“Aoka ho Mailo Tsara Foana Ianareo”
“Aoka ho Mailo Tsara Foana Ianareo”
“Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—OHABOLANA 14:15.
1, 2. a) Inona no lesona tsoahintsika avy amin’ny nanjo an’i Lota tany Sodoma? b) Inona no dikan’ilay teny hoe ‘mailo foana’?
NAVELAN’I Abrahama hisafidy ny tany tiany honenana i Lota. Nisarika ny mason’i Lota ny faritra iray azon-drano tsara, izay “tahaka ny sahan’i Jehovah.” Hitany fa toerana faran’izay tsara ho an’ny fianakaviany ilay izy, ka ‘nifidy ny tany rehetra amoron’i Jordana’ izy, ary nanorim-ponenana teo akaikin’i Sodoma. Namitaka anefa ny endrika ivelany, satria nonina tsy lavitra teo “ny mponina tao Sodoma [izay] tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah.” (Genesisy 13:7-13) Niharam-pahavoazana lehibe i Lota sy ny fianakaviany tatỳ aoriana. Nipetraka tany anaty zohy mihitsy aza izy sy ireo zanany vavy tamin’ny farany. (Genesisy 19:17, 23-26, 30) Nihevitra i Lota fa tena tsara ilay safidy nataony, kanjo ny nifanohitra tamin’izany.
2 Lesona ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny iny nanjo an’i Lota iny. Tsy maintsy mailo isika rehefa handray fanapahan-kevitra, ka hieritreritra ny mety ho voka-dratsiny, fa tsy ho sodokan’ny fanombantombanana eo am-boalohany fotsiny. Rariny àry raha mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ho mailo tsara foana ianareo.” (1 Petera 1:13) Midika ara-bakiteny hoe “mieritreritra tsara” ilay teny grika nadika hoe ‘mailo foana.’ Milaza i R. Lenski, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa ny hoe mieritreritra tsara dia hoe “mandanjalanja sy mandinika raharaha iray amin’ny saina tony sy milamina, mba hahafantarana ny tena zava-misy momba ilay izy, ka handraisana fanapahan-kevitra mety.” Andeha isika handinika lafin-javatra sasany izay ilantsika fieritreretana tsara.
Mandiniha amim-pitandremana rehefa hanao raharaham-barotra
3. Nahoana isika no tokony ho mailo, rehefa misy olona te hiray antoka amintsika amin’ny raharaham-barotra iray?
3 Eritrereto hoe misy olona iray tsara laza, angamba mpanompon’i Jehovah toa anao, maniry hiray antoka aminao amin’ny raharaham-barotra iray. Matoky be mihitsy izy fa hahomby ilay raharaha, ary mampirisika anao mba tsy hitaredretra, fa ny valala, hono, tsy indroa mandry am-bavahady. Mety hanomboka hieritreritra ianao hoe: ‘Tonga ity ny fotoana hampivoatra ny fiainanay mianakavy. Ho afaka hanompo bebe kokoa mihitsy angamba aho izao.’ Mampitandrina anefa ny Ohabolana 14:15 hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Matetika no be fanantenana ny olona rehefa manomboka raharaham-barotra, ka zara raha eritreretiny fa mety hisy fatiantoka. Tsy raharahainy ary tsy saintsaininy tsara izay olana sy sampona mety hitranga. (Jakoba 4:13, 14) Tena mila mailo tsara foana ianao rehefa sendra toe-javatra toy izany!
