Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitsika Tsy Mizaha Tavan’olona

Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitsika Tsy Mizaha Tavan’olona

Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitsika Tsy Mizaha Tavan’olona

“Tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.”—ROMANA 2:11.

1, 2. a) Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ireo Kananita tamin’ny ankapobeny? b) Inona no nataon’i Jehovah, ary inona no fanontaniana mipetraka noho izany?

NIHAINO tsara an’i Mosesy ny Isiraelita nitoby teny amin’ny Lemak’i Moaba, tamin’ny taona 1473 T.K. Nisy zava-tsarotra niandry azy ireo teny ampitan’ny Ony Jordana. Nambaran’i Mosesy fa ny fikasan’i Jehovah dia ny handresen’izy ireo ny firenena kananita fito natanjaka be, tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Tena nampahery azy ireo mihitsy àry ny tenin’i Mosesy hoe: ‘Hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka ho resinao’! Tsy nahazo nanao fifanekena tamin’ireo firenena ireo ny Isiraelita. Tsy mendrika ny hamindrana fo koa izy ireo.​—Deoteronomia 1:1; 7:1, 2.

2 Nisy fianakaviana iray navotan’i Jehovah anefa tao amin’ny tanàna voalohany notafihin’ny Isiraelita. Nisy olona narovany koa avy tamin’ny tanàna efatra hafa. Nahoana? Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa mandinika ireo fisehoan-javatra niavaka tamin’ny namonjena ireo Kananita ireo isika? Ary ahoana no hanahafantsika azy?

Nanohina azy ireo ny lazan’i Jehovah

3, 4. Inona no vokany, rehefa nandre vaovao momba ireo fandresen’ny Isiraelita ny Kananita sasany?

3 Niaro ny Isiraelita vahoakany sy niady ho azy ireo i Jehovah, nandritra ilay dia naharitra 40 taona tany an’efitra, talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nifanatrika tamin’ilay Kananita mpanjakan’i Arada ny Isiraelita, tany atsimon’ny Tany Nampanantenaina. Nandresy azy sy ny vahoakany tany Horma izy ireo, satria nampian’i Jehovah. (Nomery 21:1-3) Nanodidina an’i Edoma ny Isiraelita tatỳ aoriana, ary nianavaratra nankany avaratratsinanan’ny Ranomasina Maty. Amorita no nipetraka tao amin’io faritra nonenan’ny Moabita taloha io. Tsy namela ny Isiraelita hamakivaky ny taniny i Sihona mpanjaka amorita. Niady àry izy ireo tany Jahaza, angamba tany avaratry ny Lohasahan-driaka Arnona, ary maty tany i Sihona. (Nomery 21:23, 24; Deoteronomia 2:30-33) I Oga no mpanjakan’ny Amorita, tany avaratra kokoa, tany Basana. Tsy afaka nifampitaha tamin’i Jehovah i Oga, na dia goavam-be aza. Nisy namono tany Edrehy izy. (Nomery 21:33-35; Deoteronomia 3:1-3, 11) Tena nanan-kery teo amin’ny olona sasany tany Kanana ny vaovao momba ireo fandresena ireo sy ny tantaran’ny fifindran’ny Isiraelita avy tany Ejipta. *

4 Nitoby tany Gilgala ny Isiraelita, raha vao avy nita an’i Jordana ka tafiditra tao Kanana. (Josoa 4:9-19) Tsy lavitra teo no nisy ilay tanàna nimanda atao hoe Jeriko. Nanohina an-dRahaba Kananita ny zavatra nataon’i Jehovah, ka nanao zavatra tamim-pinoana izy. Nitsimbina ny ainy sy ny ain’izay tao an-tranony àry i Jehovah, rehefa nandringana an’i Jeriko.​—Josoa 2:1-13; 6:17, 18; Jakoba 2:25.

