Araho Foana ny Soratra Masina Rehefa Mitsabo Tena
Araho Foana ny Soratra Masina Rehefa Mitsabo Tena
‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny sainao manontolo sy ny herinao manontolo.’—MARKA 12:30.
1. Inona no fikasan’Andriamanitra, tamin’izy namorona ny olombelona?
TSY nataon’i Jehovah Andriamanitra harary sy ho faty ny olona. Napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena, izay midika hoe “paradisam-pahafinaretana” i Adama sy Eva, “mba hiasa sy hikarakara” azy io, tsy mandritra ny 70 na 80 taona monja, fa ho mandrakizay. (Gen. 2:8, 15; Sal. 90:10) Tsy ho narary sy maty mihitsy izy ireo raha tia an’i Jehovah sy nanaiky ny zony hitondra ary tsy nivadika taminy.
2, 3. a) Ahoana no ilazalazan’ny Mpitoriteny ny zava-mitranga amin’ny olona antitra? b) Iza no nahatonga ny olona ho faty, ary ahoana no hanafoanana ny fahafatesana?
2 “Andro mahory” ho an’ny olombelona tsy lavorary ny fahanterana. Miresaka momba izany ny Mpitoriteny toko faha-12. (Vakio ny Mpitoriteny 12:1-7.) Ohariny amin’ny vonin’ny “hazo amandie” ny volo fotsy. Ny tongotra kosa ampitahainy amin’ny “lehilahy matanjaka” lasa manjoko sy mangozohozo. Mety tsara koa ny fampitahany ny maso pahina amin’ny vehivavy mitady hazavana eo am-baravarankely, nefa tsy mahita afa-tsy haizina. ‘Tsy miasa intsony ireo vehivavy mpitoto’, na ny nify, “satria efa vitsy.”
3 Tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hoe hangozohozo ny lohaliky ny olona, ho pahina ny masony, ary ho banga ny nifiny. Anisan’ny “asan’ny Devoly” ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama. Hanafoana izany ny Mesia Zanak’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakany. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny Devoly.”—1 Jaona 3:8.
Mety ny mikarakara fahasalamana
4. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no mikarakara ny fahasalamany? Inona anefa no eken’izy ireo?
4 Toy ny olon-drehetra tsy lavorary ihany ny mpanompon’i Jehovah, ka misy amin’izy ireo marary na efa antitra. Mety àry ny mikarakara fahasalamana ary mahasoa mihitsy izany. Tiantsika mantsy ny hanompo an’i Jehovah ‘amin’ny herintsika manontolo.’ (Marka 12:30) Miezaka mitandro fahasalamana isika, nefa koa tokony hijery ny zava-misy, ka hiaiky fa tsy azo ihodivirana ny fahanterana ary tsy afaka misoroka ny aretina rehetra isika.
5. Inona no nataon’ny Kristianina sasany mba hiatrehana ny aretiny?
5 Maro tamin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika no nanana olana ara-pahasalamana. Anisan’izany i Epafrodito. (Fil. 2:25-27) Teo koa i Timoty, mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly. Narary vavony matetika izy, ka nampirisihin’i Paoly hisotro “divay kely.” (1 Tim. 5:23) Nanana ‘tsilo tao amin’ny nofo’ koa i Paoly. Narary maso angamba izy na nanana aretina hafa, izay mbola tsy nisy fanafodiny tamin’izany. (2 Kor. 12:7; Gal. 4:15; 6:11) Nitalaho mafy tamin’i Jehovah momba ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony’ izy. (Vakio ny 2 Korintianina 12:8-10.) Tsy nanala izany tamin’ny fomba mahagaga anefa Andriamanitra, fa nanome hery azy mba hahazakany izany. Nampiharihary ny herin’i Jehovah àry ny fahalemen’i Paoly. Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?
Aza variana loatra mikarakara fahasalamana
6, 7. Nahoana isika no tsy tokony ho variana loatra amin’ny fikarakarana fahasalamana?
