Ampiasao Tsara ny Fotoana mba Tsy ho Verivery Fotsiny
Ampiasao Tsara ny Fotoana mba Tsy ho Verivery Fotsiny
SAMY heverin’ny olona ho sarobidy, na ny vola na ny fotoana. Tena tsy mitovy amin’ny vola na zavatra hafa anefa ny fotoana. Azo angonina mba hampiasaina amin’ny hoavy ny vola, sakafo, solika, ary ny zavatra hafa. Tsy toy izany kosa ny fotoana, fa tsy maintsy ampiasaina, raha tsy izany dia ho verivery fotsiny. Inona no hitranga raha matory adiny valo ianao, ary avy eo te hanangona ny fotoananao ka tsy manao na inona na inona? Ho very mandrakizay ilay fotoana tsy nampiasainao, rehefa tapitra iny andro iny.
Azo ampitahaina amin’ny renirano mikoriana mafy ny fotoana. Mandroso foana ny rano ao aminy, ka tsy azonao ajanona, sady tsy azonao ampiasaina daholo. Toy izany koa ny fotoana. Tsy azonao ampiasaina daholo izy io. Nanomboka nisintona hery avy amin’ny rano mikoriana ny olona, taonjato maro lasa izay, ka nanamboatra fitaovana nahodin’ny rano mba hampandeha ny fitotoan-koba, milina fanatsofana hazo, paompy, sy ny sisa. Toy io fampiasana ny rano io, dia azonao ampiasaina mba hanaovana asa tsara koa ny fotoana, fa tsy avela ho verivery fotsiny. Misy mpangalatra fotoana roa anefa tsy maintsy iadianao. Tsy inona izany fa ny fangatahana andro sy ny korontana. Hojerentsika aloha ny momba ny fangatahana andro.
Aza mangataka andro
Misy fomba fiteny manao hoe: “Velezo ny vy dieny mafana.” Tsy manaraka an’izany anefa ny olona sasany. Ny fangatahana andro no fomba tsotra indrindra hitany, rehefa mitaky ezaka be ilay zavatra hatao. Araka ny diksionera iray, ny hoe “mangataka andro” dia midika hoe “mampihemotra ny zavatra tokony hatao, ka iniana atao izany, na efa fahazarana.” Lasa fahazaran’ny olona mpangataka andro ny mampihemotra ny zavatra tokony hataony. Rehefa be dia be ny asa tsy maintsy ataony, na ny zavatra antenain’ny olona aminy, dia ny fangatahana andro no heveriny fa manamaivana izany. Mahatsiaro ho “maivamaivana” erỳ izy, mandra-pahatongan’ny fotoana tsy maintsy hiatrehany an’izany indray.
Mety ho rera-batana na ho rera-tsaina isika indraindray, ka voatery hampihemotra ny asa sasany, na ny asa rehetra tokony hataontsika. Ilain’ny tsirairay koa ny mijanona kely amin’ny asa fanaony andavanandro. Nila an’izany na dia ny Zanak’Andriamanitra aza. Be atao tamin’ny fanompoana i Jesosy, nefa naka fotoana hialan-tsasatra izy sy ny mpianany. (Marka 6:31, 32) Mahasoa ny fiatoana kely toy izany. Hafa mihitsy anefa ny fangatahana andro, izay misy vokany ratsy mazàna. Andeha isika handinika ohatra iray.
Hanao fanadinana amin’ny taranja matematika ny mpianatra iray, ary manana roatokombolana mba hanomanana izany. Tsy maintsy mianatra
lesona maro be izy. Fantany fa betsaka ny zavatra tsy maintsy hataony. Nangataka andro anefa izy, ka tsy nianatra fa nilaozany nijery tele. Tokony hianatra izy mba hahazoana naoty tsara amin’ilay fanadinana, kanefa ahemony isan’andro ny fanaovana izany. Tsy afa-miala intsony anefa izy ny alina alohan’ilay fanadinana, fa tsy maintsy mianatra ny lesona rehetra. Mipetraka eo ambony seza izy izao, ary manomboka mijery ireo lesona.Mianatra mandritra ny ora maro izy. Efa matory ny mpianakaviny rehetra, fa izy kosa tsy maintsy mitadidy raiki-pohy sy lesona maro samihafa. Reraka loatra ny sainy ny ampitso, ka tsy vonona hamaly ireo fanontaniana maro ao amin’ny laza adina. Ratsy be ny naotiny tamin’iny taranja iny. Tsy maintsy hianatra an’iny indray izy, ary mety tsy hifindra kilasy mihitsy aza.
Tena nisy vokany ratsy tamin’io mpianatra io ny fangatahana andro. Tsy hitranga amintsika ny toy izany, raha arahintsika ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana.” (Efesianina 5:15, 16) Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina teo, mba hampiasa amim-pahendrena ny fotoanan’izy ireo, rehefa manatanteraka ireo asa nanendrena azy. Afaka manampy amin’ny lafim-piainana rehetra anefa io toro lalana io. Mazàna isika no afaka mamaritra ny fotoana hanaovantsika zavatra. Hahita vokatra tsara kokoa isika, ary hahavita haingana kokoa ny asantsika, raha manararaotra ny fotoana “tsara” indrindra tokony hanombohana azy. Izany no fomba amantarana ny olona “hendry”, araka ilay andinin-teny.