5. Inona no nahatonga ireo Gibeonita hanao hafetsena?

5 Niainga avy teo amin’ireo tany lemaka nanamorona an’i Jordana ny Isiraelita avy eo, ka niakatra tany amin’ireo havoana tao afovoan-tany. Nanaraka ny toromarik’i Jehovah i Josoa, ka namela-pandrika hamelezana ny tanànan’i Ay. (Josoa toko faha-8) Nahazo fandresena nanetriketrika izy ireo, ka niray hina hiady taminy ny mpanjaka kananita maro, rehefa nandre izany. (Josoa 9:1, 2) Zavatra hafa kosa no nataon’ireo mponina tany Gibeona, tanàna hivita tsy lavitra teo. Tantaraina ao amin’ny Josoa 9:4 fa ‘nanao hafetsena izy ireo.’ Toa an-dRahaba, dia ren’izy ireo hoe namonjy ny vahoakany i Jehovah, fony izy ireo niala avy tany Ejipta sy nandresy an’i Sihona sy Oga. (Josoa 9:6-10) Fantatr’ireo Gibeonita fa ho very maina ny ezaka hataony, raha hanohitra izy. Nandefa solontena àry izy ireo sy ny tanàna telo teo akaikiny, dia i Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima. Mody nitafy toy ny olona avy lavitra ireo solontena ireo, ary nandeha niresaka tamin’i Josoa tany Gilgala. Nahomby ilay tetika, ka nanao fifanekena tamin’izy ireo i Josoa hoe tsy hamono azy ireo. Telo andro taorian’izay, dia fantatr’i Josoa sy ny Isiraelita fa voafitaka izy ireo. Efa nianiana tamin’i Jehovah anefa izy ireo, ka nitana ny teniny. (Josoa 9:16-19) Nankasitraka izany ve i Jehovah?

6. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nankasitrahany ilay fifanekena nataon’i Josoa tamin’ireo Gibeonita?

6 Navela ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny Isiraelita ny Gibeonita, ary nanao izany “ho an’ny alitaran’i Jehovah” tao amin’ny tabernakely mihitsy aza izy ireo. (Josoa 9:21-27) Namonjy azy ireo tamin’ny fomba nahagaga koa i Jehovah, rehefa nandrahona azy ireo ny mpanjaka amorita dimy sy ny tafiny. Maro kokoa ny fahavalo matin’ny havandra noho ny matin’ny miaramilan’i Josoa. Namaly ny fitalahoan’i Josoa mihitsy aza i Jehovah, ka nampijanona ny masoandro sy ny volana, mba handresen’izy ireo tanteraka. Hoy i Josoa: “Tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’i Jehovah ny feon’olona; fa Jehovah niady ho an’ny Isiraely.”​—Josoa 10:1-14.

7. Inona no neken’i Petera, ary nohamarinin’ny zava-nitranga tamin’ny Kananita sasany?

7 Natahotra an’i Jehovah ary nanao zavatra nifanaraka tamin’izany i Rahaba mianakavy izay Kananita, sy ireo Gibeonita. Ny zava-nitranga tamin’izy ireo dia manamarina tsara ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Abrahama sy ny Isiraelita

8, 9. Ahoana no ahitana fa tsy nizaha tavan’olona Andriamanitra teo amin’ny fomba nitondrany an’i Abrahama sy ny Isiraelita?

8 Nasongadin’i Jakoba mpianatra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny taranany. Ny finoan’i Abrahama no nahatonga azy ho “Sakaizan’Andriamanitra”, fa tsy ny firenena niaviany. (Jakoba 2:23) Notahina koa ny taranany noho izy nino sy tia an’i Jehovah. (2 Tantara 20:7) Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina.” Mariho anefa ny fampanantenana eo amin’ny andininy manaraka: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”​—Genesisy 22:17, 18; Romana 4:1-8.

9 Tsy nizaha tavan’olona i Jehovah, fa nasehony tamin’ny fomba nitondrany ny Isiraelita kosa izay azony atao ho an’ireo mankatò azy. Hitantsika amin’izany fa maharitra ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony mahatoky. “Rakitra soa” ho an’i Jehovah ny Isiraelita, nefa tsy nidika izany hoe tsy nanao soa ho an’ny firenen-kafa izy. (Eksodosy 19:5; Deoteronomia 7:6-8) Marina fa nanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta izy, ary nanambara hoe: “Hianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Kanefa, nanome fanantenana faran’izay tsara ho an’ny “jentilisa rehetra” koa i Jehovah, tamin’ny alalan’i Amosa sy ny mpaminany hafa.​—Amosa 3:2; 9:11, 12; Isaia 2:2-4.

