Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Antony azo androahana olona iray tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina, ny fijangajangana na ny fitondran-tena mahamenatra. Toy izany koa ve ny fahalotoana?

Eny, azo roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona iray tsy mibebaka, fa zatra mijangajanga, na manao karazana fahalotoana sasany, na manana fitondran-tena mahamenatra. Nitanisa ireo antony azo androahana olona ny apostoly Paoly, ary anisan’izany ireo fahotana telo ireo. Hoy izy: ‘Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra. Ampitandremako mialoha [ianareo], fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.’—Galatianina 5:19-21.

Ny fijangajangana (grika: por·neiʹa) dia firaisana amin’olona tsy vadinao, raha ny Soratra Masina no jerena. Anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady, fivarotan-tena, firaisan’ny olona tsy mpivady, firaisana amin’ny vava sy amin’ny lava-pitombenana, ary ny filalaovan’ny olona iray ny filahiana na ny fivavian’ny olon-kafa tsy vadiny. Tsy tokony ho anisan’ny fiangonana kristianina izay olona mpijangajanga nefa tsy mibebaka.

Ny fitondran-tena mahamenatra na fitondran-tena baranahiny (grika: a·selʹgei·a) dia mahafaoka “filibana, faniriana tsy fehezina, tsy fananan-kenatra, fitondran-tena maloto.” Izao no amaritan’ny diksionera iray an’io teny io: “Filan-dratsin’ny nofo tsy voafehy, ... fitondran-tena manafintohina, tsy fananan-kenatra, ary tsy fanajana.” Manondro fitondran-tena iray “mifanipaka tanteraka amin’izay azon’ny fiaraha-monina ekena”, ny teny hoe fitondran-tena mahamenatra, araka ny diksionera iray hafa.

Misy lafin-javatra roa àry amin’ny hoe “fitondran-tena mahamenatra”, araka an’ireo famaritana ireo: 1) Ilay fitondran-tena mihitsy dia efa fandikana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra, ary 2) asehon’ilay mpanao ratsy fa maniratsira sy tsy manaja izy.

Tsy manondro fitondran-tena ratsy madinika àry ny hoe “fitondran-tena mahamenatra.” Izy io kosa dia manondro fahasahisahian-dratsy sy fandikana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra, izany hoe toe-tsaina manasongadina tsy fanajana sy tsy firaharahana, na faniratsirana mihitsy ny fitsipika sy lalàna ary fahefana. Nampifandraisin’i Paoly tamin’ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna izy io. (Romanina 13:13, 14) Mitanisa fanao ratsy mahatonga ny olona iray ho tsy mendrika handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny Galatianina 5:19-21, ary anisan’izany ny fitondran-tena mahamenatra. Antony tokony hanomezana fananarana àry ny fitondran-tena mahamenatra, ary mety hahavoaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina mihitsy.

Ny fahalotoana (grika: a·ka·thar·siʹa) no manana heviny malalaka indrindra, raha dinihina ireo teny telo nadika hoe “fijangajangana” sy “fahalotoana” ary “fitondran-tena mahamenatra.” Voafaoka amin’izany ny fahalotoana amin’ny lafiny rehetra, toy ny momba ny firaisana, ny zavatra lazaina sy atao, ary ny lafiny ara-pivavahana. Maro ny fahotana lehibe azo atao hoe “fahalotoana.”

Resahin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 12:21, ny momba ireo “nanota teo aloha nefa mbola tsy nibebaka tamin’ny fahalotoany sy ny fijangajangany ary ny fitondran-tenany mahamenatra izay samy efa fanaony.” Notanisainy niaraka tamin’ny ‘fijangajangana’ sy ny ‘fitondran-tena mahamenatra’, ny ‘fahalotoana.’ Miharihary àry fa azo ananganana komitim-pitsarana ny karazana fahalotoana sasany. Malalaka be anefa ny hevitry ny teny hoe fahalotoana, ka anisan’izany koa ny lafin-javatra tsy andraisana fepetra ara-pitsarana. Misy ambaratongany mantsy ny fahalotoana. Mety haloto kely, ohatra, ny trano iray, na haloto be mihitsy.

