Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azo Atao mba Hahalalana An’Andriamanitra?

Inona no Azo Atao mba Hahalalana An’Andriamanitra?

Inona no Azo Atao mba Hahalalana An’Andriamanitra?

Tsy inoan’ny olona sasany hoe maniry hampahalala ny tenany amin’ny olombelona andriamanitra. raha maniry hanao izany izy, inona no fomba ampiasainy?

MARINA ny fanatsoahan-kevitr’i Jean Calvin, Protestanta Mpitondra Fanavaozana tamin’ny taonjato faha-16. Nolazainy mantsy fa tsy hahalala an’Andriamanitra ny olombelona, raha tsy Andriamanitra mihitsy no mampahalala ny tenany amin’izy ireo. Tsy inoan’ny olona sasany anefa hoe maniry hampahalala ny tenany amin’ny olona Andriamanitra. Ary raha maniry hanao izany izy, inona no fomba ampiasainy?

Tsy maintsy manana antony nanaovana ny zava-drehetra i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe. Afaka manatanteraka ny fikasany koa izy, satria “Andriamanitra Tsitoha”, na Mahery Indrindra. (Mpitoriteny 12:1; Eksodosy 6:3) Afaka matoky isika fa vonona hampahalala ny fikasany amin’ny olombelona izy, araka ny teny nampilazainy an’i Amosa mpaminany hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny [na mampahalala ny tsiambaratelony] amin’ny mpaminany mpanompony.” Mariho anefa, araka ny voaresaka eo, fa ny mpanompony na ireo tia azy amin’ny fo manontolo ihany no nilazan’Andriamanitra ny fikasany. Ara-dalàna izany. Iza tokoa moa no ilazanao ny tsiambaratelonao? Ny olon-drehetra ve, sa ny namanao akaiky ihany?—Amosa 3:7; Isaia 40:13, 25, 26.

Manjary maneho tahotra sy fanajana an’Andriamanitra ny olona manetry tena, rehefa mahalala ny fahendreny sy ny momba azy. Tsy ampy anefa ny tahotra sy fanajana, raha irintsika ny handray soa amin’ny fahendrena sy fahalalana avy amin’Andriamanitra. Asongadin’ny Baiboly fa mila manana fo manetry tena isika, raha te hahalala ny fisainan’Andriamanitra. Izao no lazainy ao amin’ny bokin’ny Ohabolana: ‘Raketo ao am-ponao ny didiko. Atongilano amin’ny fahendrena ny sofinao. Ampitandremo fahalalana ny fonao. [Aoka] ianao hiantso ny fahalalana sy hanandratra ny feonao hahazo saina, ary hitady azy toy ny fitady volafotsy.’—Ohabolana 2:1-4.

Hahalala an’Andriamanitra tokoa ny olona manetry tena raha miezaka manao izany. Izao no tohin’ilay andininy: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” Eny, ‘hahafantatra ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny’, na “ny làlana tsara rehetra” tokoa, ireo mikatsaka izany amin’ny fo manontolo.—Ohabolana 2:6-9.

Ahoana no ahitana ny fahamarinana?

Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): ‘Mila mahay manavaka an’ireto zavatra ireto ny olona eo amin’ny fiainany: Ny misy sy ny tsy misy, ny manan-kery sy ny tsy manan-kery, ny tena izy sy ny tsy tena izy, ny madio sy ny tsy madio, ny mazava sy ny misafotofoto, ary ny araka ny antonony sy ny tafahoatra.’ Efa ela ny olona no nitady ny marina mba hahafantarana an’ireo. Afaka nahalala an’izany tsikelikely ny olona, rehefa nitady tari-dalana tamin’i Jehovah, ilay antsoin’ny mpanao salamo hoe “Andriamanitry ny fahamarinana.”—Salamo 31:5.

Ilay anarana hoe Jehovah dia midika ara-bakiteny hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” (Genesisy 2:4) Ny dikan’ny anaran’Andriamanitra mihitsy àry dia efa manamafy fa Mpamorona izy, ary manana fikasana. Famantarana mampiavaka ny fivavahana marina ny fahafantarany sy ny fampiasany ilay anarana hoe Jehovah. Nahatakatra an’izany i Jesosy. Niresaka momba ny mpanara-dia azy izy indray mandeha, rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”—Jaona 17:26.

Niantehitra tamin’Andriamanitra i Josefa, Hebreo niaina tamin’ny andro fahiny, rehefa nasaina nilaza hevitry ny nofy. Tamin-toky no nilazany hoe: “Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy?”—Genesisy 40:8; 41:15, 16.

Nanonofy koa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, arivo taona mahery tatỳ aoriana. Tsy nisy nahay nanazava ny hevitr’ilay nofy ny olon-kendriny. Hoy i Daniela mpaminany tamin’ny mpanjaka: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.”—Daniela 2:28.

