ny fireharehana rehetra toy izany”, hoy i Jakoba. (Jak. 4:16) Tsy maneho fitiavana koa isika raha manambany ny hafa. Tokony hanahaka an’i Jehovah kosa isika. Manetry tena izy, matoa mifandray amintsika olombelona tsy lavorary. Hoy i Davida taminy: “Ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2 Sam. 22:36) Mba tsy hahatonga antsika hirehareha, dia mampianatra antsika hisaina tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny 1 Korintianina 4:7 hoe: “Inona no mahatonga anao tsy hitovy amin’ny hafa? Inona tokoa moa no anananao izay tsy nomena anao? Koa raha nisy nanome ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatran’ny hoe tsy nisy nanome?”
12, 13. a) Nahoana isika no mora mialona? b) Inona no ho vokatry ny ezaka ataontsika, raha manahaka ny fomba fiheveran’i Jehovah an’ireo rahalahy isika?
12 Matetika koa no misakana ny olona tsy hiray saina ny fialonana. Tsy lavorary isika ka mora ‘mitsiriritra’ daholo. (Jak. 4:5) Na ny Kristianina efa ela aza mety hialona ny fananan’ny hafa, ny fahaizany, na ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. Mety hialona ny mpanompo manontolo andro iray, ohatra, ny rahalahy iray manam-bady aman-janaka. Tsy fantany anefa fa mety hialona kely azy koa ilay mpanompo manontolo andro, noho izy manan-janaka. Inona àry no azontsika atao mba tsy hahatonga ny fialonana hanimba ny firaisan-tsaintsika?
13 Tadidio fa oharina amin’ny rantsambatana amin’ny vatana ny voahosotra tsirairay. (Vakio ny 1 Korintianina 12:14-18.) Raha ny vatana no dinihina, dia hitantsika fa misy zavatra sasany amin’ny vatana mora hita kokoa noho ny hafa. Mora hita, ohatra, ny masonao, noho ny fonao. Samy sarobidy aminao anefa izy ireo, sa tsy izany? Sarobidy amin’i Jehovah daholo koa ireo olona eo anivon’ny fiangonana, na dia mety ho misy misongadina kokoa noho ny hafa aza mandritra ny fotoana kelikely. Aoka àry isika hanahaka ny fomba fihevitr’i Jehovah an’ireo rahalahintsika. Tsy hialona azy ireny isika, fa hiahy azy kosa ary hitady izay hahasoa azy. Hasehontsika amin’izany fa tsy mitovy amin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny tena Kristianina.
Misara-bazana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina
14, 15. Ahoana no nahatonga ny Fivavahana Kristianina mpivadi-pinoana hizarazara?
14 Miady kosa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, fa tsy miray saina toa an’ireo tena
Kristianina. Tena niely be ny Fivavahana Kristianina mpivadi-pinoana tamin’ny taonjato fahefatra, ka lasa nanaraka azy io ny mpanjaka romanina iray mpanompo sampy, ary nifehy azy io mihitsy aza. Vao mainka niroborobo àry ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Maro anefa ny fanjakana niala tamin’ny fifehezan’i Roma tatỳ aoriana, ka samy namorona fivavahana izy ireo mba harahin’ny fanjakany.15 Niady nifamely ireo fanjakana ireo, nandritra ny taonjato maro. Nampirisihina mafy mba hafana fo hiaro ny tanindrazany ny olona tany Etazonia sy Frantsa ary Grande-Bretagne, tamin’ny taonjato faha-17 sy 18. Lasa toy ny fivavahana ny fanindrahindram-pirenena, vokatr’izany. Lasa nanindrahindra firenena ny ankamaroan’ny mponina eran-tany, tamin’ny taonjato faha-19 sy 20. Nizarazara ho antokom-pivavahana maro be koa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ary noleferin’ny ankamaroan’izy ireny ny fanindrahindram-pirenena. Nisy aza mpivavaka nandray anjara tamin’ny ady, ka namono ny mpiray finoana taminy hafa firenena. Voazarazara ankehitriny ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, satria mampisaratsaraka ny zavatra inoany, sady manindrahindra firenena izy ireo.