4. Inona avy no tokony ‘hodinihintsika’, rehefa misy te hisambo-bola amintsika hanaovana raharaham-barotra?
4 Mandinika tsara an’ilay raharaham-barotra hatao ny olona malina, alohan’ny hanapahan-kevitra. (Ohabolana 21:5) Izany matetika no ahitana ny olana mety hitranga, izay tsy miharihary eo am-boalohany. Eritrereto, ohatra, hoe te hisambo-bola aminao ny olona iray mba hanaovany raharaham-barotra. Mampanantena izy fa hahazo tombony be ianao raha mampisambotra azy. Mahasodoka ilay izy. Kanefa inona no fahavoazana mety hitranga? Manaiky ve izy fa hamerina ilay vola, na mahomby ilay raharaham-barotra na tsia? Sa miankina amin’ny fandehan’ilay raharaham-barotra no hamerenany ny volanao? Raha tsorina dia hoe: Mety ho very ve ny volanao raha tsy mahomby ilay raharaham-barotra? Tsara koa ny manontany tena hoe: “Maninona izy no tsy misambo-bola any amin’ny banky fa amin’olon-tsotra? Sao dia tsy sahy mampindrana azy ny banky, satria efa tsinjony fa mety ho tena tsy hahomby ilay raharaham-barotra?” Ho hitanao izay rehetra tafiditra amin’ilay raharaha, raha maka fotoana handinihana ny fahavoazana mety hitranga ianao.—Ohabolana 13:16; 22:3.
5. a) Inona no nataon’i Jeremia rehefa nividy tany, ka nanaporofo ny fahendreny? b) Nahoana no tsara ny manao taratasy fifanekena ara-dalàna, rehefa manao raharaham-barotra?
5 Nividy tany tamin’ny zana-drahalahin-drainy i Jeremia mpaminany, indray mandeha. Noraketiny an-tsoratra ny fifanekena ara-barotra nataony, ary nasiany vavolombelona nanatrika teo, na dia mpivavaka tamin’i Jehovah aza ilay havany. (Jeremia 32:9-12) Manao taratasy fifanekena ara-dalàna koa ankehitriny ny olona hendry, mba hiraketana ny fifanarahana ara-barotra rehetra ataony, na dia ny havany sy ny mpiray finoana aminy aza no ifampiraharahany. * Anisan’ny misoroka ny tsy fifanarahana sady miaro ny firaisan-tsaina, ny fifanekena an-tsoratra mazava sy feno tsara. Matetika kosa no miteraka olana eo amin’ny samy mpanompon’i Jehovah ny tsy fanaovana taratasy toy izany. Mampalahelo fa mety hiteraka alahelo be sy lolompo izany, ary mety hahatonga olona tsy hanompo an’i Jehovah intsony mihitsy aza.
6. Nahoana isika no mila mitandrina mba tsy ho matimatin-karena?
6 Tsy maintsy mitandrina koa isika mba tsy ho matimatin-karena. (Lioka 12:15) Mieritreritra ny tombony be mety ho azony ny olona sasany, ka tsy mahita ny fahavoazana mety hateraky ny raharaham-barotra mampidi-kizo. Nisy olona nanana tombontsoam-panompoana teo anivon’ny fiangonana mihitsy aza latsaka tamin’io fandrika io. Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.” (Hebreo 13:5) Tokony hieritreritra toy izao ny Kristianina, alohan’ny hanaovana raharaham-barotra iray: ‘Tena mila miditra amin’izy ity ve aho?’ Ho voaro amin’ny “karazan-javatra ratsy rehetra” isika, raha manana fiainana tsotra sy mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—1 Timoty 6:6-10.
Ireo olana mahazo ny Kristianina mpitovo
7. a) Inona no olana mahazo ny Kristianina mpitovo maro? b) Inona no ifandraisan’ny fifidianana vady sy ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra?
7 Maro ny mpanompon’i Jehovah maniry mafy hanambady, nefa mbola tsy mahita vady sahaza azy. Mampirisika mafy ny olona hanambady ny fiaraha-monina any amin’ny tany sasany. Mety ho vitsy anefa ny olona azo alaina ho vady na afaka maka ho vady, eo anivon’ny mpiray finoana. (Ohabolana 13:12) Fantatry ny Kristianina koa anefa fa mivadika amin’i Jehovah ny olona iray, raha mandika ilay didy mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Tsy maintsy mailo tsara foana àry ny Kristianina mpitovo, mba hahatohitra ny fanerena sy ny fakam-panahy mahazo azy.
8. Inona no nanjo ny tovovavy solemita iray, ary inona no azon’ny vehivavy kristianina atao rehefa tojo olana toy izany izy?
