Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankasitraka Zavatra Ara-panahy i Jakoba

Nankasitraka Zavatra Ara-panahy i Jakoba

Nankasitraka Zavatra Ara-panahy i Jakoba

FENO loza sy zava-tsarotra ny fiainan’i Jakoba. Voatery nandositra izy, satria tezitra taminy ny rahalahiny, ka nitady hamono azy. Voafitaka koa izy, ka tsy nahazo an’ilay vehivavy tiany avy hatrany, fa noterena hanambady vehivavy hafa aloha. Nanjary nanambady efatra izy tatỳ aoriana, ary maro be ny olana naterak’izany. (Genesisy 30:1-13) Niasa ho an’ny lehilahy iray nanararaotra azy izy, nandritra ny 20 taona. Nifampitolona tamin’ny anjely izy, ary nitondra takaitra vokatr’izany. Nisy nametaveta ny zanany vavy, ary namono olona maro be ny zanany lahy. Nalahelo mafy izy rehefa namoy ilay zanany tiany indrindra sy ny vadiny. Voatery nifindra monina izy rehefa antitra mba handositra ny mosary, ary niaiky izy fa “sady vitsy no ratsy” ny andro niainany. (Genesisy 47:9) Na dia teo aza izany rehetra izany, dia lehilahy tia zavatra ara-panahy i Jakoba, sady nitoky tamin’Andriamanitra. Tsy marim-pototra ve ny finoany? Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Jakoba?

Tena tsy nitovy tamin’ny rahalahiny

Sarobidy tamin’i Jakoba ny zavatra ara-panahy, fa i Esao kosa nanao tsinontsinona azy io, ka izany no tena antony nampiady azy mirahalahy. Zava-dehibe tamin’i Jakoba ilay fampanantenana azon’i Abrahama, ka nanolo-tena hikarakara ilay fianakaviana nataon’Andriamanitra ho mpandova izy. Izany no nahatonga an’Andriamanitra ho ‘tia’ azy. Lehilahy tsy nanan-tsiny i Jakoba, izany hoe tena tsara fitondran-tena. I Esao kosa tsy niraharaha ny lovany ara-panahy, ka namidiny tamin’i Jakoba tamin’ny zavatra tsy nisy dikany izany. Nitaky ny zon’ny lahimatoa i Jakoba, ka nahazo ireo fitahiana tokony ho an’ny rahalahiny, ary nankasitrahan’Andriamanitra izany. Tezitra mafy i Esao, ka nikasa hamaly faty. Nandao ireo havan-tiany rehetra àry i Jakoba. Azo antoka anefa fa tena nampahery azy ny zavatra niainany taorian’izay.​—Malakia 1:2, 3; Genesisy 25:27-34; 27:1-45.

Nanehoan’Andriamanitra fahitana tamin’ny nofy i Jakoba, ka nahita anjely niakatra sy nidina teo amin’ny tohatoha-bato iray tonga hatrany an-danitra. Nilaza Andriamanitra fa hiaro an’i Jakoba sy ny taranany izy. “Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay làlan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.”​—Genesisy 28:10-15.

Nampahery azy tokoa izany! Nanome toky i Jehovah fa handrotsaka fitahiana ara-panahy ho an’ny fianakavian’i Jakoba izy, araka ny nampanantenainy an’i Abrahama sy Isaka. Nampahafantarina an’i Jakoba fa afaka manampy an’ireo olona tian’Andriamanitra ny anjely. Fantany àry fa hiaro azy Andriamanitra. Tena nankasitraka izany i Jakoba, ka nivoady ny tsy hivadika tamin’i Jehovah.​—Genesisy 28:16-22.

