“Jehovah no Heriko”
“Jehovah no Heriko”
Notantarain’i Joan Coville
Teraka tany Huddersfield, any Angletera, aho, tamin’ny Jolay 1925. Vavitokana aho ary narary lava. Matetika i Dada no niteny hoe: “Tso-drivotra fotsiny dia efa mankarary anao.” Toa marina tokoa izany!
TAMIN’IZAHO mbola kely, dia nivavaka mafy ny mpitondra fivavahana mba hisian’ny fiadanana. Nivavaka mba handresy anefa izy ireo, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II. Nahagaga ahy izany ary nahalasa ny saiko. Tamin’izay indrindra no tonga tao aminay i Annie Ratcliffe, izay hany Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny nisy anay.
Nianatra ny fahamarinana
Nomen’i Annie boky Famonjena * izahay, ary nasainy hanatrika dinidinika ara-baiboly tany an-tranony i Neny. Nentin’i Neny niaraka taminy aho. Mbola tadidiko fa momba ny vidim-panavotana ny dinidinika voalohany natrehinay. Tsy nankaleo mihitsy ilay izy. Maro ny fanontaniako voavaly. Nanatrika indray izahay ny herinandro nanaraka, ary ny faminanian’i Jesosy momba ny famantarana ny andro farany no noresahina. Takatray sy Neny avy hatrany fa marina ny zavatra nianaranay, rehefa nandinika ny toe-piainana ratsy naneran-tany izahay. Nasaina ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izahay, tamin’io andro io.
Nihaona tamin’ny mpisava lalana tanora vitsivitsy aho tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Anisan’izy ireny i Joyce Barber (Ellis ankehitriny), izay mbola manompo ao amin’ny Betelan’i Londres miaraka amin’i Peter vadiny. Toy ny hoe mpisava lalana daholo ny fahitako ny olona rehetra. Nitory nandritra ny 60 ora isam-bolana avy hatrany àry aho, na dia mbola mpianatra aza.
Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra tao Bradford izahay sy Neny, dimy volana tatỳ aoriana, izany hoe ny 11 Febroary 1940. Tsy nisakana anay tamin’ny fivavahanay vaovao i Dada, nefa tsy lasa Vavolombelona mihitsy. Tamin’izany fotoana izany no nanomboka ny fitoriana teny an-joron-dalana. Nitondra kitapo nisy gazety sy takelaka nisy soratra aho. Nasaina nijoro teo amin’ny faritra be olona indrindra teny an-tsena aho, indray asabotsy. Mbola natahotra olona aho tamin’izany, ka nanahy sao handalo eo amiko daholo ny mpiara-mianatra amiko. Toa izany tokoa anefa no nitranga!
Nizara ny fiangonanay tamin’ny 1940, ka lasa tany amin’ilay fiangonana iray ny ankamaroan’ireo nitovy taona tamiko. Nitaraina
tany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho, ka hoy izy: “Mitoria amin’ny tanora, raha mila namana tanora ianao.” Narahiko tokoa ny teniny! Tsy ela aho dia nihaona tamin’i Elsie Noble. Nanaiky ny fahamarinana izy, ary lasa mpinamana tsy nifankafoy izahay.Ny asan’ny mpisava lalana sy ny fitahiana entiny
Mpanao kaonty no asako, rehefa vita ny fianarako. Nitombo anefa ny faniriako ho mpisava lalana, rehefa hitako ny fifalian’ny mpanompon’i Jehovah manontolo andro. Faly àry aho nanomboka ny asan’ny mpisava lalana manokana, tamin’ny Mey 1945. Avy be ny orana ny andro voalohany nanompoako. Tena faly anefa aho teny am-pitoriana, ka tsy nampaninona ahy izany. Nahasalama ahy aza ny nivoaka ny trano isan’andro, sy ny nandeha bisikileta tsy tapaka teny amin’ny fanompoana. Nanohy ny asan’ny mpisava lalana foana aho, na dia latsaka ny 42 kilao aza. Tsapako nandritra ny taona maro, fa “i Jehovah [tokoa] no heriko.”—Sal. 28:7.
