Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hahomby ny Fitondran’i Satana!

Tsy Hahomby ny Fitondran’i Satana!

Tsy Hahomby ny Fitondran’i Satana!

‘Ho ratsy fiafara ny ratsy fanahy.’—MPITO. 8:13.

1. Nahoana no mampahery ny hoe hotsaraina ny ratsy fanahy?

TSY maintsy hotsaraina ny ratsy fanahy na ho ela na ho haingana, ka hijinja izay nataony. (Ohab. 5:22; Mpito. 8:12, 13) Mampahery izany, indrindra fa ho an’ireo olo-marina iharan’ny tsy rariny na ampahorin’ny ratsy fanahy. Tsy ho afa-maina koa i Satana Devoly, ilay mpanao ratsy raindahiny.—Jaona 8:44.

2. Nahoana no navelan’i Jehovah handeha ny fotoana mba handaminana ilay olana tany Edena?

2 Nihevi-tena ho zavatra loatra i Satana, ka nampirisika an’i Adama sy Eva hanohitra ny fitondran’i Jehovah. Nanaiky hotaominy izy mivady, ka lasa mpanota. (Rom. 5:12-14) Fantatr’i Jehovah fa tsy maintsy hisy voka-dratsiny ny fikomian’izy ireo. Tiany hiharihary amin’ny zavaboary misaina rehetra izany. Navelany handeha àry ny fotoana, mba ho voaporofo tanteraka fa diso ireo mpikomy.

3. Tokony hikomy amin’ny fitondran’olombelona ve ny Kristianina? Hazavao.

3 Tsy maintsy nanangana ny fitondrany manokana ny olombelona, taorian’ny nikomiany tamin’i Jehovah. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “manam-pahefana” ireny fitondrana ireny, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma. Ny fitondram-panjakana romanina no nanam-pahefana tamin’izany, ary i Néron no mpitondra (taona 54-68). Nilaza i Paoly fa “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy” ny manam-pahefana. (Vakio ny Romanina 13:1, 2.) Te hiteny ve izy hoe tsara ny fitondran’olombelona? Tsia! Nilaza fotsiny izy fa tokony hankatoavina izy ireny, satria “lamina napetrak’Andriamanitra”, izany hoe mbola avelany hisy.

Loza ny vokany!

4. Nahoana no azo antoka fa tsy hahomby ny fitondran’olombelona?

4 Tsy hahomby mihitsy ny fitondran’olombelona fehezin’i Satana, satria tsy manana ny fahendren’Andriamanitra. I Jehovah no hendry indrindra, ka izy irery no mahalala izay tokony hatao mba hampahomby ny fitondrana. (Jer. 8:9; Rom. 16:27) Mazàna ny olona no tsy mahita vahaolana tsara, raha tsy efa manandrana imbetsaka. I Jehovah kosa mahita avy hatrany ny vahaolana tsara indrindra. Tsy hahomby mihitsy izay fitondrana tsy manaraka ny tari-dalany. Tia tena koa i Satana, ilay nahazoan’izy ireny fahefana. Vao niandoha àry ny fitondran’olombelona, dia efa hita fa tsy hahomby.

5, 6. Nahoana i Satana no nanohitra an’i Jehovah?

5 Tsy hanao zavatra efa fantany fa tsy hahomby ny olona misaina. Ahoana anefa raha mbola be kiry ihany izy? Tsy maintsy ho hitany amin’ny farany fa diso izy. Nanohitra an’i Jehovah i Satana satria nanambony tena. Ninia nikomy izy, na dia efa fantany aza fa ho loza ny vokany. Hita foana teo amin’ny tantara fa hadalana ny manohitra an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.—Vakio ny Ohabolana 21:30.

6 Nisy mpanjaka babylonianina nanahaka an’i Satana, ka nirehareha toy izao: “Any an-danitra no hiakarako. Ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako, ary hipetraka eny amin’ny tendrombohitra fivoriana aho, any amin’ny farany avaratra. Hiakatra any ambonin’ny toerana avo eny amin’ny rahona aho, ka hataoko izay hampitovy ahy amin’ny Avo Indrindra.” (Isaia 14:13-15) Tsy nahomby ny fikasan’io mpanjaka io. Ratsy fiafara ny fitondrana babylonianina. Ho toy izany koa i Satana sy ny tontolony, tsy ho ela.

Nahoana no mbola avelan’i Jehovah hisy?

7, 8. Nahoana no misy mahatsara azy ny namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy vetivety?

7 Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana ny olona raha mba nosakanan’i Jehovah tsy hiandany tamin’i Satana sy tsy hanangana fitondrana efa hita fa tsy hahomby?’ Tena afaka nanao izany i Jehovah, satria izy no Mahery Indrindra. (Eks. 6:3) Nifehy tena anefa aloha izy. Hendry izy, ka fantany fa izany no mety indrindra. Ho hita mantsy rehefa ela ny ela, fa izy irery no mendrika hitondra, sady Mpitondra be fitiavana. Handray soa koa ny mpanompony.

