“Fananarana Mampahahendry” ny Fahatahorana An’Andriamanitra
“Fananarana Mampahahendry” ny Fahatahorana An’Andriamanitra
NANDAMINA fety be ny tena fahendrena, ary naniraka ny ankizivavy mpanompony, mba hiantsoantso teny amin’ny toerana avo tao an-tanàna nanao hoe: “Izay kely saina, dia aoka izy hankaty; ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Avia, hano ny mofoko, ary sotroy ny divay voaharoharoko. Ilaozy ny kely saina, dia ho velona hianao, ary mizora amin’ny làlan’ny fahalalana.”—Ohabolana 9:1-6.
Tsy manimba na mampahory velively ny manao fety eo amin’ny latabatry ny fahendrena. Vokatra tsara foana no azo, rehefa mihaino ny fahendrena avy amin’i Jehovah isika, sady manaiky ny fananaran’izy io. Ahitana an’izany ao amin’ireo ohabolana nampanoratiny, toy ireo tenim-pahendrena ao amin’ny Ohabolana 15:16-33. * Ny fanarahana an’ireo teny fohy nefa misy heviny ireo dia afaka manampy antsika ho afa-po amin’izay kely ananana sy handroso hatrany ary hahita fifaliana amin’ny fiainana. Handray fanapahan-kevitra tsara isika raha manao izany, ary handeha hatrany eo amin’ny lalan’ny fiainana.
Tsara kokoa ny kely
Hoy i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny: “Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’i Jehovah toy izay harena be misy ahiahy.” (Ohabolana 15:16) Adala ny olona iray raha ny fitadiavam-bola no imasoany eo amin’ny fiainana, ka tsy miraharaha ny Mpamorona izy. Mandreraka sy mahabe fanahiana ny fomba fiaina toy izany. Hampalahelo tokoa raha efa antitra ny olona iray vao hahatsapa, fa tsy nisy heviny sy zava-kendrena ny fiainany manontolo! Tena tsy fahendrena ny manangona harena be misy “ahiahy.” Aleo lavitra mianatra mianina amin’izay ananana, ary miaina mifanaraka amin’izany! Tsy ny fahazoana fananana no manome ny tena fahafaham-po, fa ny fahatahorana an’i Jehovah, izany hoe ny fifandraisana aminy.—1 Timoty 6:6-8.
Nasongadin’i Solomona fa sarobidy kokoa noho ny fananan-javatra be dia be, ny fifandraisana tsara amin’ny hafa. Hoy izy: “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo.” (Ohabolana 15:17) Tsara noho ny hanim-py be dia be tokoa ny tokantrano anjakan’ny fitiavana. Mety ho tena kely ny vola eo am-pelatanana, ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny. Sakafo tsotra koa no hany voavidin’ny olona any amin’ny tany sasany. Ny fitiavana sy firaiketam-po anefa no tena mahasambatra ny fianakaviana.
Mety hisy olana, na dia ao amin’ny fianakaviana mifankatia aza. Mety hisy amin’ny mpianakavy hilaza na hanao zavatra mampahasosotra ny hafa. Ahoana no tokony ho fihetsik’ilay sosotra? Hoy ny Ohabolana 15:18: “Izay malaky tezitra manetsika ady; fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.” Mampisy filaminana ny famaliana amim-pahatoniana, fa tsy amim-pahatezerana. Mihatra eo amin’ny lafim-piainana hafa koa io torohevitra io. Anisan’izany ny asa ataon’ny fiangonana sy ny fanompoana eny amin’ny saha.
“Voalamina tsara” ve ny lalanao?
Ny ohabolana manaraka dia manasongadina fa tsy mitovy ny olona manohitra ny fahendrena sy ny olona manana azy io. Hoy ilay mpanjaka hendry: “Ny làlan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo fa ny làlamben’ny marina dia voalamina tsara.”—Ohabolana 15:19.
Ny hoe fefy tsilo dia tsy inona fa sakana misy tsilo. Maminavina izao karazana sakana rehetra izao ny olona kamo, ary ireny no ataony fialana mba tsy hanombohana asa iray. Tsy manahy momba ny zavatra mety hisakana azy kosa ny marina, fa mazoto amin’ny asany ary mifantoka amin’ilay asa tokony hatao. Tsy mahazo azy àry ny olana maro sy saro-bahana, izay nety ho natrehiny raha nanao an-tsirambina izy. “Voalamina tsara” kosa ny diany, izany hoe mandroso tsikelikely izy. Mandroso hatrany ny asany, ka mahafaly azy.