Hita avy amin’ny ohatr’i Josefa sy Daniela, fa ireo olona manompo an’i Jehovah Andriamanitra ihany no mahazo ny fahendrena sy fahalalana avy amin’Andriamanitra. Mazava ho azy, fa mila miala amin’izay hevitra nekentsika taloha isika, raha te hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tsy maintsy nanao izany ireo Jiosy lasa Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nobeazina hanaja sy hankatò ny lalàna navoakan’ny mpitondra teo amin’ny tontolo jiosy izy ireo. Nila fotoana àry izy ireo mba hanekena an’i Jesosy ho Mesia, ilay tonga mba hanatanteraka ny Lalàn’i Mosesy, izay “aloky ny zavatra tsara ho avy.” (Hebreo 10:1; Matio 5:17; Lioka 24:44, 45) Nasolo an’io lalàna io ny “lalàn’i Kristy”, izay tsara lavitra noho ny Lalàn’i Mosesy.—Galatianina 6:2; Romanina 13:10; Jakoba 2:8.

Samy teraka teo anivon’ny tontolo iray lavitra an’Andriamanitra isika rehetra. Nandova ota avy tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany isika, ka vao teraka dia efa fahavalon’Andriamanitra, tsy manana fahalalana marina momba ny fikasany, ary nanjary nanana fo mamitaka. (Jeremia 17:9; Efesianina 2:12; 4:18; Kolosianina 1:21) Tsy maintsy mianatra manahaka ny fomba fisainan’Andriamanitra isika, raha te ho tsara fihavanana aminy. Tsy mora anefa ny manao izany.

Mety ho sarotra ny hiala amin’ny foto-pinoana na fombafomba ara-pivavahana, indrindra raha nampianarina antsika hatramin’ny fahakely izy ireny. Fahendrena anefa ve ny manohy manaraka lalan-diso? Tsia! Tsara kokoa ny manova ny fomba fisainana, mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra.

Iza no ampiasain’Andriamanitra mba hampitana ny fampianarany?

Aiza no ahazoana fanampiana, mba hahafantarana ny Tenin’ny fahamarinana sy hiainana mifanaraka amin’izany? Nampiasa olona mendri-pitokisana sy tsy mivadika i Jehovah teo amin’ny zanak’Israely fahiny, mba hitari-dalana an’ilay vahoaka. Mitari-dalana an’ireo olona tso-po mitady ny fahamarinana koa izao i Kristy, ilay Lohan’ny fiangonana kristianina. Ataony amin’ny alalan’ireo mpanompony mendri-pitokisana sy tsy mivadika izany. Izy ireo no ampiasainy mba hanome tari-dalana sy hiaro an’ireo olona tso-po mitady ny fahamarinana. (Matio 24:45-47; Kolosianina 1:18) Ahoana anefa no amantarana ny olona ampiasain’Andriamanitra hampita ny fampianarany?

Miezaka manahaka ny toetran’i Jesosy Kristy, tamin’izy teto an-tany, ny tena mpanara-dia azy. Tsy sarotra ny mamantatra ny olona maneho toetra kristianina toy izany eto amin’ity tontolo miharatsy ity. (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 6.) Maneho an’ireo toetra ireo ve ny olona eo anivon’ny fivavahana misy anao, na ireo eo anivon’ny fivavahan’ny mpiray tanàna aminao? Tsara ny handinihanao momba izany amin’ny alalan’ny Baiboly.

Manasa anao izahay mba hanaraka fandaharam-pampianarana Baiboly, izay hanampy anao hanao izany. Olona 6 000 000 mahery avy amin’ny tany 235, no nanao izany tamin’ny herintaona, ka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho afa-po sady handray soa foana ianao, rehefa mahazo fahendrena sy fahalalana avy amin’Andriamanitra. Inona no misakana anao tsy hianatra Baiboly? Tsy hanenenanao mihitsy ny fanaovana izany. Tena afaka ny hahalala an’Andriamanitra ianao!

[Efajoro, pejy 6]

IREO MANAO ZAVATRA ARAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA DIA...

tsy miditra amin’ny adilahy politika. —Isaia 2:4.

maneho ny vokatry ny fanahy. —Matio 7:13-23.

tena mifankatia. —Jaona 13:35; 1 Jaona 4:20.

tsy mifanipaka ny zavatra lazainy, na aiza na aiza misy azy ireo.—Mika 2:12.

tsy manahaka ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ratsin’ny tontolo manodidina azy.—Jaona 17:16.

mitory ny fahamarinana sy manao mpianatra.—Matio 24:14; 28:19, 20.

mivory tsy tapaka mba hifampaherezana. —Hebreo 10:25.

midera an’Andriamanitra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.—Apokalypsy 7:9, 10.

[Sary, pejy 7]

Afaka ny hahazo fahalalana an’Andriamanitra ny olona, rehefa mianatra Baiboly manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ary eo anivon’ny fiangonana