Lazain’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:19 fa misy olona “efa tsy mahalala menatra intsony, ka manaram-po amin’ny fitondran-tena mahamenatra hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.” Nampitoviny tamin’ny fitondran-tena mahamenatra àry ny ‘fahalotoana’ misy faniriana “tsy mety afa-po.” Azo roahina noho ny fahalotoana lehibe ny olona vita batisa, raha tsy mibebaka fa zatra manao ‘fahalotoana’ sady “tsy mety afa-po.”

Aoka hatao hoe imbetsaka ny olon-droa mikasa hivady no nifanafosafo be nanaitra ny filana. Tsy nampiseho fihetsika sahisahy ratsy mampiavaka ny fitondran-tena mahamenatra izy ireo. Na izany aza dia mety hofantarin’ny anti-panahy raha nanana faniriana tsy nety afa-po izy ireo. Raha izany no izy, dia mety handray fepetra ara-pitsarana noho ny fahalotoana lehibe ny anti-panahy. Toy izany koa raha toa ny olona iray ka niantso an-telefaonina imbetsaka sy nanao resaka mazava tsara momba ny firaisana tamin’olona iray. Azo tsaraina ho nanao fahalotoana lehibe izany olona izany, indrindra raha efa nomena torohevitra momba izany taloha.

Mila mahay manavaka ny anti-panahy rehefa handray fanapahan-kevitra toy izany. Tsy maintsy mandinika tsara izay nitranga sy ny halehiben’ilay zavatra natao ny anti-panahy, rehefa hamaritra raha misy antony marim-pototra tokony hanaovana raharaha ara-pitsarana. Tsy azo ampangaina ho manana fitondran-tena mahamenatra daholo, izay rehetra tsy manaiky torohevitra ara-baiboly. Tsy tokony hisaina befahatany fotsiny koa hoe impiry ilay olona no nanao ilay fahotana, vao tokony hananganana komitim-pitsarana. Tokony handanjalanja amim-pitandremana ny toe-javatra tsirairay kosa ny anti-panahy, ary hanao izany ho antom-bavaka. Tokony hofantarin’izy ireo koa izay tena nitranga, sy ny hoe impiry ilay fanaovan-dratsy, hatraiza no niafaran’izy io, ary inona no nokendrena sy ny antony nanosika an’ilay nanao ratsy.

Tsy amin’ny resaka firaisana ihany no misy fahalotoana lehibe. Nifoka sigara vitsivitsy nandritra ny fotoana tsy naharitra, ohatra, ny tovolahy iray vita batisa. Namboraka izany tamin’ny ray aman-dreniny izy, ary tapa-kevitra ny tsy hifoka intsony. Fahalotoana izany nefa mbola tsy tonga hatramin’ny hoe fahalotoana lehibe na ‘fahalotoana’ misy faniriana “tsy mety afa-po.” Ampy ny torohevitra ara-baiboly avy amin’ny anti-panahy iray na roa, sy ny fanampian’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy. Hafa kosa raha nifoka sigara tsy tapaka izy. Fandotoana an-kitsirano ny nofo izany, ka mety raha misy komitim-pitsarana hatsangana, noho ny fahalotoana lehibe. (2 Korintianina 7:1) Horoahina ilay tovolahy raha tsy mibebaka.