Tsy hoe nanao hafetsena akory i Jakoba mba hahazoana ny lova ara-panahy tokony ho an’i Esao. Efa nolazain’i Jehovah talohan’ny hahaterahan’izy mirahalahy fa “ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Genesisy 25:23) Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Naninona raha tonga dia i Jakoba no nataon’Andriamanitra lahimatoa?’ Mampianatra antsika lesona lehibe anefa ny zava-nitranga taorian’izay. Andriamanitra no mifidy izay tiany hanehoana hatsaram-panahy, fa tsy manome fitahiana an’izay mihevi-tena ho tokony hahazo izany izy. Lasan’i Jakoba àry ny zon’ny lahimatoa, fa tsy nomena an’ilay zokiny lahy, izay tsy nihevitra azy io ho zava-dehibe. Nanana toe-tsaina toy ny an’i Esao koa ny firenena jiosy fahiny, ka nosoloana ny Israely ara-panahy. (Romanina 9:6-16, 24) Mila ezaka àry ny fananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah, fa tsy azo mora foana toy ny lova tsy nisasarana. Ilaina hatrany ny miezaka na dia ho an’ny olona teraka tao anatin’ny fianakaviana matahotra an’Andriamanitra aza. Izay rehetra te hotahin’Andriamanitra dia tsy maintsy miezaka mba hihevitra ny zavatra ara-panahy ho sarobidy, sy tena hankasitraka izany.

Nipetraka tany amin’i Labana

Nankany Padana-arama i Jakoba mba hitady vady tany amin’ny havany. Nahita an-dRahely, zanak’i Labana, anadahin-dreniny izy, teo amin’ny fantsakana iray, ka nesoriny ny vatobe nanarona ilay fantsakana, ary nampisotroiny rano ireo biby nandrasan-dRahely. * Nihazakazaka nankany an-tranony i Rahely mba hanambara ny fahatongavan’i Jakoba, ary nandeha nitsena azy haingana i Labana. Ho diso fanantenana i Labana raha nitadidy ny harena azon’ny fianakaviany tamin’ny mpanompon’i Abrahama, satria tanam-polo no nentin’i Jakoba. Hitan’i Labana anefa fa afaka nanararaotra ny tanjaka nananan’i Jakoba izy.​—Genesisy 28:1-5; 29:1-14.

Nitantara ny momba azy i Jakoba. Tsy fantatra raha notantarainy ilay tetika nahazoany ny zon’ny lahimatoa, fa rehefa ren’i Labana “izany rehetra izany”, dia hoy izy: “Taolako sy nofoko tokoa hianao.” Nilaza ny manam-pahaizana iray fa izany teny izany dia mety hidika ho fandraisana amim-pitiavana an’i Jakoba hiara-mipetraka aminy, na koa fanekena fa voatery hiaro azy i Labana satria havany. Na izany na tsy izany, dia efa nandinika ny fomba hanararaotany an’ilay zanak’anabaviny i Labana.

Nahatonga azy hifanditra tamin’i Jakoba nandritra ny 20 taona ny resaka naroson’i Labana taorian’izay. Nanontany izy hoe: “Moa na dia rahalahiko aza hianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.” Nentin’i Labana toy ny havany i Jakoba tamin’ny voalohany, kanefa nataony toy ny mpiasa izy tatỳ aoriana. Tena raiki-pitia tamin-dRahely anefa i Jakoba, ka namaly hoe: “Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.”​—Genesisy 29:15-20.

Raha te hanambady ny lehilahy iray, dia nila nanolotra vodiondry ho an’ny fianakavian-drazazavavy izy. Nolazaina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana fa sekely volafotsy 50 no tokony homen’izay lehilahy nitaona virjiny hanao firaisana taminy. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Gordon Wenham hoe izany no “vodiondry ambony indrindra”, fa “kely lavitra noho izany” ny ankamaroany. (Deoteronomia 22:28, 29) Tsy nanam-bola anefa i Jakoba, ka nanolo-tena hiasa ho an’i Labana nandritra ny fito taona. Nanazava i Wenham hoe: “Antsasaka sekely ka hatramin’ny sekely iray isam-bolana no noraisin’ny mpiasa tsotra iray tamin’ny andron’ny Babylonianina fahiny” (sekely 42 ka hatramin’ny 84 izany ao anatin’ny fito taona). “Tena betsaka àry ny vodiondry nomen’i Jakoba an’i Labana, mba hahazoany an-dRahely.” Nanaiky avy hatrany i Labana.​—Genesisy 29:19.

Toy ny “andro vitsy foana” tamin’i Jakoba ireo fito taona, satria tena tia an-dRahely izy. Rehefa nanambady i Jakoba, dia tsy fantany hoe namitaka azy i Labana, satria nisarom-boaly ilay vehivavy nomena azy. Alaivo sary an-tsaina ny hatezerany ny ampitso maraina, rehefa hitany fa tsy i Rahely no niara-natory taminy, fa i Lea rahavaviny! Nanontany i Jakoba hoe: “Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?” Namaly i Labana hoe: “Tsy fanao atỳ amin’ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny. Tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.” (Genesisy 29:20-27) Voafitaka i Jakoba, kanefa tsy nisy azony natao afa-tsy ny nanaiky an’ireo fepetra ireo, raha tiany ny hahazo an-dRahely.