6 Manatona dokotera ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa marary, ary manaiky fomba fitsaboana isan-karazany. Matetika no misy lahatsoratra momba ny fahasalamana ao amin’ny Mifohaza! Tsy mampirisika ny olona hanaraka fomba fitsaboana iray manokana isika ao amin’ireny lahatsoratra ireny. Ankasitrahantsika anefa ny fanampian’ny dokotera sy ny fiaraha-miasan’izy ireo. Mazava ho azy fa mbola tsy afaka ny ho salama tanteraka isika ankehitriny. Hendry àry isika raha tsy variana loatra mikarakara fahasalamana. Tsy tokony ho toy ireo ‘tsy manana fanantenana’ isika. Mieritreritra mantsy izy ireo fa tsy misy afa-tsy izao fiainana izao, ka ekeny daholo izay fitsaboana misy mba hanasitranana ny aretiny. (Efes. 2:2, 12) Isika kosa tapa-kevitra ny tsy hanao zavatra manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah na dia tandindomin-doza aza ny aintsika. Mino mantsy isika fa hahazo ny “tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao, raha tsy mivadika.—1 Tim. 6:12, 19; 2 Pet. 3:13.
7 Misy antony hafa koa tsy tokony hahavariana antsika loatra amin’ny fahasalamantsika. Mety hahatonga antsika tsy hieritreritra afa-tsy ny tenantsika izany. Nampitandrina momba izany i Paoly, rehefa nampirisika ny Filipianina mba “hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Fil. 2:4) Tsy ratsy ny mikarakara fahasalamana, raha atao araka ny antonony. Raha tena miahy izay hahasoa an’ireo rahalahy sy ny olona itoriantsika ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” anefa isika, dia tsy ho variana loatra amin’ny tenantsika.—Matio 24:14.
8. Inona no mety ho vokany, raha miahy be loatra ny fahasalamantsika isika?
8 Ho ratsy ny vokany raha miahy be loatra ny fahasalamantsika isika. Mety tsy ho loha laharana intsony ny fanompoana. Mety hahatonga antsika hanery ny hafa hanaraka ny hevitsika momba ny fitsaboana na karazan-tsakafo sasany koa izany. Diniho ny toro lalana mifandray amin’izany, ao amin’ny tenin’i Paoly. Hoy izy: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa. Amin’izay dia tsy hisy tsiny ianareo sady tsy hampihemotra ny sasany amin’ny finoana mandra-pahatongan’ny andron’i Kristy.’—Fil. 1:10.
Inona no zava-dehibe kokoa?
9. Inona no anisan’ny zava-dehibe tsy tokony hatao ambanin-javatra, ary nahoana?
9 Hazoto handray anjara amin’ny fanasitranana ara-panahy isika, raha mahafantatra tsara ny zava-dehibe kokoa. Ny fitoriana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra no fomba hanaovana izany. Mahasoa antsika sy ny olona ampianarintsika io asa mahafaly io. (Ohab. 17:22; 1 Tim. 4:15, 16) Indraindray Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! dia mitantara momba ny rahalahy na anabavy marary mafy. * Hazavaina ao amin’ny lahatsoratra sasany fa nanampy an’ireny Kristianina ireny hizaka ny aretiny sy hanadinodino an’izany, ny fiezahany manampy ny hafa hahalala an’i Jehovah sy ny fampanantenany.
10. Nahoana no tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny fitsaboana fidintsika?
10 Andraikitry ny Kristianina efa ampy taona ny mifidy ny fitsaboana tiany, rehefa marary izy. “Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay.” (Gal. 6:5) Tokony hotadidintsika anefa fa misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fitsaboana fidintsika. Mahatonga antsika ‘hifady ny ra’ ny fanajana ny toro lalan’ny Baiboly. Toy izany koa fa handa izay fitsaboana mety hahatonga antsika handika ny toro lalan’ny Baiboly isika, raha manaja lalina ny Tenin’Andriamanitra. (Asa. 15:20) Misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ny fomba fizahana aretina sy fitsaboana sasany. Halan’i Jehovah izany. Hoy mantsy izy tamin’ireo Israelita mpivadi-pinoana, izay nampiasa “herin’ny maizina”: “Aza mitondra fanatitra varimbazaha intsony, fa tsy misy dikany ireny. Ary zava-maharikoriko amiko ny emboka manitra. Mankalaza tsinam-bolana sy mitandrina sabata ianareo, ary mandamina fivoriambe. Tsy zakako anefa ny ataonareo, satria sady mampiasa herin’ny maizina ianareo no manao fivoriambe manetriketrika.” (Isaia 1:13) Rehefa marary indrindra isika no tsy tokony hanao zavatra mety hisakana ny vavaka ataontsika na hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.—Fitom. 3:44.