Jesosy, ilay mpampianatra tsy nizaha tavan’olona

10. Ahoana no nanahafan’i Jesosy ny Rainy, izay tsy mizaha tavan’olona?

10 Nanome taratry ny toetran’i Jehovah Rainy i Jesosy, ka tsy nizaha tavan’olona, nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Hebreo 1:3) Ny fitadiavana ireo “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” no tena nimasoany. Tsy nisakana azy tsy hitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray teny am-pantsakana anefa izany. (Matio 15:24; Jaona 4:7-30) Nanao fahagagana koa izy rehefa nangataka izany ny kapiteny iray, izay azo inoana fa tsy Jiosy. (Lioka 7:1-10) Nanao izany rehetra izany izy sady naneho fitiavana tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nitory hatraiza hatraiza koa ny mpianatr’i Jesosy. Nanjary nazava fa tsy niankina tamin’ny firenena niavian’ny olona no hitahian’i Jehovah azy, fa niankina tamin’ny toe-pony. Nanaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireo nanetry tena sy tso-po ary nangetaheta ny fahamarinana. Nanamavo an’i Jesosy sy ny hafatra nentiny kosa ireo niavonavona sy nieboebo. Hoy i Jesosy: “Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.” (Lioka 10:21) Mahatonga antsika tsy hizaha tavan’olona ny fitiavana sy finoana, ary fantatsika fa izany no ankasitrahan’i Jehovah.

11. Ahoana no ahitana fa tsy nizaha tavan’olona ny Kristianina voalohany?

11 Nitovy ny Jiosy sy ny tsy Jiosy teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany. Nanazava i Paoly hoe: “Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny Jentilisa koa. Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” (Romana 2:10, 11) Tsy niankina tamin’ny firenena niaviany no nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamin’izy ireo. Izany kosa dia niankina tamin’ny fomba nandraisan’izy ireo ny fahalalana momba an’i Jehovah sy ny fanantenana azo noho ny soron’i Jesosy Zanany. (Jaona 3:16, 36) Nanoratra i Paoly hoe: “Tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra.” Avy eo dia nanaovany tsilaolaon-teny ilay teny hoe “Jiosy” (midika hoe “avy amin’i Joda”, na deraina). Hoy izy: “Ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.” (Romana 2:28, 29) Midera ny olona tsy an-kanavaka i Jehovah. Ahoana ny amintsika?

12. Inona no fanantenana hita ao amin’ny Apokalypsy 7:9, ary iza no ampanantenaina izany?

12 Nahazo fahitana momba ireo Kristianina voahosotra mahatoky ny apostoly Jaona, tatỳ aoriana. Ny fahitany azy ireo dia toy ny firenena ara-panahy misy olona 144 000 “voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra.” Taorian’izay i Jaona dia nahita “olona betsaka . . . avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany.” (Apokalypsy 7:4, 9) Midika izany fa ekena ho anisan’ny fiangonana kristianina ny olona rehetra ankehitriny, na inona na inona fokony sy fiteniny. Afaka ny ho tafavoaka velona amin’ilay “fahoriana lehibe” izy, na inona na inona fiaviany, ka hisotro amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” ao amin’ny tontolo vaovao.​—Apokalypsy 7:14-17.

Vokatra tsara

13-15. a) Ahoana no handresentsika ny tsy fitoviana ara-poko sy ara-kolontsaina? b) Manomeza ohatra mampiseho fa mitondra vokatra tsara ny hatsaram-panahy.