16. Inona avy ny hevitra mampisara-bazana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?
16 Nanao hetsika fampiraisam-pinoana ny sasany tamin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny taonjato faha-20. Vitsy anefa ny fivavahana nitambatra, na dia am-polony taona taorian’ny nanombohan’ilay hetsika aza. Mbola tsy mitovy hevitra koa ny mpivavaka eo amin’ny resaka fivoarana miandalana, fanalana zaza, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary fanendrena vehivavy ho mpitondra fivavahana. Na izany aza, dia miezaka mampiray saina an’ireo fivavahana ny mpitondra fivavahana sasany, ka asehony hoe tsy dia zava-dehibe ireo fampianarana mampisara-bazana azy ireo. Mahatonga ny olona halemy finoana anefa izany, sady tsy mampiray velively an’ireo fivavahana.
Tsy manindrahindra firenena ny tena mpivavaka
17. Inona no faminaniana milaza fa hahatonga ny olona ho tafaray ny fivavahana marina atỳ “am-parany”?
17 Mbola mampiavaka ny tena mpivavaka ny firaisan-tsaina, na dia voazarazara be aza ny olombelona. Hoy Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mika mpaminany: “Hataoko tafaray izy ireo, toy ny andian’ondry ao am-bala.” (Mika 2:12) Nilaza i Mika fa hasandratra ny fivavahana marina, ka ho ambony noho ny fivavahana hafa rehetra, anisan’izany ny fivavahana amin’ny andriamani-diso, na ny fivavahana amin’ny Fanjakana (ny Fanjakana no atao toy ny andriamanitra). Hoy i Mika: “Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hitanjozotra ho any ny olona. Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika.”—Mika 4:1, 5.
18. Inona avy ny fiovana nataontsika, noho isika manaraka ny fivavahana marina?
Mika 4:2, 3) Maro ny olona tsy nivavaka intsony tamin’ny firenena na tamin’ny andriamanitra nataon’olona. Nanompo an’i Jehovah izy ireo, ka lasa tafaray amin’ireo mpanompon’i Jehovah hafa maneran-tany. Ampianarin’Andriamanitra haneho fitiavana izy ireo.
18 Nilaza koa i Mika hoe hanjary hihavana ny mpifahavalo, rehefa manaraka ny fivavahana marina. Hoy izy: “[Hisy olona avy amin’ny firenena maro] ho any, ka hanao hoe: ‘Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah sy ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.’ ... Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Na izy ireo, na ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony.” (19. Manaporofo inona ny hoe tafaray ao amin’ny fivavahana marina ny olona an-tapitrisany?
19 Tena miavaka ny firaisan-tsaina misy eo anivon’ny tena Kristianina ankehitriny. Porofo izany fa mbola mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah. Olona avy amin’ny firenena samihafa no tafaray, ary mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay. Tanteraka avy amin’izany ny Apokalypsy 7:9, 14. Hita amin’izany koa fa kely sisa dia havotsotr’ireo anjely ny “rivotra” handringanana ity tontolo ity. (Vakio ny Apokalypsy 7:1-4, 9, 10, 14.) Tsy tsapanao ve hoe tombontsoa be ny hoe tafaray amin’ireo rahalahy maneran-tany? Inona no azontsika tsirairay atao mba hampiray saina antsika? Izany no hodinihina manaraka.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no mahatonga ny olona hiray saina ny fivavahana marina?
• Inona no azontsika atao mba tsy ho ravan’ny fialonana ny firaisan-tsaintsika?
• Nahoana ny tena mpivavaka no tsy voazarazara noho ny fanindrahindram-pirenena?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Samy hafa fiaviana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany
[Sary, pejy 15]
Nahoana no manampy antsika hiray saina ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny Efitrano Fanjakana?