Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manasongadina ny Fahamarinan’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

Manasongadina ny Fahamarinan’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

Manasongadina ny Fahamarinan’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

NIKASA ny hisian’ny Taranaka iray i Jehovah, taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva. Nilaza izy fa ho torotoro ny ombelahin-tongotr’izy io. (Genesisy 3:15) Tanteraka izany rehefa novonoin’ny fahavalon’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy Kristy. (Galatianina 3:13, 16) Tsy nisy ota izy, satria noho ny herin’ny fanahy masina no nahatonga azy ho tao an-kibon’ny virjiny iray, tamin’ny fomba nahagaga. Azo natao vidim-panavotana àry ny ra nalatsany, mba hanafahana ny olombelona nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama.—Romanina 5:12, 19.

Mahery indrindra i Jehovah, ka tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fikasany. Taminy àry dia toy ny hoe efa voaloa sahady ny vidim-panavotana, taorian’ny nanotan’ny olona, ka azony natao ny nifandray tamin’ny olona natoky ny fampanantenany. Afaka niara-nandeha taminy sy lasa namany mihitsy aza ny olombelona mpanota taranak’i Adama, toa an-dry Enoka sy Noa ary Abrahama. Tsy nampihen-danja ny fahamasinan’Andriamanitra anefa izany.—Genesisy 5:24; 6:9; Jakoba 2:23.

Nanao fahotana lehibe ny olona sasany nino an’i Jehovah. Iray tamin’ireny i Davida Mpanjaka. Mety hanontany ianao hoe: ‘Nahoana no mbola nitahy azy i Jehovah, nefa izy efa nijangajanga tamin’i Batseba sy nampamono an’i Oria vadiny?’ Anisan’ny antony lehibe ny hoe tena nibebaka sy nanam-pinoana izy. (2 Samoela 11:1-17; 12:1-14) Afaka namela ny fahotany Andriamanitra, nefa nanaja ny rariny sy ny fahamarinany foana, noho ilay sorona hataon’i Jesosy Kristy amin’ny hoavy. (Salamo 32:1, 2) Manaporofo izany ny Baiboly, rehefa milaza fa ny zavatra lehibe indrindra notanterahin’ny vidim-panavotan’i Jesosy, dia ny “mba hanehoana ny fahamarinan[’Andriamanitra], satria izy namela ny fahotana fahiny” sy “amin’izao fotoana izao.”—Romanina 3:25, 26.

Maro tokoa ny soa raisin’ny olombelona avy amin’ny ra sarobidin’i Jesosy. Afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra ny mpanota mibebaka, noho ny vidim-panavotana. Hatsangana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra koa ny maty, noho izy io. Anisan’izany ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky, nefa maty talohan’ny nandoavan’i Jesosy ny vidim-panavotana. Hatsangana koa na dia ireo olona maro tsy nahalala ny fahamarinana sy tsy nanompo an’Andriamanitra aza. Hoy mantsy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Amin’izay fotoana izay, dia homen’i Jehovah fiainana mandrakizay, izay rehetra mankatò. (Jaona 3:36) Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Handray ireo soa maro be ireo ny olombelona, noho ny sorom-panavotana nomen’Andriamanitra.

Tsy ny soa raisintsika avy amin’ny vidim-panavotana anefa no tena mampiavaka azy io, fa ny fiantraikan’izy io eo amin’ny anaran’i Jehovah. Manaporofo izy io fa Andriamanitra manao ny rariny tonga lafatra i Jehovah. Afaka mifandray amin’ny olombelona mpanota izy, nefa mbola madio sy masina foana. Raha tsy nikasa hanome ny vidim-panavotana Andriamanitra, dia tsy nisy afaka niara-nandeha taminy na lasa namany, ny taranak’i Adama, eny fa na ry Enoka sy Noa ary Abrahama aza. Nahatakatra izany ny mpanao salamo, ka nanoratra hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy Jesosy tokoa isika! Nandefa ny Zanany malalany ho etỳ an-tany mantsy i Jehovah, ary nanome an-tsitrapo ny ainy ho vidim-panavotana ho antsika i Jesosy.—Marka 10:45.