8 Mitantara momba ny tovovavy solemita iray tso-piaina ny Tonon-kiran’i Solomona. Nahasarika ny mpanjaka izy io, ka niezaka nambabo ny fony izy, na dia efa nanana olon-tiana aza Tonon-kiran’i Solomona 1:9-11; 3:7-10; 6:8-10; 7:1) Mety hitranga amin’ny vehivavy kristianina koa ny toy izany. Mety ho voasarika aminao ny olona iray any am-piasana na dia tsy irinao aza izany, ary angamba olona manana toerana ambony ao am-piasana ilay izy. Mety handoka anao izy, hanao zavatra ho anao, ary hitady fomba hiarahana aminao. Mitandrema rehefa misy manao toy izany. Marina fa tsy voatery ho raiki-pitia aminao izy na te hijangajanga aminao, kanefa izany mazàna no eritreretin’ny olona toy ireny. Manahafa an’ilay tovovavy solemita, ka aoka ianao ho toy ny “mànda.” (Tonon-kiran’i Solomona 8:4, 10) Aoka ianao handa amin’ny fomba hentitra, raha olona tsy manompo an’i Jehovah no milaza fa tia sy te hiaraka aminao. Ampahafantaro ny mpiara-miasa aminao dieny eo am-boalohany fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, ary miezaha foana mitory amin’izy ireo isaky ny afaka manao izany. Tena hiaro anao izany.
ilay tovovavy. Naderaderany taminy ny harenany sy ny voninahiny, ary nandoka azy izy. (9. Inona no loza sasany mety hahazo ny olona mifandray amin’ny olon-tsy fantatra ao amin’ny Internet? (Jereo koa ny efajoro eo amin’ny pejy 25.)
9 Mihabe mpitia ireo toerana ao amin’ny Internet natao hanampiana ny mpitovo mitady vady. Misy mihevitra fa fomba iray hifankahalalana amin’olona izy io, izay tsy ho nihaona taminy mihitsy raha tsy izany. Tena mampidi-doza, toy ny mitsambiki-mikimpy, anefa ny misakaiza amin’ny olona tsy fantatra akory. Sarotra ny mamantatra ny tena marina momba ny olona iray, ao amin’ny Internet. (Salamo 26:4) Mety hisy olona hilaza fa mpanompon’i Jehovah, nefa tsy izany akory. Vetivety koa dia mety ho lasa mifankatia be ny olon-droa miaraka amin’ny alalan’ny Internet, ka mety tsy hahay handinika tsara intsony. (Ohabolana 28:26) Na amin’ny alalan’ny Internet na amin’ny fomba hafa, dia tsy fahendrena ny mifandray akaiky amin’ny olona iray izay zara raha fantatrao.—1 Korintianina 15:33.
10. Inona no azon’ireo mpiray finoana atao mba hampaherezana ireo Kristianina mpitovo?
10 “Be fitiavana” amin’ny mpanompony tokoa i Jehovah. (Jakoba 5:11) Fantany fa tena mafy indraindray ny manjo ny Kristianina te hanambady nefa tsy afa-manoatra. Sarobidy aminy ny tsy fivadihan’izy ireo. Inona no azon’ny hafa atao mba hampaherezana azy ireny? Tokony hidera azy ireny foana isika noho ny fankatoavany sy ny fahafoizan-tenany. (Mpitsara 11:39, 40) Azontsika atao koa ny manasa azy ireny hiaraka amintsika amin’ny fotoana samihafa, mba hahafahana hifampahery aminy. Nanao izany ve ianao vao haingana? Ankoatra izany, dia azontsika atao ny mivavaka ho azy ireny, ka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy hifantoka hatrany amin’ny fanompoana sy ho faly amin’izany. Enga anie isika tena hiahy an’ireny Kristianina tsy mivadika ireny, ka ho hita amin’izany fa mankasitraka azy ireny toa an’i Jehovah isika.—Salamo 37:28.
