Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no milaza fa ‘mandoto’ ny olona, ny fadimbolana sy ny fiterahana ary ny fivoahan’ny tsirinaina, izay samy voajanahary?
Nataon’Andriamanitra mba hahafahan’ny olombelona hanan-taranaka sy hahazoan’ny mpivady fahafinaretana, ny firaisana ara-nofo. (Genesisy 1:28; Ohabolana 5:15-18) Misy lalàna amin’ny an-tsipiriany anefa ao amin’ny Levitikosy toko faha-12 sy 15, milaza fa mandoto ny olona, ny fivoahan’ny tsirinaina, ny fadimbolana, ary ny fiterahana. (Levitikosy 12:1-6; 15:16-24) Nahatsara ny fahasalaman’ny Israelita fahiny ireo lalàna ireo, sady nampirisika azy hanana fitsipi-pitondran-tena ambony. Nanantitrantitra ny fahamasinan’ny ra sy ny ilana fanavotana noho ny ota koa izy ireo.
Nitondra soa maro ho an’ny Israelita ireo lalàna ireo, anisan’izany ny fiarovana ny fahasalamany ankapobe. Hoy ny boky Ny Baiboly sy ny Fitsaboana Maoderina (anglisy): “Fomba nandaitra nisorohana aretina sasany azo avy amin’ny firaisana, ny fankatoavana ilay lalàna nandrara ny fanaovana firaisana mandritra ny fadimbolana. ... Tena niaro ny vehivavy mba tsy ho voan’ny kanseran’ny vozon-tranon-jaza izy io, na nisakana ny fitomboan’izany kansera izany.” Ireny lalàna ireny dia niaro ny vahoakan’Andriamanitra mba tsy ho voan’ny aretina, izay angamba tsy fantany na tsy hainy ny namantatra azy. Nampahadio ny Israelita koa ny fitandremana azy ireny, ka nihamaro ny taranany, izay nampanantenain’Andriamanitra fa hitombo sy hotahiny. (Genesisy 15:5; 22:17) Niaro an’ilay vahoakan’Andriamanitra teo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po koa ireo lalàna ireo. Nianatra nifehy ny filan’ny nofony ny mpivady, rehefa nankatò izany.
Ny ra anefa no tena zava-dehibe, tao amin’ireo lalàna mahakasika ny fahalotoana ireo. Ny lalàn’i Jehovah momba ny ra, dia nandentika tao an-tsain’ny Israelita fa sady masina ny ra, no mitana toerana manokana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, izany hoe teo amin’ny fanaovana fanatitra sy ny fanavotana noho ny ota.—Levitikosy 17:11; Deoteronomia 12:23, 24, 27.
Mifandray akaiky amin’ny tsy fahalavorarian’ny olombelona àry, ireo tsipirian’ny Lalàna momba ny ra. Fantatry ny Israelita fa tsy afaka niteraka zanaka lavorary i Adama sy Eva, rehefa nanota. Ary mijaly daholo ny taranany noho ny vokatry ny fahotana nolovana tamin’izy mivady, dia ny tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Miteraka olombelona tsy lavorary sy mpanota daholo àry ny ray aman-dreny, na dia natao mba hiterahana olombelona lavorary aza ny taovam-pananahan’ny mpivady, tamin’ny voalohany.
Hitantsika amin’izany fa ny Lalàna momba ny fidiovana, dia nampahatsiahy ny Israelita fa nandova ota izy ireo, sady nila ny sorom-panavotana mba hamelana ny fahotany sy hahatongavany ho olombelona lavorary indray. Tsy nahavita an’izany anefa ny sorona biby nataony. (Hebreo 10:3, 4) Natao hitarihana azy ireo ho amin’i Kristy ny Lalàn’i Mosesy. Nanampy azy ireo koa izany mba hahatakatra fa ny aina lavorary nataon’i Jesosy sorona ihany no ahazoana ny tena famelan-keloka, ka hahafahan’ny olo-mahatoky hiaina mandrakizay.—Galatianina 3:24; Hebreo 9:13, 14.