8 Tsy ho nisy izao fijaliana be izao raha tsy nanaiky hotaomin’i Satana hikomy ny olombelona. Misy mahatsara azy ihany anefa ny namelan’i Jehovah ny fitondran’olombelona hisy vetivety. Manjary miharihary amin’ny olona tso-po, ohatra, fa tena ilaina ny mihaino sy matoky an’Andriamanitra. Efa maro ny karazana fitondrana nandraman’ny olona, nefa tsy nisy nahomby. Vao mainka àry resy lahatra ny Kristianina fa tsy misy tsara noho ny fitondran’i Jehovah. Marina aloha fa tsy ny olona anisan’ity tontolo ity ihany no mizaka ny mafy noho ny namelana an’i Satana hitondra. Mijaly koa ny vahoakan’Andriamanitra. Misy soa raisin’izy ireo koa anefa.

Vao mainka nahazo voninahitra i Jehovah!

9, 10. Nahoana no nanjary nahazo voninahitra i Jehovah, rehefa namela an’i Satana hitondra?

9 Tsy nampihena ny voninahitr’i Jehovah mihitsy ny namelany ny olona hofehezin’i Satana sy hanana ny fitondrany manokana. Hita teo amin’ny tantara kosa aza fa marina ilay teny nampanoratiny an’i Jeremia hoe tsy mahay mitondra samirery ny fiainany ny olona. (Vakio ny Jeremia 10:23.) Tsy vitan’izay fa vao mainka nisongadina ireo toetra tsaran’i Jehovah. Ahoana izany?

10 Nahatsiravina ny vokatry ny fitondran’i Satana, ka tsy maintsy naneho bebe kokoa an’ireo toetrany tonga lafatra i Jehovah. Mety tsy ho nilaina izany, raha tsy teo ny fikomian’i Satana. Lasa nanome voninahitra an’i Jehovah ny olona tia azy, rehefa nahita ny toetrany. Nisy nahatsara azy ihany àry ny namelana an’i Satana hitondra, na dia toa hafahafa aza izany. Vao mainka hita mantsy fa tena hain’i Jehovah ny nandamina ilay fikomiana. Hojerentsika izao ny toetrany sasany sy ny fomba nanehoany izany bebe kokoa taorian’ny nikomian’i Satana.

11. Ahoana no nanehoan’i Jehovah ny fitiavany?

11 Be fitiavana. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Maro ny porofo mampiseho izany. Namorona ny olombelona, ohatra, izy, ary mahagaga sy mahatalanjona ny nanaovany azy. Napetrany tao amin’ny toerana tsara tarehy koa izy ireo, ary nomeny an’izay rehetra nilainy mba hahasambatra azy. (Gen. 1:29-31; 2:8, 9; Sal. 139:14-16) Tsy ela anefa dia nanota izy ireo, ka nisy fomba niavaka kokoa nanehoan’i Jehovah ny fitiavany. Nilaza toy izao i Jesosy, araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Izany no fomba niavaka indrindra nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany. Ny Zanany lahitokana mihitsy no nalefany tetỳ an-tany mba hanavotra ny mpanota! (Jaona 15:13) Nanome modely ho an’ny olona koa i Jehovah rehefa nanao izany. Afaka manahaka azy àry izy ireo, ka maneho fitiavana sy fahafoizan-tena, toa an’i Jesosy.—Jaona 17:25, 26.

12. Inona no mampiseho fa i Jehovah no Mahery Indrindra?

12 Mahery. Ilay ‘Andriamanitra Mahery Indrindra’ ihany no mahavita manome aina. (Apok. 11:17; Sal. 36:9) Toy ny taratasy tsy misy soratra ny olona, raha vao teraka, fa toy ny taratasy feno soratra kosa rehefa maty. Efa maro mantsy ny zavatra niainany sy ny fanapahan-kevitra noraisiny, ka ireny no namolavola ny toetrany. Toy ny hoe tehirizin’i Jehovah ilay taratasy, izany hoe tadidiny daholo ny mombamomba an’ilay olona. Hainy ny mamelona indray an’io olona io, rehefa tonga ny fotoana hanaovany izany, ary haveriny daholo ny mombamomba azy rehetra. (Jaona 5:28, 29) Marina aloha fa tsy nataon’i Jehovah ho faty ny olona, nefa rehefa nitranga izany, dia afaka nampiseho izy fa manana hery hananganana ny maty. Izy tokoa no ‘Andriamanitra Mahery Indrindra.’

