Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Fitahiana Maro Noho ny Fananana Toe-tsain’ny Misionera

Nahazo Fitahiana Maro Noho ny Fananana Toe-tsain’ny Misionera

Tantaram-piainana

Nahazo Fitahiana Maro Noho ny Fananana Toe-tsain’ny Misionera

NOTANTARAIN’I TOM COOKE

Nirefotra tampoka ny feom-basy tamin’izay tolakandro izay, ka nanapaka ny fahanginana. Nisidina teo anelanelan’ireo hazo tao an-jaridainanay ny bala. Fa inona no nitranga? Renay fa nisy fanonganam-panjakana, ka ny Jeneraly Idi Amin indray no nitondra an’i Ouganda. Taona 1971 tamin’izay.

NAHOANA izahay sy Ann vadiko no nandao ny fiainana milamindamina tany Angletera, ka nifindra tany amin’io faritra mikorontana any Afrika io? Tia manandranandrana zava-baovao izay aho, nefa ny ohatr’ireo ray aman-dreniko, izay nazoto nitory ilay Fanjakana, no tena nahatonga ahy hanana ny toe-tsain’ny misionera.

Tadidiko ny nihaonan’ny ray aman-dreniko voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Aogositra 1946 tamin’izay, ary nafana ny andro. Teo am-baravarana izy ireo no niresaka tamin’ireo olona roa tonga nitsidika anay, ary toa naharitra ela be erỳ ilay resaka. I Fraser Bradbury sy Mamie Shreve no nitsidika anay, ary niverina imbetsaka izy ireo. Niova tanteraka ny fiainanay nandritra ireo volana nanaraka.

Ny ohatry ny ray aman-dreniko be zotom-po

Nandray anjara betsaka tamin’ny asa nataon’ny fiaraha-monina ny ray aman-dreniko. Nisy sarin’i Winston Churchill, ohatra, nihantona tao an-tranonay, taloha kelin’ny nianaran’izy ireo Baiboly. Tao aminay no nivory ny antoko politika tsy tia fiovana, nandritra ny fifidianana taorian’ny ady. Nahafantatra mpitondra fivavahana sy olona ambony koa ny ray aman-dreniko. Vao sivy taona aho tamin’izay, nefa tsapako fa tena gaga be ny havanay hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay.

Feno fahasahiana sy nanompo tamin’ny fo manontolo ireo Vavolombelona nifaneraseranay, ka nandrisika ny ray aman-dreniko hazoto hitory koa. Tsy ela, dia nanao lahateny teny an-kalamanjana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ny raiko, tao amin’ny tsenaben’i Spondon, tanànanay. Izahay ankizy kosa nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! teny amin’ny toerana mora tazana. Tsoriko fa te hisitrika tany ambany tany aho, rehefa nisy mpiara-mianatra tamiko nanatona ahy.

Ny ohatry ny ray aman-dreniko no tena nahatonga an’i Daphne, zokiko vavy, hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy tamin’ny 1955, ary voatendry ho misionera tany Japon. * I Zoe, zandriko vavy kosa anefa, tsy nanompo an’i Jehovah intsony.

Nianatra momba ny sary aho tamin’izany fotoana izany. Resa-be teo amin’ny mpiara-mianatra tamiko tamin’izany ny fanompoam-pirenena. Nihevitra izy ireo fa nivazivazy aho, rehefa nilaza fa nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretako. Izany no nahafahako niresaka imbetsaka ny Baiboly tamin’ny sasany tamin’izy ireo. Nogadraina herintaona aho taoriana kelin’izay, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Lasa vadiko i Ann, iray tamin’ireo mpianatra liana tamin’ny hafatry ny Baiboly, tao amin’ilay oniversite mampianatra zavakanto. Aleo izy no hitantara ny nahalalany ny fahamarinana.

Ny nahalalan’i Ann ny fahamarinana

“Tsy mpivavaka ny fianakaviako, ary tsy natao batisa na taiza na taiza aho. Nahaliana ahy anefa ny resaka fivavahana, ka niangona tany amin’izay niangonan’ny namako aho. Nanjary nahaliana ahy ny Baiboly, rehefa sendra reko ny adihevitra nifanaovan’i Tom sy ny Vavolombelona hafa iray tamin’ny mpianatra tao amin’ny oniversite. Nalahelo mafy aho rehefa nogadraina i Tom sy ilay Vavolombelona, noho izy ireo tsy nety nanao raharaha miaramila.”