Diniho, ohatra, ny amin’ny fahazoana fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahamatorana. Mitaky ezaka avy amintsika izany. Tokony hazoto hianatra samirery ny Baiboly isika. Mora anefa ny mahita fialan-tsiny tsy hanaovana izany, raha tsy dia mahatadidy zavatra isika, na tsy nahita fianarana firy, na tsy mahay mamaky teny tsara. Tsara lavitra ny tsy mihevitra an’izany ho vato misakana! Marina fa mety ho voafetra ny fahaizantsika. Afaka miezaka manatsara ny fahaizantsika mamaky teny sy ny fahazoana ny hevitr’izay vakintsika anefa isika, ka angamba hijery diksionera, na hanontany olona. Hahazo fahalalana sy handroso ara-panahy isika raha tsy mora kivy.
Ny zanaka hendry “mahafaly ny rainy”
Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.” (Ohabolana 15:20) Tsy faly tokoa ve ny ray aman-dreny rehefa manao zavatra amim-pahendrena ny zanany? Marina fa tsy maintsy mananatra sy mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny, raha te hahazo vokatra tsara toy izany. (Ohabolana 22:6) Mahafaly ny ray aman-dreniny tokoa anefa ny zanaka hendry! Mitondra alahelo tsy misy farany ho azy ireo kosa ny zanaka adala.
Hoy avy eo ilay mpanjaka hendry: “Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy ampy saina; fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy.” (Ohabolana 15:21) Mifaly amin’ny fihomehezana sy fanarian-dia feno hadalana ny olona tsy ampy saina, ka tsy tena afa-po na sambatra. Takatry ny olona mahay manavaka kosa fa adala izay ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:1, 4) Ny fanarahana ny toro lalan’Andriamanitra dia manampy azy ho olo-marina hatrany sy hahatonga ny lalany hahitsy foana.
“Tanteraka” ny fikasana
Mitondra soa ny fampiharana ny toro lalan’Andriamanitra, na dia amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainantsika aza. Hoy ny Ohabolana 15:22: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.”
Ny teny hebreo nadika hoe “mpisaina” dia adika koa hoe ‘izay mifankazatra’, ao amin’ny Joba 19:19. Mpinamana mifampiresaka amim-pahatsorana no tondroina amin’izany. Tsy resaka ambangovangony fotsiny ilay izy, fa fifampilazana ny tena fihetseham-po sy izay ao an’eritreritra. Hiadana sy hiray saina ny mpivady, mbamin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, rehefa mifampiresaka tsara toy izany eo amin’izy ireo. Miteraka olana sy fahadisoam-panantenana eo anivon’ny fianakaviana kosa ny tsy fisian’izany.
Fahendrena ny manaraka ity torohevitra ity, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe: “Raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” Tsy fahendrena tokoa ve, ohatra, ny mangataka hevitra amin’ny dokotera roa na telo, rehefa hifidy fitsaboana isika, indrindra fa raha aretina lehibe ilay izy?
Tena zava-dehibe mihitsy ny fananana mpanolo-tsaina maro rehefa manao fanompoana masina. “Tanteraka” tokoa ny fikasana, rehefa mifampaka hevitra ny anti-panahy ary mampiasa ny fahendrena ananan’ny tsirairay. Tsy tokony hisalasala ny mpiandraikitra vaovao haka torohevitra any amin’ireo anti-panahy zokiny sy manana traikefa kokoa, indrindra raha sarotra ilay raharaha karakaraina.
“Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany”
Inona no soa azo rehefa milaza teny nosainina tsara isika? Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, ary endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15:23) Tsy faly tokoa ve isika rehefa nahazoana vokatra tsara ny valin-teny na ny torohevitra nomentsika? Misy fepetra roa tsy maintsy arahina anefa, raha tiantsika handaitra ny torohevitsika.
Tokony hiorina tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra aloha ilay torohevitra. (Salamo 119:105; 2 Timoty 3:16, 17) Tsy maintsy amin’ ny fotoana ilana azy koa no ilazana azy. Na ny filazana teny marina aza dia mety hanimba, raha amin’ny fotoana tsy mety. Tsy fahendrena, ohatra, ny manoro hevitra olona iray, raha tsy efa nihaino ny heviny momba ilay olana ianao. Tsy manampy velively koa izany. Tokony “ho mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny” tokoa isika!—Jakoba 1:19.
Lalana miakatra ny lalan’ny fiainana
Hoy ny Ohabolana 15:24: “Làlan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry, hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany.” Misy fandikan-teny sasany mandika azy io hoe: “Ho an’ny lalin-tsaina dia lalana miakatra ny lalan’ny fiainana ka miaro azy tsy hidina any am-pasana.” Ny olona manao zavatra amim-pahendrena dia eo amin’ny lalana mitondra azy manalavitra ny “fiainan-tsi-hita” na ny fasana misy ny maty rehetra. Tsy maty aloha loatra izy satria manalavitra ny fanao manimba toy ny firaisana amin’ny olona maro sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fimamoana. Mitarika ho amin’ny fiainana ny lalany.