Nirahina hanokatra fiangonana vaovao tany amin’ny tanàn-dehibe mbola tsy nisy Vavolombelona aho. Nanompo telo taona tany Angletera aloha aho, ary telo taona tany Irlandy. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny lehilahy iray mpitandrina lefitra tao amin’ny Protestanta aho, tany Lisburn, any Irlandy. Nampianariny an’ireo mpiangona ny fahamarinana vao nianarany tao amin’ny Baiboly. Nitaraina momba izany tany amin’ny lehiben’ny fiangonana ny mpiangona sasany, ka nasaina nanazava ny antony izy. Nilaza izy fa adidiny amin’ny maha Kristianina azy, ny milaza amin’ny andian’ondry fa diso ny zavatra nampianariny azy ireo teo aloha. Nanohitra mafy azy ny fianakaviany, nefa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, ary nanompo azy mandra-pahafatiny.
Notendrena tany Larne, any Irlandy, aho avy eo. Nanompo irery nandritra ny iray volana sy tapany aho tany, satria nandeha nanatrika ny fivoriambe “Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra”, tany New York, ny namako, tamin’ny 1950. Mafy tamiko izany. Mba naniry hanatrika koa mantsy aho. Nisy zavatra maro nampahery ahy anefa teny amin’ny fanompoana, tamin’izay. Nihaona tamin’ny lehilahy iray zokiolona aho. Nahazo iray tamin’ny bokintsika izy, 20 taona mahery talohan’ny nihaonanay. Novakiny imbetsaka ilay izy, ka efa nila ho hainy tsy an-jery. Nanaiky ny fahamarinana izy sy ny zanany mianadahy.
Niofana tao amin’ny Sekolin’i Gileada
Nasaina nanatrika ny kilasy faha-17 amin’ny Sekolin’i Gileada tao South Lansing, New York, izaho sy ny mpisava lalana folo avy tany Angletera, tamin’ny 1951. Tena tiako ny fampianarana ara-baiboly azonay! Mbola tsy nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny vehivavy tamin’izany, nefa nasaina nanao famelabelarana sy nilaza ny vokatry ny fikarohana nataonay izahay, tamin’ilay sekoly. Natahotahotra izahay! Nangovitra ny tanako tamin’izaho nanao famelabelarana voalohany. Nanao vazivazy tamiko
ny Anadahy Maxwell Friend, mpampianatra, hoe: “Matahotahotra ny mpandahateny mahay eo am-panombohana, fa ianao natahotahotra hatramin’ny farany mihitsy.” Nanjary nahay nampita hevitra teo anoloan’ny mpiara-mianatra izahay, rehefa nandeha ny fotoana. Vetivety dia vita ilay fampiofanana, ary notendrena ho any an-tany hafa izahay. Voatendry ho any Tailandy aho!“Tanin’ny Tsiky”
Notendrena ho misionera namako tany Tailandy i Astrid Anderson. Hitako fa fitahian’i Jehovah izany. Nandeha sambo nandritra ny roa volana teo ho eo izahay vao tonga tany. Nahita tsena maresaka be izahay, rehefa tonga tao Bangkok, renivohitra. Nisy lakandrano maro be tao, ary teny no nivezivezen’ny olona. Tsy ampy 150 akory ny mpitory ilay Fanjakana tao Tailandy, tamin’ny 1952.
Vao nahita Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny tailandey izahay, dia nieritreritra hoe: ‘Ahoana no hahaizantsika an’ity fiteny ity?’ Tena sarotra ny nanonona tsara an’ireo teny. Midika hoe “vary”, ohatra, ny hoe khaù raha akarina aloha ny feo vao ampidinina, rehefa manonona azy. Midika hoe “vaovao” kosa izy io, raha tsy akarina mihitsy ny feo. Rehefa nitory àry izahay tamin’ny voalohany, dia nafana fo erỳ niteny hoe: “Mitondra vary tsara ho anareo izahay.” “Vaovao tsara” anefa no tianay holazaina! Hainay ihany ilay fiteny tamin’ny farany. Fa dia nihomehy foana aloha izahay e!