13 Mahafantatra antsika tsara i Jehovah, toy ny ray mahay mitaiza, izay mahalala tsara ny zanany. Rehefa miezaka ny hahalala ny kolontsaina sy ny fanabeazana azon’ny hafa koa isika, dia lasa tsy zava-dehibe loatra ny tsy fitoviantsika. Mifandray tsara kokoa isika, na dia avy amin’ny foko samihafa aza, ary lasa mpinamana sy mifankatia kokoa. Mihamafy koa ny firaisan-tsaina. (1 Korintiana 9:19-23) Manaporofo izany tsara ny asan’ny misionera manompo any an-tany hafa. Miezaka ny hifankahalala tsara amin’ny olona mipetraka any izy ireo, hany ka vetivety dia mifandray akaiky amin’ilay fiangonana misy azy.​—Filipiana 2:4.

14 Misongadina ny vokatra tsara ateraky ny tsy fizahan-tavan’olona any amin’ny tany maro. Avy any Etiopia i Aklilu, ary nanirery izy tany Londres, renivohitr’i Grande-Bretagne. Tsy vitan’izay, fa tsapany koa hoe tsy misariaka firy amin’ny vahiny ny olona tany Londres. Izany koa no hita any amin’ny tanàn-dehibe maro any Eoropa. Nifanohitra tanteraka tamin’izany anefa no tsapan’i Aklilu, rehefa nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy! Nandray azy tsara ny olona tany, ka vetivety dia tsy sadaikatra intsony izy. Nitombo haingana ny fahalalany ny Mpamorona sy ny fankasitrahany azy. Tsy ela dia nitady fomba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tao amin’ilay faritra nisy azy izy. Nanontany azy ilay namany niara-nitory taminy indray andro hoe inona no tanjony. Namaly avy hatrany i Aklilu fa niriny ny hiaraka amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteniny, dia ny Amharic. Faly ny anti-panahin’ilay fiangonana anglisy teo an-toerana nahare izany, ka nampanao lahateny ara-baiboly tamin’ny fitenin’i Aklilu. Io no fivoriana voalohany tamin’ny teny amharic tany Grande-Bretagne, ary be dia be ny vahiny sy ny olona avy tao Londres tonga nanatrika azy io. Misy fiangonana miroborobo sy miteny amharic izao ao amin’io faritra io, ary tafaray ao ny Etiopianina sy ny hafa. Maro ny olona any no mahatsapa fa tsy misy misakana azy tsy hiandany amin’i Jehovah sy hampiseho izany amin’ny batisa kristianina.​—Asan’ny Apostoly 8:26-36.

15 Tsy mitovy ny toetran’ny olona sy ny fiaviany ary ny fanabeazana azony. Fahasamihafana fotsiny izany, fa tsy mamaritra hoe ambony izy na ambany. Faly be ireo Vavolombelona nanatrika ny batisan’ireo mpanompon’i Jehovah vaovao, tany amin’ny nosy Malta. Ny avy teo an-toerana nikotaba be, ny mpitsidika avy tany Grande-Bretagne kosa latsa-dranomaso. Samy naneho ny hafaliany ireo Kristianina ireo, saingy tamin’ny fomba samy hafa. Nampiray azy ireo anefa ny fitiavany lalina an’i Jehovah.​—Salamo 133:1; Kolosiana 3:14.

Fandresena ny fanavakavahana

16-18. Milazà fitantarana mampiseho fa azo resena ny fanavakavahana eo anivon’ny fiangonana kristianina.

16 Afaka manahaka tsara kokoa ny fiheveran’i Jehovah ny olona isika, rehefa mihalalina ny fitiavantsika azy sy ny rahalahintsika kristianina. Angamba nanavakavaka ny olona avy amin’ny firenena, na foko, na kolontsaina sasany isika taloha. Afaka mandresy izany anefa isika izao. Eritrereto, ohatra, i Albert, izay anisan’ny Tafika Britanika nandritra ny Ady Lehibe II. Nosamborin’ny Japoney izy rehefa resy i Singapour tamin’ny 1942. Taorian’izay, dia niasa nandritra ny telo taona teo ho eo tamin’ny fanamboarana ilay antsoina hoe “lalambin’ny fahafatesana” izy, tsy lavitra an’ilay tetezana miampita ny ony Kwai. Rehefa tapitra ny ady, ka nafahana i Albert, dia tsy nilanja afa-tsy 32 kilao sisa izy. Nisy tapaka ny valanoranony sy ny orony, nivalan-dra izy ary voan’ny aretin-koditra sy tazo. Mafy noho izany aza ny nanjo ny gadra an’arivo niaraka taminy, ary maro no maty. Noho ny habibiana hitan’i Albert sy nihatra taminy, dia nanjary feno hatezerana sy lolompo izy, rehefa nody tamin’ny 1945, ka tsy niraharaha an’Andriamanitra na ny fivavahana.