Fikarakarana fahasalamana
11. Inona no olana atrehin’ny olona marary mafy?
11 Mafy tokoa ny adin-tsaintsika, rehefa marary mafy isika na ny havan-tiantsika! (Isaia 38:1-3) Ilaina ny mitady fitsaboana mandaitra, nefa tena zava-dehibe koa ny hanarahantsika ny toro lalan’ny Soratra Masina. Anisan’izany, ohatra, ny didin’ny Baiboly hoe fadio ny ra. Tsy manaraka fitsaboana na fomba fizahana aretina misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina koa ny Kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Galatianina 5:19-21) Manahiran-tsaina sy mampahatahotra anefa ny mifidy ny fitsaboana harahina, raha tsy nianatra momba ny fitsaboana isika. Inona no hanampy antsika ho mailo tsara foana?
12. Inona no hanampy ny Kristianina hahay handanjalanja rehefa mifidy fitsaboana?
12 “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”, ka manao fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety ara-baiboly. (Ohabolana 14:15) Vitsy ny dokotera sy ny hopitaly any amin’ny firenena sasany, fa ny fitsaboana nentin-drazana ihany no misy, toy ny fampiasana raokandro. Ho an’izay mieritreritra hanaraka karazana fitsaboana toy ireny, dia mety hanampy azy ny fanazavana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1987, pejy 26-29. Mampitandrina antsika ny amin’ny loza mety hitranga izy io. Mety hilaintsika hofantarina, ohatra, izao manaraka izao: Malaza ho mifandray amin’ny fanahy ratsy ve ilay mpanasitrana? Moa ve ny fitsaboana ataony mifototra amin’ny finoana fa matoa ny olona iray marary na maty, dia satria nanota fady tamin’andriamanitra (na ny razana), na nisy namosavy? Misy sorona atao ve, na teny hafahafa tononina, na fombafomba mifandray amin’ny fanahy ratsy, rehefa manamboatra na mampiasa ilay fanafody? (Deoteronomia 18:10-12) Raha manadihady toy izany isika, dia ho afaka hanaraka ilay torohevitr’Andriamanitra hoe: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” * (1 Tesalonianina 5:21) Hanampy antsika hahay handanjalanja izany.
13, 14. a) Ahoana no anehoana fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fikarakarana ny fahasalamana? b) Nahoana no ilaina ny fahaiza-mandanjalanja, rehefa miresaka momba ny fahasalamana sy ny fitsaboana?
13 Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, anisan’izany ny fikarakarana ny fahasalamana. (Filipianina 4:5) Fanomezana sarobidy ny fiainana, ka mba hampisehoana ny fankasitrahana azy io dia tokony hikarakara araka ny antonony ny fahasalamantsika isika. Ara-dalàna raha miezaka mitsabo tena isika rehefa tsy salama. Tsy hisy anefa ny fahasalamana tonga lafatra, raha tsy rehefa tonga ny fotoana voatondron’Andriamanitra ‘hanasitranana ny firenena.’ (Apokalypsy 22:1, 2) Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho variana loatra hikarakara ny fahasalamantsika, ka tsy hanam-potoana hanaovana ny zava-dehibe kokoa, dia ny fanompoana an’Andriamanitra.—Matio 5:3; Filipianina 1:10.
14 Mila mahay mandanjalanja koa isika, rehefa miresadresaka momba ny fahasalamana sy ny fitsaboana. Tsy izany no tokony hibahana amin’ny resaka ataontsika amin’ireo Kristianina namantsika, rehefa mihaona amin’izy ireo mba hiara-mivavaka amin’i Jehovah isika, any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Ankoatra izany, dia mila manaraka ny toro lalan’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretany ny tsirairay rehefa mifidy fitsaboana, sady mila mieritreritra ny ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah. Tsy maneho fitiavana àry isika, raha manery ny mpiray finoana Galatianina 6:5; Romanina 14:12, 22, 23.