Tena ilaina ny ‘misaina tsara’
11, 12. Inona no tokony hatao rehefa mifidy fitsaboana, ary nahoana no ilaina ny ‘misaina tsara’?
11 Tsy manantena isika hoe hanao fahagagana hanasitranana antsika i Jehovah, rehefa marary isika. Afaka mangataka fahendrena aminy anefa isika, rehefa mifidy fitsaboana. Tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly koa isika ary hieritreritra tsara. Fahendrena angamba ny manatona dokotera maromaro, raha tena lehibe ilay aretina. Hoy mantsy ny Ohabolana 15:22: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” Nampirisika antsika Kristianina ny apostoly Paoly mba “hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.”—Tit. 2:12.
12 Mitovy amin’izay nanjo ny vehivavy iray tamin’ny andron’i Jesosy ny manjo ny olona maro. Hoy ny Marka 5:25, 26: “Nisy vehivavy nandeha ra efa nandritra ny roa ambin’ny folo taona. Nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro izy sady efa nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahasoa azy izany, fa vao mainka aza niharatsy ny fahasalamany.” Nangoraka azy i Jesosy, ary nanasitrana azy. (Marka 5:27-34) Lany haika koa ny Kristianina sasany, ka misy alaim-panahy hifidy fitsaboana na fomba fizahana aretina mandika ny toro lalan’ny fivavahana madio.
13, 14. a) Ahoana no itaoman’i Satana antsika hivadika amin’i Jehovah rehefa mifidy fitsaboana? b) Nahoana isika no tokony hanalavitra izay rehetra mamofompofona asan’ny maizina?
13 Hanao izay fomba rehetra hampialana antsika amin’ny fivavahana marina i Satana. Taominy haloto fitondran-tena sy ho matimatin-karena ny sasany. Ny hafa indray taominy hifidy fitsaboana mampiahiahy, izay misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Mivavaka amin’i Jehovah isika mba hafahany “amin’ilay ratsy” sy amin’ny “karazana fandikan-dalàna rehetra.” Tsy isika indray àry no hanome hirika ho an’i Satana, ka hanao zavatra misy Matio 6:13; Tit. 2:14.
ifandraisany amin’ny asan’ny maizina.—14 Nandrara ny Israelita tsy hanao sikidy na hampiasa herin’ny maizina i Jehovah. (Deot. 18:10-12) Anisan’ireo “asan’ny nofo” notanisain’i Paoly ny “filalaovana ody.” (Gal. 5:19, 20) Tsy ho tafiditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah koa “ny mpilalao ody.” (Apok. 21:8) Mazava àry fa halan’i Jehovah ny zavatra rehetra mamofompofona asan’ny maizina.
‘Aoka ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianao’
15, 16. Nahoana isika no mila fahendrena rehefa mifidy fomba fitsaboana? Inona no torohevitra feno fahendrena nomen’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany?
15 Araka izany, dia fahendrena ny mandà fitsaboana na fomba fizahana aretina mampiahiahy. Tsy voatery hisy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina anefa ny fitsaboana iray raha tsy azonao ny fomba fiasany. Mila fahendrena avy amin’Andriamanitra sy fahaiza-mandinika isika, raha tiantsika hifanaraka amin’ny Soratra Masina foana ny fitsaboana arahintsika. Mampirisika toy izao ny Ohabolana toko faha-3: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao. ... Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina, dia hidika ho fiainana ho anao izany.”—Ohab. 3:5, 6, 21, 22.
