Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia

EFA 12 taona lasa izay no nisehoan’ireo tantara farany voalaza ao amin’ny bokin’ny Ezra. Efa akaiky ny fotoana “hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema”, dia ilay zava-mitranga hanamarika ny fanombohan’ireo 70 herinandron-taona, hitondra ho amin’ny Mesia. (Daniela 9:24-27) Mirakitra tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra ny bokin’ny Nehemia. Tantarainy ao ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema. Mitantara vanim-potoana lehibe naharitra 12 taona izy io, nanomboka tamin’ny 456 T.K. ka hatramin’ny 443 T.K. tany ho any.

I Nehemia Governora no nanoratra an’io boky mirakitra tantara mahafinaritra io. Tantarain’izy io fa misandratra ny fivavahana marina, rehefa manao zavatra hentitra ny olona, sady miantehitra tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitra. Asehony mazava fa i Jehovah no mitarika ny zava-mitranga, mba hahatanteraka ny fikasany. Hita ao koa ny tantaran’ny mpitarika iray matanjaka sy be herim-po. Misy lesona sarobidy ho an’ny mpivavaka marina rehetra ankehitriny ny bokin’ny Nehemia, satria “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.

‘DIA VITA NY MANDA’

(Nehemia 1:1–6:19)

Tany an-dapan’i Sosana i Nehemia, nitana andraikitra ambony teo anilan’ny Mpanjaka Artaksersesy. Sahiran-tsaina be i Nehemia, rehefa nandre fa “mitondra fahoriana be sy latsa [ny vahoakany]; ary voarodana ny màndan’i Jerosalema sady nodoran’ny afo ny vavahadiny.” Nivavaka mafy tamin’Andriamanitra izy mba hahazoana tari-dalana. (Nehemia 1:3, 4) Nony farany dia hitan’ny mpanjaka fa nalahelo i Nehemia, ka navela hiverina tany Jerosalema.

Tonga tany Jerosalema àry i Nehemia. Tamin’ny alina izy no nijery ny mandan’ilay tanàna, ary nolazainy tamin’ny Jiosy avy eo ny tetikasa hanorenana azy io indray. Nanomboka ny fanorenana. Nanomboka koa ny fanoherana an’ilay asa. Nahery fo anefa i Nehemia mpitarika an’ilay izy, ka ‘dia vita ny manda.’—Nehemia 6:15.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:1; 2:1—Mitovy ve ireo “taona faharoa-polo” ao amin’ireo andininy roa ireo? Eny, satria samy manondro ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy izy ireo. Tsy mitovy anefa ny fomba fanisana azy ireo. Tamin’ny 475 T.K. i Artaksersesy no lasa mpanjaka, araka ny tantara. Matetika ny mpanoratra babylonianina no nanisa ny taona iray nanjakan’ireo mpanjaka persanina, nanomboka tamin’ny volana Nisana (Martsa/Aprily) ka hatramin’ny volana Nisana nanaraka. Raha izay no arahina, dia tamin’ny Nisana 474 T.K. i Artaksersesy no nanomboka nanjaka. Nanomboka tamin’ny Nisana 455 T.K àry ny taona faha-20 nanjakany, voalaza ao amin’ny Nehemia 2:1. Tsy maintsy ho ny volana Kisleo (Novambra/Desambra) tamin’ny taona teo aloha (456 T.K.) kosa, ilay Kisleo voalaza ao amin’ny Nehemia 1:1. Io volana io no nampiasain’i Nehemia, ary tonga eo amin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy koa izy io. Ny daty nahazoan’ilay mpanjaka ny fanjakany angamba no niaingan’i Nehemia. Nety ho ny fomba fanisan’ny Jiosy ankehitriny ny taona koa no nampiasainy, izany hoe nanomboka tamin’ny volana Tisry (Septambra/Oktobra). Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa tamin’ny 455 T.K. no nivoahan’ilay didy.

4:11, 12—Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray manao ilay fanorenana, amin’ny tanana ilany fotsiny? Tsy olana izany ho an’ireo mpibata entana. Raha vao tafakatra eo an-dohany na eo an-tsorony fotsiny ny entana, dia vitany tsara ny mihazona azy amin’ny tanana iray, “ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.” Ireo mpanorina nila tanan-droa kosa dia “samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, ka dia nandrafitra.” Vonona hiady izy ireo, raha vao nisy fahavalo nanafika.

5:7—Inona no dikan’ilay hoe “nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka” i Nehemia? Nangataka zanabola tamin’ny Jiosy namany ireo lehilahy ireo, nefa nifanohitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy izany. (Levitikosy 25:36; Deoteronomia 23:20) Be dia be koa ny zanabola nalainy. Ho 12 isan-jato isan-taona izany, raha nalainy isam-bolana ilay ‘ampahazatony.’ (Nehemia 5:11) Habibiana izany, satria efa reraky ny hetra ny olona, sady tsy ampy sakafo. Nananatra mafy an’ireo mpanankarena i Nehemia, ka nampiasa ny Lalàn’Andriamanitra mba hitenenana azy ireo, ary nampibaribary ny fahadisoany.

6:5—Natao tao anaty kitapo nasiana tombo-kase matetika ny taratasy tsiambaratelo. Nahoana àry i Sanbala no nandefa “taratasy nivelatra” ho an’i Nehemia? Angamba tiany ho fanta-bahoaka ny fanendrikendrehana natao, ka nandefa taratasy nivelatra izy. Nihevitra izy fa hahatezitra an’i Nehemia izany, ka hampiala azy tamin’ny asa fanorenana ary ho tonga hiaro tena. Nety ho nieritreritra koa i Sanbala fa ho taitra be ireo Jiosy, rehefa mahita izay voalazan’ilay taratasy, ka tsy hiasa intsony. Tsy natahotra i Nehemia, fa tony kosa ary nanohy ny asa nasain’Andriamanitra nataony.

Lesona ho antsika:

1:4; 2:4; 4:4, 5. Tokony ‘haharitra amin’ny vavaka’ sy hanaraka ny toromarik’Andriamanitra isika, rehefa miatrika zava-tsarotra, na handray fanapahan-kevitra lehibe.—Romanina 12:12.

1:11–2:8; 3:4, 5; 4:9, 10; 6:16. Mamaly ny vavaka amim-pahatsorana ataon’ny mpanompony, i Jehovah.—Salamo 86:6, 7.

1:4; 4:13, 14; 6:3, 15. Nalemy fanahy i Nehemia, nefa namela ohatra tsara koa, satria hentitra izy rehefa nanao zavatra araka ny fahamarinana.

1:11–2:3. Mpandroso divay ho an’ny mpanjaka i Nehemia. Tsy io toerany ambony io anefa no tena nahafaly azy, fa ny fandrosoan’ny fivavahana marina. Tsy ny fivavahana amin’i Jehovah sy ny fampandrosoana azy io ve no tokony hahaliana sy tena hahafaly antsika?

2:4-8. Nataon’i Jehovah izay hanomezan’i Artaksersesy alalana an’i Nehemia, mba handeha ho any Jerosalema sy hanorina indray ny mandany. Hoy ny Ohabolana 21:1: “Rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka tarihiny amin’izay tiany.”

3:5, 27. Tsy tokony hanao toy ireo “olona ambonimbony” teo amin’ny Tekoita isika, ka hihevitra fa manambany antsika ny asa vatana atao ho an’ny fivavahana marina. Azontsika tahafina kosa ireo Tekoita tsotsotra, izay nahafoy tena.

3:10, 23, 28-30. Afaka mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa ny sasany. Maro amintsika anefa no manohana ny fivavahana marina, eo amin’ny tanàna misy antsika ihany. Manao izany isika rehefa mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, manampy ny tra-boina, ary indrindra rehefa mitory ilay Fanjakana.

4:8. Tokony hahatsiaro an’ilay “lehibe sy mahatahotra” koa isika mba handresena ny tahotra, rehefa miatrika fanoherana.

5:14-19. Nanetry tena sy tia namana ary malina i Nehemia Governora, ka ohatra miavaka ho an’ny mpiandraikitra kristianina. Nafana fo teo amin’ny fampiharana ny Lalàn’Andriamanitra izy, nefa tsy nanjakazaka mba hahazoana tombony. Niahy an’ireo nampijalina sy nahantra kosa izy. Nalala-tanana koa izy, ka ohatra miavaka ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra.

“TSAROVY AHO KA HASOAVY, RY ANDRIAMANITRO Ô”

(Nehemia 7:1–13:31)

Avy hatrany i Nehemia dia nanangana vavahady sy nanao izay hiambenana ny tanàna, raha vao vita ny mandan’i Jerosalema. Nosoratany araka ny taranany avy ny vahoaka. Novorina ‘teo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano’ ny vahoaka rehetra, ary novakin’i Ezra mpisorona ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, fa i Nehemia sy ny Levita kosa nanazava ny Lalàna. (Nehemia 8:1) Nanjary nahafantatra momba ny Fetin’ny Trano Rantsankazo izy ireo, ka nankalaza azy io tamim-pifaliana.

Nisy fivoriana hafa taorian’izay. Niaiky ny helony ny “Zanak’Isiraely” manontolo. Niresaka ny fomba nitondran’Andriamanitra ny Israely ny Levita avy eo, ary nivoady ny vahoaka fa “hanaraka ny lalàn’Andriamanitra.” (Nehemia 9:1, 2; 10:30) Mbola vitsy ny mponin’i Jerosalema, ka nofidina ny lehilahy 1 isaky ny 10 tany ivelan’ny tanàna mba hifindra tao an-tanàna. Notokanana tamim-pifaliana be avy eo ny manda, ka “re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.” (Nehemia 12:43) Niala tany Jerosalema i Nehemia, 12 taona taorian’ny nahatongavany, ka niverina nanao ny asany tany amin’i Artaksersesy. Tsy ela dia nanjary nisy fahalotoana teo anivon’ny Jiosy. Nanao zavatra hentitra mba hanitsiana izany i Nehemia, rehefa tafaverina tany Jerosalema. Nangataka tamim-panetren-tena izy hoe: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.”—Nehemia 13:31.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

7:6-67—Tsy nitovy tamin’ny tarehimarika nomen’i Ezra momba ny fianakaviana tsirairay, ny lisitra nataon’i Nehemia momba ireo sisa niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela. Fa nahoana? (Ezra 2:1-65) Nety ho tsy nitovy ny loharanon-kevitra nampiasain’izy ireo. Nety ho tsy nitovy tamin’ireo tena niverina, ohatra, ny isan’ireo nisoratra anarana mba hiverina. Tsy nitovy koa angamba ny zavatra nosoratan’izy ireo, satria nisy Jiosy tsy afaka nilaza ny taranaka niaviany, raha tsy tatỳ aoriana kokoa. Izao anefa no zavatra mitovy lazain’ireo fitantarana roa ireo: Olona 42 360 no niverina tany an-tanindrazany tamin’ny voalohany, ankoatra ny andevo sy ny mpihira.

10:35—Nahoana no nasaina nanome kitay ny vahoaka? Tsy notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny fanatitra hazo. Ny zavatra nilaina tamin’izany fotsiny no antony nitakiana an’ilay izy. Kitay be dia be no nilaina handorana an’ireo fanatitra teo amin’ny alitara. Toa tsy ampy ny Netinima, dia ireo andevo tsy Israelita tao amin’ny tempoly. Natao antsapaka àry izay olona hanome kitay, mba hisian’izany foana.

13:6—Hafiriana i Nehemia no tsy tany Jerosalema? Ny hany lazain’ny Baiboly dia hoe “nony taoriandriana kely” (midika ara-bakiteny hoe “tamin’ny faran’ireo andro”). Niera mba tsy hiasa teo anatrehan’ny mpanjaka izy tamin’izay, fa hiverina any Jerosalema. Tsy fantatra àry ny tena halavan’io fotoana io. Rehefa niverina tany Jerosalema anefa izy, dia hitany fa tsy nisy nanampy intsony ny mpisorona, ary tsy notandremana intsony ny Sabata. Maro no naka vady tsy Israelita, ary tsy nahay ny fitenin’ny Jiosy akory aza ny zanak’izy ireo. Tsy maintsy ho lava ny fotoana tsy naha teo an’i Nehemia, matoa nisy fiovana be dia be toy izany.

13:25, 28—Inona koa no fanitsiana nataon’i Nehemia, ankoatra ny hoe ‘nifandahatra tamin’ireo’ Jiosy nanao fahadisoana? “Nanozona” azy ireo i Nehemia, izany hoe namerina nanonona tamin’izy ireo ny didim-pitsarana ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra. “Namely ny sasany” tamin’izy ireo izy, izany hoe namoaka didim-pitsarana momba azy ireo. ‘Nandrompotra ny volon’ny’ sasany i Nehemia, mba hampisehoana fa tena naharikoriko azy ny zavatra nataon’izy ireo. Noroahiny koa ny zafikelin’i Eliasiba Mpisoronabe, izay nanambady ny zanakavavin’i Sanbala horonita.

Lesona ho antsika:

8:8. Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, ka tokony ‘hanazava tsara ny hevitr’izy io.’ Tokony hanonona tsara ireo teny àry isika, hanao fanamafisana tsara rehefa mamaky teny, hanazava marina tsara ny Soratra Masina, ary hampiseho ny fomba hampiharana an’ilay izy.

8:10. “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah” dia vokatry ny fahatsapana fa mila azy isika, sady vokatry ny fanarahana ny toromariny. Tena tsy maintsy mazoto mianatra Baiboly isika, manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristianina, ary mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra.

11:2. Tsy maintsy ho nandany vola sady sahirana, ireo namela ny lovany sy nifindra ho any Jerosalema. Naneho fahafoizan-tena ireo nanao izany. Afaka manao toy izany koa isika, rehefa manolo-tena hiasa amin’ny fivoriambe na amin’ny fotoana hafa.

12:31, 38, 40-42. Fomba tena tsara hiderana an’i Jehovah sy hisaorantsika azy ny hira. Tokony hihira amin’ny fontsika manontolo isika any amin’ireo fivoriana kristianina.

13:4-31. Tokony hitandrina isika, mba tsy hahazo vahana eo amin’ny fiainantsika ny fitiavan-karena, tsolotra, ary ny fivadiham-pinoana.

13:22. Fantatr’i Nehemia tsara fa hampamoahin’Andriamanitra izy. Tokony ho fantatsika koa fa hampamoahin’Andriamanitra isika.

Tena ilaina ny fitahian’i Jehovah

Hoy ny mpanao salamo: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1) Mampiseho tsara ny fahamarinan’ireo teny ireo ny bokin’ny Nehemia!

Mazava ny fianarana ho antsika: Tena ilaina ny fitahian’i Jehovah, raha te hahomby isika eo amin’ny zavatra rehetra ataontsika. Afaka manantena ny hankasitrahan’i Jehovah ve isika, raha tsy ny fivavahana marina no mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika? Toa an’i Nehemia, dia aoka ny fivavahana amin’i Jehovah sy ny fandrosoan’izy io no hataontsika zava-dehibe indrindra amintsika.

[Sary, pejy 8]

“Rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka tarihiny amin’izay tiany”

[Sary, pejy 9]

Tonga tany Jerosalema i Nehemia, lehilahy vonon-kanao zavatra sady nalemy fanahy

[Sary, pejy 10, 11]

Hainao ve ny ‘manazava tsara ny hevitry’ ny Tenin’Andriamanitra?