Mariho kosa ny lalan’ireo tsy manana fahaiza-mandinika: “Ravan’i Jehovah ny tranon’ny mpiavonavona; fa ny fari-tanin’ny mpitondra-tena aoriny mafy. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny hevi-dratsy; fa madio ny teny mahafinaritra. Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.”—Ohabolana 15:25-27.
Mampiseho amintsika ny fomba iarovan-tena amin’ny fandrika iray mpahazo ny olona, ilay mpanjakan’ny Israely. Hoy izy: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly; fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.” (Ohabolana 15:28) Sarobidy tokoa ny torohevitra ao amin’io ohabolana io! Mahalana vao tsara ny vokatry ny valin-teny tsy nosainina tsara miboiboika avy amin’ny vavan’ny olona iray. Azo inoana fa tsy hilaza zavatra mety hanenenantsika isika, raha mandinika lafin-javatra maro mety hisy akony eo amin’ny raharaha iray. Anisan’izany ny fihetseham-pon’ny hafa sy ny toe-javatra misy azy.
Inona àry no soa raisina rehefa matahotra an’Andriamanitra sy manaiky ny fananarany? Hoy ilay lehilahy hendry: “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” (Ohabolana 15:29) Lavitra ny ratsy fanahy ilay tena Andriamanitra. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9) Tsy misalasala mivavaka amin’Andriamanitra kosa ireo matahotra azy sy miezaka manao izay mahitsy eo imasony, ary mino tanteraka fa hihaino azy ireo izy.
Inona no “mahafaly ny fo”?
Nanao fampitahana mampisaintsaina i Solomona, ka nilaza hoe: “Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.” (Ohabolana 15:30) Lasa ‘velombelona’ na ‘matavy’ ny taolana rehefa feno tsoka. Manatanjaka ny vatana manontolo izany, ka mahafaly ny fo. Hita taratra eo amin’ny tarehy miramirana izany fifalian’ny fo izany. Izany no vokatra entin’ny filazan-tsoa, na tatitra tsara!
Tena mampahery antsika ny mandre tatitra momba ny fitaran’ny fivavahana amin’i Jehovah eran-tany! Mahazo hery tokoa isika ka vonona hanompo bebe kokoa, rehefa mahafantatra momba izay atao eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra, ka vonona hanompo bebe kokoa. (Matio 24:14; 28:19, 20) Faly be isika noho ny zavatra niainan’ireo olona manao an’i Jehovah ho Andriamaniny sy manaraka ny fivavahana marina. Misy heriny lehibe toy izany “ny filazana soa avy any an-tany lavitra”, ka tokony ho marina tsara foana ny tatitra momba ny fanompoantsika, sady haverintsika ara-potoana!—Ohabolana 25:25.
“Ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana”
Nasongadin’ilay mpanjaka hendry fa zava-dehibe ny hanekena fananarana, na inona na inona endriny. Hoy izy: “Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona dia miara-mitoetra amin’ny hendry. Izay mandà anatra dia manary tena; fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.” (Ohabolana 15:31, 32) Manohina ny fon’ny olona sady manitsy azy io ny fananarana, ka mahatonga azy hahay hisaina. Tsy mahagaga àry raha “ny tsorakazo famaizana” no manala ‘ny hadalana miraikitra amin’ny fon’ny zaza’! (Ohabolana 22:15) Lasa maniry hanao ny tsara koa ireo mihaino fananarana. Toy ny mandà ny fiainana kosa izay tsy manaiky fananarana.
Andraisan-tsoa tokoa ny fandraisana sy fanekena amim-panetren-tena ny fananaran’ny fahendrena. Ho faly sy ho afa-po ary handroso ara-panahy ka hahavita zavatra tsara isika, raha manao izany, sady hahazo voninahitra sy fiainana. Hoy ny Ohabolana 15:33: “Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fananarana mampahahendry; ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2006, pejy 13-16, raha mila tsipiriany momba ny Ohabolana 15:1-15 ianao.
[Sary, pejy 17]
Tsara noho ny hanim-py be dia be ny tokantrano anjakan’ny fitiavana
[Sary, pejy 18]
Hahazo fahalalana sy handroso ara-panahy isika raha tsy mora kivy, na dia voafetra aza ny fahaizantsika
[Sary, pejy 19]
Mpinamana mifampilaza ny tena fihetseham-po sy izay ao an’eritreritra ny hoe mpisaina
[Sary, pejy 20
Nahoana ny tatitra tsara no lazaina fa “mamelombelona ny taolana”?