Nisy Kristianina nanjary nijery boky sy sary vetaveta. Mahatezitra an’Andriamanitra izany, ary mety halahelo ny anti-panahy raha misy mpiray finoana aminy nanao izany. Tsy hananganana komitim-pitsarana avokoa anefa izay rehetra nijery boky sy sary vetaveta. Andeha hatao hoe nijery imbetsaka ny sary vetaveta lazaina hoe malefaka ny rahalahy iray. Menatra ny tenany izy, namboraka izany tamin’ny anti-panahy iray, ary tapa-kevitra fa tsy hamerina intsony. Mety hanatsoaka hevitra ilay anti-panahy, fa tsy lasa nanao ‘fahalotoana’ misy faniriana “tsy mety afa-po” ilay rahalahy. Tsy nampiseho fihetsika sahisahy ratsy mampiavaka ny fitondran-tena mahamenatra koa izy. Na tsy misy antony marim-pototra anaovana raharaha ara-pitsarana aza, dia tokony hanarina mafy araka ny Soratra Masina ilay rahalahy noho izany karazam-pahalotoana izany, ary angamba mila fanampiana tsy tapaka avy amin’ny anti-panahy.

Diniho kosa ity ohatra hafa ity: Nandritra ny taona maro ny Kristianina iray no nijery an-tsokosoko sary tena tsy fampiseho masoandro, izay mampiseho firaisana mamoafady. Niezaka mafy nanafina ilay fahotany izy. Nety ho nisy an’ireto tamin’ireo sary nojereny: olona maro mifandimby mametaveta olona iray, fatorana na atao mijalijaly ilay olona anaovana firaisana, fanaovana herisetra amim-behivavy, na sary vetaveta ampiasana ankizy. Menatra be izy rehefa nanjary fantatry ny hafa ilay zavatra nataony. Tsy hita hoe sahisahy ratsy izy teo amin’ny fihetsiny, nefa mety hanatsoaka hevitra ny anti-panahy fa ‘nanaram-po tamin’izany’ fahazarana maloto izany izy, ka nanao ‘fahalotoana’ misy faniriana “tsy mety afa-po”, izay fahalotoana lehibe. Hisy komitim-pitsarana hatsangana, satria nanao fahalotoana lehibe izy. Horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina ilay mpanao ratsy, raha tsy naneho fibebahana eken’Andriamanitra sy tsy tapa-kevitra ny tsy hijery boky sy sary vetaveta intsony. Toy ny hoe nampiely sary tena mamoafady kosa izy, raha nanasa olon-kafa ho any an-tranony mba hiara-mijery izany. Porofoiny amin’izany fa sahisahy ratsy izy, ary mampiavaka ny fitondran-tena mahamenatra izany.

Fahotana lehibe foana no tafiditra amin’ilay teny ao amin’ny Soratra Masina hoe “fitondran-tena mahamenatra”, ary matetika izany no mifandray amin’ny firaisana. Fihetsika sahisahy ratsy, faniriana tsy fehezina, fanirian’ny nofo tsy mety afa-po, tsy fananan-kenatra, ary izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipi-pitondran-tena eken’ny besinimaro, no tokony hojeren’ny anti-panahy, rehefa miezaka hamantatra ny fitondran-tena mahamenatra. Mety ho nanana ‘faniriana tsy nety afa-po’ anefa ny olona iray nandika an-kitsirano ny lalàn’i Jehovah, na dia tsy nampiseho fihetsika sahisahy ratsy aza. Fahalotoana lehibe amin’izay no antony itsarana azy.

Andraikitra lehibe ny mamaritra raha tonga hatramin’ny fahalotoana lehibe, na hatramin’ny fitondran-tena mahamenatra, ny heloky ny olona iray na tsia. Ain’olona mantsy no voakasika amin’izany. Tokony hivavaka amin’Andriamanitra àry ireo manana andraikitra hitsara raharaha toy izany, ka hangataka ny fanahiny masina sy fahaiza-manavaka ary fahendrena. Tokony harovan’ny anti-panahy hatrany ny fahadiovan’ny fiangonana. Tsy maintsy mampiorina tsara ny fitsarany amin’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny toromarika nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” koa izy ireo. (Matio 18:18; 24:45) Ary amin’izao andro ratsy izao ny anti-panahy no tena mila mitadidy an’ireto teny ireto: “Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah.”—2 Tantara 19:6.