16 Manao izay azontsika atao àry isika mba ho salama foana, nefa koa mitandrina mba tsy hanao zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra rehefa mitsabo tena na miatrika ny fahanterana. “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja” isika amin’ny zava-drehetra, anisan’izany ny fitsaboana. (Fil. 4:5) Mahay mandanjalanja isika raha manaraka hatrany ny toro lalan’ny Baiboly. Nanoratra ho an’ny Kristianina ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany, ka nandidy azy ireo mba hifady ny fanompoan-tsampy sy ny ra ary ny fijangajangana. Izao no fanomezan-toky tao amin’io taratasy io: “Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.” (Asa. 15:28, 29) Nahoana?
Mbola ho avy ny fahasalamana tonga lafatra
17. Inona no soa raisintsika eo amin’ny lafiny ara-batana, noho isika manaraka ny toro lalan’ny Baiboly?
17 Tsara ny manontany tena hoe: ‘Tsapako ve fa tena mandray soa aho, noho izaho manaraka akaiky ny toro lalan’ny Baiboly momba ny ra sy ny fijangajangana?’ Eritrereto koa ny soa raisintsika noho isika miezaka ‘manadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.’ (2 Kor. 7:1) Misoroka aretina maro isika rehefa manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fahadiovana. Mandray soa isika satria tsy mifoka sigara na mihinam-paraky na mampiasa zava-mahadomelina hafa. Manimba ny vatantsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mantsy ireo. Mahasalama antsika koa ny fahalalana onony eo amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro. (Vakio ny Ohabolana 23:20; Titosy 2:2, 3.) Marina fa mety hahasalama antsika ny fialan-tsasatra sy ny fampiasan-tena. Ny fanarahana ny tari-dalan’ny Soratra Masina anefa no mahasoa indrindra eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy.
18. Inona no tokony hokarakaraintsika voalohany indrindra? Inona no faminaniana momba ny fahasalamana azontsika antenaina fa ho tanteraka?
1 Tim. 4:8; Sal. 36:9) Hositranina tanteraka eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy isika ao amin’ny tontolo vaovao, satria ho voavela ny fahotantsika noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Hitarika antsika ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” i Jesosy Kristy, Zanak’ondrin’Andriamanitra, ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika. (Apok. 7:14-17; 22:1, 2) Hahita ny fahatanterahan’ity faminaniana mahafaly ity isika, amin’izay: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.
18 Ny fahasalamantsika ara-panahy no tokony hokarakaraintsika voalohany indrindra. Midika izany fa tokony hanatsara ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra isika. Izy mantsy no Loharanon’ny ‘fiainantsika ankehitriny sy ilay ho avy’, dia ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy. (19. Inona no atokisantsika fa hataon’ilay Raintsika be fitiavana, rehefa marary isika?
19 Resy lahatra isika fa efa akaiky ny fanafahana antsika. Tsy andrintsika ny fotoana hanafoanan’i Jehovah ny aretina sy ny fahafatesana. Eo am-piandrasana izany, dia matoky isika fa hanampy antsika hiaritra ny fahoriana sy ny fanaintainana vokatry ny aretina ilay Raintsika be fitiavana. ‘Miahy antsika’ mantsy izy. (1 Pet. 5:7) Aoka àry isika hikarakara ny fahasalamantsika, sady hanaraka hatrany ny toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Misy lisitry ny lahatsoratra toy izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2003, efajoro pejy 17.
Famerenana
• Iza no nahatonga ny olona harary, ary iza no hanafaka antsika amin’ny vokatry ny ota?
• Ara-dalàna raha mikarakara fahasalamana isika, nefa inona no tokony hotandremantsika?
• Nahoana no misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fitsaboana fidintsika?
• Inona avy no soa raisintsika, noho isika manaraka ny toro lalan’ny Baiboly?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 23]
Tsy noforonina harary sy hihantitra ny olona
[Sary, pejy 25]
Faly manompo an’i Jehovah ny vahoakany, na dia tsy salama aza