Tahafo ny Tsy Fivadihan’i Itahy
Tahafo ny Tsy Fivadihan’i Itahy
“LEHIBE sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika?” Miresaka momba ny tsy fivadihan’Andriamanitra io hira io, izay nataon’ireo “naharesy an’ilay bibidia sy ny sariny.” (Apok. 15:2-4) Tian’i Jehovah raha tsy mivadika toa azy ny mpanompony.—Efes. 4:24.
I Satana Devoly kosa miezaka mitaona ny olona hivadika. Maro anefa no tsy niala tamin’ny finoany, na dia nijaly mafy aza. Faly isika mahalala fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny tsy fivadihana toy izany! Hoy ny Baiboly: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.” (Sal. 37:28) Noraketiny tao amin’ny Teniny ny tantaran’ireo mpanompony tsy nivadika mba hanahafantsika azy ireo. Hita ao, ohatra, ny tantaran’i Itahy Gatita.
‘Hafa firenena sady voatery niala tany amin’ny taniny’
Azo inoana fa avy ao Gata i Itahy. Io ilay tanànan’ny Filistinina niavian’i Goliata sy ireo fahavalo hafa nampahatahotra ny Israelita. Tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma tamin’i Davida Mpanjaka no iresahana voalohany an’i Itahy ao amin’ny Baiboly. Miaramila za-draharaha izy, ary voatery niala tany amin’ny taniny ka nonina tany akaikin’i Jerosalema. Nisy Filistinina 600 lahy nanaraka azy.
Nahatsiaro ny fotoana nandosirany an’i Saoly angamba i Davida, rehefa nahita an’i Itahy sy ny olony. Nifindra tany amin’ny tanin’ny Filistinina izy sy ny miaramila israelita 600 lahy tamin’izay, ary nankao amin’ny faritra niadidian’i Akisy, mpanjakan’i Gata. (1 Sam. 27:2, 3) Inona izao no hataon’i Itahy sy ny olony, satria mikomy amin’i Davida i Absaloma zanany? Hiandany amin’i Absaloma ve izy ireo, sa tsy homba ny atsy na ny aroa, sa hiandany amin’i Davida?
Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga. Nandositra avy tao Jerosalema i Davida, ary niato kely tao Beti-meraka, izay midika hoe “Ilay Trano Lavitra.” Tao angamba no nisy ny trano farany tamin’ny tanànan’i Jerosalema, teo amin’ny lalana mankany amin’ny Tendrombohitra Oliva, alohan’ny hiampitana ny Lohasahan’i Kidrona. (2 Sam. 15:17) Nandinika ny tafiny i Davida rehefa nandalo teo anatrehany izy rehetra. Ankoatra an’ireo Israelita tsy nivadika, dia nandalo teo koa ny Keretita, ny Peletita, ary ny Gatita izay nisy an’i Itahy sy ny miaramilany 600.—2 Sam. 15:18.
Nalahelo an’i Itahy i Davida, ka nanao hoe: “Nahoana ianao no hiaraka aminay? Mandehana miverina, ary mitoera any amin’ny mpanjaka [Absaloma], fa hafa firenena ianao sady voatery niala tany amin’ny nisy anao. Vao omaly ve ianao no tonga dia efa hoentiko mirenireny miaraka aminay sahady androany, hankany amin’izay halehako? Mandehana miverina, ary ento miaraka aminao ireo rahalahinao. Dia haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminao anie i Jehovah, sady hasehony aminao koa anie fa mendri-pitokisana izy!”—2 Sam. 15:19, 20.
Tsy te hivadika tamin’i Davida i Itahy, ka nilaza hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, dia any amin’izay hisy ny mpanjaka tompoko no hisy ny mpanomponao koa, na ho faty na ho velona!” (2 Sam. 15:21) Nety ho nampahatsiahy an’i Davida an’ireo tenin’i Rota, renin’ny dadabeny, izany. (Rota 1:16, 17) Nanohina ny fon’i Davida ny tenin’i Itahy, ka hoy izy: “Mandehana àry miampita” ny Lohasahan’i Kidrona. “Koa niampita i Itahy Gatita, mbamin’ny olony rehetra sy ny zaza madinika rehetra niaraka taminy.”—2 Sam. 15:22.
“Ho fianarantsika”
Hoy ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” Inona àry no ianarantsika avy amin’i Itahy? Inona tokoa moa no mety ho antony tsy nivadihany tamin’i Davida? Na tsy Israelita aza i Itahy, dia fantany fa i Jehovah no Andriamanitra velona, ary voahosotr’i Jehovah i Davida. Tsy nitsara an-tendrony izy, satria hoe mpifahavalo ny Israelita sy ny Filistinina. Fantany fa lehilahy niavaka i Davida, fa tsy hoe olona nahafaty an’i Goliata sy ireo miaramila filistinina hafa fotsiny. (1 Sam. 18:6, 7) Fantany koa hoe olona tia an’i Jehovah izy, ary azo inoana fa voamariny ny toetra tsarany. Nanaja lalina an’i Itahy i Davida, vokatr’izany. Nalefany teo “ambany fitarihan’i Itahy Gatita” mihitsy aza ny ampahatelon’ny tafiny, rehefa nafotaka ny adiny tamin’ny tafik’i Absaloma!—2 Sam. 18:2.
Tokony hijery ny toetra tsaran’ny hafa koa isika, fa tsy hifantoka amin’ny tsy fitoviana eo amin’ny kolontsaina, na firazanana, na foko, ary hanaisotra an’izay mety ho fitsarana an-tendrony sy fankahalana mbola ao am-pontsika. Vato misakana ny fihavanana
mantsy ireo. Hita tamin’ny fifankatiavan’i Davida sy Itahy, fa afaka manampy antsika hanaisotra ny vato misakana toy ireo ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fitiavana azy.Azontsika saintsainina ny hoe: ‘Manahaka an’i Itahy ve aho, ka tsy mivadika amin’ilay Davida Lehibe, dia i Kristy Jesosy? Tsy mivadika ve aho ka mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra?’ (Mat. 24:14; 28:19, 20) ‘Vonona hiaritra an’izay mitranga ve aho mba hanaporofoana ny tsy fivadihako?’
Mandray soa koa ny raim-pianakaviana rehefa misaintsaina ny tsy fivadihan’i Itahy. Tsy nivadika tamin’i Davida izy, ary nanapa-kevitra ny hiaraka tamin’io mpanjaka voahosotr’Andriamanitra io. Nisy vokany tamin’ireo olona niaraka taminy izany. Misy akony eo amin’ny ankohonan’ny lehilahy iray koa ny fanapahan-kevitra raisiny mba hanohanana ny fivavahana marina. Mety hiaritra zava-tsarotra vetivety izy ireo, nefa manome toky ny Baiboly hoe: “Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihan[’i Jehovah].”—Sal. 18:25.
Tsy miresaka momba an’i Itahy intsony ny Baiboly, taorian’ny ady nifanaovan’i Davida sy Absaloma. Efa nahafantarana ny toetrany anefa ilay fitantarana fohy momba azy. Ny nampidirana ny tantarany tao amin’ny Baiboly, dia porofo fa mankasitraka sy mamaly soa ny olona tsy mivadika i Jehovah.—Heb. 6:10.