Sariaka be ny Tailandey, ka tena mety ny iantsoana an’i Tailandy hoe Tanin’ny Tsiky. Nanompo roa taona tao Khorat (Nakhon Ratchasima ankehitriny) aloha izahay. Nafindra tao amin’ny tanànan’i Chiang Mai izahay avy eo. Bodista ny ankamaroan’ny Tailandey, ary tsy mahalala tsara ny Baiboly. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny mpiasan’ny paositra iray aho, tao Khorat. Niresaka momba an’i Abrahama, ilay tantarain’ny Baiboly, izahay. Efa nandre ilay anarana ilay lehilahy ka nihatokatoka. Tsy ela anefa dia takatro fa tsy nitovy ny Abrahama noresahinay. I Abraham Lincoln, filohan’i Etazonia taloha, mantsy no tao an-tsainy.
Faly izahay nampianatra Baiboly an’ireo Tailandey tso-po. Izy ireo kosa nampianatra anay hifaly amin’ny fiainana tsotra. Tena nahasoa anay izany, satria tsy nisy jiro sy rano ilay tranon’ny misionera nipetrahanay voalohany tao Khorat. ‘Nianatra ny hanam-be sy hihafy’ izahay tamin’ireny toe-javatra ireny. Toy ny apostoly Paoly, dia ‘nanana hery izahay, tamin’ny alalan’ilay manome hery’ anay.—Fil. 4:12, 13.
Namana vaovao sy fanendrena vaovao
Nitsidika an’i Londres aho tamin’ny 1945. Nankany amin’ny Tranombakoka Britanika niaraka tamin’ny mpisava lalana sy Betelita vitsivitsy aho. Anisan’izy ireo i Allan Coville, izay nanatrika ny kilasy faha-11 amin’ny Sekolin’i Gileada, taoriana kelin’izay. Voatendry hanompo tany Frantsa izy, ary avy eo tany Belzika. * Nangataka ahy ho vady izy, tatỳ aoriana, tamin’izaho misionera tany Tailandy, ary nanaiky aho.
Nivady tany Bruxelles, any Belzika, izahay ny 9 Jolay 1955. Efa nofinofiko foana ny hoe hanao ny volan-tanteliko tao Paris. Nataon’i Allan àry izay hanatrehanay fivoriambe iray tao Paris, ny herinandro nanaraka. Raha vao tonga tao anefa izahay, dia notendrena handika teny tamin’ilay fivoriambe i Allan. Tsy maintsy niainga vao maraina be izy isan’andro, ary alina be izahay vao tafody. Nanao ny volan-tanteliko tao Paris tokoa àry aho, saingy nitazan-davitra an’i Allan teny amin’ny lampihazo fotsiny no nataoko! Faly anefa aho nahita ny vadiko nanompo an’ireo anadahy sy rahavavy. Natoky tanteraka aho fa tena ho sambatra ny tokantranonay, raha ny fanompoana an’i Jehovah foana no ataonay loha laharana.