“Nifanoratra izahay sy Tom tamin’izy tany am-ponja, ka vao mainka nahaliana ahy ny Baiboly. Rehefa nifindra tany Londres mba hanohy ny fianarako aho, dia nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Muriel Albrecht. Efa misionera tany Estonia i Muriel, ary tena nampahery ahy izy sy ny reniny. Nanatrika fivoriana aho rehefa afaka herinandro vitsivitsy, ary nitsangana teo anoloan’ny Garan’i Victoria, mba hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!”

“Niara-nivory tamin’ny Fiangonana Southwark, tany atsimon’i Londres, aho. Samy hafa fiaviana ireo anadahy sy rahavavy kristianina tao, ary tena nahantra ny ankamaroany. Tsy nataon’izy ireo an-kilabao anefa aho, na dia vahiny aza. Ny fitiavana nanjaka teo anivon’io fiangonana io no tena nampiaiky ahy fa nahita ny fahamarinana aho, ary natao batisa aho tamin’ny 1960.”

Tsy niova ny tanjona, fa ny toe-javatra no niova

Nivady izahay sy Ann tatỳ aoriana, tamin’ny 1960 ihany, ary ny hanao misionera no tanjonay. Niova anefa ny toe-javatra rehefa fantatray fa hanan-janaka izahay. Na dia efa teraka aza i Sara, zanakay vavy, dia mbola naniry hanompo tany amin’ny tany nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa ihany izahay mivady. Nangataka asa tany amin’ny firenena maromaro àry aho. Naharay taratasy avy tany amin’ny Ministeran’ny Fampianarana tany Ouganda ihany izahay tamin’ny Mey 1966. Nilaza izy ireo fa voaray aho. Bevohoka ny zanakay faharoa anefa i Ann tamin’izay. Nisy nihevitra fa tsy fahendrena ny hifindranay any amin’ny tany lavitra be any. Naka hevitra tamin’ny dokoteranay àry izahay, ary hoy izy: “Raha handeha ianareo, dia tsy maintsy mandeha raha mbola tsy feno fito volana ny kibon’ny vadinao.” Niainga avy hatrany ho any Ouganda izahay. Noho izany, dia tsy nahita an’i Rachel zanakay faravavy ny ray aman-dreniko, raha tsy rehefa roa taona izy. Manan-jafikely koa izahay izao, ka takatray tsara fa nahafoy tena ny ray aman-dreny malalanay, ary ankasitrahanay izany.

Faly sahirana izahay tonga tany Ouganda tamin’ny 1966. Nanaitra anay avy hatrany ireo loko nanodidina anay, raha vao nidina ny fiaramanidina izahay. Narevaka erỳ izy ireo. Tany akaikin’i Iganga aloha izahay no nipetraka. Tanàna kely izy io, tany amin’ny 50 kilaometatra avy eo Jinja, tanàna ipoiran’ny Reniranon’i Nil. Nisy antoko-mpitory tany Jinja, ary ireo no Vavolombelona akaiky anay indrindra. Ireo misionera toa an-dry Gilbert sy Joan Walters ary Stephen sy Barbara Hardy no nikarakara an’ilay antoko-mpitory. Nangataka asa tany Jinja aho, mba hahafahanay hanampy bebe kokoa ilay antoko-mpitory. Nifindra tany izahay, taoriana kelin’ny nahaterahan’i Rachel. Faly izahay niara-nanompo tamin’ireo Vavolombelona nahatoky vitsivitsy tany. Izy ireo no nahaforona ny fiangonana faharoa tany Ouganda.

Nanompo tany an-tany hafa izahay mianakavy

Mihevitra izahay sy Ann fa nifidy toerana tena tsara hitaizana ny zanakay. Finaritra izahay niara-niasa tamin’ireo misionera avy tany amin’ny tany samy hafa, ary nanampy ilay fiangonana vao niforona. Tianay ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavinay tany Ouganda, izay tonga nitsidika anay matetika. Ry Stanley sy Esinala Makumba no tena nampahery anay.

Tsy ireo rahalahy ihany anefa no tonga nitsidika anay, satria nisy bibidia maro be koa nanodidina anay. Nivoaka ny Reniranon’i Nil ny hipopotama tamin’ny alina, ka tonga hatreny akaikin’ny tranonay. Tsaroako mihitsy aza fa efa nisy bibilava be enina metatra tao an-jaridaina. Indraindray izahay dia nandeha nijery bibidia tany amin’ny valan-javaboary, izay ahitana liona sy bibidia mikarenjy.