Inona no ‘fotoana tsara’ tokony ho nohararaotin’ilay mpianatra voalaza terỳ aloha, mba hanomanany ny fanadinany? Nila nanokana 15 minitra teo ho eo isan’alina angamba izy, mba hamerenany tsikelikely ny lesony. Raha nanao izany izy, dia ho afaka natory tsara ny alina nialoha ny fanadinana, fa tsy ho voatery nianatra be intsony. Ampy torimaso tsara izy amin’izay, ka ho vonona tsara amin’ilay andro hanaovana fanadinana, ary ho afaka nahazo naoty tsara.
Raha misy zavatra asaina ataonao àry, dia fantaro mialoha ny ‘fotoana tsara’ tokony hanaovana azy, ary ataovy ilay izy. Tsy alaim-panahy hangataka andro ianao amin’izay, ary tsy hiharan’ny voka-dratsin’izany koa. Ho afa-po koa ianao rehefa vita tsara ilay izy. Tena zava-dehibe izany, indrindra raha mahakasika olon-kafa ilay izy, toy ny anjara eo anivon’ny fiangonana kristianina.
Aza be korontana
Araka ny efa voalaza terỳ aloha, dia afaka mampiasa tsara ny fotoanantsika isika, rehefa tsy be korontana. Fantatsika fa mandany fotoana ny fikarakarana zavatra maro be, anisan’izany ny fandaminana, fampiasana, fanadiovana, fampirimana, ary ny fikarohana azy ireo. Arakaraka ny habetsahan’ny zavatra ananana, ny fotoana lany ikarakarana azy. Mahasorena sady mandany fotoana kokoa ny miasa amin’ny efitra na trano be entana, noho ny miasa amin’ny efitra tsy be korontana sady tsy misy entana firy. Rehefa mitombo koa ny entana, dia mitombo miaraka amin’izay ny fotoana lany itadiavanao ny zavatra ilainao.
Milaza ny manam-pahaizana momba ny fikarakarana tokantrano, fa efa ho ny antsasaky ny fotoanan’ny mpanadio no lany amin-javatra hafa. ‘Voatery mibata [fanaka] izy, manodidina [ireo entana misakan-dalana], mamindra ireo zavatra
mibahan-toerana, ary manala ireo zavatra miparitaka etsy sy eroa.’ Mitovitovy amin’izany koa no mitranga amin’ny lafim-piainana hafa. Jereo àry ny manodidina anao, raha te hampiasa tsara kokoa ny fotoananao ianao. Manomboka feno entana ve ny tranonao, ka mametra ny faritra azonao aleha izany, na mandany ny fotoananao? Raha izany no izy, dia esory izay tsy ilaina.Mety ho sarotra aminao ny hanary ireo zavatra tsy ampiasainao. Mety halahelo ianao, rehefa tsy maintsy manary ireo zavatra tianao, nefa tsy ilainao akory. Mety ho toy ny misaraka amin’ny namana tsy foy ilay izy. Inona àry no azonao atao, mba hanapahana hevitra raha hotazonina ny zavatra iray na hariana? Misy olona manary zavatra iray, rehefa tsy nampiasaina nandritra ny herintaona ilay izy. Ahoana anefa raha mbola tsy tianao hariana ilay izy, rehefa afaka herintaona? Ataovy any amin’ny toerana fitahirizana entana ilay izy, mandritra ny enim-bolana manaraka. Mety ho mora kokoa aminao ny hanary azy aorian’izay, rehefa hitanao fa efa herintaona sy tapany ilay izy no tsy nampiasainao. Ny hampihena ny korontana no tanjonao, mba hahafahanao hampiasa tsara ny fotoananao.
Tsy ny entana ao an-trano na any am-piasana ihany anefa no mety hikorontana. Nolazain’i Jesosy fa “mangeja” ny tenin’Andriamanitra “ny fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena”, ka mety hahatonga ny olona ‘tsy hamoa’ rehefa itoriana ny vaovao tsara. (Matio 13:22) Mety ho be atao ny olona iray, ka ho sarotra aminy ny hahita fotoana hanaovan-javatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Mety tsy hahay handanjalanja intsony koa izy, ka mety hihamalemy finoana. Mety tsy ho tafiditra any amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra mihitsy aza izy. Hanam-potoana malalaka hanaovan-javatra anefa izy any, ary tena ho finaritra sy ho afa-po.—Isaia 65:17-24; 2 Petera 3:13.
Angamba ianao manan-javatra maro be tsy maintsy hatao, izay mety hifandray amin’ny asa, trano, fiara, fialam-boly, dia haleha, fanatanjahan-tena, fiaraha-mikorana, na zavatra hafa. Manahirana anao ve matetika ny mampiditra izany rehetra izany ao amin’ny fandaharam-potoananao? Raha izany no izy, dia izao angamba no fotoana tokony hampihenana ny zavatra ataonao, mba ho be kokoa ny fotoana hanaovanao ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Mandeha tsy an-kiato toy ny riandrano tokoa ny fotoana. Tsy azo averina na angonina izy io, fa rehefa lasa any dia lasa mandrakizay. Raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly sy mandray fepetra vitsivitsy anefa isika, dia ho afaka hampiasa tsara ny fotoanantsika mba hanatontosana ireo “zava-dehibe kokoa.” Handray soa mandrakizay isika raha manao izany, sady hanome “voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.”—Filipianina 1:10, 11.
[Sary, pejy 8, 9]
Toy ny rano mikoriana mafy ny fotoana, ka azo ampiasaina hanaovan-javatra tsara
[Sary, pejy 9]
Inona no ‘fotoana tsara’ tokony ho nohararaotiny mba hanomanany ny fanadinany?
[Sary, pejy 10]
Mandany fotoana sady mahasorena ny miasa amin’ny toerana be korontana