Naka Endrika Vaovao ny Ady
Naka Endrika Vaovao ny Ady
FENO habibiana foana ny ady hatramin’izay, ary nanimba ny fiainan’ny miaramila sy nampijaly ny vahoaka foana koa. Naka endrika vaovao anefa izy io tao anatin’ireo taona faramparany. Fa nahoana no hoe endrika vaovao?
Ady an-trano ny ankamaroan’ny ady ankehitriny, izany hoe ny olona iray firenena ihany no mifamely. Maharitra ela kokoa noho ny ady ifanaovan’ny firenena samy hafa ny ady an-trano matetika, sady mampitebiteby kokoa ny mponina, ary bebe kokoa ny fandravana entiny. Nilaza ilay mpahay tantara atao hoe Julián Casanova fa “feno habibiana sy ra mandriaka ny ady an-trano, ka mitarika ho amin’ny fahafatesan’olona an’arivo, fametavetana, ary fanaovana sesitany. Foko iray manontolo mihitsy no indray ripaka, rehefa tena mahery vaika ilay ady.” Mety haka fotoana be ny famitranam-pihavanana, rehefa ny mpiara-monina ihany no mifanao habibiana toy izany.
Vitsy ny ady nifanaovan’ny tafiky ny firenena samy hafa, hatramin’ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka. “Telo monja no tsy ady an-trano, tamin’ireo ady lehibe nitranga nandritra ny taona 1990 ka hatramin’ny 2000”, araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iray any Stockholm, izay mikatsaka fandriampahalemana eran-tany (SIPRI).
Mety hoheverina ho tsy dia mampanahy loatra ny ady an-trano, ary mety tsy horesahina amin’ny vaovao eran-tany akory. Na izany aza, dia mampivarahontsana ny fijaliana sy fandravana entiny. Olona an-tapitrisa no maty amin’izy ireny. Efa ho dimy tapitrisa ny olona namoy ny ainy tamin’ny ady an-trano tany amin’ny firenena telo monja, dia i Afghanistan sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo ary Soudan, nandritra ireo 20 taona lasa. Nahafaty olona efa ho 250 000 ny ady tsy nisy indrafo nifanaovan’ny foko samy hafa tany amin’ireo tany Balkans. Ary nandripaka ain’olona 100 000 kosa ny ady anaty akata tany Kolombia.
Ny fiantraikan’ny ady an-trano eo amin’ny ankizy no tena ahitana ny habibian’izy io. Nambaran’ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana, fa nandritra ireo folo taona lasa, dia roa tapitrisa mahery ny ankizy maty tamin’izy ireny, ary enina tapitrisa no naratra. Mihabetsaka koa ny ankizy ampiofanina ho miaramila. Hoy ny iray amin’izy ireny: “Nampiofana ahy ry zareo, dia nomeny basy aho. Nifoka rongony aho, ary namono olon-tsotra be dia be mihitsy. Ady fotsiny ilay izy, ary nankatò izay baiko nomeny ahy fotsiny koa aho. Fantatro fa ratsy ilay izy, ary tsy safidiko ny hanao izany.”
Maro ny ankizy nihalehibe tany amin’ny firenena miady an-trano lava, no mbola tsy nahalala izany hoe fiainana milamina izany. Rava ny sekoly ao an-tanànany, ary tsy mifampiresaka ny mpifahavalo, fa mifampitifitra. Hoy i Dunja, 14 taona: “Be dia be ny olona maty . . . Tsy re intsony ny hiran’ny vorona, fa ny tomanin’ny ankizy namoy ny reniny na ny rainy, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, sisa no re.”
Inona no mahatonga ny ady an-trano?
Inona no mampisy ireny ady an-trano mahatsiravina ireny? Eo ny fankahalana ny olona avy amin’ny firazanana na foko sasany, ny tsy fitovian’ny finoana, ny tsy rariny, ary ny korontana politika. Anisan’ny fototry ny ady an-trano koa ny hetahetam-pahefana sy ny fitiavam-bola. Izany matetika no mahatonga ny mpanao politika handrisika ny olona hifankahala mba hitohizan’ny ady. Milaza ny tatitra iray navoakan’ny fikambanana SIPRI, fa “mitady ny tombontsoany fotsiny” ny ankamaroan’ny mpandray anjara amin’ny ady. Voalaza tao koa hoe: “Miseho amin’ny endriny maro ny fitiavam-bola. Misy ireo miaramila sy mpanao politika mivarotra diamondra an-tsokosoko. Ary misy ny tanora mitam-piadiana mandroba tanàna kely.”
Vao mainka betsaka koa ny ra mandriaka, satria tsy sarotra ny mahazo fitaovam-piadiana amin’ny vidiny mirary. Olona 500 000 eo ho eo isan-taona no maty voatifitra, ka vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. Sahala amin’ny vidin’ny akoho ny vidin’ny basy Kalachnikov, any amin’ny tany iray atsy Afrika. Mampalahelo fa efa mila hitovy amin’ny isan’ny akoho ny isan’ny basy any amin’ny faritra sasany. Tombanana ho 500 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny basy isan-karazany eran-tany, izany hoe 1 isaky ny olona 12.
Ny ady an-trano ve no ho lafiny hampiavaka ity taonjato iainantsika ity? Azo atao ve ny misakana azy ireny? Tsy hifamono intsony ve ny olona indray andro any? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 4]
Mahatsiravina ny Vokatry ny Ady An-trano
Tsy ary fomba mazàna ny fiadiana ampiasaina amin’ny ady an-trano, nefa mahatsiravina izy ireny, satria olon-tsotra fa tsy mpiady ny 90 isan-jaton’ny maty aminy. “Mihabetsaka izao ny ankizy lasa lasibatry ny ady, fa tsy hoe sendra maty fotsiny akory”, hoy i Graça Machel, manam-pahaizana momba ny vokatry ny ady eo amin’ny ankizy, sy miasa ho an’ny Firenena Mikambana.
Lasa anisan’ny tetik’ady ny fisavihana. Any amin’ny faritra sasany rotidrotiky ny ady, dia saika ny zatovovavy rehetra ao amin’ny tanàna azon’ireo tafika mpikomy no savihiny. Ny haharaiki-tahotra ny olona, na ny hampisara-bazana ny mpianakavy no tanjon’izy ireo.
Miteraka mosary sy aretina koa ny ady. Vitsy ny zavatra azo ambolena sy ny vokatra azo, rehefa tapitra ny ady. Vitsy koa ny toeram-pitsaboana miasa, na tsy misy mihitsy aza. Ary ampahany kely amin’ny fanampiana avy any ivelany ihany no voarain’ny olona mila izany. Nandritra ny ady an-trano iray tatsy Afrika, dia ny 20 isan-jaton’ireo namoy ny ainy no matin’ny aretina, ny 78 isan-jato matin’ny hanoanana, ary ny 2 isan-jato ihany no maty tamin’ny ady.
Tombanana ho olona iray isaky ny 22 minitra no lasa kilemaina na mamoy ny ainy, rehefa manitsaka vanja milevina. Misy vanja milevina 60 na 70 tapitrisa eo ho eo miparitaka eran’ny firenena 60 mahery.
Voatery mandao ny tranony ny olona. Dimampolo tapitrisa izao ny mpitsoa-ponenana eran-tany, ka ankizy ny antsasany.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
FONONY: Zazalahy: Photo by Chris Hondros/Getty Images
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Photo by Chris Hondros/Getty Images