Tena mafy ireo fito taona nanaraka, fa tsy toy ireo voalohany. Ahoana tokoa moa no hanadinoan’i Jakoba ny fitaka nataon’i Labana taminy? Ary ahoana koa ny amin’i Lea, izay niray tsikombakomba taminy? Mazava ho azy fa tsy te hahalala mihitsy izay mety ho korontana hitranga eo amin’i Lea sy Rahely amin’ny hoavy, i Labana. Ny tombontsoan’ny tenany ihany no noeritreretiny. Nitahiry lolompo i Rahely, sady vao mainka koa nialona, satria momba izy, nefa i Lea niteraka efa-dahy nisesy. Efa tsy nanantena ny hanan-janaka intsony i Rahely, ka nasainy niteraka tamin’ny vadiny ny mpanompovaviny. Te hifaninana taminy i Lea, ka mba nanao toy izany koa. Nanana vady 4 sy zanaka 12 i Jakoba tamin’ny farany, saingy tsy sambatra mihitsy ny fianakaviany. Nataon’i Jehovah anefa izay hahatonga an’i Jakoba ho firenena lehibe.​—Genesisy 29:28–30:24.

Nomen’i Jehovah harena

Hitan’i Jakoba fa nomba azy foana Andriamanitra, araka ny nampanantenainy, na dia nisy fisedrana aza. Nahita izany koa i Labana, satria vitsy kely ny bibiny tamin’ny voalohany, kanefa nitombo be izany rehefa nokarakarain’i Jakoba. Tsy te handefa an’i Jakoba i Labana, ka nasainy niteny izay ho karamany i Jakoba, amin’ny fanompoana mbola hataony. Nangatahin’i Jakoba àry izay biby nanana loko hafakely ho teraka avy tamin’ny andiam-bibin’i Labana. Voalaza fa fotsy ny ankamaroan’ny ondry tany amin’iny faritra iny, ary mainty na mena antitra ny osy, fa vitsy ihany ny sada na mara. Nanaiky avy hatrany àry i Labana, satria noheveriny fa tena hahazo tombony izy. Nalefany haingana tany amin’ny toerana lavitra, ny bibiny rehetra nanana loko hafakely, mba tsy hiaraka tamin’ireo andiam-biby nandrasan’i Jakoba. Nino tokoa i Labana fa ho kely ny tombontsoa ho azon’i Jakoba tamin’ilay fifanekena, ka tsy hahatratra ny 20 isan-jaton’ireo zanak’ondry sy zanak’osy akory, toy ny karaman’ny mpiandry ondry tamin’ny andro fahiny. Diso hevitra anefa i Labana, satria nomba an’i Jakoba i Jehovah.​—Genesisy 30:25-36.

Noho ny fitahian’Andriamanitra, dia nahazo biby tamin’ireo loko notadiaviny i Jakoba, sady natanjaka tsara ny bibiny. (Genesisy 30:37-42) Marina aloha fa tsy nitombina ny hevitra nampiasainy mba hangalana taranaka tamin’ny bibiny. Nanazava toy izao anefa ilay manam-pahaizana atao hoe Nahum Sarna: ‘Voaporofo ara-tsiansa fa azo atao ny mahazo izany loko izany, raha biby miloko ranoray, izay manana sela afaka manome loko pentimpentina, foana no ampivadina. Mora fantatra ireny biby ireny satria matanjaka kokoa.’

Novan’i Labana ilay fifanarahana rehefa hitany ny vokany, ka niovaova foana ny lokon’ny biby nomeny ny zanak’anabaviny, na sadika, na sada, na mara. Ny tombontsoany manokana no notadiaviny, kanefa nandresy foana i Jakoba noho ny fitahian’i Jehovah, na dia novan’i Labana toy inona aza ilay fifanekena. Nivonto fo fotsiny i Labana, fa tsy nisy azony natao. Tsy ela dia nanan-karem-be i Jakoba, sady nahazo ondry aman’osy, mpanompo, rameva, ary ampondra maro be. Tsy noho ny fahaizany manokana akory izany, fa noho ny fanampian’i Jehovah. Nanazava tamin’i Rahely sy Lea izy tatỳ aoriana, nanao hoe: “Ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako impolo; nefa tsy navelan’Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy. . . . Nalain’Andriamanitra ny fananan’ny rainareo ka nomeny ahy.” Nanome toky an’i Jakoba i Jehovah mba tsy hatahotra, satria hitany avokoa ny zavatra rehetra nataon’i Labana. Hoy Andriamanitra taminy: “Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao, dia hanao soa aminao Aho.”​—Genesisy 31:1-13; 32:10.