hanaraka ny hevitsika, na mampirisika azy tsy hiraharaha ny feon’ny fieritreretany. Marina fa azo atao ny mangataka fanampiana amin’ny olona matotra eo anivon’ny fiangonana, nefa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra. Tsy maintsy “hitondra ny entany avy” mantsy ny tsirairay, ary “samy hampamoahin’Andriamanitra.”—Fiatrehana adin-tsaina
15. Inona no mety hanjo ny olona iray rehefa miady saina?
15 Na ny mpanompon’i Jehovah mahatoky aza dia mety hilaza na hanao zavatra tsy mety rehefa miady saina. (Mpitoriteny 7:7) Nanjary tsy nisaina tsara, ohatra, i Joba rehefa niharam-pitsapana mafy, ka nila nahitsy ny fomba fiheviny. (Joba 35:2, 3; 40:6-8) Sosotra i Mosesy indray mandeha ka nanao teny tsy voahevitra, na dia izy aza no “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nomery 12:3; 20:7-12; Salamo 106:32, 33) Na dia nahafehy tena tsy hamono an’i Saoly Mpanjaka aza i Davida, dia tezitra mafy izy ary saika nanaonao foana, rehefa nanivaiva azy sy ny mpanompony i Nabala. Tsy tonga saina izy ary efa saika nahavanon-doza mihitsy, raha tsy nanao zavatra i Abigaila.—1 Samoela 24:3-8; 25:9-13, 32, 33.
16. Inona no hanampy antsika tsy ho maimay hanapa-kevitra?
16 Mety ho tratran’ny adin-tsaina koa isika, ka hanao zavatra tsy amim-piheverana. Raha mandinika ny hevitry ny hafa toy ny nataon’i Davida anefa isika, dia tsy ho maimay hanapa-kevitra, ary hisakana antsika tsy hanota izany. (Ohabolana 19:2) Manoro hevitra antsika koa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” (Salamo 4:4) Raha azo atao, dia aleo aloha miandry ho tony tsara vao manao zavatra na manapa-kevitra. (Ohabolana 14:17, 29) Afaka mivavaka mafy amin’i Jehovah isika, “ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fo[ntsika] sy ny sai[ntsika] amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Io filaminan-tsaina avy amin’Andriamanitra io no hahatonga antsika ho tony sy ho mailo tsara foana.
17. Nahoana isika no tsy maintsy miantehitra amin’i Jehovah mba ho mailo tsara foana?
17 Manao fahadisoana daholo isika, na dia miezaka mafy toy inona aza hisoroka loza sy hanao zavatra amim-pahendrena. (Jakoba 3:2) Mety hanao fahadisoana mitera-pahavoazana isika nefa tsy fantatsika akory. (Salamo 19:12, 13) Tsy manana zo hitarika samirery ny diantsika koa isika olombelona, sady tsy mahay manao izany raha tsy ampian’i Jehovah. (Jeremia 10:23) Velom-pankasitrahana tokoa àry isika, satria manome toky antsika izy hoe: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8) Afaka ny ho mailo tsara foana isika rehefa ampian’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ny fanaovana taratasy fifanekena amin’ny raharaha ara-barotra, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1998, pejy 26, sy ny 1 Aogositra 1997, pejy 30-31, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 12 Azo ampiharina koa io toro lalana io, rehefa misy mampisalasala momba ny karazana fitsaboana hafa.
Ahoana no Havalinao?
Ahoana no ampisehoantsika fa mailo tsara foana isika
• rehefa misy te hanao raharaham-barotra miaraka amintsika?
• rehefa mitady vady?
• rehefa tsy salama?
• rehefa tratran’ny adin-tsaina?
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 25]
Azo Itokisana ve ny Lazain’izy Ireo?
Ahitana teny toy izao ireo toerana natao ho an’ny mpitovo ao amin’ny Internet:
“Na dia miezaka araka izay azo atao aza izahay, dia tsy afaka manome antoka anareo hoe marina izay lazain’ny olona ato momba ny tenany.”
“Tsy manome antoka anareo izahay hoe ny zavatra rehetra ambaran’ny olona ato, dia marina sy ilaina avokoa, ary misy ny tsipiriany rehetra.”
“Ny hevitra, torohevitra, tenin’olona, fampanantenana, na fanazavana hafa hitanao ato, dia avy amin’ilay olona ihany [fa tsy avy aminay] ... ary tsy voatery ho azo itokisana.”
[Sary, pejy 23]
“Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”
[Sary, pejy 24, 25]
Ahoana no azon’ny vehivavy kristianina anahafana an’ilay tovovavy solemita?
[Sary, pejy 26]
“Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara”