Tapa-kevitra Hanompo ny Mpamorona Foana Aho
Tantaram-piainana
Tapa-kevitra Hanompo ny Mpamorona Foana Aho
NOTANTARAIN’I CONSTANCE BENANTI
Tampoka loatra ilay izy! Nanavy be tao anatin’ny enina andro monja i Camille zanakay vavy, ary maty avy eo. Roa taona latsaka roa volana izy tamin’izay. Tsy zakako ny alaheloko, ka te ho faty koa aho. Nahoana no navelan’Andriamanitra hitranga ny zavatra toy izany? Nikorontana ny saiko.
AVY any Castellammare del Golfo, tanàna ao Sisila eto Italia ny ray aman-dreniko, ary nifindra monina tany New York. Tany aho no teraka, tamin’ny 8 Desambra 1908. Folo mianaka izahay: i Dada sy Neny ary izahay valo mianadahy, dimy lahy sy telo vavy. *
Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) i Santo Catanzaro raiko, tamin’ny 1927. Nitarika ny fivoriana tany amin’ny toerana nisy anay tany New Jersey i Giovanni De Cecca, anadahy italianina. Niasa tany amin’ny foibe (antsoina hoe Betela) any Brooklyn, any New York izy. Nanomboka nitory i Dada tatỳ aoriana, ary nanompo manontolo andro mandra-pahafatiny tamin’ny 1953.
I Neny indray te hanao masera tamin’ny mbola tanora, fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny. Voatariny tsy hiara-mianatra Baiboly tamin’i Dada aho tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia hitako fa niova i Dada. Lasa tony sy tsara fanahy
kokoa izy, ary nilamina kokoa ny fiainam-pianakavianay. Tiako erỳ izany.Nihaona tamin’i Charles aho nandritra izany fotoana izany. Nitovy taona izahay ary teraka tany Brooklyn izy. Avy any Sisila koa ny fianakaviany. Vetivety dia nifamofo izahay, ary nivady tamin’ny 1931. Avy namonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Columbus, any Ohio, i Dada tamin’izay. Teraka i Camille zanakay vavy, herintaona taorian’izay. Tsy nety nionona aho rehefa maty izy. Nitomany i Charles indray andro, sady niteny hoe: “Zanatsika sy ianao ange i Camille e! Maninona moa raha avela hitohy fotsiny ny fiainana, dia mifampahery eny isika roa?”
Nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly izahay
Nampahatsiahy ahy i Charles, fa niresaka momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Dada, tao amin’ny lahatenim-pandevenana an’i Camille. “Tena mino ny fitsanganana amin’ny maty ve ianao?”, hoy aho.
Namaly izy hoe: “Ie! Ary maninona moa isika raha mianatra bebe kokoa izay lazain’ny Baiboly e?”
Tsy nahita tory aho ny alin’iny. Nankany amin’i Dada aho tamin’ny enina maraina, talohan’ny nandehanany niasa, ary nilazako izy fa te hianatra Baiboly izahay sy Charles. Faly be izy ka namihina ahy. Nandre anay i Neny, izay mbola tao am-pandriana, ka nanontany hoe: “Fa misy inona?” Namaly aho hoe: “Tsy misy na inona na inona, fa nanapa-kevitra hianatra Baiboly fotsiny izahay sy Charles.”
“Mila mianatra Baiboly daholo isika”, hoy izy. Nanomboka niara-nianatra Baiboly àry izahay 11, anisan’izany ireo anadahiko sy rahavaviko.
Nampionona ahy ny fianarana Baiboly, ka niova tsikelikely ho fanantenana ny fahasahiranan-tsaiko sy ny fahoriako. Nanomboka nitory ny fahamarinana ara-baiboly izahay sy Charles, tamin’ny 1935, izany hoe herintaona tatỳ aoriana. Natao batisa niaraka tamin’olona maro izahay tamin’ny Febroary 1937, rehefa avy nihaino lahateny ara-baiboly nanazava ny hevitry ny batisa ao anaty rano. Natao tao amin’ny foibe any Brooklyn ilay lahateny, ary tao amin’ny hotely teo akaikiny ny batisa. Tsy ny faniriako hahita indray ny zanako fotsiny no nahatonga ahy hanao io dingana io, fa ny faniriako hanompo ny Mpamorona ahy koa. Nanjary fantatro mantsy izy, ka lasa tiako.
Nanompo manontolo andro
Nahafinaritra sy nahafa-po ahy ny niresaka momba izay nianarako. Mbola maro mantsy tamin’izany no nandray tsara ny hafatra momba Matio 9:37) Lasa mpisava lalana izahay sy Charles tamin’ny 1941. Izany no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanompo manontolo andro ao aminy. Nividy tranofiara izahay tsy ela taorian’izay, ary nankinin’i Charles tamin’i Frank anadahiko ny orinasa mpanao pataloa, izay an’ny fianakavianay. Faly be izahay avy eo nahazo taratasy fanendrena ho mpisava lalana manokana. Nanompo tany New Jersey aloha izahay, ary avy eo tany New York.
ilay Fanjakana, sady lasa nandray anjara tamin’ny fanambarana azy io koa. (Nisy fivoriana iray nasaina natrehinay, nandritra ny fivoriambe tany Baltimore, any Maryland, tamin’ny 1946. Nisy solontena manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao, dia i Nathan Knorr sy Milton Henschel. Niresaka taminay momba ny asa misionera ry zareo, indrindra momba ny asa fitoriana teto Italia. Nasainy nandinika izahay raha afaka hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada.
Hoy izy ireo: “Eritrereto ilay izy, ary lazao anay ny hevitrareo avy eo.” Nivoaka an’ilay birao izahay sy Charles, nifampijery, ary niverina tao avy hatrany. ‘Nieritreritra izahay, ary vonona ho amin’ilay sekoly’, hoy izahay. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay folo andro taorian’izay, ary anisan’ny kilasy fahafito.
Tsy hay hadinoina ireo volana nampiofanana anay. Tena nampiaiky volana anay ny faharetana sy ny fitiavan’ireo mpampianatra, izay nampiomana anay hiatrika ny zava-tsarotra tany an-tany hafa. Notendrena hitory kelikely tany New York, toerana be Italianina, aloha izahay taorian’ny fizarana diplaoma, tamin’ny Jolay 1946. Voatendry ho eto Italia izahay avy eo, ary tamin’ny 25 Jona 1947 no nanainga. Hafaliana ny anay tamin’io andro io!
Nanorim-ponenana tatỳ amin’ny faritany nanendrena anay
Sambo efa tsy nampiasain’ny tafika intsony no nandehananay. Tonga tao amin’ny seranan’i Gênes eto Italia izahay, rehefa afaka 14 andro. Nanimba an’ilay tanàna ny Ady Lehibe II, izay nifarana roa taona monja talohan’izay. Tsy nisy fitaratra intsony, ohatra, ny varavarankelin’ny garan-damasinina, noho ny zera baomba. Nandeha lamasinina indray izahay avy tao Gênes hatrany Milan, izay nisy ny biraon’ny sampana sy ny tranon’ny misionera.
Nahantra be ny olona teto Italia taorian’ny ady. Efa natomboka ny ezaka fanarenana, saingy mbola niely patrana ihany ny fahantrana. Tsy ela dia narary be aho. Nilaza ny dokotera iray fa aretim-po no nahazo ahy, ka nihevitra izy fa ny mody any Etazonia no mety indrindra amiko. Diso anefa izy, ka faly aho fa mbola eto Italia ihany izao, 58 taona atỳ aoriana.
Naniry hanome fiara anay ny anadahiko tany Etazonia, taona vitsivitsy monja taorian’ny nahatongavanay. Nanda izany anefa i Charles, ary nankasitrahako ny fanapahan-keviny. Tsy nisy Vavolombelona nanana fiara teto Italia tamin’izany, araka ny fahafantaranay azy. Nihevitra àry i Charles fa tena tsara raha ampitovitovina amin’ny an’ireo anadahinay kristianina foana ny fari-piainanay. Tamin’ny 1961 izahay vao nahazo fiara kely.
Lakaly iray tsy nisy gorodona no Efitrano Fanjakana nivorianay voalohany tany Milan. Tsy nisy kabine ilay izy sady tsy nisy rano, raha tsy hoe avy angaha ny orana ka dibo-drano ny trano. Niaraka taminay tao koa ny totozy kely maromaro, izay nitsoriadriaka tetsy sy teroa.
Ampola roa no nanazava anay rehefa nivory. Na izany aza, dia nampahery ny nahita olona tso-po tonga nivory sy lasa mpitory niaraka taminay.Ny fiainanay tamin’izahay misionera
Nametraka ny bokikely Haharitra ve Ilay Fiadanana?, tamin’ny lehilahy iray izahay indray mandeha. Tonga i Santina vadiny, nivimbina harona feno sakafo, rehefa handeha izahay. Somary sosotra izy, ary nilaza fa nanan-janakavavy valo hokarakaraina ka tsy nanam-potoana. Tsy tao ny vadiny tamin’izaho nitsidika azy indray, ary teo am-panamboarana akanjo ba izy. “Tsy manam-potoana hihainoana anao aho, sady izaho aza tsy mahay mamaky teny”, hoy izy.
Nivavaka mangina tamin’i Jehovah aho. Nanontany an’i Santina aho avy eo, raha azoko nokaramaina hanao akanjo ba ho an’ny vadiko izy. Azoko ilay akanjo ba, tapa-bolana tatỳ aoriana, ary nanomboka nianatra Baiboly tsy tapaka izahay sy Santina. Ny boky “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo” no nianaranay. Nianatra namaky teny izy ary nandroso ka natao batisa, na dia nanohitra aza ny vadiny. Lasa Vavolombelona ny zanany vavy dimy, ary nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana ara-baiboly koa izy.
Tamin’ny Martsa 1951, dia nafindra tany Brescia izahay mivady sy ny misionera roa, i Ruth Cannon * sy Loyce Callahan, izay lasa vadin’i Bill Wengert. Mbola tsy nisy Vavolombelona tany tamin’izany. Nanofa trano efa nisy fanaka izahay, nefa noroahin’ny tompon-trano rehefa afaka roa volana, ary tsy nomeny afa-tsy iray andro mba hialana tao. Tsy maintsy nipetraka tany amin’ny hotely izahay nandritra ny roa volana teo ho eo, satria tsy nisy Vavolombelona hafa tany.
Tsotsotra ihany ny sakafonay isan’andro: kafe, mofo, fromazy, ary voankazo. Nahazo fitahiana anefa izahay na izany aza. Nahita trano kely nipetrahana izahay tatỳ aoriana, ary 35 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 1952, tao amin’ilay efitra kely nataonay Efitrano Fanjakana.
Niatrika zava-tsarotra
Mbola nanam-pahefana be tamin’ny olona ny mpitondra fivavahana, tamin’izany fotoana izany. Nisy ankizilahy nasain’ny pretra hitora-bato anay, ohatra, rehefa nitory tany Brescia izahay. Nisy olona 16 anefa nanomboka nianatra Baiboly taminay rehefa nandeha ny fotoana, ary tsy ela dia lasa Vavolombelona izy ireo. Iza, hoy ianareo, no anisan’izy ireo? Ny iray tamin’ireo ankizilahy nasaina nitora-bato anay! Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana iray any Brescia izy izao. Nisy mpitory ilay Fanjakana 40 tany Brescia, rehefa niala tany izahay tamin’ny 1955.
Nanompo nandritra ny telo taona tany Leghorn (Livorno) izahay avy eo. Vehivavy ny ankamaroan’ny Vavolombelona tao, ka tsy maintsy nanao ireo andraikitra fanaon’ny anadahy izahay rahavavy. Avy eo izahay dia nifindra tany Gênes, faritany nanendrena anay voalohany, 11 taona talohan’izay. Efa nisy fiangonana iray tao, ary tao amin’ny rihana voalohany tamin’ilay trano nipetrahanay ny Efitrano Fanjakana.
Nampianatra Baiboly vehivavy iray vadina mpanao ady totohondry taloha aho, raha vao tonga tao Gênes. Lehiben’ny toerana iray fanaovana fanazaran-tena amin’ny ady totohondry ilay rangahy tamin’izany. Nandroso ilay ramatoa, ary tsy ela dia lasa rahavavintsika kristianina. Nanohitra nandritra ny fotoana ela anefa ny vadiny. Nanomboka niaraka taminy tany amin’ny fivoriana ihany ilay rangahy avy eo. Nipetraka sy nihaino teo ivelan’ny efitrano izy fa tsy nety niditra. Renay tatỳ aoriana, rehefa tsy tany Gênes intsony izahay, fa nangataka hianatra Baiboly izy. Natao batisa izy tamin’ny farany, ary lasa mpiandraikitra kristianina be fitiavana sy tsy nivadika mandra-pahafatiny.
Nampianatra Baiboly vehivavy iray fofombadina polisy koa aho. Liana ihany ilay polisy tamin’ny voalohany, saingy niova izy taorian’ny mariazin’izy ireo. Notoheriny ilay ramatoa ka
tsy nianatra intsony. Rehefa nianatra Baiboly indray izy, dia nandrahona azy ilay vadiny ary nilaza fa hotifiriny izahay raha tratrany mianatra. Nandroso anefa ilay ramatoa, ka lasa Vavolombelona vita batisa. Mazava ho azy fa tsy nitifitra anay akory ilay rangahy. Taona maro tatỳ aoriana aza, rehefa nanatrika fivoriambe tany Gênes izahay, dia nisy olona nankao andamosiko ary nanampina ny masoko tamin’ny tanany sady nanontany hoe: “Iza àry aho?” Tsy tanako ny ranomasoko rehefa hitako fa ny vadin’ilay ramatoa izy io. Nilaza izy rehefa avy namihina ahy, fa vao natao batisa tamin’iny andro iny izy, ho fampisehoana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah!Nanana tombontsoa niaraka tamin’i Charles aho tamin’ny 1964 ka hatramin’ny 1972, rehefa nitsidika fiangonana sy nanatanjaka ny finoan’izy ireo izy. Efa ho ny faritra avaratr’i Italia rehetra, toa an’i Piémont sy Lombardie ary Ligurie, no notsidihinay. Niverina nanao mpisava lalana tany akaikin’i Florence indray izahay avy eo, ary tany Verceil taorian’izay. Fiangonana iray monja no tany tamin’ny 1977, nefa nisy fiangonana telo rehefa niala tany izahay tamin’ny 1999. Feno 91 taona aho tamin’io taona io, ka nampirisihina hifindra teto amin’ny tranon’ny misionera eto Roma izahay. Trano kely tsara tarehy ilay izy, ary milamindamina ny tanàna misy azy.
Zavatra hafa nampalahelo
Salama tsara foana i Charles hatramin’izay. Narary tampoka anefa izy tamin’ny Martsa 2002, ary nihombo ny aretiny mandra-pahafatiny tamin’ny 11 Mey 2002. Nandritra ny 71 taona, dia niara-nitomany izahay rehefa nisy zavatra nampalahelo, ary niara-paly rehefa nahazo fitahiana. Tsapako ho nisy banga be ny fiainako rehefa maty izy, ary nalahelo mafy aho.
Matetika aho no mahatsiaro azy manao an’ilay kompileny sy ilay satrony manaraka ny lamaody tamin’ireo taona 1930. Azoko sary an-tsaina ny fitsikiny, ary toa reko indraindray ilay fihomehiny efa mahazatra ahy. Afaka niaritra an’iny fotoana nampalahelo iny aho, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fitiavan’ireo anadahy sy rahavavy kristianina malala maro. Tsy andriko erỳ ny fotoana hahitako an’i Charles indray.
Manohy ny fanompoako
Ny manompo ny Mpamorona no mahafinaritra ahy indrindra eo amin’ny fiainako. Efa an-taonany maro no ‘nanandramako sy nizahako fa tsara i Jehovah.’ (Salamo 34:8) Tsapako ny fitiavany sy ny fiahiany ahy. Namoy ny zanako aho, nefa nomen’i Jehovah zanakalahy sy zanakavavy maro, manerana an’i Italia. Mampifaly ny foko sy ny fony ireny zanaka ao amin’ny finoana ireny.
Tena tiako be koa ny miresaka momba ny Mpamorona. Izany no antony anohizako mitory sy mampianatra Baiboly. Malahelo aho indraindray fa tsy afaka manompo bebe kokoa, satria tsy salama. Fantatro anefa fa hain’i Jehovah hoe hatraiza no vitako, ary tia ahy izy sady mankasitraka izay ataoko. (Marka 12:42) Miezaka aho mba hanatanteraka izay voalazan’ny Salamo 146:2 manao hoe: “Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Miresaka momba an’i Angelo Catanzaro anadahiko Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1975, pejy 653-655.
^ feh. 28 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), 1 Desambra 1971, pejy 724-726 ny tantaram-piainany.
^ feh. 41 Maty tamin’ny 16 Jolay 2005 ny Anabavy Benanti, teo amin’ny faha-96 taonany, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity.
[Sary, pejy 13]
Camille
[Sary, pejy 14]
Tamin’ny mariazinay, 1931
[Sary, pejy 14]
Tsy liana i Neny tamin’ny voalohany, nefa nanaiky avy eo fa tokony hianatra Baiboly daholo izahay
[Sary, pejy 15]
Niaraka tamin’ny Anadahy Knorr tamin’ny fizarana ny diplaoman’i Gileada, 1946
[Sary, pejy 17]
Izahay sy Charles, taloha kelin’ny nahafatesany