13. Nahoana ny soron’i Jesosy no porofo fa tia rariny i Jehovah?

13 Tia rariny. Tsy mba mandainga i Jehovah na manao ny tsy rariny. (Deot. 32:4; Tit. 1:2) Arahiny foana ny fitsipiny ambony momba ny fahamarinana sy ny rariny, na dia mety hoheverin’ny olona fa voa mafy aza izy amin’izany. (Rom. 8:32) Azo antoka fa tena ory izy nahita an’ilay Zanany malalany novonoina teo amin’ny hazo fijaliana, satria nolazaina fa nanevateva azy. Navelany hitranga anefa izany satria tiany ny olona, sady te hanaraka ny fitsipiny tonga lafatra momba ny rariny izy. (Vakio ny Romanina 5:18-21.) Manjaka loatra ny tsy rariny, ka nasehon’i Jehovah fa tsy misy tia rariny noho izy.

14, 15. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsy manan-tsahala ny fahendreny sy ny faharetany?

14 Hendry. Vao avy nikomy i Adama sy Eva, dia nolazain’i Jehovah hoe inona no kasainy hatao mba hanafoanana ny voka-dratsin’izany. (Gen. 3:15) Tena hita àry fa hendry izy satria tsy nangataka andro. Mbola niharihary koa ny fahendreny tatỳ aoriana, satria nohazavainy tsikelikely tamin’ny mpanompony ny tsipirian’ilay fikasany. (Rom. 11:33) Mahita vahaolana mahomby foana i Jehovah, na inona na inona mitranga. Fahita eto amin’ity tontolo ity ny ady sy fanavakavahana ary fikomiana. Ratsy fitondran-tena koa ny olona, tsy mahay mandanjalanja, mafy fo, ary mpihatsaravelatsihy. Afaka nampiseho tsara ny atao hoe fahendrena àry i Jehovah. Hoy i Jakoba: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy.’—Jak. 3:17.

15 Manam-paharetana sy mahari-po. Tsy maintsy naneho faharetana sy fahari-po i Jehovah, rehefa lasa tsy lavorary sy mpanota ny olona. Mety tsy ho niharihary loatra ireo toetrany ireo, raha mbola lavorary isika. Efa an’arivony taona izao no nanehoany azy ireo. Porofo izany fa tsy misy manam-paharetana sy mahari-po toa azy. Tokony hankasitraka azy àry isika. Hoy ny apostoly Petera: “Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.”—2 Pet. 3:9, 15.

16. Nahoana isika no tena faly noho i Jehovah vonona hamela heloka?

16 Vonona hamela heloka. Mpanota daholo isika, ary manao fahadisoana imbetsaka. (Jak. 3:2; 1 Jaona 1:8, 9) Mankasitraka an’i Jehovah anefa isika, satria vonona hamela heloka “tanteraka” izy! (Isaia 55:7) Vao teraka isika dia efa mpanota, ka tena faly isaky ny mahatsapa fa avelany heloka. (Sal. 51:5, 9, 17) Mampitombo ny fitiavantsika azy izany, ary lasa vonona hamela heloka koa isika.—Vakio ny Kolosianina 3:13.

Marary izao tontolo izao!

17, 18. Inona no porofo fa tsy mahomby ny fitondran’i Satana?

17 Tsy nahomby mihitsy hatramin’izay ity tontolo fehezin’i Satana ity. Hoy ny gazety Eoropeanina (anglisy), tamin’ny 1991: ‘Tena marary izao tontolo izao. Tsy Andriamanitra anefa no nahatonga izany, fa ny olona ihany.’ Marina tokoa izany! Voarebirebin’i Satana i Adama sy Eva, ka naleony nitondra samirery ny fiainany toy izay hiantehitra amin’i Jehovah. Nanangana ny fitondrany manokana àry ny olona taorian’izay, na dia efa hita aza fa tsy hahomby. Feno fijaliana izao eran-tany. Tena hita fa tsy mahavita azy ny mpitondra olombelona.

18 Tia tena ny mpitondra eo ambany fahefan’i Satana, ka tsy mahavita mampisy fiadanana sy fahasambarana ary filaminana. Mitondra ny olombelona amim-pitiavana kosa i Jehovah, ary tsy haharesy ny fitiavana mihitsy ny fitiavan-tena. Niharihary foana àry fa ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra. Inona no porofo mampiseho izany ankehitriny? Ho hitantsika izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Inona no Nianaranao Momba ny Fitondrana, avy Amin’ny...

Romanina 13:1, 2?

Ohabolana 21:30?

Jeremia 10:23?

Kolosianina 3:13?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Tsy nahasoa ny olombelona mihitsy ny fitondran’i Satana

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Army photo

WHO photo by P. Almasy

[Sary, pejy 26]

Manana hery hananganana ny maty i Jehovah

[Sary, pejy 27]

Be fitiavana sy tia rariny i Jehovah matoa nanome ny Zanany ho sorona