Variana be koa ny olona nahita anay rehefa nandeha nanompo izahay, satria mbola tsy nahita posiposin-jaza mihitsy izy ireo. Matetika no nisy ankizikely maro be nanaraka anay, rehefa nandeha isan-trano izahay. Nandinika anay tamim-panajana ny olona, ary nikitika ilay zazakely vazaha. Nahafinaritra ny fitoriana, satria tena nahalala fomba ny olona. Nihevitra izahay fa hanaiky ny fahamarinana daholo izy rehetra, satria mora erỳ ny nanomboka fampianarana Baiboly. Sarotra tamin’ny maro anefa ny niala tamin’ireo fomba mahazatra tsy araka ny Soratra Masina. Na izany aza, dia maro no nanaiky ny fitsipi-pitondran-tena tsara hita ao amin’ny Baiboly, ka nitombo ny fiangonana. Niavaka ny fivoriamben’ny faritra nataonay voalohany tany Jinja tamin’ny 1968. Fahatsiarovana tena ankamaminay ny batisan’ireo olona sasany nampianarinay Baiboly, tao amin’ny Reniranon’i Nil. Tsy naharitra anefa ny filaminanay.

Nisedra ny finoanay sy ny fahaizanay mamoron-kevitra ny fandrarana

Nandray ny fitondrana ny Jeneraly Idi Amin tamin’ny 1971. Nisafotofoto be ny tao Jinja tamin’izay. Tamin’io fotoana io no nitranga ilay zavatra notantaraiko tetsy am-piandohana, raha mbola nisotro dite tao an-jaridaina izahay. Noroahina ireo olona maro be avy tany Azia, nandritra ny roa taona nanaraka. Nanapa-kevitra ny handeha koa ny ankamaroan’ireo vahiny, ka sahirana mafy ny sekoly sy ny hopitaly. Nambara tamin’ny fomba henjana avy eo fa voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nafindran’ny Sampan-draharahan’ny Fampianarana tany Kampala renivohitra izahay, mba hiarovana anay. Nisy antony roa naha tsara ny nifindranay tany. Tsy be mpahalala izahay tany Kampala, ka tsy voasakantsakana loatra ny fivezivezenay. Betsaka koa ny asa niandry teo anivon’ny fiangonana sy teny amin’ny saha fanompoana.

Tsy nisy hafa tamin’ny anay ny toe-javatra nisy an-dry Brian sy Marion Wallace, mbamin’ny zanany roa. Nanapa-kevitra ny hijanona tany Ouganda koa izy ireo. Tena nahafinaritra anay ny niara-nanompo tamin’izy ireo tao amin’ny Fiangonana Kampala, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Nanjary tena nampahery anay tamin’ireny fotoana ireny, ny namaky ny tantaran’ireo rahalahinay nanompo tany amin’ny tany nisy fandrarana. Vitsivitsy izahay no nivory, ary nandamina fivoriana lehibe kokoa izahay indray mandeha isam-bolana. Tany amin’ny Zaridainan-javamanirin’i Entebbe izy ireny no natao, ary mody natao hoe fiaraha-mikorana. Nilaza ireo zanakay fa tena hevitra tsara ilay izy.

Tsy maintsy mailo be izahay rehefa nandeha nitory. Avy hatrany dia voamariky ny olona mantsy raha vazaha no mitsidika tokantrano ougandais. Noho izany, dia ny fivarotana sy ny trano avo fonenan’olona maro ary ny fonenan’ny mpianatra no lasa faritaninay. Rehefa nitory tamin’ny mpivarotra aho, dia matetika no nangataka entana fantatro hoe tsy nisy intsony, toy ny siramamy na vary. Raha nalahelo noho ny zava-mitranga teo amin’ilay firenena ilay mpivarotra, dia resahiko aminy ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nahomby tsara io tari-dresaka io. Indraindray dia tsy vitan’ny hoe nanaiky hotsidihina ilay mpivarotra, fa nitondra entana kely tamin’ireo efa tsy fahita firy koa aho, rehefa nody.

