Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manàna Fieritreretana Tsara”

“Manàna Fieritreretana Tsara”

“Manàna Fieritreretana Tsara”

HOY ny ohabolana malagasy iray: “Aleo enjehin’ny omby masiaka, toy izay enjehin’ny eritreritra.” Raha tsy tiantsika hanenjika antsika anefa ny eritreritsika, fa ho mpitari-dalana antsika, dia mila ampiofanintsika hahalala ny tsara sy ny ratsy izy io. Tsy maintsy henointsika koa izay asainy ataontsika.

Raiso, ohatra, i Zakaiosy, voatantara ao amin’ny Baiboly. Nonina tany Jeriko izy, ary lehiben’ny mpamory hetra sady nanankarena. Niaiky izy fa avy tamin’ny fanambakana no nahazoany ny hareny. Azo inoana fa voa mafy ny olona nanaovany an’izany. Nanenjika an’i Zakaiosy ve ny eritreriny? Na nenjehin’ny eritreriny aza izy, dia toa tsy noraharahainy akory izany.​—Lioka 19:1-7.

Nisy zava-nitranga nahatonga azy hieritreritra momba ny nataony anefa. Tonga tao Jeriko i Jesosy. Te hahita azy i Zakaiosy, nefa tsy afaka, satria fohy kely ka takon’ny vahoaka. Nihazakazaka nialoha àry izy, ary nianika hazo mba hahita kokoa an’i Jesosy. Nanaitra an’i Jesosy ny fanirian’i Zakaiosy hahita azy, ka nilaza taminy i Jesosy fa ho any an-tranony. Faly i Zakaiosy nandray an’io vahiny nanan-kaja io.

Nanohina ny fon’i Zakaiosy izay hitany sy reny tamin’i Jesosy, ka nahatonga azy hanova ny fiainany. Hoy izy: “Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.”​—Lioka 19:8.

Voaofana tsara izao ny fieritreretan’i Zakaiosy, ka nohenoiny sy nankatoaviny. Mbola lehibe lavitra noho izany aza ny soa azony. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pony, rehefa niteny taminy i Jesosy hoe: “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena.”​—Lioka 19:9.

Tena mampahery io tantara io! Asehony fa afaka miova isika, na inona na inona fiainantsika taloha. Toa an’i Zakaiosy, dia afaka manaraka ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Baiboly isika, ka hianatra hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Hahatonga antsika ‘hanana fieritreretana tsara’ izany, araka ny fampirisihan’ny apostoly Petera. Raha henointsika ny fieritreretantsika efa voaofana tsara toy izany, dia hitari-dalana antsika hanao ny tsara.​—1 Petera 3:16.