Niala tao amin’i Labana mpamitaka ihany i Jakoba tamin’ny farany, ary nody tany an-tanindrazany. Efa 20 taona izay no lasa, nefa mbola natahotra an’i Esao ihany izy. Vao mainka koa natahotra izy rehefa reny fa nitsena azy i Esao, niaraka tamin’ny lehilahy efajato. Inona no azon’i Jakoba natao? Lehilahy araka ny fanahy i Jakoba, ka nitoky tamin’i Jehovah foana, ary nanao zavatra tamim-pinoana. Nivavaka izy, na dia niaiky aza fa tsy mendrika ny fahalalahan-tanan’i Jehovah. Nangataka izy mba hotanterahin’Andriamanitra ny fampanantenany, ka harovany amin’ny tanan’i Esao izy sy ny fianakaviany.​—Genesisy 32:3-13.

Nisy zava-nitranga tsy nampoizina taorian’izay. Nisy olona, izay fantatra ho anjely tatỳ aoriana, nifampitolona tamin’i Jakoba tamin’ny alina. Nokasihiny indray mandeha ny foto-pen’i Jakoba, ka nivìka. Tsy navelan’i Jakoba handeha anefa ilay anjely raha tsy nitahy azy. Nolazain’i Hosea mpaminany tatỳ aoriana fa “nitomany” i Jakoba, sady niangavy an’ilay anjely hitahy azy. (Hosea 12:3-5; Genesisy 32:25-30) Fantatr’i Jakoba fa ny fisehoan’ny anjely talohan’izay dia nifandray tamin’ny fanatanterahana an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama amin’ny alalan’ny taranany. Niady mafy àry izy, ka nahazo fitahiana. Tamin’izay no nanovan’Andriamanitra ny anaran’i Jakoba ho Israely, izany hoe “Mpitolona Amin’Andriamanitra”, na “Mitolona Andriamanitra.”

Vonona hiady mafy ve ianao?

Tsy ilay ady tamin’ny anjely sy ny fihaonana tamin’i Esao ihany akory no zava-tsarotra tsy maintsy natrehin’i Jakoba. Ahitana ny tena toetrany anefa ireny zava-nitranga ireny. I Esao, ohatra, tsy nahatanty hanoanana kely akory mba hiarovana ny zon’ny lahimatoa nananany. I Jakoba kosa anefa niady mafy nandritra ny androm-piainany manontolo mba hahazoana fitahiana, ka nitolona tamin’ny anjely mihitsy aza. Nahazo tari-dalana sy fiarovana i Jakoba, araka ny nampanantenain’Andriamanitra, ka lasa firenena lehibe ny taranany, ary nanjary razamben’ny Mesia izy.​—Matio 1:2, 16.

Vonona hiady mafy koa ve ianao mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra? Feno zava-manahirana ny fiainana ankehitriny, ka tsy maintsy misetra zava-tsarotra ireo maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tena sarotra indraindray na dia ny mandray fanapahan-kevitra tsara aza. Tena ohatra tsara ho antsika anefa i Jakoba, ka izany dia mampirisika antsika hihazona hatrany ny fanantenana ny valisoa apetrak’i Jehovah eo anoloantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Toy izany koa no nitranga rehefa nampisotro rano ny ramevan’i Eliezera i Rebeka, renin’i Jakoba. Nihazakazaka nankany an-trano i Rebeka, mba hilaza ny fahatongavan’ilay vahiny. Nivoaka haingana mba hiarahaba an’i Eliezera i Labana raha vao nahita ny volamena azon’ny anabaviny.​—Genesisy 24:28-31,​53.

[Sary, pejy 31]

Niady mafy nandritra ny androm-piainany manontolo i Jakoba mba hahazoana fitahiana