Nirongatra ny herisetra nanodidina anay nandritra izany fotoana izany. Tsy nohavaozin’ny fitondram-panjakana intsony ny fifanekena momba ny asako, satria niharatsy ny fifandraisan’i Ouganda sy Grande-Bretagne. Voatery nandao ny rahalahinay koa àry izahay tamin’ny 1974, valo taona taorian’ny nahatongavanay tany Ouganda. Mbola nanana ny toe-tsain’ny misionera foana anefa izahay.

Nifindra tany Nouvelle-Guinée

Nisy asa tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, koa nohararaotinay izany tamin’ny Janoary 1975. Nanomboka teo ireo valo taona nahafinaritra nanompoanay tany amin’io faritr’i Pasifika io. Tena nisy heviny sady nahafa-po ny fanompoanay sy ny fiainanay niaraka tamin’ireo rahalahy tany.

Ny fampisehoana tantara ara-baiboly no tena tsaroanay momba an’i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Anisan’ny nanomana ny fampisehoana tantara tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izahay isan-taona, ary nahafinaritra be tokoa ilay izy! Tianay ny niaraka tamin’ny fianakaviana maro tia zavatra ara-panahy, ary nisy fiantraikany tsara teo amin’ny zanakay vavy izany. Nanambady an’i Ray Smith, mpisava lalana manokana, i Sara vavimatoanay, ary mpisava lalana manokana tany akaikin’ny sisin-tanin’i Irian Jaya (Papouasie ankehitriny, faritanin’i Indonezia) izy mivady. Nipetraka tamin’ny trano bongo izy ireo, ary milaza i Sara fa fiofanana tsara ho azy ny fotoana laniny tany amin’io toerana nanendrena azy io.

Niaina nifanaraka tamin’ny fiovana

Lasa nila fikarakarana bebe kokoa ny ray aman-dreniko. Toy izay anefa hampiverina anay tany Angletera, dia nanaiky hiara-mipetraka taminay izy ireo, ka nifindra tany Aostralia izahay rehetra, tamin’ny 1983. Nisy fotoana koa niarahan’izy ireo nipetraka tamin’i Daphne, anabaviko, izay mbola tany Japon. Nanapa-kevitra ny ho mpisava lalana maharitra izahay sy Ann, rehefa maty ny ray aman-dreniko. Nahazo tombontsoa fanampiny izahay noho izany, ary hitako fa tena sarotra ilay izy.

Nasaina nitety faritra izahay, raha vao nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana. Fotoan-dehibe foana no niheverako an’izany hoe fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra izany, hatramin’izaho mbola kely. Izaho indray anefa izao no lasa mpiandraikitra ny faritra. Ny fitetezam-paritra no sarotra indrindra tamin’ny fanendrena rehetra azonay hatramin’izay, nefa nahita fomba vaovao foana i Jehovah hanampiana anay.

Nitsidika ny sampana tany Aostralia ny Rahalahy Theodore Jaracz tamin’ny 1990. Nanontanianay izy hoe afaka mandeha manompo manontolo andro any an-tany hafa ve izahay, raha mbola tsy antitra loatra ny fahitany anay. Hoy izy: “Ahoana raha halefa any amin’ny Nosy Salomon ianareo?” Izay izahay vao tena voatendry ho misionera, ary nankany amin’ilay toerana nanendrena anay izahay sy Ann, tamin’izahay 50 taona teo ho eo.

Fanompoana tany amin’ireo “Nosy Falifaly”

Nosy Falifaly no iantsoana ny Nosy Salomon, ary tena nahafaly tokoa ireo folo taona nanompoanay teto. Tsapanay ny hatsaram-panahin’ireo rahalahy sy anabavy teto, rehefa nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho. Nanohina ny fonay ny fahaizan’izy ireo mandray vahiny. Nanam-paharetana tamiko koa ny rehetra rehefa niteny pidgin aho. Nieritreritra aho mantsy fa nazava tamin’izy ireo ny teniko, na dia tsy tena izany aza no izy. Iray amin’ireo fiteny vitsy voambolana indrindra eto an-tany io fiteny io.

Nitady hisakana anay tsy hampiasa ny Efitrano Fivoriambe ny mpanohitra, tsy ela taorian’ny nahatongavanay teto amin’ny Nosy Salomon. Niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ny eglizy anglikanina, ka nilaza fa teo amin’ny taniny, hono, no nisy ny ampahany tamin’ilay Efitrano Fivoriambenay vaovao tao Honiara. Nanohana azy ny fitondram-panjakana, hany ka nampiakarinay tany amin’ny Fitsarana Avo ilay raharaha. Ny didim-pitsarana havoakany no hamaritra raha voatery horavana na tsia, ilay Efitrano Fivoriambe mahazaka olona 1 200.