Lasa nanompo teto Belzika aho, rehefa nanambady. Toerana nitrangan’ny ady maro no nahalalako an’i Belzika. Tsy ela anefa dia
hitako fa tena tia fihavanana ny ankamaroan’ny mponina eto. Tsy maintsy nianatra teny frantsay koa aho, satria izany no fiteny tany amin’ny faritra atsimon’i Belzika.Niisa 4 500 teo ho eo ny mpitory teto Belzika, tamin’ny 1955. Nanompo tao amin’ny Betela sy nitety faritany izahay sy Allan, nandritra ny 50 taona teo ho eo. Tao anatin’ny roa taona sy tapany voalohany, dia nandeha bisikileta niaka-nidina an’ireo havoana izahay, na tsara na ratsy ny andro. Nivahiny tany an-tokantranon’ny Vavolombelona 2 000 mahery izahay, nandritra ireo taona nitetezanay faritany. Matetika aho no nihaona tamin’ny anadahy sy rahavavy tsy dia natanjaka ara-batana, nefa nanompo an’i Jehovah tamin’ny heriny rehetra. Nandrisika ahy tsy ho kivy mihitsy ny ohatr’izy ireny. Nahazo fampaherezana foana izahay, isaky ny nifarana ny herinandro nitsidihanay fiangonana. (Rom. 1:11, 12) Tena namana i Allan. Marina tokoa ny voalazan’ny Mpitoriteny 4:9, 10 hoe: ‘Tsara ny roa noho ny iray. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany’!
Mitondra fitahiana ny fanompoana amin’ny ‘herin’i Jehovah’
Nanampy olona hanompo an’i Jehovah izahay sy Allan nandritra ny taona maro, ary betsaka ny zavatra nahafaly niainanay. Nitsidika ny fiangonana miteny frantsay tao Anvers, ohatra, izahay tamin’ny 1983, ary nihaona tamin’i Benjamin Bandiwila, rahalahy tanora avy any Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny). Nivahiny tao amin’ilay fianakaviana nampiantrano anay mantsy izy. Nifindra teto Belzika i Benjamin, mba hanohy ny fianarany tany amin’ny oniversite. Hoy izy taminay: “Tena tiako raha mba izaho no manokana ny fiainako hanompoana an’i Jehovah toa anareo.” Namaly azy i Allan hoe: “Milaza ianao fa te hitovy aminay, nefa asa eo amin’izao tontolo izao no katsahinao. Tsy mifanohitra ve izany?” Nampieritreritra an’i Benjamin izany teny tsy miolakolaka izany. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy rehefa niverina tany Zaïre, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana any izy izao.
Nodidiana aho tamin’ny 1999, satria nisy aretina nila nesorina tao amin’ny lalan-kaniko. Tsy nihoatra ny 30 kilao intsony ny lanjako, taorian’izay. Toy ny “vilany tany” mora vaky tokoa aho. Misaotra an’i Jehovah anefa aho fa nomeny “hery fanampiny”, ka mbola afaka niara-nitety faritany tamin’i Allan, taorian’ny nandidiana ahy. (2 Kor. 4:7) Natory i Allan ary tsy nifoha intsony, tamin’ny Martsa 2004. Malahelo mafy azy aho, nefa mampionona ahy ny mahafantatra fa ao amin’ny fitadidian’i Jehovah izy.
Efa 83 taona aho izao, ary 63 taona mahery no nanompoako manontolo andro. Mbola mazoto manompo aho. Mampianatra Baiboly ato an-trano aho, ary manararaotra miresaka momba ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah, isaky ny afaka manao izany. Manontany tena aho indraindray hoe: ‘Mba nanao ahoana re ny fiainako, raha tsy nirotsaka ho mpisava lalana aho tamin’ny 1945 e?’ Tsy tena salama aho tamin’izany, ka toa nanana antony tsy hanaovana an’io asa io. Faly be anefa aho fa nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, tamin’izaho mbola tanora! Tsapako tamin’ny zavatra niainako, fa i Jehovah no herintsika rehefa ataontsika loha laharana ny fanompoana azy. Voninahitra izany!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Navoaka tamin’ny 1939, ary tsy atao pirinty intsony.
^ feh. 22 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1961 (anglisy) ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Coville.
[Sary, pejy 18]
Izahay sy Astrid Anderson (eo ankavanana)
[Sary, pejy 18]
Nitety faritany niaraka tamin’ny vadiko, 1956
[Sary, pejy 20]
Izahay sy Allan, 2000