Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Manonona ny “bokin’i Jasara” sy ny “bokin’ny Adin’i Jehovah” ny Soratra Masina. (Josoa 10:13; Nom. 21:14) Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa ireo boky ireo. Anisan’ny boky avy amin’ny fanahy masina ve izy ireo, saingy very?
Tsy misy antony tokony hinoana fa avy amin’ny fanahy masina ireo boky roa ireo, saingy very tatỳ aoriana. Manonona asa soratra vitsivitsy ankoatra an’ireo ny mpanoratra Baiboly. Mety ho anisan’ny Baiboly mihitsy ny sasany aminy, saingy tsy mahazatra ny mpamaky ankehitriny ny anarana niantsoana azy. Miresaka momba ny asa soratra “nosoratan’i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana”, ohatra, ny 1 Tantara 29:29. Mety ho ny bokin’ny 1 Samoela sy 2 Samoela, na ny bokin’ny Mpitsara ireo.
Misy koa ireo boky resahin’ny mpanoratra Baiboly, nefa tsy anisan’ny Baiboly, na dia mitovitovy anarana amin’ny boky ao aza. Anisan’izany ireto boky tranainy efatra ireto: “Boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda”, “Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy ny Mpanjakan’ny Israely”, “Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely”, ary ny “Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda.” Na dia mitovitovy anarana amin’ny 1 Mpanjaka sy 2 Mpanjaka aza ireo boky ireo, dia tsy avy amin’ny fanahy masina, sady tsy ao amin’ny lisitr’ireo boky anisan’ny Baiboly. (1 Mpanj. 14:29; 2 Tant. 16:11; 20:34; 27:7) Nety ho bokin-tantara nisy tamin’ny andro nanoratan’i Jeremia mpaminany sy Ezra an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly fotsiny ireo.
Nanonona ny bokin-tantara na loharanon-kevitra nakany fanazavana ny mpanoratra Baiboly sasany. Tena nisy izy ireny, na dia tsy avy amin’ny fanahy masina aza. Voatonona ao amin’ny Estera 10:2, ohatra, ny “Boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ny mpanjakan’i Media sy Persa.” Rehefa nanoratra ny Filazantsarany koa i Lioka, dia ‘nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady nohamarininy.’ Ny tiany holazaina angamba dia hoe nijery asa soratra nisy tamin’izany izy rehefa nanoratra ny anaran’ireo razamben’i Jesosy, izay hitantsika ao amin’ny Filazantsarany. (Lioka 1:3; 3:23-38) Tsy avy amin’ny fanahy masina ireny asa soratra nakany hevitra ireny. Tsy isalasalana anefa fa avy amin’ny fanahy masina ny Filazantsara nosoratany, ary mbola mahasoa antsika.
Ary ahoana ny amin’ny “bokin’i Jasara” sy ny “bokin’ny Adin’i Jehovah”? Boky nisy fahiny angamba izy ireo, saingy tsy avy amin’ny fanahy masina. Izany no antony tsy niarovan’i Jehovah azy ireo, ka tsy ahitantsika azy ireo intsony. Milaza ireo manam-pahaizana fa boky mirakitra tononkalo sy hira momba ny ady nifanaovan’ny Israely sy ny fahavalony ireo boky roa ireo, rehefa jerena ny andinin-teny ahitana azy ao amin’ny Baiboly. (2 Sam. 1:17-27) Milaza ny rakipahalalana iray momba ny Baiboly, fa mety ho “boky nirakitra hira sy tononkalo nampiasain’ireo mpihira matihanina teo amin’ny Israely fahiny ireo boky ireo.” Na ireo lehilahy nampiasain’Andriamanitra hilaza faminaniana na fahitana aza, dia nanao asa soratra tsy avy amin’ny fanahy masina. Tsy nampidirin’i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina, izay “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso”, izy ireny.—2 Tim. 3:16; 2 Tant. 9:29; 12:15; 13:22.
Tsy voatery hoe avy amin’ny fanahy masina ny boky sasany nakana hevitra, na dia voatonona ao amin’ny Baiboly aza. Ireo boky mirakitra “ny tenin’Andriamanitsika” ihany no narovan’i Jehovah, ary “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Isaia 40:8) Izay nampidirin’i Jehovah ao amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, dia efa ampy mba hahatonga antsika “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Tim. 3:16, 17.