Nodinihina tany amin’ny fitsarana ilay raharaha nandritra ny herinandro maninjitra. Natoky tena sy nieboebo erỳ ny mpisolovavan’ny mpanohitra, rehefa nentina teo anatrehan’ny mpitsara ilay raharaha. Nandroso porofo mafonja avy eo ny mpisolovava anay, dia ny Rahalahy Warren Cathcart, avy any Nouvelle-Zélande. Nampiharihary ny tena marina izy ary nasehony fa tsy nitombina ny hevitra tsirairay naroson’ny mpanohitra. Niely be ny zava-nahaliana nitranga tao amin’ny fitsarana, ka feno hipoka ny trano fitsarana ny zoma. Tao ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana ary ireo rahalahintsika kristianina. Tadidiko ilay fahadisoana teo amin’ny fandaharana ofisialy momba ilay fitsarana. Izao no voasoratra teo: “Ny Fitondram-panjakan’ny Nosy Salomon sy ny Eglizin’i Melanezia miady amin’i Jehovah.” Mazava ho azy fa naharesy izahay.

Tsy naharitra anefa ny toe-piainana nilamindamina teto amin’ny Nosy Falifaly. Nanongam-panjakana ny tafika, ka nanjary niaina tao anatin’ny herisetra sy ny fisafotofotoana indray izahay sy Ann. Niteraka ady an-trano ny fifandrafian’ny foko samy hafa. Niongana ny fitondrana tamin’ny 5 Jona 2000, ka ireo mpanongam-panjakana no lasa nifehy ny renivohitra. Natoby nandritra ny herinandro maromaro tao amin’ny Efitrano Fivoriambenay, ny olona tsy nanan-kialofana. Gaga ny manam-pahefana nahita fa niaina tamim-pilaminana toy ny fianakaviana iray, tao amin’ilay Efitrano, ny rahalahinay kristianina avy tamin’ireo foko nifanandrina. Fitoriana vita ho azy tokoa izany!

Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanaja izany na dia ny mpanongam-panjakana aza. Afaka nandresy lahatra ny komandà iray àry izahay, mba hamela kamiao nisy boky sy sakafo, hankany amin’ireo rahalahy vitsivitsy nipetraka tany amin’ny faritra nofehezin’ny miaramila mpanohitra. Nanganohano ny ranomasonay rehetra, rehefa nihaona tamin’ireo fianakaviana tafasaraka taminay nandritra ny volana maromaro.

Maro ny antony mahavelom-pankasitrahana anay

Maro ny antony mahavelom-pankasitrahana anay, rehefa mieritreritra ny fanompoanay an’i Jehovah izahay. Faly izahay mahita ny zanakay vavy sy ny vadin’izy ireo avy, Ray sy John, manompo hatrany an’i Jehovah amim-pahatokiana. Tena nanampy anay tokoa izy ireo tamin’ny asa misionera nanendrena anay.

Efa 12 taona izao izahay mivady no manana tombontsoa manompo ato amin’ny biraon’ny sampan’ny Nosy Salomon. Hitanay nitombo avo roa heny ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana teto, ka mihoatra ny 1 800 izany izao. Tsy ela izay, dia nahazo tombontsoa hafa aho, rehefa nanatrika ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana, tany Patterson, any New York. Tena mahafa-po tokoa ny fiainanay ary mahazo fitahiana maro be izahay, noho izahay manana hatrany ny toe-tsain’ny misionera.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nandroso Foana Izahay” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1977.

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny mariazinay, 1960

[Sary, pejy 24]

Nampahery ny fianakavianay i Stanley sy Esinala Makumba, tany Ouganda

[Sary, pejy 24]

Sara handeha hiditra anaty trano bongon’ny mpiray tanàna aminay

[Sary, pejy 25]

Nanao sary aho mba hampianarana ny mponin’ny Nosy Salomon

[Sary, pejy 25]

Fivoriana niaraka tamin’ny fiangonana any amin’ny faritra mitokana, eto amin’ny Nosy Salomon

[Sary, pejy 26]

Ny fianakavianay ankehitriny