17 Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Irène vadiny. Mba te hampifaly azy i Albert, ka nanatrika fivoriana vitsivitsy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsidika azy i Paul, tanora kristianina mpanompo manontolo andro, ary nampianatra azy Baiboly. Tsy ela dia azon’i Albert fa ny fo no jeren’i Jehovah. Nanolo-tena ho an’i Jehovah àry izy ary natao batisa.

18 Nifindra tany Londres i Paul tatỳ aoriana, ary nianatra niteny japoney, sy niaraka tamin’ny fiangonana niteny japoney. Rehefa nisy Vavolombelona japoney nivahiny tany Londres, dia nentin’i Paul tany amin’ilay fiangonany taloha izy ireo. Tsaroan’ireo rahalahy tao anefa fa tsy tia Japoney mihitsy i Albert. Tsy nety niresaka tamin’izy ireo mihitsy izy, hatramin’ny niverenany tany Grande-Bretagne. Nanontany tena àry ireo rahalahy hoe hanao ahoana ny fihetsiny. Tsy tokony ho nanahy anefa izy ireo, satria noraisin’i Albert tamim-pitiavana, toy ny rahalahiny mihitsy, ireo vahiny ireo.​—1 Petera 3:8, 9.

“Mihalalaha”

19. Inona no torohevitry ny apostoly Paoly izay afaka manampy antsika, raha somary mizaha tavan’olona isika?

19 Nanoratra i Solomona Mpanjaka hendry hoe: “Tsy mety raha mizaha tavan’olona.” (Ohabolana 28:21) Mora ny mifandray akaiky amin’ireo olona fantatsika tsara. Tsy miraharaha ny olona tsy fantatsika tsara anefa isika indraindray. Tsy tokony hizaha tavan’olona toy izany ny mpanompon’i Jehovah. Tokony harahintsika rehetra ilay torohevitra mazava nomen’i Paoly hoe: “Mihalalaha.” Aoka àry isika hihamalalaka amin’ny fitiavantsika ireo Kristianina tsy mitovy fiaviana amintsika.​—2 Korintiana 6:13.

20. Amin’ny lafiny inona avy eo amin’ny fiainantsika isika no tokony hanahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona?

20 Na omem-boninahitra hiakatra any an-danitra isika, na manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, dia miray saina toy ny andiany iray tarihin’ny Mpiandry iray, rehefa tsy mizaha tavan’olona. (Efesiana 4:4, 5, 16) Rehefa miezaka manahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona isika, dia hahita vokatra tsara eo amin’ny fanompoantsika kristianina, eo anivon’ny fianakaviantsika sy ny fiangonana, ary eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. Ahoana no hetezan’izany? Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Natao tonon-kira masina ny lazan’i Jehovah tatỳ aoriana.​—Salamo 135:8-11; 136:11-20.

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tamin’i Rahaba sy ireo Gibeonita fa tsy mizaha tavan’olona izy?

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nizaha tavan’olona izy rehefa nampianatra?

Inona no afaka manampy antsika handresy ny fanavakavahana ny olona avy amin’ny kolontsaina na foko sasany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Manomboka ny fandresen’ny Isiraelita an’i Kanana

[Sary, pejy 15]

Tsy nisalasala nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray i Jesosy

[Sary, pejy 16]

Fivoriana amin’ny teny amharic any Grande-Bretagne

[Sary, pejy 16]

Nandresy ny fanavakavahana i Albert, noho ny fitiavany an’i Jehovah